Inona no antony?

1. didi10 ( 01/08/2012 11:25)
Inona no anton'ny finoana?
Inona ny anton'ny fibebahana?
Inona no anton'ny Batisan'ny rano sy ny Batisan'ny Fanahy Masina?
Inona no anton'ny itoriana?
Inona no tokony haharetana?

Valiteny tokana: HO FAMONJENA NY FANAHY.

Minoa an'i Jesosy
Mibebaha
Mirosoa amin'ny Batisan'ny rano amin'ny anaran'i Jesosy
Angataho ny Fanahy Masina
Mandehana mitory ny filazan-tsara.
Mahareta hatramin'ny farany.

Dia ho voavonjy ny fanahinao.
Amena.

novalian'i Miharena ny 08/08/2012 11:50
2. jajajaly ( 01/08/2012 13:11)

didi10
Minoa an'i Jesosy
Mibebaha
Mirosoa amin'ny Batisan'ny rano amin'ny anaran'i Jesosy
Angataho ny Fanahy Masina
Mandehana mitory ny filazan-tsara.
Mahareta hatramin'ny farany.

Dia ho voavonjy ny fanahinao.

miombon-kevitra aminao! l'âme sera sauvé
3. niryna ( 06/08/2012 20:52)
didi10:

Inona no anton'ny finoana?
ny finoana dia misy maro fa tsy hoe miresaka finoana isika dia resaka finoana an'i kristy izay an.

Inona izany no atao hoe finoana,mino an'iza?Inona no nahatonga anao nino ? ohatra nino an'i kristy aho satria .....?
Inona ny anton'ny fibebahana?

Dia mba azavao amin'ny teny gasy ihany hoe izany atao hoe fibebahana izany ?
Inona no mitranga raha toa ka mino an'Atra isika kanefa tsy nangataka fibebahana,mibebaka isika satria maninona? Moa vitan'ny mibebaka fotsiny?
Tsia,mino ary mangataka famelankeloka,miaiky fa diso ,miaiky fa meloka ary mangataka famelankeloka ny hafa ihany koa,fa maninona no mangataka famelankeloka ny hafa ? satria tsy vitantsika samy irery ilay izy ,sarotra ho antsika ny mamela ny hafa fa mora amintsika no mangataka famelankeloka.Noho izany dia mitady ilay Atra velona isika hanampy antsika amin'izany satria mahafantatra isika fa ny heloka hibaboana mody rariny ary ny tsy fifamelan-keloka ny hafa na dia miseho sy milaza ny tenantsika ho masina aza isika dia tsy ankasitrahin'Atra ary tsy ho avelany mihitsy koa ny helon-tsika

Inona no anton'ny Batisan'ny rano sy ny Batisan'ny Fanahy Masina?
hoy Jaona Mpanao Batisa hoe " izaho manao batisa anareo amin'ny rano fa ilay ao aoriako(kristy io ) ,Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina .
Marika iray hilazana fa kristiana isika,na mpanaraka an'i kristy .Mampiseho ny finoana Azy izany " Izay rehetra mino sy atao batisa no ho vonjena"
ka mipetraka ny fanontaniana hoe: moa izay rehetra tsy vita batisa dia tsy ho voavonjy? misy antony maro no mety tsy nahavitana batisa ny olona iray talohan'ny nahafatesany an? Dia ahoana indray ilay hoe ny finoanao no nahavonjy anao?

Inona no anton'ny itoriana?
tadidio fa ny zavatra ataontsika rehetra dia hitsarana antsika avokoa an? tsy mora ny mitory ary aleo koa anefa tsy mitory toa izay mitompo teny fatratra ka izay fomba nampianarina araka ny fiangonana no hitoriana satria betsaka ny mivoana( mba tsy hilazana hoe misy olona miziriziry ny fiangonany ihany no marina ooops)
Ny fihetsika,ny fiteny,ny fomba fiainana,ny asa atao,ny fifandraisana amin'ny olona dia efa mitory teny fa zanak'Atra ilay olona.Taratra amin'ny fiainanao iray manontolo izany ny maha kristiana anao: mpanaraka an'i kristy,mpino an'i kristy ho Atra velona,mpanaiky an'i kristy fa Tompo sy Mpamonjy.
Inona no tokony haharetana?

Valiteny tokana: HO FAMONJENA NY FANAHY.
amin'ny fomba ahoana? inona izany teny hoe haharetana izany?
Ny fanahy no voavonjy dia noho ny finoana ilay Mpamonjy ny fanahy an
,tandremo sao mivilivily an ? ha,ha

Minoa an'i Jesosy
Mibebaha
Mirosoa amin'ny Batisan'ny rano amin'ny anaran'i Jesosy
Angataho ny Fanahy Masina
Mandehana mitory ny filazan-tsara.
Mahareta hatramin'ny farany.

Dia ho voavonjy ny fanahinao.
Amena.
misaotra
4. Miharena ( 07/08/2012 12:07)
Raha tanteraka ireo resahana ireo nefa tsy manana fandalinana mazava ny olona dia azo lazaina ve fa manana fiainana na koa mandroso ao amin'ny fahasoavan'i Krsity?
5. didi10 ( 07/08/2012 12:38)

niryna:

didi10:

Inona no anton'ny finoana?
ny finoana dia misy maro fa tsy hoe miresaka finoana isika dia resaka finoana an'i kristy izay an.

Inona izany no atao hoe finoana,mino an'iza?Inona no nahatonga anao nino ? ohatra nino an'i kristy aho satria .....?
Inona ny anton'ny fibebahana?

Dia mba azavao amin'ny teny gasy ihany hoe izany atao hoe fibebahana izany ?
Inona no mitranga raha toa ka mino an'Atra isika kanefa tsy nangataka fibebahana,mibebaka isika satria maninona? Moa vitan'ny mibebaka fotsiny?
Tsia,mino ary mangataka famelankeloka,miaiky fa diso ,miaiky fa meloka ary mangataka famelankeloka ny hafa ihany koa,fa maninona no mangataka famelankeloka ny hafa ? satria tsy vitantsika samy irery ilay izy ,sarotra ho antsika ny mamela ny hafa fa mora amintsika no mangataka famelankeloka.Noho izany dia mitady ilay Atra velona isika hanampy antsika amin'izany satria mahafantatra isika fa ny heloka hibaboana mody rariny ary ny tsy fifamelan-keloka ny hafa na dia miseho sy milaza ny tenantsika ho masina aza isika dia tsy ankasitrahin'Atra ary tsy ho avelany mihitsy koa ny helon-tsika

Inona no anton'ny Batisan'ny rano sy ny Batisan'ny Fanahy Masina?
hoy Jaona Mpanao Batisa hoe " izaho manao batisa anareo amin'ny rano fa ilay ao aoriako(kristy io ) ,Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina .
Marika iray hilazana fa kristiana isika,na mpanaraka an'i kristy .Mampiseho ny finoana Azy izany " Izay rehetra mino sy atao batisa no ho vonjena"
ka mipetraka ny fanontaniana hoe: moa izay rehetra tsy vita batisa dia tsy ho voavonjy? misy antony maro no mety tsy nahavitana batisa ny olona iray talohan'ny nahafatesany an? Dia ahoana indray ilay hoe ny finoanao no nahavonjy anao?

Inona no anton'ny itoriana?
tadidio fa ny zavatra ataontsika rehetra dia hitsarana antsika avokoa an? tsy mora ny mitory ary aleo koa anefa tsy mitory toa izay mitompo teny fatratra ka izay fomba nampianarina araka ny fiangonana no hitoriana satria betsaka ny mivoana( mba tsy hilazana hoe misy olona miziriziry ny fiangonany ihany no marina ooops)
Ny fihetsika,ny fiteny,ny fomba fiainana,ny asa atao,ny fifandraisana amin'ny olona dia efa mitory teny fa zanak'Atra ilay olona.Taratra amin'ny fiainanao iray manontolo izany ny maha kristiana anao: mpanaraka an'i kristy,mpino an'i kristy ho Atra velona,mpanaiky an'i kristy fa Tompo sy Mpamonjy.
Inona no tokony haharetana?

Valiteny tokana: HO FAMONJENA NY FANAHY.
amin'ny fomba ahoana? inona izany teny hoe haharetana izany?
Ny fanahy no voavonjy dia noho ny finoana ilay Mpamonjy ny fanahy an
,tandremo sao mivilivily an ? ha,ha

Inona no anton'ny finoana?
Pet I 1,9
9 ...ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.

Inona no anton'ny fibebahana?

lioka 13,5
"...raha tsy mibebaka ianareo dia ho ringana..."

Inona no anton'ny batisan'ny rano sy ny batisan'ny Fanahy Masina?
Marka 16,16
izay mino sy atao Batisa no hovonjena
Romana 8,9
Raha misy tsy manana ny fanahin'i Krsity dia tsy Azy izy.

Inona no antony itoriana?
Tim I 4,16
16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

Valiteny tokana: Ho famonjena ny fanahy
6. moustaraf ( 07/08/2012 16:50)

MARINA AVOKO IREO LAZAINAO IREO, ARAKA NY FAMPIANARANA ROMANA, fa HAFA KOKOA NOHO IZANY NY DIKAN'IREO TENY REHETRA IREO RAHA HAZAVAINA AMIN'NY FISAINANA HEBREO- FA IANAO MOA NO MAPIANATRA ETO KOA DIA TSY ATAO BE NY FITENENENANA:
Oh: Amin'ny fisainana hebreo/ malagasy
1-Izay mino sy atao batisa no hovonjena:
Mino= mihinana, misotro (amin'ny gasy ihany koa: minon-drano/ mino rano)
Eto dia diso be ny fanao maro: batisa aloha vao misotro (fandraisana)-ASAKASAKAO
Porofo: nihinana ny paska ny israeliana vao niditra ny ranomasina mena!
Izany fomba izany dia mbola hita tamin'ireo Fiangonana Ctaholique Orthodoxe Voalohany, izay niavian'izao fiangonana Chrétien rehetra izao (Cat. rom, protest, Anglic, Lut,....sns taty aoriana)
HATREO IHANY FA ZAFADY INDRINDRA
7. Miharena ( 08/08/2012 11:50)
Marina ilay fanamarihan'i Moustaraf.

Fa eo ihany isika, ny mibebaka dia ny fahalalàna fa tsinontsinona ny nofo sy ny asany. Ho an'ny Malagasy dia ny fanahy no olona fa tsy ny nofo. Ny fanahy no inoana sy iombonana amin'Andriamanitra.

Ny maha-IRAY no iombonana amin'ny finoana rehetra. Ny ambiny (fomba fanao) dia tsy misy idiran'ny maha-IRAY sartria efa IRAY no nipoiran'ny rehetra ary IRAY no hiafarany na samy manana sampanana hitonrany ny fiainany aza izy. Io ilay hoe samy saratsarahan'ny fitadiavana saingy Andriamanitra an-tampon'ny loha tsy miala eo mandrakariva.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0581