Ny fiangonana apokalipsy: fanambakana oul @ fomba ankolaka

21. maian ( 01/10/2012 10:13)
marina tokoa zany fa mpamita bahoaka be le Mailhol io ka asakasaky ze manaiky fitahany,sady nenazy na Jesosy maty 3 andro sy telo alina n toriany fa tsy Jesosy velona, zany de efa mampieritreritra, jereo ne reto tomobila tsara tarehiny e nefa ny mpivavaka ao asainy miaina @ fanetren tena mampalaelo be ny anaovany an le ol tena devoly iny
22. andrywui ( 01/10/2012 11:12)
TAKONA -))) ....
aona s'y aona n'y fandehanzany Cd nalefa zany ?? Mba tantarao kely mba aitana n'y marina rah naeno enao !!
23. andrywui ( 01/10/2012 11:17)
MAIAN --)))
fa maninnn tokoa no oe jesosy maty 3 andro s'y telo.alina fona nonteneniny e ???tena marina io fanamarihan'i maian io fa tsy manaratsy à ....farafaharatsiny mba tohizany oe avy nitsangana tamn maty ary velona izy ankehitriny ....fa tonga de oe maty !!!! Grave .. no comment
24. bozina ( 02/10/2012 04:47)
fa mba tadidintsika ve rto leo oe ry zareo rery no tafiakatra teny Ambondrobe?dia tena hita fa film sy sary dahalo no natao,dia izy samy izy iany no mifanala amty devoly ty,kelikely ko alo dia io devoly esorin'ty' Mah ty dia iditra aminreto mpino manaraka azy rehefa tsy samy ho tonga saina

andrywui:

MAIAN --)))
fa maninnn tokoa no oe jesosy maty 3 andro s'y telo.alina fona nonteneniny e ???tena marina io fanamarihan'i maian io fa tsy manaratsy à ....farafaharatsiny mba tohizany oe avy nitsangana tamn maty ary velona izy ankehitriny ....fa tonga de oe maty !!!! Grave .. no comment
25. leea ( 02/10/2012 07:18)
Le 1/10 kosa anefa aloha tsy mahatonga aiza na tazomina ao antrano aza e! Le miditra mintsy no efa kely.
Fa za ndray tsy dia manenjika ny mpitarika atokom-pivavahana loatra: marobe ny olona fantatro saikaizantaoka sy rongony fa nifampitarika tany amin'ity fiangonana ity ry zareo mpinamana dia aminzao aloha tsy haiko na rongony firy sisa no lanin'ilay olona fa au moins tsy manakorontana ny fiarahamonina intsony izy refa mamo fa efa "niova fo".
Ilay côté fitaizana izany misy tsy handaitra mihintsy raha tsy ny "gourou" no miteny e.

Ilay zanaky ny zaodahinao io zao raha tsy nivavaka tao amin'ny Apo ry zareo mety vao maika aza voadaroka matetika ao antrano satria stressé be ny raimpianakaviana amin'ny adimpiainana isan'andro. Tsy haintsika oe nanahoana raha tsy nisy ilay fiangonana. Fa tant que tsy manakorontana ny fiarahamonina dia avelao izy ho any. Ny volan'ireo mpiangona anie mety lany nireveny sy nandehanany tany amin'i dadarabe ihany koa aza e !
26. leea ( 02/10/2012 07:24)
Fa marina mihintsy anefa ny nolazain'ilay vahinin'ny TNTV: Tsy mahalala izay ataony ireo mpanara-dia ity fiangonana ity. Dominer n'ny "fanahy" izay mahatonga azy ireo ho jamba, tsy mandinika, tsy mamakafaka fa manaikinaiky foana.
Mampalahelo !
27. takona ( 02/10/2012 07:38)
lay CD aloha tsy hitako e fa izay liana hono no ameny.tena mampalahelo ireo mpino ao satria tena voan'ny lemintsaina tanteraka jamba ny hitan'ny masony ka tsy mahita ny ao ambadika,
28. andrywui ( 02/10/2012 07:43)
Ary mba,aona ozy n'y fanjakana amle volabe alainy amn oul efa mahantra reo e???sa normal be amn fanjakana io ??? Fa amn tany andalapandrosoana no tena mamely be ry zalah fa amn firenena efa moderne ry lerony tsisy apoka mitsy
29. Lars ( 02/10/2012 08:23)
Ka in mou lesy ra-andrywui no ataon'ity fanjakana mapmé b ty a! Rà mtohy ary zao mety ny fanjakana ndray no hindram-bola any @ndry lérouny kou!
30. bichette ( 10/10/2012 11:11)
ny voa no hamantarana ny hazo hoy ny tenin'i jesosy. mila jerena tsara ny fitondra-tenany, ny resany, sns jerena raha misy vokatry ny fanahy sy ny compassion de Christ ve sa tsia ! miaina araky ny voalaza ao amin'ny baiboly ve izy ? ary indrindra indrindra dia hoe tia an'Andriamanitra sy mi craindre an'i Tompo ve izy ? mitondra ny olona hibebaka ve no tena toriany sa dia resaka vola sy harena sy hoe ahoana no ahazahoana zavatra materialy !

ny fahafolon-karena dia baiko n'i Tompo ka raha manome fahafolonkarena ny fiangonana, andraikitry ny tsirairay vis a vis de Dieu io, obeissance. avy eo izay hanaovan'ny fiangonana (ny lehibe) azy, prb-ny amin'i Atra iny, fa de tt facon, ny manao ratsy tot ou tard faizin'Atra foana, indrindra raha toa ka mangalatra ny vola natao ho an'Atra lay mpitondra fiangonana sy manambaka ny zanak'Atra izay tena manao amin'ny fo ..; tot ou tard ho faizin'Atra foana.

Tsy azontsika atao ny mitsara araky ny zavatra hita maso, hoe manana fiara betsaka izy ... ahoana no nazahoany an'izany fiara izany ? nijoro vavolombelona ve izy tamin'ny nahazoany izny fiara izany ? inona no nolazainy ? Andriamanitra dia mitahy tokoa izay mandeha araky ny fahamarinany, izay aloha dia tsy azo lavina, izay tena mino tanteraka dia mahafindra tendrombohitra tokoa. fa ny momba an'i Maihol, mila jerena daholo ny point rehetra par rapport ny baiboly sy ny fijoroana vavolombelona ataony
31. andrywui ( 11/10/2012 10:57)
bichette ____))) tena grave be zany resakao zany !! marina zany alou ee
32. methode ( 11/10/2012 17:24)

Nanao interview tamin'ny télé tao Tana ao izy indray andro dia tsy nisalasala nilaza hoe raha hanao bizina dia fivavahana atao fa io no be vola izao. Tsy haiko no valy boraingina fotsiny io na izay no tena marina aminy! Nisy nanontany mantsy hoe"Tsy bizina ve io ataonareo io?"
33. Miharena ( 13/10/2012 04:39)
Ilay fanontaniana momba ny resaka bizina dia tsy mitombina raha olona Kristianina hafa no nametraka azy taminy satria tsy misy tsy mibizina na fiangonan-dehibe na fiangonana zandriny.

Ny olona tsy anaty fiangonana no tsy mibizina amin'ny fizarana ny fahamarinana ho an'ny rehetra. IZay miteny hoe ato aminay no misy fahamarinana dia mibizina izy izay satria mampitombo ny ambain-dainy hampanan-karena azy. Tsy manao aho hoe ny tsirairay na ny mpitarika no mananlarena eto fa ny fiangonana afa-mihetsika mampandeha ny raharahany izay manana mpivavaka maro ao aminy.
34. andrywui ( 14/10/2012 10:53)
miharena ___))) tsy azoko le oe...¨¨ raha kristianina hafa no nametraka azy taminy !!!¨¨ ?? innona no tinao lazaina amzany ??
35. Miharena ( 14/10/2012 15:26)
Ny tiana lazaina namana Andrywui dia tsy misy tsy mibizina na iza na iza mitonona ny tenany ho fikambanana Kristianina satria natao tao anaty rafitra ara-panjakana ireo ary manana ny rafi-pitondrany avy izay ilàna vola mihodina ao anatiny. Koa tsy tokony hitsikera ny fomba fitondran'ny hafa ny hafa izay iray ihany no nipoirany dia ny fampiasana ny Tenin'Andriamanitra ho zaraina avokoa.

Ankoatr'izay dia misy ireo izay miditra am-piangonana noho ny fiarovana izay harena eo am-pelatanany fa tsy ara-panahy no ahatongvany ao. Ny fitahiana dia midika harena ara-nofo amin'y sasany.
Efa voalaza ao amin'ny Apokalypsy moa io fireharehan'ny fiangonana manana harena io nefa nambara fa mitanjaka hoy ny Tompo.

Ka raha harena araka ny fandrefesan'olombelona no enti-mandrefy dia tsy misy harena ara-panahy mihitsy ao na dia kely aza. Ny Harena ara-panahy dia izay zaraina tsy misy tambiny itadiavam-bola amin'izay izaràna izany. Raha hay tsara hoe fampandehanan-draharaha no hanaovana ny ampahany alaina dia amin'ny fo madio no anaovan'ny olona azy ary tsy mijery afa-tsy izay harena ara-panahy izy ary miasa mizara izany ao amin'ny sehatry ny fiangonana.
36. niryna ( 31/10/2012 03:38)

sunday:

Ry namana isany,

Aza adino fa mpanompon'Andriamanitra io olona resahanareo io, izaho akory tsy hoe mpikambana ao amin'io fiangonana io, lavitr'izany. Fa ny firesahantsika sy ny fitsikerantsika ny mpanompon'Andriamanitra dia miantso zavatra ho antsika.

Ny olona rehetra dia samy manana ny fahalemeny, fa aleo ho azy sy Andriamanitra izany @ andro fitsarana. Iza moa isika no hitsara azy, satria izy ve manana 4x4 vaovao maro be dia hilaza izany isika. Iza isika no hilaza fa tsy izy na mpaminany sandoka izy, ny fantatro fotsiny dia ny fiangonany dia mitory an'i Jesosy, mpanompon'Andriamanitra izany no anarany.

Ahoantsika inona raha manana 4x4 zato aza izy, indray andro any izy dia tsy maintsy hanao tatitra amin'Andriamanitra ny amin'ny faha folon-karenanan'ny fiangonany izy. Indray andro any izy tsy maintsy hanao tatitra ary ho adinina amin'ireny faminaniana ataony izay miovaova ireny, tsy anjarantsika no hitsara azy amin'izany. Ka raha mitohy foana isika hitsara azy dia ho adinina amin'izany koa isika.

Avelao ny olona hanaraka azy raha sitrapony izany, fa eo @ voany foana no ahafantarana ny hazo. Avelao ny olona hanome ny ampahafolony ho azy, aza malahelo ianareo na dia tsy manana na dia gouter homena an'ny zanany aza izay manome ny ampahafolony, Andriamanitra mamaly ny zavatra rehetra.


Mitovy hevitra aminao koa aho.


Raha resaka 1/10 sitrapon'ny olona no manao an'io fa tsy an-tery,afaka manome mihoatra aza raha tiany izany.Sarotra be raha amiko no hitsara izay olona milaza ho mpitarika na mpitondra fiangonana ,azy sy Atra irery izany.Mitory an'i kristy ve ny fiangonana? miantso ny anaran'i kristy ve izy ary mampahafantatra fa Atra velona i kristy? Manala demonia na mivavaka amin'ny anaran'i kristy ve izy? Dia anjaran'ny tsirairay no miditra na mivoaka .Raha resaka hoe tsy mihinankanina indray ny fianakaviana ka ny havany no manome sakafo azy.Satria ve manao 1/10 izy? Dia adalana ho azy izany raha tsy mijery ny ankohonany izy kanefa dia manome vola be ny fiangonana.Tsy nampianatra izany Atra.Ny nampianariny aza dia hoe ahoana no fomba itiavanao ilay Atra izay tsy itan'ny masonao kanefa ny rahalahinao na ny rahavavinao aza halanao?
37. moustaraf ( 05/11/2012 04:19)
Salama namana,
Misy hevitra mba tiana ampitaina mikasika ity resaka ity:
>Tokony avahana tsara ny fanakiana izay alefa:
1.Manakiana ny fomba ataon'ny mpitondra ny fiangonana
2. sa manakiana ny fanaovana ny 1/10

>Tsy hiresaka ny fiangonana APOK aho satria an'azy manokana iny, fa hiresaka ity 1/10 ity:
Ny fanaovana ny 1/10 dia didy ao @ bokin'ny lalàna, izay mahasarotiny ny Tsitoha:
Vakio kely anie e ity e:
"Nahoana ianareo no MANDROBA AHY(hoy ny Tsitoha)?,
Amin'inona no androbanay anao (hoy ny Israely)?
Amin'ny tsy fanaovanareo ny 1/10
...Zahao toetra Aho, raha tsy hovohaiko aminareo ny varavaran'ny lanitra, ka ny tohitrareo tsy ho foana, ary ny ranom-boalobokareo tsy ho lany"
SECRET-N'NY FAHOMBIAZANA IO RY NAMANA A! Natokana ho an'ny vahoakan'i Elohym irery ihany! Misy fomba manokana ny fanaovana azy ,fa tsy ataotao foana:

>Vakio tsara anie ny lalàna momba anio e:
-Ho an'ny fiangonana =dia ny Israely irery io fa tsy ho an'ny fiangonana hafa akory (izay no mampibirioka ny fanaovana azy),
-lalàna io ka tsy maintsy atao, raha te hahazo fitahiana ny Israely :"ho lohany fa tsy ho rambony,ary hampindrana fa tsy hindrana"
-Izay no mahatonga ny fiangonana ROMANA zokiny tsy mba manao anio, satria fantany fa tsy ho an'ny hafa firenena io fomba io,
-fa ny Fiangonana taty aoriana (Romana zandriny), no tsy mahalala ka misalotra fomba tsy natao ho azy.
>Fomba Malagasy koa io 1/10, izay nolovaintsika t@ Abrahama:
-Io ilay santa-bary aevaeva isaka ny fararano
-Io ilay Joro, atolotra ny Zanahary isaka ny voalana asara (asara=asera=maaser=1/10)
-Io ilay manidina toaka kely (divay kely) isaka izay hisotro (1/10 daholo izany)
Saingy efa adinontsika izany rehetra izany, sy ny fomba maha-malagasy antsika!!!

>Fehiny:
-Ny tsitoha koa aza nanome ny 1/10 t@ alalan'i Mesia ho avotra ho antsika:
-Izy no santatra aeavaeva, izy no sorona tokana
-Izy ilay koba tsara toto 1/10 ny efaha sy diloilo1/4 ny hina
38. tiavanafi ( 08/11/2012 11:20)

sunday:

Ry namana isany,

Aza adino fa mpanompon'Andriamanitra io olona resahanareo io, izaho akory tsy hoe mpikambana ao amin'io fiangonana io, lavitr'izany. Fa ny firesahantsika sy ny fitsikerantsika ny mpanompon'Andriamanitra dia miantso zavatra ho antsika.

Ny olona rehetra dia samy manana ny fahalemeny, fa aleo ho azy sy Andriamanitra izany @ andro fitsarana. Iza moa isika no hitsara azy, satria izy ve manana 4x4 vaovao maro be dia hilaza izany isika. Iza isika no hilaza fa tsy izy na mpaminany sandoka izy, ny fantatro fotsiny dia ny fiangonany dia mitory an'i Jesosy, mpanompon'Andriamanitra izany no anarany.

Ahoantsika inona raha manana 4x4 zato aza izy, indray andro any izy dia tsy maintsy hanao tatitra amin'Andriamanitra ny amin'ny faha folon-karenanan'ny fiangonany izy. Indray andro any izy tsy maintsy hanao tatitra ary ho adinina amin'ireny faminaniana ataony izay miovaova ireny, tsy anjarantsika no hitsara azy amin'izany. Ka raha mitohy foana isika hitsara azy dia ho adinina amin'izany koa isika.

Avelao ny olona hanaraka azy raha sitrapony izany, fa eo @ voany foana no ahafantarana ny hazo. Avelao ny olona hanome ny ampahafolony ho azy, aza malahelo ianareo na dia tsy manana na dia gouter homena an'ny zanany aza izay manome ny ampahafolony, Andriamanitra mamaly ny zavatra rehetra.


marina izany raha kristianina isika tsy tokony hitsara fa ny mitondra am-bavaka no atao fa raha sanatria fisolokina marina no ataony dia izy iany no andray ny vokany na anankarena toy inona aza izy . (apokalypsy)
39. methode ( 08/11/2012 12:21)
Tsy ampy ny hoe mivavaka fotsiny fa tsy maintsy arahin'asa! Tsy mety hoan'ny kristianina ny mijery fotsiny raha misy zavatra hita fa tsy mety! Tsy ilay olona no tsaraina fa ny zavatra tsy mety ataony no ahitsy!Ny filazana ny tsy mety ataony dia efa fanampiana azy hiova!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5181