FAHAMARINANA SY FAMONJENA

1. RBNIR ( 30/08/2012 09:17)
Faly miarahaba sy manasa ny namana rehetra,

Fandaharana ao @ TN TV UHF 471.25 anio alina amin'ny 8h 30.

Samia ho tahin'ny Tomp namana,
novalian'i RBNIR ny 03/09/2012 13:17
2. RBNIR ( 31/08/2012 09:07)
RBNIR:

Faly miarahaba sy manasa ny namana rehetra,

Fandaharana ao @ TN TV UHF 471.25 anio alina amin'ny 8h 30.

Samia ho tahin'ny Tomp namana,

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Raha tsy nahita ianao dia mbola afaka mijery ny alahady 02-09-2012 ho avy izao ao amin'io télé io ihany fa amin'ny 1ora tolakandro fandaharana tsiambara3,

Samia ho tahin'ny Tompo,
3. didi10 ( 31/08/2012 11:21)
Tsara ny Tompo

Tsy mety tafiditra tamin'ny antso moa aho alina namana fa mba saika hanontany azy aho hoe iza no nanosotra azy ho Mpitandrina?

Ny fahitako azy namana dia manomboka tafiditra amin'ny Holy Business tahaka an'i Pasitera Mailhol koa ny Pasitera Heriniaina, tandremo fa miteraka idolatérisme amin'ny mpino sasany ny fomba fitoriana toa ireny satria ilay Pasitera izany no voafidy dia ny ambiny mpanara-dia ihany ka izay zavatra ambaran'ilay Pasitera (na avy amin'Andriamanitra na tsia) dia ekena ho marina avokoa, ary izy indray no indraindrain'ny olona ho mpaminany mahery sy voafidin'Andriamanitra.
4. RBNIR ( 31/08/2012 11:35)

didi10:

Tsara ny Tompo

Tsy mety tafiditra tamin'ny antso moa aho alina namana fa mba saika hanontany azy aho hoe iza no nanosotra azy ho Mpitandrina?

Faly miarahaba namana didi10,

Efa novaliany tao izay raha tsy diso ny fitadidiko fa afaka mamerina mijery ianao amin'ny alahady dia fantatrao hoe IZA (tsy olombelona aloha e)?

Ilay namany niaraka taminy tamin'io fisehoan'i Jesosy io moa tsy hatoroko anao intsony satria efa fantrao tsara hoe iza. Sa ts'izany???

Samia ho tahin'ny Tompo e,
5. Miharena ( 31/08/2012 13:36)
Salama RBNIR,

Milaza moa ianao hoe jereo ny televisiona. Ny olana dia tsy mahazo ilay TNTV aty aminay dia tsy mahita izahay.

Ka raha toa ka resaka hafatra maika, moa azonao zaraina ve?

Ny fahalalako an'i Pr Hery dia nisehoan'i Kristy izy. Ny kely azoko tamin'ny fotoanandro nanombohany nitory izay nampitenenina azy dia ny fanitsiana ny fomba famaky ny Baiboly sy ny fampiharana azy.

Nilaza koa izy ny momba ny fotoana hitoriana ny filazantsara farany (fe-potoana voafetra nanomboka tamin'ny nizaràny) alohan'ny fiafaran'izao tontolo izao.

Ka aiza ho aiza amin'ireo raha azo velabelarina eto no hafatra azonao havoitra?

Misaotra indrindra

6. RBNIR ( 03/09/2012 06:07)
Miharena:

Faly miarahaba namana,
Fijorona vavolombelona no tao, namana fa nisehoan'i Jesosy Pasteur,
Ny azo tsoahina dia : MISY ARY VELONA JESOSY ary tena MISY SADY VELONA KOA ANDRIAMANITRA ary TOKONY HOMENA VONINAHITRA IZY,
Ilay iraka nomena azy dia hoe VITAO NY ASAN NY FAHAMARINANA : misy asan'ny Fahamarinana natomboka saingy tsy mbola vita dia izy no voafidy hamita izany.
Hoy ny Soratra Masina : « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jao.4:24)
Ilay hoe « tsy maintsy mivavaka amin’ny….. fahamarinana» no tena tanjon’Andriamanitra nanirahana azy.
Mampalahelo tokoa mantsy namana fa dia betsaka loatra tokoa no mivavaka ankehitriny saingy tsy amin’ny fahamarinana (izay hoe diso ny zavatra ampianarina ny olona mivavaka).
Ny hanitsy izany no antony nampianaran’I Jesosy azy sy nanirahana azy. Mba hahazoan’ny kristianina rehetra antoka fa tena handova FIAINANA MANDRAK IZAY TOKOA izy ireo.
Izaho manokana tsy nahita azy nisehoan’I Jesosy saingy raha hijery ny antony ninoako azy ianao dia araho ity rohy ity:
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f27eb8ce4cd6

Samia ho tahin’ny Tompo namana

7. Miharena ( 03/09/2012 07:40)
Misaotra ny namana RBNIR nampahatsiahy ilay rohy.

Efa voambarako teo ny momba an'i Pr Hery ary mbola hamafisinao saingy tsy omenao mihitsy ilay resaka mazava momba ny hafatra tiany hampitaina namana.

Ilay fijoroana vavolombelona moa no resahanao ka mba misy santionany azo atsidika ho hitan'ny mpamaky serasera ve raha azo atao ?
8. RBNIR ( 03/09/2012 13:17)
Miharena:

Ilay fijoroana vavolombelona moa no resahanao ka mba misy santionany azo atsidika ho hitan'ny mpamaky serasera ve raha azo atao ?

Faly misera hatrany namana,
Araka ny voasoratra ao anatin'iry rohy iry ambony iry namana, ilay tsy niditra dokotera sy tsy mihinana fanafody aloha dia hisaorana ny Tompo lehibe fa dia mbola tanteraka foana amiko sy ny ankohonako hatramin'ny androany.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany,
Fa ny tena naharesy lahatra aho sy ny mbola maharesy lahatra ahy hatrany dia ny "voany" zaraina ao , mifanaraka tanteraka amin'ny Soratra Masina avokoa ary tsy nivoana mihitsy mandraka androany ny "voa" afafy ao sy hitazaina ny mpino ao,
Vavolombelona aho namana ary tsy ho sahiko ny handainga satria ny mpandainga sy ny tia lainga dia hanana ny anjarany hoy ny Soratra Masina,
Minoa, dia samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6134