Ny Kristiana sy ny fahafatesan'ny nofo
1. didi10
(
07/08/2012 11:38)
Tsara ny Tompo
Matahotra ny ho faty ny ankabeazan'ny Kristiana, mety ho maro ny antony fa ny tena mahagaga dia arakaraky ny ahafantaran'olona an'Andriamanitra no tena atahorany ny fahafatesana.
Ny Tenin'Andriamanitra anefa dia milaza fa:
Fil 1,21
Kristy no anton'ny hahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
Inona no anton'izany "paradoxe" na fifanoherana izany?

novalian'i Miharena ny 16/08/2012 21:03
2. bor2lais
(
07/08/2012 13:33)
didi10:
Matahotra ny ho faty ny ankabeazan'ny Kristiana, mety ho maro ny antony fa ny tena mahagaga dia arakaraky ny ahafantaran'olona an'Andriamanitra no tena atahorany ny fahafatesana.
Raha ny fahitako azy dia mifototra amin'ilay hoe "Andriamanitra no tompon'ny aina" ny Kristiana ka arakaraky ilay fahafatesana io :
- raha "appelé" dia eny
- raha "volontaire" kosa dia tsia !
:-)
3. Miharena
(
08/08/2012 11:42)
Amiko indray dia tsy misy paradoxe io na dia kely aza.
Ny tahotra dia ny nofo no manana azy fa ny fanahy tsy manan-tahotra.
Ny fampifangaroana ny nofo sy ny fanahy no mahatonga ahiahy.
Matoa nivoaka ny teny hoe : ny lalaKO tsy lalanareo dia mizara roa mazava tsara: Ny lalam-panahy (anjaran'Andriamanitra sy i Krsity) tsy lalan'ny nofo (izay alehan'ny olombelona).
I Krsity anefa no manamarina fa rehefa afaka amin'y fiheveran-diso dia mahatakatra tsara ny dikan'i oTeniny io ka na diambola ao amin'ny nofo aza dia efa manana sahady fahatoniana amin'ny fandehanana ara-panahy.

4. jojo3t
(
09/08/2012 05:23)
Ara-dalàna raha matahotra ny ho faty na kristiana aza, efa voajanahry ny hoe miaina sy mivelona amin'zao fiainana izao, ka tsy hisy te hieritreritra ny hidina any amin'ny fiainan-tsy hita, ary maro koa no tsy mahalala izay iafarany rehefa maty izy, ny tsara indrindra nefa dia ny fananana fanantenana dieny izao na dia ho faty aza, io ilay fitsanganan'ny maty voalazan'ny Jaona 5 : 28, 29.
5. didi10
(
14/08/2012 09:27)
Amiko ny olona matahotra ny ho faty dia ireo tsy vonona amin'ny fiainana miandry azy aorian'ny fahafatesana:
1- Na mpanota izy ka niandry fotoana foana hibebahana sy hiveranana amin'Andriamanitra kanjo tara loatra.
2- Na efa ao amin'i Jesosy izy saingy tsy mbola vita Batisa na tsy mbola nandray ny Fanahy Masina Ohatra.
Matio 10,28
28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
Matio 16,25
25 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany. 26 Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? 27 Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
AMENA

6. Miharena
(
15/08/2012 06:26)
Misampana roa ny saidy amin'ny resaka ataon'i Krsity ao amin'ny Matio io.
Na hiaina ara-nofo (mamonjy izay heveriny fa ainy dia ny fiahiana ny nofo) na hiaina ara-panahy (mahafantatra fa ny fanahy no olona fa tsy nofo aman-drà).
Désitdentification, na fanafonana ny tena mihitsy no tiana ambara eo. Io no nataon'i Krsity : nofoanaNY ny Tenany.
Asa ianareo raha efa nahatsapa izany hoe foana izany sy nahatsapa izany hoe misy fisiana mandrakizay izany fa izaho manokana aloha dia efa nahatsapa ary mahafantatra fa io no fanahiko, dia ilay mandrakizay ao anatiko ary handeha amin'y toetra mihavao hatrany arakaraka ny lalana izorana. Samy mitovy avokoa ny olombelona rehetra momba izany toe-javatra izany fa ny fanalavirana izany dia fonosana maizina ateraky ny fitodihana ivelany, fiheverana fa lavitra Andriamanitra. Matoa ny teny hoe efitra = ota napetrak'i Krsity dia tsy lavitra ny Tompo raintsika iombonana amin'i Kristy fa ao anatintsika ihany saingy fefena na fonosina amin'ny fiheveran-diso rehetra.
Ka raha ny lohahevitra hoe misy ny fahatahorana ny fahafatesana dia tsy ampy angaba ny fahalalàna ny momba ny tena. Satria ny tena atao hoe TENA dia fanahy fa tsy ny nofo.

7. didi10
(
15/08/2012 15:38)
Miharena:

Miray hevitra amin'i Miharena tanteraka aho ny amin'ny fanahy ny TENA fa tsy amin'ny nofo. Ny mahagaga ahy dia ianao tsy mety mino ny fanahy tsy mety maty, ilay ambara fa na handova ny fiainana mandrakizay na any amin'ny farihy mirehitra afo.
8. Miharena
(
15/08/2012 17:57)
Tsy tokony hahagaga anao Didi10 izany resaka fanahy mandeha roa lalana izay tazoninareo izany sy izay inoako. I Kristy nametraka hafatra taty aorian'izay voasoratra ao anaty baiboly io hoe tsy misy helo io fa ts yizaho loatra no mamorona. Ary rehefa tomorina akaiky tsara ny momba ny olombelona sy izay fironana mahazo azy avy dia manamarina io fanambarana io. Io moa ilay lazaiko hoe 3ème Testament.
Misy fanitsiana fomba fijery rehefa miseho izay i Kristy Jesoa ary maro ireo olona nampitana hafatra.
Ny fampianarana momba ny fanahy moa no tena tiana ahatongavana, dia izay tsy idiran'ny nofo mihitsy ka asa hoe mahare fahamaizana indray ve izany fanahy izany raha ataontsika tokoa fa farihy mirehitra afo no iantefany raha tsy nahatomombana izay didin'Andriamanitra izy?
Ilay TENA soratra lehibe ve mety may? sa inona io dorana io? Mila mahay mamaly tsara isika raha handresy lahatra momba ny fisian'ny helo fa tsy tononina fotsiny amin'izao izany.

9. didi10
(
16/08/2012 06:08)
Miharena:
Ilay TENA soratra lehibe ve mety may? sa inona io dorana io? Mila mahay mamaly tsara isika raha handresy lahatra momba ny fisian'ny helo fa tsy tononina fotsiny amin'izao izany.
Ataoko angamba aloha fa tsy mivoaka amin'ny lohahevitra isika satria miresaka ny momba ny aorian'ny fahafatesan'ny nofo.
Manantena aho aloha fa aminao dia mifameno ny Baiboly sy ny "3e Testament" fa tsy nosoloin'ny 3e Testament akory ny Baiboly. Noho izany manantena ihany koa aho fa mino ianao fa mbola manankery ny teny lazain'ny Baiboly rehetra.
Raha hamaly ny fanontanianao "Ilay TENA= fanahy vamety may? mety mahare maharary? mety mijaly?
Vakio ny tantaran'i Lazarosy sy ilay mpanankarena (Lioka 16,20), jereo tsara fa tsy fanoharana nataon'i Jesosy io fa tantara marina.
Fiainan-tsihita = fijaliana (Lioka 16,23;28)
Fiainan-tsihita = lelafo, fadiranovana (Lioka 16,24)
Lioka 16,29
29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy. 30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy. 31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.
Mazava eto fa maty ilay mpanankarena ka lasa any amin'ny fiainantsihita = farihy mirehitra afo (Matio 13,42) izy ( ny Tenany= ny fanahiny).
10. arist
(
16/08/2012 13:02)
Fahafatesana????
Raha aminay tsy mahay mamaky baiboly dia izao no fahitanay azy. Andriamanitra no nanao izao tontolo izao. Rehefa misy fahaterahana, manomboka eo dia misy compte à rebours mankany amin'ny fahafatesana, izany hoe manatona ny fahafatesana ny zava-manan'aina rehetra, y compris ny olombelona (na kristianina na tsia). Zavatra efa fantatra izany. Izay le lazaina hoe Andriamanitra no mandahatra ny zava-drehetra, Izy no mahafantatra ny zava-drehetra, fa na dia ny isan'ny volon-dohanao aza fantany, Izy no mahafantatra ny andro hahafatesanao sy ny fomba hafatesanao.
Ka na matahotra ny fahafatesana ianao na tsia, TSY HANOVA NA INONA NA INONA IZANY.
Ka na hitanisa toko sy andininy momba ny fahafatesana ianao, TSY HANOVA NA INONA NA INONA IZANY.
Aminay, rahefa manolotra ny fonao hoan'Andriamanitra ianao, aza manahy ny ampitso, aza manahy amin'izany fahafatesana izany satria raha ekenao fa Andriamanitra no nitantana anao tamin'ny fahavelomanao, Izy ihany koa no mbola hitantana anao amin'ny fotoana handaozanao ny fiainana ara-nofo.

11. bor2lais
(
16/08/2012 13:38)
arist > +1
Dia ahoana ny fandraisanao ny fihetsiky Jesoa rehefa nalain'ny devoly fanahy teo an-tampon'ny Tempoly : tokony nivarina tany ambany tany ve Izy ? ;-)
didi10:
Matahotra ny ho faty ny ankabeazan'ny Kristiana, mety ho maro ny antony fa ny tena mahagaga dia arakaraky ny ahafantaran'olona an'Andriamanitra no tena atahorany ny fahafatesana.
Dia ahoana ny fandraisanao ny fihetsiky Jesoa rehefa nalain'ny devoly fanahy teo an-tampon'ny Tempoly : tokony nivarina tany ambany tany ve Izy ? ;-)
12. Miharena
(
16/08/2012 21:03)
Didi10:
Manantena aho aloha fa aminao dia mifameno ny Baiboly sy ny "3e Testament" fa tsy nosoloin'ny 3e Testament akory ny Baiboly. Noho izany manantena ihany koa aho fa mino ianao fa mbola manankery ny teny lazain'ny Baiboly rehetra.
Ny zavatra manan-kery dia izay mbola tiana hanan-kery na ampiainina fa tsy mifanaraka amin'ny ankehitriny izay tena izy sy ny fototra ipoirana sy iainana mihitsy.
Tsy mamaly ny fanotaniana ihany koa ny valinteninao.Ny fanontaniana dia hoe : izay tsy mety levona ve (fanahy) azon'ny afo dorana? Tsy izay mety levona ve no azon'y afo dorana?
Ka raha hoy ianao hoe io nofo io ianao aorian'ny fahafatesana dia marina fa any amin'ny helo dia mety may ianao raha tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra raha toa ka natao ny helo ho an'ny olombelona.
Manaiky hatrany izany ianao fa miverina nofo ihany io olombelona miala aina io dia mankany amin'ny helo hirehitra mandrakizay any.
Ny ao amin'ny 3è Testamnt dia milaza ny hoe incarnation sy réincarnation.izay tsy tomombana nanditra ny fivahinianany teto an-tany no mandeha amin'io lalana io. Izay nahomby kosa dia miaina ara-panahy aorian'ny fandaozany ny nofony.
Tsarovy fa ny Baiboly dia fifandimbiasan'ny trangan-javatra mitranga fa tsy hoe fiverenan-javatra. Ary fameno manome ilay lalana izorana ny 3è testament. Tsy midika izany hoe manan-kery na tsia ireo boky ireo fa manome fanazavana.
Ka aoka angamba tsy hatao fampitahorana ny fitorian-teny fa rehefa tena mamaky ilay 3è Testament ianao dia ireo no tena manome toriteny tsy mampitahotra fa mamaly an-tsakany sy an-davany izay tian'ny Tompo nohazavaina hatrizay teto ambonin'ny tany.