Fivoaran'ny tsipelin'ny teny malagasy

1. Tibao ( 06/08/2012 00:37)
Miarahaba antsika rehetra,

Rehefa mamaky ireo tahirintsoratra tamin'ny fitaon'ny Fanjakana (Faha-50 taonan'ny Teny Soa), dia tsapa ary hita fa samihafa ny fomba fanoratan'ireo mpanoratra taloha ary ny fomba fanoratantsika ankehitriny ohatra : amin'ny nosoratana amy ny, ary amin'i lasa aminy, sns..

Ka izao ilay fanontanina : Inona no nahatonga antsika nanova ny tsipelina malagasy? Ohatry ny tsy mahita na inona na inona manko izaho eo amin'ny tranonkala, ka aleo apetraka eto ilay fanontaniana.

Dia misaotra mialoha.
novalian'i niryna ny 24/09/2012 03:17
2. hery ( 06/08/2012 23:17)
Tsy ny teny malagasy ihany no mivoatra. Ny teny frantsay ohatra dia nivoatra ihany koa, sns. Tsy ratsy izany amiko satria manaraka ny fivoaran'ny tontolo sy ny fifangaroana. Isika Malagasy aza mbola afaka mirehareha fa betsaka ny teny no efa nanjavona. Noho isika mipetraka amin'ny nosy dia vitsy kokoa ny teny hafa mifangaro amin'ny tenintsika.

Koa ny valin'ny fanontaniana hoe naninona no nanova isika... dia angamba tsy nanova isika fa niova ho azy araka io voalaza eo ambony io... ary mbola hiova io raha tsy miezaka isika manaja ny tenintsika.
3. iloinen ( 07/08/2012 09:41)
Anisan'ny mahatonga ny fiovan'ny fanoratana ny teny malagasy ny fampiasantsika ny fanafohizan-teny amin'ny sms na amin'ny mailaka, ohatra raha tokony hanoratra hoe: "mandeha" dia lasa hoe: "mande", ka io no mety ho lovain'ny taranaka amam-para atsy ho atsy satria na ny ankizy kely vao miana-madeha aza efa mahay milalao finday izao ka dia hanjavona tsikelikely ary tsy ho fantatra intsony izay tena fanoratana ny teny malagasy ka ilaina fitandremana.

4. ledala ( 16/09/2012 20:58)
ankoatr'ireo sms , mail,....sy ny sisa, dia misy ihany koa ny tsy mahay manoratra teny malagasy toa ahy, nefa tsy mahafehy français, ary aotra amin'ny anglais, ny hafa tsy lazaina intsony.
5. niryna ( 24/09/2012 03:17)

Tibao:

Miarahaba antsika rehetra,

Rehefa mamaky ireo tahirintsoratra tamin'ny fitaon'ny Fanjakana (Faha-50 taonan'ny Teny Soa), dia tsapa ary hita fa samihafa ny fomba fanoratan'ireo mpanoratra taloha ary ny fomba fanoratantsika ankehitriny ohatra : amin'ny nosoratana amy ny, ary amin'i lasa aminy, sns..

Ka izao ilay fanontanina : Inona no nahatonga antsika nanova ny tsipelina malagasy? Ohatry ny tsy mahita na inona na inona manko izaho eo amin'ny tranonkala, ka aleo apetraka eto ilay fanontaniana.

Dia misaotra mialoha.
Vokatry ny toetr'andro io dia miova manaraka izany koa ny teny.Ny loza aza dia lasa tapa-bolo daholo ny malagasy vavy ary lasa bada lela ihany koa indrindra moa rehefa somary ambonimbony izay hi.hi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.357