Kristiana filamatra

1. FNirina ( 31/07/2012 05:07)
Ny Kristiana dia solontenan' i Kristy ety an-tany, mba ho fanasin' ny tany sy ho fahazavan' izao tontolo izao, araka ny tenin' i Kristy ao amin'ny Matio:5:13-16.
Tena ilaina tokoa izany amin' izao andro ankehitriny izao, satria dia manjaka tokoa ny fahalovana, ny fanaranam-po amin' ny ratsy, ny fihasimban' ny tontolo iainana amin' ny lafiny maro. Noho izany dia manantena mafy ny Kristiana izao tontolo izao amin' ny ankapobeny, ary i Madagasikara manokana, mba hanome fiainana sy fahavelomana.

Indray andro tamin' ny taona 1955, dia nisy mpiandry omby anankiray, tany ambanivohitra, nandre ny "hira" nentin' ny rivotra avy lavitra any. Tsy hitany akory izay olona mihira, ary toy izany koa ireo olona mihira ireo (mpanao tafika masina) dia tsy mahalala fa misy olona mihaino any ho any, ilay hira manao hoe "Vonjeo fa namanao".
Nefa dia io fandrenesany ny hira io no nahatonga an' ity mpiandry omby ity ho tonga ao am-piangonana hivavaka, ary taty aoriana izy dia lasa Pastora, ary avy eo dia lasa Mpampianatra ny Pastora, ary efa misotro ronono izy ankehitriny.
Hita amin' izany fa mahomby tokoa ilay izy, na dia tsy voatery ho hitanao maso aza ny vokatry fijoroana ho vavolombelona nataonao.

Koa dia ‘Mitsagana, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao’ ry Kristiana havana (Isa:60:1) anirahan’Andriamanitra antsika hijoro ho fahazavana. Aoka ho sahy, reseo ny tahotra sy ny henatra mbamin' ny fahalainana rehetra, fa mitady hanarona an’izao tontolo izao ny aizina .

Aza miandry ny Fiangonana vahiny toy ny LMS, NMS, ELCA ... fahiny, fa rizareo dia tratran' ny fihemorana ankehitriny, fa mihetseha isika Malagasy.
Atombohy eo amin' ny manodidina anao, ilazao ny namana rehetra dia manaova karazana fikambanana ao amin' ny Facebook, na izay mitovitovy amin' izany, dia hetseho ny Pastora mpiahy anareo mba hanara-maso izay hetsika rehetra hatao mba tsy hibirioka.

Ampamirapirato eran-tany ny voninahitr’Andriamanitra izay efa natafiny anao.
nota: Ity lahatsoratra ity dia azonao zaraina amin' ny namanao rehetra (amin' ny email na atao impression) : http://gascar.me/kristiana-filamatra

(zarao amin' ny namanao rehetra ity fanentanana ity : http://gascar.me/kristiana-filamatra )
Groupe Vavaka : http://facebook.com/groups/440889532610957/

novalian'i Miharena ny 11/08/2012 05:49
2. jojo3t ( 31/07/2012 09:19)

FNirina:

Tsara ny fikasanao ry namana, ary hita hoe miahy ny olona rehetra enao, tsy ny rehetra nefa no manana facebook, indrindra ireo any ambanivohitra, ary ny zava-dehibe dia ny hoe tsy amin'ny alalan'ny hira fotsiny no hanaovana ny fitoriana, na amin'ny alalan'ny fikambanana na andrasantsika izy hiditra hanao fianarana teolojika, satria tsy ny rehetra no afaka hanao izany, fa isika mihitsy no mandeha mitory sy mampianatra ny olona mba ahalalany sy hitandremany ny tenin'Andriamanitra ka hanosika azy hanao ny sitrapony, nanome modely ny amin'ny fitoriana i Jesosy ka tsy sarotra amintsika ny manao izany.

Misaotra anao namana.
3. rekinbelo ( 01/08/2012 08:45)
ireo manao ny ainy tsy ho zavatra ka mahafoy ny fotoana sy vola aman-karena ary mandao ny havana sy tsy manambady fa manao ny asa fitoriana any amin'ny toerana rehetra any no atao hoe kristianina.Tsy mitady tombony fa manao izany an-tsitrapo sy tsy mandray karama.
Ireny no tena atao hoe kristianina, tsy hoe tsy izy akory ny manana vady amn-janaka fa manao izay ho hafany koa izy ireny sady mamelona ny ankohonany no mitory ny filazantsara.
Izay namana fa dia mahereza avokoa ary aloha e!
4. RBNIR ( 01/08/2012 13:16)
Faly miarahaba namana,

Mat.7:21
Ireo rehetra manao ny Sitrapon'Andriamanitra ry namana,

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
5. niryna ( 06/08/2012 21:50)
Isika tsirairay mihitsy io ka,isika no jiro fanazavana ny manodidina antsika ,mitazana ny aizina ka ataovy mazava ary ny jiro mba ahafahan'ny hafa ahazo ilay jiro fahazavana.Tandremo fotisny ny mizarazara ny tsy marina ka manizingizina ny an'ny finoana nampianarina antsika fa tsy ny fizarana an'i kristy no zaraina.Misy mantsy ny fiangonana no zarainy ,izay nampianarina azy fa tsy mampahafantatra ny finoana an'i kristy
Na inona no ataontsika,na inona no hinoantsika raha tsy misy fitiavana isika dia tsy afaka hizara izany fitiavana izany. Toy izany koa ny fananana an'i kristy no ahafahantsika mizara an'i kristy ny hafa.
6. Miharena ( 08/08/2012 12:15)

Ny Kristiana dia solontenan' i Kristy ety an-tany, mba ho fanasin' ny tany sy ho fahazavan' izao tontolo izao, araka ny tenin' i Kristy ao amin'ny Matio:5:13-16.

Raha foanana ny elanelana noho ny fotoana sy ny fahalavirana dia tsy mitombina intsony ny hoe solontenan''i Krsity ny Krsitianina.

Ny Kristianina dia tenan'i Kristy no mahalaza kokoa my momba ny fanasina. tsy misy elanelany, tsy misy fotoana, tsy misy fahalaviraNY amin'ny tena sy n ymanodidina ny tena. Jiro MAZAVA toa AZY ny tena. Ny sisa dia tsilalaon-teny avokoa.
7. universal ( 09/08/2012 17:35)
Misy lohahevitra telo samihafa ireto izay heveriko fa mitovitovy ihany ny zavatra tiana hambara : « Kristiana filamatra », « Iza no tena mpanaradia an'i Kristy », «Inona no tena hamantarana fa tena Kristianina marina ny olona na fiangonana iray? »
Betsaka ny fanehoan-kevitra nifanakalozana teto, fa ny hevitro no mba entiko. Ny tena kristianina mba ho tanisaiko dia:

- i Rasalama martiora sy ireo namany satria na dia fantatr’izy ireo aza fa hovonoin’ny mpanjaka Ranavalona I aza izy ireo dia nifikitra sy nijoro tamin’ny finoany ry zareo ary niafara tany amin’ny famonoana azy- ireo.

- i Père Pedro izay tena niasa nanala Malagasy maro tao anatin’ny fahantrana lalina dia lalina ary nanondrotra ireo olona ireo amin’ny mahaolona eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy ary ara-pihariana. Mba ataovy kely anie ny projection: raha ny fiangonana sy ny mpitarika azy any amin’ny faritra samihafa eto Madagascar no nanao ny nataon’i père Pedro, angamba efa voailika hatry ny ela ny fahantrana ary lasa paradisa kely i Madagascar.

Miala tsiny mialoha raha HS ny voalazako.
8. Miharena ( 11/08/2012 05:49)
Tena tsy HS mihitsy fa marina dia marina. Ny mampiahtra ny manamazava azy ary mizara mapahazava ny hafa no fototra maha-kritsianina. Fa tsy ny mitarika olona hanompo ny hafa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.081