Mila mitandrina ihany amin'ny hira atao hiram-piangonana
1. didi10
(
16/08/2012 07:14)
Ndeha isika handinika hira 2
Hira voalohany: Ambany elatrao
Ambany elatrao no tiako hitoerana
raha tojo tafiotra ny fiainako
tsy misy toerana hafa azo antoka
fa eo aminao no iriko eo anilanao no tiako
Tompo ô matoky aho fa mialoka aminao
ny tananao no manodidina ahy
'reo tebitebin'ny fo dia hangina avokoa
mitsahatra aho Ambany elatrao
Somary napetram-panontaniana ihany aho tamin'ny voalohany hoe?
Fa angaha moa Jehovah na Jesosy manana elatra? ny fantatro aloha dia i Satana no manana elatra satria Anjely izy!!!
Ka ambany elatr'iza ary???
Kanjo rehefa nandinika ny Baiboly aho dia nahita ireto Teny ireto:
Salamo 36,7
7 Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô!
ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.
Salamo 61,4
Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho, aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho.
Tsy asiako resaka lava fa mitombona tsara io hira io.
Hira faharoa: andron'ny Tompo anio
Asandrato anio ny hira fiderana
'Ndao hiara-hanandratra azy
Amim-pifaliana no hankalazana
Andron'ny Tompo anio
Ny volana aman-kitana (hidera azy)
Ny lanitry ny lanitra (hidera azy)
Ny anjeliny rehetra (hidera azy)
Andron'ny Tompo anio
Ny vorona manidina (hidera azy)
Ny rano mikoriana (hidera azy)
Izay manam-pofonaina (hidera azy
Andron'ny Tompo anio
Andron'ny Tompo tokoa ve ny Andro alahady (dimanche= dominicus dei = jour du Seigneur) na ny Sabotsy (Sabata)?

novalian'i tiavanafi ny 08/11/2012 11:00
2. didi10
(
16/08/2012 07:33)

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=N1-DZD8BEQI

3. Tefigasy
(
16/08/2012 10:05)
didi10:

Otran'ny toa tsy mahita ny teny hoe "alahady" na "asabotsy" ao anatin'io tononkira io aho ry didi10 a, sa ve mba atao support entina .... ndray le hiran'olona io !
Maninona ary raha tonga de le tianao hatongavana no tenenina fa tsy simbaina toa izao ilay hira e!
4. didi10
(
16/08/2012 12:18)
Tefigasy:
Otran'ny toa tsy mahita ny teny hoe "alahady" na "asabotsy" ao anatin'io tononkira io aho ry didi10 a, sa ve mba atao support entina .... ndray le hiran'olona io !
Maninona ary raha tonga de le tianao hatongavana no tenenina fa tsy simbaina toa izao ilay hira e!
Eo amin'ilay mot clé "andron'ny Tompo" mihitsy no tiako hisarihana ny saintsika.
Inona no atao hoe andron'ny Tompo?
Alahady na sabotsy ve?
Isanandro ve?
5. didi10
(
16/08/2012 12:40)
Tes I 5 1-2
Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, 2 satria hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.
Tes II 2,2
Ary mangataka aminareo izahay ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, 2 mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina hianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo.
II Pet 3,10
10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.
Ka aminao andron'ny Tompo ve anio? na amin'ny Sabotsy na amin'ny alahady?
NY ATAO HOE ANDRON'NY TOMPO dia ilay antsoin'izao tontolo izao hoe: FARA ANDRO

6. bor2lais
(
16/08/2012 13:53)
didi10:
NY ATAO HOE ANDRON'NY TOMPO dia ilay antsoin'izao tontolo izao hoe: FARA ANDRO
Fandraisanao azy io, fa ho an'ilay mpamoron-kira tsy voatery ! Ilay saintsika mihitsy angamba no tsara sokafana e ! :-)
7. Tefigasy
(
16/08/2012 13:59)
didi10:
Eo amin'ilay mot clé "andron'ny Tompo" mihitsy no tiako hisarihana ny saintsika.
Inona no atao hoe andron'ny Tompo?
Alahady na sabotsy ve?
Isanandro ve?
Eny ary e, andeha ary ilay andron'ny Tompo no asiana teny fa tsy dia ilay hira loatra raha izay no tena tianao hatongavana !
Manana hevitra maromaro amiko ny fitenenana hoe andron'ny Tompo. Iray amin'ireny heviny maromaro ireny io lazainao eo ambony io. Ary hita sy voasoratra tsara ao anaty baiboly. Saingy tsy dia ilay hoe Fara-Andro loatra angamba no hilazana azy fa hoe: "andro hiverenan'ny Tompo indray"
Iray iny
Fa iza moa no nanao ny Andro ? Tsy ny Tompo ve ?
Raha ianao ve no nanao ny zavatra iray, moa tsy tononina fa anao ve iny zavatra nataonao iny raha toa ka mbola tsy nomenao ho an'olona hafa na tsy nalain'ny olona hafa teo anatrehanao ?
Noho izany, amiko tsy diso ny hitenenana fa an'ny Tompo ny andro rehetra. Tsy misy idiran'ny hoe asabotsy na alahady na alatsinainy sady raha azo atao dia aza avily amin'ny andro iray ilay izy, fa ny andro rehetra dia an'ny Tompo avokoa.
Ary io hevitra faharoa io angamba hoy aho no tian'io tonon-kira io ambara: an'ny Tompo ny andro rehetra satria Izy no nanao azy(ny ANIO rehetra) ka tokony entina hiderana sy ankalazana ny anarany izany andro rehetra izany !
8. leva2
(
16/08/2012 15:39)
Velona Jesosy!
Marina ny fampitandremanao namana didi10 ny amin'ny hira atao any am-piangonana.
Anisan'ny sakafom-panahy ny hira ara-pilazantsara. Saingy raha diso na mifono hevitra hafa ilay izy dia karazan'ny mihinankinam-poana ny mihira azy, na mihinana poizina ho an'ny fanahiny mihitsy aza.
Ny hira azo antoka sy tsara indrindra dia izay notovozina tamin'ny Tenin'Andriamanitra ny tonony.
Ny zavatra tsikaritro koa dia misy ny hiram-pivavahana mivoy tsy finoana; indraindray koa olona mbola hita hoe eo ambany ziogan'ny fahotana no mihira azy, ary ny fihirana azy matetika dia toy ny manambara olona tsy mety afaka fa voageja sy voaziogan'ny fahotana mandrakariva.
Tsy tokony ho izany nefa ny olona mandray an'i Kristy fa OLONA AFAKA amin'ny ziogan'ny fahotana.
Misaotra namana isany!

9. Miharena
(
16/08/2012 21:29)
Tsy mahatsiaro toy ny voapetaky ny vy mahamay ihany ve Didi10 mitory Sabata na Alahady io?
Sao dia izay no misy ka sao dia tokony hiala amin'izany fisainana izany ianao aloha rehefa mizara?
Ianao moa miresaka hoe misarika ny sain'ny olona hanamarika ilay hira. Amiko ny ara-mpanahy tsy ara-tsaina. Ka raha démonstration fampiasan-tsaina no apetrakao dia mbola zava-poana ihany izany. Ny fanahy dia fanahy ary tsy misy idiran'ny saina.

10. didi10
(
17/08/2012 06:10)
Tsara ny Tompo
Misaotra ny namana amin'ny fanamarihana rehetra.
Raha tsorina dia fanindraindrana ny Alahady ho holon'ny Sabata ny fitenenana hoe andron'ny Tompo anio.
Andron'ny Tompo = Jour du Seuigneur = Dominicus Dei = Dimanche
Mazava tsara hatrany amin'ny Testamenta Taloha fa na ny andron'ny Tompo na ny andron'i Jehovah dia andro iray ihany.
Isaia 2,12
12 Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra
Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
Isaia 13,6
6 Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron'i Jehovah,
Ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
8 Ho toran-kovitra izy;
Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy,
Ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy;
Samy ho talanjona izy ka hifampijery;
Mitarehin-delafo ny tarehiny.
9 Indro, avy ny andron'i Jehovah,
Dia loza sy fahavinirana ary firehetan'ny fahatezerana
Hanafoanana ny tany
Sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
Joela 1,15
15 Indrisy ny andro!
Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah,
Ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny
Tsitoha no fihaviny.
....
Mba hamindrana ny Sabata ho Alahady dia zavatra roa no namitahana ny olona:
1. Ny filazana fa ny Alahady dia andron'ny Tompo
2. Ny filazana fa ny Paska dia tsy maintsy Alahady. (afaka contre-porofoina raha tianao)
Tadidio ry namana fa ny fanjakan'ny lanitra dia tsy misaraka amin'ny fahamarinana, ka raha ao anaty lainga no itoeranao dia hevero ny hoavin'ny fanahinao.

11. Tefigasy
(
17/08/2012 07:18)

Eny ary , raha ny fahitako azy dia tsy ilay andron'ny Tompo loatra no olanao fa ilay andro alahady satria ny Tompo no nanao ny andro rehetra ary Azy daholo izany na Sabotsy na Alahady na Alatsinainy na .... Aleo tonga dia vatanitsika amin'izay ary ny resaka raha izay no olanao e.
Voalohany:Na inona na inona aloha hoteneninao: ny sabata tsy hivadika ho alahady mihitsy sady tsy misy mieritreritra ny hamadika ny sabata ho alahady koa angamba ny tena kristianina.
Faharoa: Ny andro nitsanganan'i Jesoa Kristy tamin'ny maty dia andro alahady. Tsy misy idiran'ny daty aloha eto fa andro fotsiny ihany no lazaina. Aza afangaro amin'ny paka Jiosy azafady fa ny Paka Jiosy no voamarika amin'ny daty izay inoako fa fantatrao tsara !
Fahatelo: Voalaza matetika ao anaty baiboly ao fa saika ny andro alahady no andro nivorian'ny mpianatra na ny niangonan'izy ireo miaraka. Tsy asiako toko sy andininy aloha fa efa nolazaina tany amin'ny lohahevitra hafa tany foana izany
Fahaefatra : ity misy teny kely mba atolotro ho anao : Kol.2:16 "Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro , na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata "
12. didi10
(
17/08/2012 11:27)
Efa niresaka maharitra teto isika namana ny amin'ny Sabata sy ny Batisa ka hajaiko ny finoanao satria efa vita ny adidiko tamin'ny fitoriana.
Hiverina amin'ny lohahevitra aho,
Efa noporofoina teo fa tsy andron'ny Tompo anio! mbola maro ireo hira ara-pilazantsara hafa mahafinaritra kanefa tsy ankasitrahan'Andriamanitra, mila miezaka manompo an'Andriamanitra amin'ny fieritreretana madio tsy misy laingalainga isika ry namana.(II Tim 1,3)

13. bor2lais
(
17/08/2012 12:04)
didi10:
mbola maro ireo hira ara-pilazantsara hafa mahafinaritra kanefa tsy ankasitrahan'Andriamanitra
??? Mila am-pandalovina ao amin-dradidi daholo aloha angamba izany ny hira ara-pilazantsara rehetra e ! :-)
Ny mety olana fotsiny dia sao ny tsy tianao no terenao ho tsy tiaNY ! Toa tsy dia mety mantsy hono ny maka ny toeraNY ! ;-)
14. Miharena
(
17/08/2012 16:34)
Isaia 2,12
12 Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra
Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
Isaia 13,6
6 Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron'i Jehovah,
Ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
8 Ho toran-kovitra izy;
Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy,
Ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy;
Samy ho talanjona izy ka hifampijery;
Mitarehin-delafo ny tarehiny.
9 Indro, avy ny andron'i Jehovah,
Dia loza sy fahavinirana ary firehetan'ny fahatezerana
Hanafoanana ny tany
Sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
Joela 1,15
15 Indrisy ny andro!
Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah,
Ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny
Tsitoha no fihaviny.
Raha dinihina ireo teny notsongainao ireo Didi1à dia tsy milaza mihitsy na dia kely aza izay tianao hoporofoina momba ny Sabata na ny Alahady. Na koa hoe nisy namadika hoe Alahady ny Sabata. Aiza ho aiza marina no ahitanao taratra ireo fanavahana andro ireo amin'ireo teny voambara ireo?
Faharoa: Manana antoka ve ianao fa izay ambaran'ny hira dia tena milaza mihitsy fa manidrahindra ny andro ny olona namorona azy?
Sao dia milaza fihaonana amin'ny Tompo no namoronana ny hira. Satria tsy nasiana hoe SAbata na Alahady tao, dia azo atao ny mihira na amin'ny fotoana inona, na amin'ny fotoana inona.
15. didi10
(
18/08/2012 15:56)
Tsara ny Tompo
1. Manao azafady aho namana Miharena fa tsy misy idiran'ny resaka Sabata mihitsy ireo andian-teny ireo fa manazava ny andron'ny Tompo izay midika hoe: fara-andro na fiavian'ny Tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra.
2. Efa noporofoiko teto fa diso ny filazana fa andron'ny Tompo anio! par déduction no ahafahako milaza fa fanindraindrana ny Alahady (Jour su Seigneur = Dominicus Dei = Dimanche) io hira io.
3. Ny tsy azoko amintsika namana dia mitady hevitra hafa hanoherana ny porofo ara-baiboly foana isika na dia efa hita 'zao aza fa fampianaran-diso ilay izy. Mangataka contre porofo avy aminareo ary aho milaza fa andron'ny Tompo anio, na efa tonga ny andron'ny Tompo na efa lasa na andron'ny Tompo foana isanandro.

16. Miharena
(
21/08/2012 13:44)
Didi10:
2. Efa noporofoiko teto fa diso ny filazana fa andron'ny Tompo anio! par déduction no ahafahako milaza fa fanindraindrana ny Alahady (Jour su Seigneur = Dominicus Dei = Dimanche) io hira io.
Tsy diso ny filazana fa andron'ny Tompo anio raha izaho indray no anontanianao. Ho an'ny olona mihevitra fa tsy AZY no milaza fa diso io filazana io. Ny olona mihevitra mazava fa AZY dia ny ANIO rehetra dia andron"ny Tompo.
3. Ny tsy azoko amintsika namana dia mitady hevitra hafa hanoherana ny porofo ara-baiboly foana isika na dia efa hita 'zao aza fa fampianaran-diso ilay izy. Mangataka contre porofo avy aminareo ary aho milaza fa andron'ny Tompo anio, na efa tonga ny andron'ny Tompo na efa lasa na andron'ny Tompo foana isanandro
Tsy misy fanoherana porofo ara-Baiboly raha resaka hira ara-pilazan-tsara notanisainao eto. Sao dia ianao Didi10 no efa manana hevitra volena na raisina ho fahamarinana izay tsy miankina amin'ny finoan'ny olon-kafa ka mandiso sy mitsikera ny hafa?
18. niryna
(
26/08/2012 04:25)
didi10:Tsy mba reraka ve hianao ity hanova olona e lava ity e,sa mitady haka ny toeran'Atra hianao e?
Ndeha isika handinika hira 2
Hira voalohany: Ambany elatrao
Ambany elatrao no tiako hitoerana
raha tojo tafiotra ny fiainako
tsy misy toerana hafa azo antoka
fa eo aminao no iriko eo anilanao no tiako
Tompo ô matoky aho fa mialoka aminao
ny tananao no manodidina ahy
'reo tebitebin'ny fo dia hangina avokoa
mitsahatra aho Ambany elatrao
Somary napetram-panontaniana ihany aho tamin'ny voalohany hoe?
Fa angaha moa Jehovah na Jesosy manana elatra? ny fantatro aloha dia i Satana no manana elatra satria Anjely izy!!!
Ka ambany elatr'iza ary???
Kanjo rehefa nandinika ny Baiboly aho dia nahita ireto Teny ireto:
Salamo 36,7
7 Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô!
ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.
Salamo 61,4
Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho, aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho.
Tsy asiako resaka lava fa mitombona tsara io hira io.
Hira faharoa: andron'ny Tompo anio
Asandrato anio ny hira fiderana
'Ndao hiara-hanandratra azy
Amim-pifaliana no hankalazana
Andron'ny Tompo anio
Ny volana aman-kitana (hidera azy)
Ny lanitry ny lanitra (hidera azy)
Ny anjeliny rehetra (hidera azy)
Andron'ny Tompo anio
Ny vorona manidina (hidera azy)
Ny rano mikoriana (hidera azy)
Izay manam-pofonaina (hidera azy
Andron'ny Tompo anio
Andron'ny Tompo tokoa ve ny Andro alahady (dimanche= dominicus dei = jour du Seigneur) na ny Sabotsy (Sabata)?
Inona no tena zava-dehibe aminao ny fanatitra sa ny fo manatona an'Atra?
Ny finoana Azy sa ny fiangonana sabotsy?
Tadidio fa tsy misy mahatanteraka ny didy folo eo an,ka raha diso amin'ny iray hianao dia diso amin'ny rehetra
Kristy no Sabata ary averiko indray.Ny resaka sabata ,sabata io foana ve no eritreretinao fa isarihana ny olona hino an'Atra e?
Indraindray toa lasa mampalahelo ilay resaka fivavahana eto fa e,e ,ny ataoko ihany no ataoko e,,ny sabatako ihany no tanisaiko lava eto e.
Ataoko fa Atra irery no mahalala ny fon'ny tsirairay na mino Azy na tsy mino Azy.Na hiangona alahady izy na sabotsy.Fa dia lelafina re ny faladianao e,zarao ny tenin'Atra ny olona ka hajao ny fandehanan'ny olona miangona na sabotsy io na alahady io fa Atra irery hoy aho no mahalala ny fon''ny olona .Ok
19. didi10
(
27/08/2012 06:29)
Misaotra namana niryna hanokatra lohahevitra vaovao aho hanazavako anao ny Tenin'Andriamanitra momba ny fahotana satria mety tsy fantatrao fa "ota avokoa ny tsy fahamarinana rehetra". = Rehefa tsy mandeha amin'ny fahamarinana ianao dia mpanota.
Raha tsy mahatanteraka ny didin'Andriamanitra ianao dia tazomy ho anao irery izany ka mibebaha fa aza atao ho zavatra "normale" izany ka izay no toriana amin'ny namana eto, hamasino ny Sabatako (Zoma maty masoandro-Sabotsy maty masoandro) hoy Jehovah, tahaka ny hoe :"aza mandainga, aza mangalatra, aza mamono olona"
Mbola averiko aminao koa fa :" raha zanak'Andriamanitra dia tsy manota ary tsy mahay manota", hoy ianao hoe "tsy possible izany"!!!! dia hoy aho mantsy anao hoe vakio ny Baibolinao dia tadiavo fa misy teny aho momba ny tokony hahatanteraka ny olon'Andriamanitra.

20. Miharena
(
28/08/2012 10:14)

Tena mivoana ilay fanehoan-kevitrao Didi10. Hira tsy misy idiran'ny resaka Sabata no notanisainao nefa nahoana no tonga amin'ity resaka ity ilay izy?