Mangataka soso-kevitra!!!

1. kikkou ( 31/08/2012 15:16)
Izaho vehivavy manambady vao roa taona izay. Hatramin'izao anefa mbola tsy nahazo zazakely mihintsy ary efa nanao fitiliana daholo izahay mivady. Dia hita fa izy no tsy miteraka, izaho tsy misy problème mihintsy. Manaraka izay, ny olona izany, indrindra ny fianakaviny aty amiko daholo no mametraka fanotaniana hoe aiza foana ny zazà??? hatreto ko aloha tsy misy afa-tsy izaho sy izy no mahalala io résultat io hoe izy tsy miteraka. Ny reniny no tena tsy tantiko mihintsy, fa tena manamaivana sy manambany ahy hoe fa aiza ihany ty zazakely??? Ka izao izaho tena very hevitra mihintsy ny amin'ny mba ho taranaka! izy no tiko hilaza @ havany oe izy no tsy mamokatra kanefa izy tsy mety! dia izaho no mizaka ny fankahalana isan-karazany!!! ny zavatra iray koa anefa, izaho niasa taloha tena nanana stabilité tsara be dia rehefa nivady izahay dia voateny nanaraka azy izaho dia nafoy avokoa ny asa, ny zavtra rehetra e! dia io koa olana iray sedrako @ izao satria ilay reniny tsy sasatra ny miteny oe mandany ny volan zanany izaho!!!

Amin'izao fotoana izao lazaiko aminareo, fa na dia tia ilay vadiko aza izaho dia tsy mety intsony satria mahatsapa fa voamafy nateraka: satria sady mihafy, no sady mandefitra zavatra b dia b. Tena manombola leo tanteraka mihintsy izaho! Hisaraka ve? dia ilay mbola hitady lehilahy koa etsy andaniny manahirana ihany. Hotohizana nefa dia fahoriana no iainana, tsy misy maminy ntsony ilay fitiavana. Eny fa ana dia firaisana ara-nofo aza tsy ataonay ntsony! tsy misy tsirony intsony...

Izay aloha fa io mba ilako soso-kevitra avy aminareo namana. Misaotra mialoha
novalian'i lalariss ny 23/11/2012 05:34
2. locl ( 31/08/2012 21:56)
Ny fiainana amiko na misy na tsy misy zaza dia tsy izany no filamatra, ary tsy ny havana sy ny manodidina koa no hataonareo ohatra na hatahotra izay fitsarana any ivelana.

Amiko dia tsotra ny torohevitra aminao, satria efa tsy misy fitiavana ny vadinao intsony ao aminao raha arak'izay soratanao sy ny fahazahoako azy aminy ankapobeany ka dia metimety aminao ny misaraka satria lasa fonja ho anao ny mijanona ao. Ary hianao dia mila mandinitena alohan'ny hidiranao ao aminy tokatrano vaovao satria aminao ny tokatrano = zaza.
3. Charoumeni ( 02/09/2012 23:17)
Izao olana mahazo anao izao dia tsy ianao irery no miaina azy na niaina izany fa efa maro. Manana ny famaritany azy manokana ny malagasy mikasika ny fanambadiana, hoy mantsy izy hoe: "Ny hanambadian-kiterahana, ny hiterahan-ko dimby". Araka izany, amin'ny toe-tsaina malagasy, dia fampitomboana taranaka no antony hanambadiana satria "ny zanaka no harena" hoy ihany ny ohabolana ary raha ireo hevitra ireo no halalinina dia toa poakaty ihany ny tokatrano tsy misy zaza.
Raha vao tsy misy zaza nefa dia lazaina fa ny vehivavy foana no rangory fototry ny afo toy io mahazo anao io, izay fanambaniana ny vehivavy ary fanoritana ny lehilahy ho tsy misy kilema sy kapain-tsy hita fery". Na io karazana fanabeazana aizana io aza ange dia hita fa dia mbola fanambaniana ny vehivavy ihany e. Nahoana moa no vehivavy foana no mihinana fanafody fanabeazan'aizana, fa nahoana raha mba ny lehilahy ihany koa mba mihinana?
Azoko tsara ny mahazo anao ary mipetraka eo amin'toeranao aho no manoratra ary ho an'ny olona rehetra no iantefan'izao zavatra soratako izao.
Ilay toetsaintsika malagasy mihitsy no mila havaozina mikasika ny tsy fananana zanaka na tsy fananana vady. Amiko manokana, aloha, manana ny safidiny ny tsirairay ary koa misy ny tratry ny tsy fidiny toa anareo mivady izao ka tsy tokony hanenjika na iza na iza, satria Andriamanitra no manome ny zanaka fa fitaovana fotsiny isika olombelona ary izay no hevitry ny fiterahan'ny olombelona ao amin'ny Jenezy na genesisy mba hanohy ny asa fahariana nataony. Amiko ny fanambadiana tsy midika fa tsy maintsy manan-taranaka ary tsy misy làlana maneho izany ao amin'ny Baiboly. Misy aza ireo hoe Eonoka hatrany an-kibon-dreniny hoy i Kristy. Noho izany tsy heloka ny tsy manambady na tsy miteraka.
Ny mikasika ny fiainanao manokana no tiako asiana resaka amin'izay:
1. Niasa ianao taloha hoy ianao, ka raha mety dia tsara ianao mba miverina miasa indray mba tsy hiankin-doha be loatra amin'ny vadinao ary koa mba hanehoanao amin'ireo fianakavian'ny vadiano fa manana ny maha-izy azy ianao.
2. Ny hoe misaraka, tsy haiko aloha izay antokom-pinoana misy anao fa misy ny antokom-pinoana sasany tsy mamela ny olona hisara-panambadiana na dia sarotra aza amin'ny mahaolombelona ny toerana misy anao.
3. Ka ny vahaolana hitako dia tokony samy handini-tena aloha ianareo mivady, mamerina ny lasa rehetra, dinihana hoe, tena ilay tsy fisian'ilay zaza tokoa ve no olana, ny fandinihako azy mantsy dia izao, mety mifankatia ihany ianareo, ary mety hihoatra lavitra noho ny taloha aza saingy ilay influencen'ny fiaraha-monina no mahatonga izany hany ka lasa foana ho azy ilay fitiavana ka eo no anaovako oe, mila miresaka aloha ianareo mivady ary mila mifandinika hoe, sao dia tokony hiarahantsika mizaka izao olana izao, mino aho mantsy fa mbola misy fitiavana mitampify ao am-ponareo fa ny olana dia ny ataon'ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana dia saron'ilay henatra sy ilay complexe ilay fitiavana.
4. Ny soso-kevitra iray koa dia izai, nahafantatra olona maromaro aho izay tsy niteraka fa nanangana ka ela ny ela, nahazo ihany, tsy haiko izay mahatonga izany fa angamba mety ho izay no andrasan'Andriamanitra ka raha mety dia manangana zaza na zana-kavanareo ihany aza tsy olana.
5. Mino aho fa manankina ny fiainana amin'Andriamanitra ianareo ka aza kivy.

Izay no hevitra avy aty amiko ka dia mahereza.

4. hadji ( 03/09/2012 05:15)
anjara io fa mivavaha fa ny vavaka manova zavatra
5. Ratoa ( 04/09/2012 20:17)
betsaka no iraisan'ny hevitra etsy ambony.
Aza kivy fa manaova zavatra izay tianao hanary dia anao, ary miverena miasa mba tsy hiankinanao be loatra amin'ny vadinao. hoy ny reniko mantsy ireo zananay vavy fehizay:"ahoana no angatahanao ho "mba omeo vola kely any re ividianana atin'akanjo?"
Mba ho hitan'ny reniny koa fa tsy miankina ianao.
Miresaha ianareo.
Manaraka izany, raha tena mila zanaka IANAREO, na ianao, manangana zaza kamboty vao 6mois. Fa ny zana-kavana halainy rehfa kelikely, na amin'ny fomba mivantana na ankolaka.
Tsy maintsy ampafantarina an'io zaza io any aoriana any fa natsangana izy. Dia ho fantany ny iray tampo aminy etvice versa. Ny expérience hitako dia very saina ilay reny nanangana sy ilay zaza natasanga satria tsy an'ny atsy no tsy an'ny aroa. Ary misy dia mifankahala mihitsy.
Atao ahoana, izay ny lahatra
6. zazamaroroka ( 05/09/2012 04:15)

kikkou:

Izaho vehivavy manambady vao roa taona izay. Hatramin'izao anefa mbola tsy nahazo zazakely mihintsy ary efa nanao fitiliana daholo izahay mivady. Dia hita fa izy no tsy miteraka, izaho tsy misy problème mihintsy. Manaraka izay, ny olona izany, indrindra ny fianakaviny aty amiko daholo no mametraka fanotaniana hoe aiza foana ny zazà??? hatreto ko aloha tsy misy afa-tsy izaho sy izy no mahalala io résultat io hoe izy tsy miteraka. Ny reniny no tena tsy tantiko mihintsy, fa tena manamaivana sy manambany ahy hoe fa aiza ihany ty zazakely??? Ka izao izaho tena very hevitra mihintsy ny amin'ny mba ho taranaka! izy no tiko hilaza @ havany oe izy no tsy mamokatra kanefa izy tsy mety! dia izaho no mizaka ny fankahalana isan-karazany!!! ny zavatra iray koa anefa, izaho niasa taloha tena nanana stabilité tsara be dia rehefa nivady izahay dia voateny nanaraka azy izaho dia nafoy avokoa ny asa, ny zavtra rehetra e! dia io koa olana iray sedrako @ izao satria ilay reniny tsy sasatra ny miteny oe mandany ny volan zanany izaho!!!

Amin'izao fotoana izao lazaiko aminareo, fa na dia tia ilay vadiko aza izaho dia tsy mety intsony satria mahatsapa fa voamafy nateraka: satria sady mihafy, no sady mandefitra zavatra b dia b. Tena manombola leo tanteraka mihintsy izaho! Hisaraka ve? dia ilay mbola hitady lehilahy koa etsy andaniny manahirana ihany. Hotohizana nefa dia fahoriana no iainana, tsy misy maminy ntsony ilay fitiavana. Eny fa ana dia firaisana ara-nofo aza tsy ataonay ntsony! tsy misy tsirony intsony...

Izay aloha fa io mba ilako soso-kevitra avy aminareo namana. Misaotra mialoha
Na ahoana na ahoana dia hitohy foana ny fijalianao raha tsy mifampiresaka tsara enao sy ny vadinao ny amin'zay tokony hatao, marina fa ny tokantrano tsy ahahaka fa ain-dehibe ny tokantranonao ny ahafantaran'ny ray aman-dreny ny olana eo aminareo indrindra fa ilay renin'ilay vadinao mankahala anao, lazao ny vadinao hiteny amim-pahatsorana amin'ny reniny fa momba izy, raha tsy manao izany izy dia tsy tia anao, satria efa hitany fa enao no tena miaritra ny mafy, tsy maintsy tokony hanazava izany izy, ary avy eo mifandinika miaraka amin'ny ray aman-dreny hoe inona ary no hatao, hanangana zaza ve, misy koa nefa fitsaboana tena mahomby mitsabo ny lehilahy momba na vehivavy momba, maro isafidianana ireny fa handramo ihany, tena fitsaboana no hatoroko eto fa tsy hoe any amin'ny mpanao fahagagana na fanafody gasy an, diniho tsara ireo voalaza ireo, tokony hirindra tsara foana ny fitiavana ao an-trano rehefa mazava ny zava-drehetra, misy koa ny fiaraha-miasa ary tsy misy fankahalana intsony rehefa fantatry ny ray aman-dreny ny tena marina, ka ny ataonao voalohany indrindra zany dia ny manao izay hitenenany ny marina amin'ny Ray aman-dreniny, tsy misy hotran'ny mitsotra ny marina, fa raha kobonina ao foana io dia ho hitanao ny tohiny fa afobe araka ny efa santionany lazainao. Aza mitady olon-kafa zany fa tiavo ny vadinao raha mbola tsy mampirafy izy, ary na miteraka nareo na hanangana dia tsy tokony hanakana ny fahasambaranareo zany, maro ny mpivady tratran'zany fa sambatra toy ny rehetra ihany, ny vahaolana misy foana fa tsy hoe tsy misy zany, ho hitanao eo fa rehefa fantatry ny ray aman-dreniny zany, dia enao ndray ary no hotambatambazany sy hotiavina ary hokarakarainy tsara.
7. hadji ( 06/09/2012 05:01)
3F itondrana azy e FINOANA FANANTENANA ARY FITIAVANA
8. booboo ( 06/09/2012 09:43)
- Miasà. Raha nifampiresaka tsara ianareo mivady ny @ resa-bola dia tsy hampiontsona anao izay filazan'ny hafa any. fa matoa ianao sensible @ tenin-drafozanao dia ao raha.
- Aza ahilika any @ hafa ny tsy mety fa ianareo mivady no tsy mahay miray hina
- Raha tena tsisy ankinafinafina aminareo mivady dia mahita vahaolana foana ianareo @ ilay fahamombany (manatona dokotera, miresaka @ olona hafa mandalo @ izany, sns)
9. IAVO ( 07/09/2012 09:37)
Raha izaho manokana, tsy vahaolana mihitsy ny hoe misaraka fa asory ao an-dohanao manoboka zao.
Mila mizaka sy madinika ny olana miaraka ianareo mivady. Teneno azy, tsory aminy izay tena ao am-ponao sy izay tianao (akotran'ilay hoe misaraka).
Mila miray saina ihany koa. Jereo ny lafiny tsara sy ratsy amin'izay fanapaha-kevitra TIANAREO raisina. Fa fataro nefa fa IANAREO no tompon'andraikitra amin'izay fanapaha-kevitra eo.
MIaraha mizaka ilay olana fa raha ny fahazaoako azy dia ianao irery no mizaka ilay olana.
Farany nefa tena zava-dehibe ("le meilleur pour la fin" hoy ny teny vahiny), mivavaha...


Ny anabaviko no nanoratra teo ambony ny fa mba ilaza ny soso-kevitro kely za.
Tsapako oe mafy ny toerana misy anao @zao na de lehilahy aza za nefa mba tsapanao ko ve ny toerana misy any vadinao.Mila miresaka tsara nareo 2 fa mato nareo nivady de nisy fitiavana zay teo @nareo,mifam-piresaha de mifanoana de iarao miaina ny olana eo @nareo.
Ra andray decision @le hisaraka ianao de mba saino kely ange no mety anjo ny vadinao eh! milanao izy ary mila anareo 2 ny oavinareo,ra le resaka rafozana ny olana de ny vadinao asina milaza ny marina @nazy fa ampiova zvtr betsaka @i ny fahafantarana ny marina.
Efa niteraka 1 za @zao ka fantatro tsara ny lanjany zanaka eo @i fiainana ka maniry za mba hanana ihany ianareo any aorina.Mahareta kely fa sendra mba fitsapana kely avy @Andriamanitra izao. Manakina azy @oavinao rehetra de itanao ny alebeny fahasoavany.
10. hadji ( 09/09/2012 14:52)
manana rahavavy azo antoka ve ianao dia resao izy hoe mba omeo zaza za ho tezaiko
11. booboo ( 10/09/2012 08:03)
gné ?
12. mirananirina ( 11/09/2012 08:11)
Raha amiko aloha tsy misy problème mht raha hisaraka ianareo satria zaza tsy misy(io manko matetika no olona @ fanambadiana,mijaly ny ankizy sns).Jereo izany izy hoe na firaisana ara-nofo aza tsy misy intsony,inona no mbola iarahana?
Inona moa no manakana anao tsy hiteny @ fianakaviany fa izy no tsy manome zaza,rhf miteny iny ny reniny hoe aiza foana ny zaza dia valio hoe ny zanakao lahy tenenina fa izy no tsy mety!!
Miverena mitady asa indray rhf anaovany vava be ohatra an izany,ary inn marina moa no idiran'ny rafozanao @ tokatranonareo??Mandany vola ny zanany?????ntssss !!vadio ny zanakao hoe!!!
13. hadji ( 11/09/2012 13:40)
sady @izay izy vadin dreniny e
14. Ratoa ( 11/09/2012 16:28)
Aza manambany tena manompa izany kosa é! ny ratsy anie tsy mivaoka amin'ny sofin'ny mpihaino fa avy amin'ny vava sy ny sain'ny mpiteny é!
Aza manaiky lembenana koa lazao ampahatsorana ny marina
Aza manaiky lembenana koa fa samy nosoran-dreniny menaka. Azavao fotsiny ny zava-misy rehefa tsy mandray andraikitra ny vadinao ka mijery an-dreniny mampahory anao.
Mitadiava asa , hoy aho aminao etsy ambony, fa raha miasa ianao sy mahaleo tena ara-bola, tsy sahy hanintsakitsaka anao ny havany.

Ary ho tonga saina koa ny vadinao hoe inona no ataon'ity olona mahaleo tena ity eto amiko eto? sao dia nahita hafa ka hiala? Ka na izy handray andraikitra na vao maika hiforotra, mazavabe ny lalanao amin'izay.
15. Masiba ( 20/09/2012 11:29)
Hevitro ity ary lehilahy aho no mamaly anao. amiko aloha hatreto dia sarotra be ny miatrika ny manjo anao fa izao kosa anefa matoa tanteraka ny fanambadianareo roa dia izay no lahatra satria sarotra be ny hoe efa vita ny mariage vao hisaraka indray.Amiko dia midika tsy fahamatorana izany ary fanaovana tsinontsinona ny voady izay efa nataonareo. Anjaranao ny misafidy ny momba ny ho tohin'ny fiainanao nef saino ihany fa sarotra ny miaina.
16. raclo ( 21/09/2012 21:56)
mba milaza ny hevitro iany za! ny vahaolana voaloany njinja alo de ny mba iverenanao miasa, ny fiainana tsy mora, mila miresaka nareo mivady sy mifampidinika! eo no aitanao ny hevitry ny vadinao! aza miaino vavany fianakavina na ny voisin na voisine.ra mbola misy ny fitiavanao ny vadinao sy ny vadinao anao de mino aho fa ilamina ny fanambadinareo, ny zaza tsy olana refa misy ny fifakatiavana! ny fitiavana ko nefa tsy azo terena mitsy, aleo tonga de misaraka tsy misy maratra! tsarovy nefa fa mila tena mandinika lalina tsara amze fanapahakevitrao! de mahereza!
17. lantonyaina ( 03/10/2012 14:28)
aleo mifampiresaka tsara @ fo tsotra sy tena tony ny zava-misy ianareo. Mila hamafisina ny fifankatiavanareo fa raha izay no tsy mipetraka tsara dia lasa olana na ho anareo na indrindra koa @ fifandraisana @ fianakaviana.
fanomezam-pahasoavana avy @ Atra ny fananan-janaka ka mety homeny mety tsia fa tsy tokony ho tanjona handravàna ny fifankatiavana izay efa nampiraisan' Atra anareo.
Mangataha fahendrena @ Atra ny @ zay tena fanapahan-kevitra goavana horaisina.
18. ravonjison ( 11/10/2012 12:42)

kikkou:

Izaho vehivavy manambady vao roa taona izay. Hatramin'izao anefa mbola tsy nahazo zazakely mihintsy ary efa nanao fitiliana daholo izahay mivady. Dia hita fa izy no tsy miteraka, izaho tsy misy problème mihintsy. Manaraka izay, ny olona izany, indrindra ny fianakaviny aty amiko daholo no mametraka fanotaniana hoe aiza foana ny zazà??? hatreto ko aloha tsy misy afa-tsy izaho sy izy no mahalala io résultat io hoe izy tsy miteraka. Ny reniny no tena tsy tantiko mihintsy, fa tena manamaivana sy manambany ahy hoe fa aiza ihany ty zazakely??? Ka izao izaho tena very hevitra mihintsy ny amin'ny mba ho taranaka! izy no tiko hilaza @ havany oe izy no tsy mamokatra kanefa izy tsy mety! dia izaho no mizaka ny fankahalana isan-karazany!!! ny zavatra iray koa anefa, izaho niasa taloha tena nanana stabilité tsara be dia rehefa nivady izahay dia voateny nanaraka azy izaho dia nafoy avokoa ny asa, ny zavtra rehetra e! dia io koa olana iray sedrako @ izao satria ilay reniny tsy sasatra ny miteny oe mandany ny volan zanany izaho!!!

Amin'izao fotoana izao lazaiko aminareo, fa na dia tia ilay vadiko aza izaho dia tsy mety intsony satria mahatsapa fa voamafy nateraka: satria sady mihafy, no sady mandefitra zavatra b dia b. Tena manombola leo tanteraka mihintsy izaho! Hisaraka ve? dia ilay mbola hitady lehilahy koa etsy andaniny manahirana ihany. Hotohizana nefa dia fahoriana no iainana, tsy misy maminy ntsony ilay fitiavana. Eny fa ana dia firaisana ara-nofo aza tsy ataonay ntsony! tsy misy tsirony intsony...

Izay aloha fa io mba ilako soso-kevitra avy aminareo namana. Misaotra mialoha



Tara kely aho amin´ilay ady hevitra kanefa harosoko ihany ny hevitro satria hitako fa tena sarotra ilay olana vahana eto. Somary manao fandravonana izay efa voalazan´ny namana etsy ambony ary hilaza koa izay tokony hataonao, izay tsy tokony hataonao, inona no atao voalohany ary inona no manaraka .
Tsy fantatro izay tena mamapahory ny sainao voalohany, ilay tsy fananan-jaza ve sa ny tenin´ny olona manodidina, indrindra ny reniny ? Noho izany dia izao ny hetsika ataonao:

1- voalohany aloha dia tsy maintsy atao izay ahafantaran´ny reniny ny zavamisy : izy lehilahy no manana ilay olana. Mila miresaka ianareo roa hoe ahoana no ilazána izany amin´ny mamany. Tsy manandanja ilay hoe izy no tokony hilaza izay. Ianao fotsiny no mila micompendre hoe tsy sahiny na menatra izy hilaza izany amin´ny mamany ( izaho koa mi-comprendre ny toerana misy azy).Noho izany dia ianao no tokony hilaza izany amin´ny Ray aman-Dreniny. Ny inmportant izany dia ny hi-devoiler ny secret-nareo. Raha sanatria tsy vitanao, miangavy olona, rahavavy, anadahy sns hilaza izany. Ny manandanja eto dia tsy ny hoe olona iza no hilaza, fa kosa ny hoe voalaza... Rehefa voalaza io dia mety hitony kely ny fonao.

2-Rehefa vita io dia eo indray ianareo ro miresaka ny hoe : inona no tokony hatao ? Eto aloha dia tsy vahaolana ny fisarahana, fa kosa tokony hiesaka ianareo ny mikasika my possibilité azo atao: manantona dokotera sy psychologue. Ho hitanao eo hoe hatraiza ny fanantenana anananao ( mety ho gaga ianao fa betsaka ny possibilité misy ). Raha mifankatia tokoa ianareo, mino aho fa vitanareo roa ny hamaha miandalana io olana io. Izay no mahampivady ny mpivady, miaraka mamaha ny olana.

3- Mandritra io démarche faharoa io dia ho hitanao miandalana eny raha toa ka io rangahy io tokoa no tianao ho vadinao hatrany. Manditra ny famahana olana mantsy no teha ahitana ny toetran´ny olona. Dia hohitanao miandalana eny koa raha toa ka hieritreritra fisarahana ianao.Mihamatotra eny ny hevitrao. Ny fanapahan-kevitra mikasika fisarahana mantsy tsy azo atao " brusque" fa tsy maintsy miandalana, tsy maintsy miala nenina koa ianao manao izay azo atao. Eto izany vao ho hitanao fa mety ho vahaolana ny fisarahana.

Ireto kosa ny fihetsika tsy tokony hataonao:
1- aza mandany andro mifamaly sy mifanopa amin´ny rafozambavinao. tsy mitondra mankaiza izany. Tokony hi- comprendre isika fa ny ray aman-drenintska na ho ela na hoaingana dia tsy maintsy hiandry ny hahatongavan´ny zavikely. Noho izany aza tezitra aminy ianao raha toa ka manontany zaza izy.
19. Massnatany ( 24/10/2012 13:08)
... Miainga any amin-dralehilahy eto ny zava-drehetra! Izy no tsy miteraka, izy no mampidi-bola, izy no tsy mety hilaza ny antony tsy iterahanareo amin'ny havany... Izy no lehilahy.
Raha efa lazainao aminy daholo izany fahararianao noho ny vava azonao izany, ka mbola tsy hiteny ihany izy, dia diso tanteraka izy!
Anjarany no mifehy ny fianakaviany tsy hanao toetra toa izany aminao, fa tsy hijerijery fotsiny kosa izy e!
Amiko kosa efa safidy ny anao no namela ny asanao taloha nony nanambady azy, izao ianao manenina, nefa azoko ihany izany noho ny vava sns mahazo anao...
Anjaranao no mandanjalanja hoe vitanao sa tsia ny ho toa izao, fa raha vao roa taona monja ianareo no mpivady nefa na firaisana aza tsy misy intsony dia tokony hanontany tena ihany hoe mety ve ny hitohy toa izao sa tsia?
20. primorh ( 04/11/2012 06:47)
Toy izao no soso-kevitra sy vahaolana azoko resahina.
Ny manangana ny maty ihany no tsy asiana resaka. Mividiana gazety, dia tadiavo ny adiresin'ny KOHEN Rivolala. Ra tianao ho hita haingana ny toerana misy azy dia, mandefasa email amiko: rhaprimo@hotmail.fr.

Marihiko, fa tsy manomposampy, na manao fanafody gasy, na dadarabe i kohen. Mivavaka @ lay mpamorona sy mpahary izao rehetra izao izy.

Izao no teniny, vitako ny manova ny mainty ho fotsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1899