Fampianarana Baiboly : Teny tsy misy kilema Fiz 03: BATISAN'NY FANAHY MASINA

1. didi10 ( 17/09/2012 13:57)
répondu par didi10 le 21/09/2012 07:04
2. leva2 ( 20/09/2012 17:00)
Velona Jesosy!

Tena mba mila fanazavana misimisy kokoa tokoa namana didi10 ny amin'ity miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ity.
Betsaka ny manao cinema amin'izy io, tsy maintsy miteny amin'ny teny tsy fantatra ve no hamantarana fa nandray ny fanahy ny olona iray?
Hafa koa : Indray andro nisy trangan-javatra toy izao : niboredika tampoka teo ity lehilahy iray tao am-piangonana. Nibedibedy sy nitabataba, ka noheverin'ny olona avy hatrany fa tsindrian'ny fanahin'Andriamanitra ilay rangahy. Niantsoantso ny olona :"Haleloia, haleloia". Nisy olona avy any amorontsiraka anefa nahalala izay noteneniny, fa hay fiteny avy any anindran-tany ilay izy, ary hita fa teny ratsy sy ompa vary raraka ity nivoaka ny vavany. Nohetsehin'ny devoly ilay lehilahy.

Zava-nisy io namana isany ary hisarihako ny saintsika handinika tsara!
3. didi10 ( 21/09/2012 07:04)

leva2:

Tsara ny Tompo

Misaotra ny namana Leva2

Tsy tokony hataontsika sakana tsy hikatsahana ny Fanahy Masina ny fahitana ireo tranga maro izay misy tokoa amin'ny teny amin'ny teny tsy fantatra avy amin'ny fanahy hafa. Fantaro koa anefa fa misy ireo olona mahazo ny Fanahy Masina a o amin'ny fiangonana tsy mikatsaka izany ka voabedy sy voahenjika indray.

Sarotra ho an'ny olona miaina ao anaty fivoriana masina tsy ahitana ny fihetsehan'ny Fanahy Masina ny hanavaka ny izy sy ny tsy izy.

Averiko ihany fa tokony hikatsaka ny Fanahy Masina isika rehetra, tsy misy mahay mampianatra io, fanomezana, tombon-kase avy amin'Andriamanitra, aza miherika etsy sy eroa mijery na mihaino ny ataon'ny hafa fa katsaho aloha ny an'ny tena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.6469