Ary raha miditra département français moa isika?

1. gasyjean ( 24/07/2012 16:35)
Manahoana daholo!!
Mba tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy ity,
Mba manao ahoana re ny mety ho fiovan'ny tantarantsika raha ohatra ka misy tolotra avy amin'ny firenena frantsay hampiditra antsika ho "département" frantsay mba hialana amin'ny ireo ady politika lava misy eto amintsika?
mety tsy ho ratsy ihany izany aaa!!.Ary firy isan-jaton'ny malagasy no mety hanaiky ary firy kosa no tsy hanaiky?
novalian'i gasyjean ny 30/09/2012 17:26
2. gasyjean ( 24/07/2012 16:46)

gasyjean:

Manahoana daholo!!
Mba tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy ity,
Mba manao ahoana re ny mety ho fiovan'ny tantarantsika raha ohatra ka misy tolotra avy amin'ny firenena frantsay hampiditra antsika ho "region" frantsay mba hialana amin'ny ireo ady politika lava misy eto amintsika?
mety tsy ho ratsy ihany izany aaa!!.Ary firy isan-jaton'ny malagasy no mety hanaiky ary firy kosa no tsy hanaiky?

3. universal ( 30/07/2012 19:47)
tena hevitra tsara mihitsy, izany anie no iainan'ny réunionais e. Ambony ny farim-piainany. Isika eto milaza ho firenena afaka nefa aiza izany?
4. ledala ( 15/08/2012 20:15)
fa mino ve ianao fa tsy efa izany isika atramin'izay? firifiry moa no tsy efa nilaza fa fahaleovan-tena sarintsariny izao?
5. olivar66 ( 26/09/2012 14:29)
Bezoro daholy e,
Zà alou de tena d'accord amin'io hoe Madagasikara hatao DOM TOM (Departement Outre mer na Territoire Outre Mer). Mino zà fa ho betsaka ny gasy mitovy hevitra amiko.
De misaotra ami'io eritreritra tsy tana ary e!

6. gasyjean ( 30/09/2012 17:26)
olivar66:Tsy misy fisaorana ee!
Eritreritra ihany iny ny ahy,nefa rehefa tena nandinika lalina aho ,dia hitako fa tsy misy vahaolana hafa ahafan'ny malagasy miala amin'ny ity fahantrana be diso tafahoatra sy gidragidram-politika lava ity.Ary tena mino sy matoky marina fa hanaiky izany ny ankamaroan'ny malagasy,Ny vahoaka malagasy dia hita avy hatrany fa manana hetaheta lalina te hitraka sy hotafarina nefa tsy tafa izany noho ireo olom-bitsy mitsetsitra hatrany ireo izay kely mba vitan'ny vahoaka malagasy.
Mbola mivoha ity dinika ity hoan'ireo izay manan eritreritra hafa ,ary mihevitra fa izay koa mety ho vahaolana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1201