Vaovao tsara!!!

1. jajajaly ( 03/08/2012 11:23)
Hisy fahagagana atao eto an-tany tsy ho ela.

Mino izany ve ianao.



novalian'i LazaDaddy ny 22/08/2012 04:15
2. mirananirina ( 03/08/2012 13:30)
Ny fahagaga dia efa nisy ary misy no mbola hisy
3. zandry01 ( 05/08/2012 14:12)
ha ha ha ha mbola mino père noel foana ve nareo ô!!!!!
4. felampaiso ( 05/08/2012 17:13)
Ny tena FAHAGAGANA LEHIBE indrindra dia izay lalana nataon'Andriamanitra hamonjena antsika dia izay voalazan'ny Jaona 3.16 sy n,y Filipiana 2: nanaiky haka endrik'olombelona tahaka antsika i Jesoa Kristy nefa nanana ny endrik'Andriamanitra Izy, Andriamanitra IZY mba hanana fiainana Mandrakizay izay mino Azy.
"Izay manantsofina aoka izy hihaino ary izay manam-pinoana ,aoka izy hiambina fa andro farany izao"
5. didi10 ( 06/08/2012 08:08)

jajajaly:

Hisy fahagagana atao eto an-tany tsy ho ela.

Mino izany ve ianao.


Ny fahagagana dia misy foana isan'andro raha mino an'i Jesosy ianao ka mampiasa ny AnaraNY.
Afaka miaina amin'izany fahagagagana mampiseho ny Voninahitr'Andriamanitra izany ianao isanandro isanandro.
Tsy voatery ho mpitandrina, na mpiandry na olona voahosotra ianao vao afaka ampiasain'ny Tompo fa na iza na iza mangetaheta, na iza na iza mangataka ka mino dia omen'i Jesosy anao izany rehetra izany.
Antsoy anaran'i Jesosy, ampiasao ny anaran'i Jesosy dia ho hitanao ny fahagagana.

Matio 21,22
22 Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo

Marka 16,17
17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; 18 handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny.

6. RBNIR ( 06/08/2012 09:11)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Ny fahagagana tokoa dia misy ary mbola tsy maintsy hisy,
Saingy fantaro tsara ny anton'ny fahagagana:
Raha namarana ireo ASA LEHIBE nataony Jesosy Tompo dia hoy izy « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Mat.11:21)

TOKANA ny tanjon'Andriamanitra amin'ireny FAHAGAGANA ireny dia ny mba hahatonga saina ny olona ka hatsapany fa kay TENA MISY ANDRIAMANITRA ka TOKONY HIBEBAKA SY HANAO NY SITRAPONY ny zanak'olombelona rehetra.

IZAY IHANY KOA NY MISSION an'i JESOSY TOMPO: HO FAMANTARANA FA TENA MISY TOKOA ANDRIAMANITRA (vakio ISA.7:11-16; MAT.1:21-25) .

Ry namana isany TSARA TOKOA NY FAHAGAGANA nefa tsarovy fa ny antony dia hanamafisana ny finoantsika fa TENA MISY TOKOA ANDRIAMANITRA KA TOKONY HATAHORANA,

MATAHORA DAHOLO AN ANDRIAMANITRA, OMEO VONINAHITRA IZY KOA DIA MIBEBAHA, ATAOVY NY SITRAPONY REHETRA.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo

7. leva2 ( 06/08/2012 12:15)

zandry01:

ha ha ha ha mbola mino père noel foana ve nareo ô!!!!!


Velona Jesosy!

Tsy Pere Noel mihitsy namana no manao fahagagana fa Jesosy!
Ny pere noel de sady tsy ao anaty baiboly no sady tsisy maha-kristiana azy na dia kely aza!
Lainga sy fitaka ho an'ny ankizy no fototry ny Pere noel ary zary commercial ankehitriny, ka asakasakao ray aman-dreny tia zanaka izay hamoky fitaka ny zanany amin'izany.

Ny olona manana an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy azy dia "Fahagagana" ny fiainany an-davanandro, asehon'Andriamanitra amin'ny fiainany ny voninahiny izay mihoatra lavitra noho ny fahefan'olombelona sy ny fihevitry ny olom-belona. Mahery ny anaran'i Jesosy fa andramo ka zahao namako!

Mijoro vavolombelona ny amin'izany ny tenako.
8. niryna ( 06/08/2012 20:06)



zandry01:

ha ha ha ha mbola mino père noel foana ve nareo ô!!!!!
leva2:


Velona Jesosy!

Tsy Pere Noel mihitsy namana no manao fahagagana fa Jesosy!
Ny pere noel de sady tsy ao anaty baiboly no sady tsisy maha-kristiana azy na dia kely aza!
Lainga sy fitaka ho an'ny ankizy no fototry ny Pere noel ary zary commercial ankehitriny, ka asakasakao ray aman-dreny tia zanaka izay hamoky fitaka ny zanany amin'izany.
mahavariana tokoa indraindray e,dia tsy mba manazava ny lehibe fa dia asainy minomino foana ny zaza.Tsy mba afaka miteny mivantana aza indraindray fa manao biby fampitahorana sao tsy mahazo zavatra aminy( dadabe noely io an).Raha mba toy izany moa no fampianarina ny ankizy hoe mangataha fitahiana ,mangataha zavatra amin'ilay Atra velona
Izay ampianarina ny ankizy tokoa mantsy no hinoany any ka rehefa lehibe izy dia mifamahofaho be ihany ny finoany.
Nisy fety izao izay nankalaza ny fahaleovantenany ilay firenena kely,inona hoy hianareo no ita ombieny ombieny? sarivongana ooops,aiza amin'izany ary ny finoana izay omena ny zaza?

Ny olona manana an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy azy dia "Fahagagana" ny fiainany an-davanandro, asehon'Andriamanitra amin'ny fiainany ny voninahiny izay mihoatra lavitra noho ny fahefan'olombelona sy ny fihevitry ny olom-belona. Mahery ny anaran'i Jesosy fa andramo ka zahao namako!

Mijoro vavolombelona ny amin'izany ny tenako.
marina izany .Ny fahotana no mampisaraka antsika amin'Atra.Fisaorana feno anefa no atolotra Azy isan'andro isan'ora fa noraisiny ho zanany isika rehetra izay mino Azy.Na ny rivotra tsy hita fihaviana kanefa tsy afaka miaina isika raha tsy misy izany rivotra izany dia efa fahagagana iray ao anatin'ireo fahagagana maro ireo.Tsy mijery lavitra akory isika fa ny fahazoavaNy no namonjeNy antsika ,fahasoavana izay tsy noratovina na nangatahana na naraina asa fa nomeny maimaim-poana ho an'izay mandray Azy.
9. hery ( 06/08/2012 23:11)
Isanandro ny fahagagana...
Izaho sy ny ankohonako aloha dia efa misaotra ny Tompo isanandro fa fahagagana be isanandro no azo.
10. jojo3t ( 09/08/2012 05:19)
Tsotra ny valiny, ary ao amin'ny baiboly ihany, mbola maro ireo fahagagana hataon'i Jesosy tsy ho ela.
11. bor2lais ( 09/08/2012 11:50)
Namaky ny soratra eo akaikin'ireo sary aho vao nahazo ny tian'i zandry01 lazaina
zandry01:

ha ha ha ha mbola mino père noel foana ve nareo ô!!!!!

Ohatra iray (eo amin'ireo sary ireo).
---------
Fahagagana
- Nanasitrana karazana aretina maro Jesosy (misy toko sy andininy)
Fampanantenana
- "Tsy hisy mponina hilaza hoe : "marary aho" " (misy toko sy andininy)
Dikany
- Ho foanana daholo ny aretina
- Ho salama tsara ny olon-drehetra
----------
Gravy ihany tokoa ilay "lojika" a ! :-)

Miala tsiny fa mety HS angamba ny resako ! ;-)
12. LazaDaddy ( 22/08/2012 04:15)
jajajaly:
Hisy fahagagana atao eto an-tany tsy ho ela.

Jajajaly,

Ianao mbola velon'aina afaka mamaky ity hafatro ity dia efa fahagagana lehibe (eny fa na dia mety hoe somary mi-jajaly aza). Aza diso hevitra hoe rehefa matory ny alina dia tokony tsimaintsy mifoha ny maraina. Tsy tanteraka izany raha tsy noho ny fahasoavana sy famindram-po avy amin'Ilay mpanome aina anao.

Ny masoandro miposaka dia efa fahagagana ary tsy mbola takatry ny sain'olombelona izany na dia miezaka manazava araka izay kely mba takany aza izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0419