fahafatesana sy ny lanjan'ny olombelona

1. sitlo ( 29/08/2012 08:09)
Maty ve ny olombelona raha miala ny "atome" iray eo aminy?
Mino aho fa tsia daholo no ho avalinareo.

Dia izao ary, raha ohatra ny olombelona ny habehan'ny Univers, dia mila ho ohatra ny atome ny habehan'ny tany.
Ka raha simba ary ny tany ary maty daholo ny olona, dia hanova ny Univers ve izany?
Tsia

Koa nahoana ary ny finoana maro, indrindra fa ny eto amin'ny serasera, no milaza fa noharina izao tontolo izao ho an'ny olombelona?

Tonga dia valiko ny fahitako: koa satria ny olombelona no tia tena indrindra. Vakio ny boky "Selfish gene" raha toa ianao ka tia hanadihady ny dikan'ny fitiavantena.

Fa andefasako ohatra fotsiny, dia ny Baiboly. "manjakA amin'ny zavaboahary". Tsy ampy azy anefa izany ary simba tanteraka ilay zavaboahary. Ka dia nitady hevitra izy ho "tonga zanak'Andriamanitra".
novalian'i Miharena ny 13/10/2012 04:00
2. Maranatha ( 29/08/2012 11:06)

sitlo:

Tsikaritro fa toa nitovy tamin'izay mihintsy ny hevitry Losifera tany an-danitra fony izy mbola tany ka nitarika ireo anjely teo ambany fifehezany hikomy tamin'Avoindrindra. Hoy mantsy izy tamin'izany inona no ilaina ny Didy folo aty an-danitra angaha tsy efa masina avokoa ny anjely rehetra aty koa nahoana no natao hifehezana ny mponin'ny lanitra ny Didy 10. Dia nilaza izy fa manao didy jadona ny Avo indrindra. Mbola tsy noforonina ny tany sy izay rehetra teo aminy teo.

Tsy takany fa efa tsinjon'i Avoindrindra mialoha ny zavatra hataony sy ny mety hitranga . Ary vao maika nitohy izany fankahalan'i Losifera ny olom-belona izany rehefa voalaza fa hanompo ny olom-belona ireo anjely any an-danitra, rehefa vita ny famoronana ny planeta tany sy izay rehetra eo aminy aminy . Dia nalainy fanahy ny olom-belona mba hivadika amin'i Mpahary azy. sy nokendreny mba ho namany.

Taty aoriana aza rehefa nanaiky hisolo toerana ny olom-belona teo ambony hazo fijaliana ny Mpamonjy dia vao maika lasa romotra i Losifera satria tsy anjely intsony ity fa ny zanakin'i Avoindrindra no misolo ny olom-belona amin'ny fahotany, tezitra izy ka lasa nanenjika ireo zanaka sisa dia izay mitandrina ny didin'Avoindrindra sy ny finoana ny Zanany.

Ny tiana hampita ao anatiny dia izany mihintsy no efa programan'i Avoindrindra namorona anjely izy aloha mba hatao hanompo ny olom-belona sy hanampy azy mba hahafahany mikarakara ny planeta tany sy mipetraka araka izay efa programaNy. Ny ataon-tsika dia ny makato izay voasoratra sy lazaiNY. Ary aza gaga raha mbola mamorona zavaboahary hafa indray Izy ka isika olom-belona no asainy manompo izany. Aza mety manohitra izay voasoratra fe hevitry satana hitsikerana ny Mpamorona izany.
3. lovegod ( 29/08/2012 11:56)

Maranatha - 29/08/2012 13:06
Tsikaritro fa toa nitovy tamin'izay mihintsy ny hevitry Losifera tany an-danitra fony izy mbola tany ka nitarika ireo anjely teo ambany fifehezany hikomy tamin'Avoindrindra. Hoy mantsy izy tamin'izany inona no ilaina ny Didy folo aty an-danitra angaha tsy efa masina avokoa ny anjely rehetra aty koa nahoana no natao hifehezana ny mponin'ny lanitra ny Didy 10. Dia nilaza izy fa manao didy jadona ny Avo indrindra. Mbola tsy noforonina ny tany sy izay rehetra teo aminy teo.

Miala tsiny aminao aho ry Maranatha fa na dia tsy te hamaly anao aza dia voatery ihany satria raha ny fahitako ny fanehoan-kevitrao dia mpivavaka ianao, ny tiako ho marihina anefa dia ity: TSY HITAKO MIHITSY IZAY IFANDRAISAN'NY FANEHOAN-KEVITR'I SITLO SY LOSIFERA MITARIKA NY ANJELY HIKOMY.

Misy fahamarinany tompoko ny voalazan'i Stilo.

Misy ohatra mitovitovy amin'ny voalzan'i Stilo ity.
Tamin'ny taonjato faha15 tany ho any dia nihevitra ny Eglise fa ny tany no ivon'izao tontolo izao ary ny masoandro no mihodididna azy. I Copernic sy Galilée kosa nilaza fa ny masoandro no ivon'izao tontolo izao ary ny tany sy ny planeta maro no mihodidina azy. Tezitra ny Eglise ka nanenjika an'i Galilée. Toy izao ataonao izao.

Ny olana mantsy eto dia rehefa tsy mitovy fomba fijery dia DEVOLY avokoa. Mba manàna fanetre-tena amin'ny hevitry ny hafa e. Raha tsy mety aminao aza valina e.
4. sitlo ( 29/08/2012 22:10)
Misy ventiny azo raisina ihany anefa ny fahitako ny tenin'i Maranatha. Ary vao maika manamafy ny nolazaiko.

Ankohatra ny zavaboahary dia misy ihany koa ireo anjely natao hanompo ny olombelona. Ary ny tsy nety nataon'ny sasany amin'ireo anjely ireo no nanimba ny tany sy ny toetran'ny olombelona.
Ka any aoriana any dia hanamboatra tany vaovao indray Andriamanitra hanjakan'ny olombelona.

Hitanareo amin'izao ny fanandratatenan'ny olombelona. Vokatr'izany anefa ny tahony ny fanjavonany. Manahy izy fa rehefa maty dia tsy hanjavona ka namorona ny fiainana aorian'ny fahafatesana...
Rehefa mamono akoho ianareo, miaraka amin'ny antsy maranitra, dia asio katsaka ange eo akaikiny eo fa faly be iny akoho iny ny hihinana izany. Fa raha olombelona izany, efa tahotra be tahaka ny inona.
5. sitlo ( 29/08/2012 22:35)
dia hanjavona*

(diso frapy)
6. jojo3t ( 30/08/2012 04:24)
Ny nahatonga ny fahafatesana sy ny fitiavan-tenan'ny olona aloha dia efa hatrany amboalohany mihitsy, rehefa nofitahin'i Satana Devoly i Adama sy Eva, Andrimanitra niteny hoe ho faty nareo raha mihinana ilay hazo, i Satana kosa niteny hoe tsy ho faty ianareo(Genesisy 3 : 1-4).

Tamin'ny voalohany dia nomen'Andriamanitra hanjakan'ny olona mihitsy ny zava-boary rehetra teto an-tany, fa rehefa nivadika tamin'Andriamanitra izy, dia nanomboka teo ny ratsy rehetra, fanimbana ny tany, fitiavan-tena sns..., nilaza mihitsy Andriamanitra simba ny tany ary nanenina mafy izy namorona ny olombelona ka zay no nahatonga azy handringana ny olona tamin'ny safodrano, nefa kosa nitsimbina ny ain'i Noa mianakavy izy(Genesisy 6 : 5-8).

Mitohy hatramizao anefa ary vao maika mihamafy ny fanimbana ny tany sy ny fitiavan-tenan'ny olombelona, efa faminaniana io ilay voalaza ao amin'ny 2 Timoty 3 : 1-5, ka mbola handringana ny olona Andrimanitra nefa kosa hitsimbina an'ireo olona toa an'i Noa izay mankato sy mitandrina ny sitrapony, tsy hanamboatra tany vaovao izy fa hanavao ny tany ho lasa paradisa, tsy hanamboatra olona vaovao koa izy fa hitsimbina ny ain'ireo mankato azy(Matio 5 : 5). Ary ny fahafatesana dia tsy ahafoana an'izao tontolo izao, fa izy io kosa no fahavalo farany horesena, ary ny maty dia mbola hatsangana.(Jaona 5 : 28,29).

7. didi10 ( 30/08/2012 08:44)

sitlo:

Maty ve ny olombelona raha miala ny "atome" iray eo aminy?
Mino aho fa tsia daholo no ho avalinareo.

Dia izao ary, raha ohatra ny olombelona ny habehan'ny Univers, dia mila ho ohatra ny atome ny habehan'ny tany.
Ka raha simba ary ny tany ary maty daholo ny olona, dia hanova ny Univers ve izany?
Tsia

Koa nahoana ary ny finoana maro, indrindra fa ny eto amin'ny serasera, no milaza fa noharina izao tontolo izao ho an'ny olombelona?

Tonga dia valiko ny fahitako: koa satria ny olombelona no tia tena indrindra. Vakio ny boky "Selfish gene" raha toa ianao ka tia hanadihady ny dikan'ny fitiavantena.

Fa andefasako ohatra fotsiny, dia ny Baiboly. "manjakA amin'ny zavaboahary". Tsy ampy azy anefa izany ary simba tanteraka ilay zavaboahary. Ka dia nitady hevitra izy ho "tonga zanak'Andriamanitra".

Tsara ny Tompo

Faly miarahaba ny namana rehetra.

Aleo aloha ahitsiko kely ny fomba fijerin'i Sitlo!
"

Koa nahoana ary ny finoana maro, indrindra fa ny eto amin'ny serasera, no milaza fa noharina izao tontolo izao ho an'ny olombelona?

DISO

Tsy nohariana ho an'ny Olombelona velively izao tontolo izao,
Izay rehetra noharian'Andriamanitra dia an'Andriamanitra
Jao 1 : 1 - 5
[-1-] Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

Ny olom-belona dia nomena fahefana hanjaka amin'ny zava-boahary rehetra eto amin'izao tontolo izao, "gestionnaire" ihany isika ka ho avy ny andro hitakian'Andriamanitra ny "compte de gestion" -tsika.
Safidin'Andriamanitra no nametraka antsika ho ambonin'ny zava-boahary rehetra, izay no nahatonga an'i Losifera sy ny namany nanohitra an'Andriamanitra satria tsy nanaiky nirahina hanompo antsika izy ireo, variana loatra amin'izay fahefana eo amin'izao tontolo izao izay isika olombelona ka manadino fa mbola manana Tompo ambony noho isika, fantatr'i Satana rahateo izany fahalemena izany ka izay no mahatonga azy hanao izay rehetra hahasondriana antsika amin'izao tontolo izao.
Matio 16,26
26 Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? 27 Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony

Fa andefasako ohatra fotsiny, dia ny Baiboly. "manjakA amin'ny zavaboahary". Tsy ampy azy anefa izany ary simba tanteraka ilay zavaboahary. Ka dia nitady hevitra izy ho "tonga zanak'Andriamanitra".

Mety tsy takatrao fa amin'ny finoana Krsitiana dia tsy ho tonga zanak'Andriamanitra mihitsy ny olona iray raha tsy efa nahafoy izao tontolo izao. Safidy io ary tsy afaka miaraka fa na hanaraka an'izao tontolo izao na hanaraka ny Tompo.

Jaona I 2,15
15 Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. 16 Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao. 17 Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
8. Miharena ( 30/08/2012 17:25)
Raha ny lohahevitra hoe fahafatesana sy ny lanjan'ny olombelona no valiana ary nanomezan'i Sitlo ny heviny dia tsotra ihany:

Ny fanadinoana fa fofonain'Andriamanitra mitovy endrika Aminy no nahalavo ny olombelona. Tamin'ny fotoana nahalalàny ny tsara sy ny ratsy no nanomboka nisedra olana izy dia ny fahafatesan'ny nofony ary ny tsy fahatsapany ny fanahiny.

Misy fahatapahana na fahatotoran'ilay maha-fanahin'Andriamanitra azy no mahatonga azy hiraparapa anaty haizina.

Rehefa tena fatany tsara noho ny fampianarani'i Kristy fa manan-danja izy dia ny maha-zanak'Andriamanitra azy tsirairay avy, na ny marimarina kokoa hoe sombin"ain'Andriamanitra izy tsirairay avy, izay vao voavaha ny olan'ny tsirairay.

9. sitlo ( 13/09/2012 21:53)
Alohan'ny ilazana hoe diso sy tsy mahatakatra aloha aho dia mba nandinika ve didi10 fa tsy manova ny hevitra nentiko ny nosoratanao?
Raha niteny aho hoe natao ho an'ny olombelona, na niteny ianao hoe ny olombelona dia natao mpanjakan'ny zavaboahary, dia mitarika amin'ny lohahevitro ihany io: ny olombelona no ambony indrindra.

Fialan-tsiny ny fampidirana ny resaka devoly. Ny antony dia satria ny olombelona dia tsy te ho diso. Raha mandripaka ny bois de rose amin'ny tonne izany izao TGV dia holazaina fa tsy izy no nahatonga izany fa Losifera? Raha ovain'ny amerikanina izao ny genen'ny biby sy ny zava-maniry, dia hilaza fotsiny isika hoe ny devoly no nahatonga izany? Ka any aoriana any rehefa maty dia mbola ho entin'Andriamanitra ho tsaraina?

Ny tiako tenenina dia ny olombelona dia tsy inona fa iray amin'ny zavaboahary ihany. Ary ny finoana dia noforonon'ny olombelona hampetimpety ny sainy.
10. bichette ( 10/10/2012 11:16)
Ny antony noharian'Atra izao tontolo izao dia ny HIDERA AZY, ary isika olombelona koa nohariany HIDERA AZY. ny anjely hidera azy ! ny zvatra rehetra noforoniny HIDERA AZY AVOKOA.
11. Miharena ( 13/10/2012 04:00)
Ilay fiderana ve Bichette misy antony ? Ary inona no ifandraisan'ny fiderana sy ny tsy fahafatesana?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1732