Fakafakao dia hazavao ny hevitrao

1. moustaraf ( 22/07/2012 16:01)
1-Efa niteraka i Adma sy Eva talohan'i KAINA. Iza??
2-Nisy olona hafa ankoatra i Noah mianakavy tsy maty t@ safo-drano, IZA ireo??
3-Batisa= fandevenana sy fananganana! oviana no maty ilay alevina??
Ento ary ny fanazavana avy amintsika! MAZOTOA E
novalian'i Miharena ny 25/07/2012 18:24
2. hery ( 23/07/2012 06:44)

1-Efa niteraka i Adma sy Eva talohan'i KAINA. Iza??

Iza no niteny an'io hoe efa niteraka io? :-)

2-Nisy olona hafa ankoatra i Noah mianakavy tsy maty t@ safo-drano, IZA ireo??

Iza no niteny an'io hoe nisy oul hafa io?

3-Batisa= fandevenana sy fananganana! oviana no maty ilay alevina??

Iza koa no niteny an'zany hoe izany no dikan'ny batisa?
3. didi10 ( 23/07/2012 08:36)

moustaraf:

1-Efa niteraka i Adma sy Eva talohan'i KAINA. Iza??

Ny Musulman mino fa nanana kambana vavy taminy tsirairay avy hono i Kaina sy Abela, misy fampianarana hafa koa milaza fa misy zanany talohan'i Kaina.
Tsy hoe raha tsy misy soratra "dinausore" akory ao anaty baiboly dia midika izany fa nahary ny "dinausore" Andriamanitra, raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra (Jaona 21,25b), fa isika tsy afaka hihoatra noho ny voasoratra. (Kor I 4,6).

moustaraf:

2-Nisy olona hafa ankoatra i Noah mianakavy tsy maty t@ safo-drano, IZA ireo??

Gen 7,23
23 Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.

No comment

moustaraf:

3-Batisa= fandevenana sy fananganana! oviana no maty ilay alevina??

Ianao moa nilaza fa tsy tokony hanaovana fitoriana eto fa forum fifanakalozan-kevitra, tsy mitovy hevitra aminao aho satria tsy hevitr'olombelona no entina fa ny Tenin'Andriamanitra.

Jak 1,15
15 Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka dia miteraka fahafatesana.

Mbola manamafy io voasoratra io ny teny hoe "ny fahafatesana ny tambin'ny ota" (Rom 6;23), raha valiana ilay fanontaniana hoe Oviana?

Romana 5,12
12 Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; 13 fa hatrany alohan'ny lalàna aza dia nisy ota tamin'izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;

Manomboka eo amin'ny fahafantaran'ny olona irany ny lalàna ka handikany izany no hanisana ny ota izany hoe ahatongavan'ny fahafatesan'ny fanahy.

4. moustaraf ( 23/07/2012 16:17)
Eny ary e! ary aiza daholo ny mpiara-miady hevitra no toa tsy misy mamaly (??) hevitra iray izay nentin'i didi10 izay ka mba ento indray ny an'ny hafa mba hiarahana mamaky e! Ny mpamaky baiboly no iresahana eto fa tsy ny Silamo na ny hafa akory an! mba hampitombina tsara ny fifanakalozana
5. Maranatha ( 24/07/2012 06:03)

moustaraf:

1-Efa niteraka i Adma sy Eva talohan'i KAINA. Iza??
2-Nisy olona hafa ankoatra i Noah mianakavy tsy maty t@ safo-drano, IZA ireo??
3-Batisa= fandevenana sy fananganana! oviana no maty ilay alevina??
Ento ary ny fanazavana avy amintsika! MAZOTOA E

1- Tsy voasoratra fa marina izany, ilay lasa vadin'i kaina. Sy lasa vadin'i Seta.
2- Ireo tsy maty taorian'ny safodrano ankoatran'i Noah mianakavy Tsy olona fa fanahy ratsy ry Losifera sy ny anjeliny.
3-Mandritra ny fandevenana azy ao anaty rano no maty ilay olona. asosoka ao anaty rano= miara-maty amin'i Mesia. mitsangana avy ao miara-mitsangana amin'i Mesia amin'ny maty.

6. universal ( 24/07/2012 10:17)

moustaraf - 22/07/2012 18:01
1-Efa niteraka i Adma sy Eva talohan'i KAINA. Iza??
2-Nisy olona hafa ankoatra i Noah mianakavy tsy maty t@ safo-drano, IZA ireo??
3-Batisa= fandevenana sy fananganana! oviana no maty ilay alevina??
Ento ary ny fanazavana avy amintsika! MAZOTOA E

Miala tsiny raha mba hametraka fanontaniana fa sanatria akory tsy manao tsinotsinona anareo. Hitondra inona amin'ny fiainana ara-panahy moa tompoko ny famaliana ireo resaka voalaza etsy ambony ireo?
7. niryna ( 24/07/2012 16:00)

universal:

itako,gaga mihitsy aho eto hi,hi
8. moustaraf ( 24/07/2012 16:10)
Tena zava-dehibe tokoa ny famaliana ireo fanontaniana telo ireo satria ireo no isan'ny fanalahidin'ny mysterin'ny fiainana;
Raha namorona ny olom-belona ny Nahary dia " noforoniny tahaka ny Endriny isika" ;(Ny baiboly fototra dia tsy misy ilay teny hoe Tarehy). Io endrika io raha raisina @ dikan-teny fototra Hebreo dia "betsalmeno" izany hoe tsy izao endrika (misy maso 2, orona, vava,....) akory fa nasiany singa avy aminy dia ny Immortalié Ny fiainana tsy manam-petra! izany hoe: tsy programan' i Nahary izao isika mety maty izao. ka izany no nahatonga ny fampitandremana hoe "Ho faty tokoa ianareo" raha...
1- vokatr'ilay fihinanana voakazo voarara dia afaka ilay caractère d'origine Immortel t@ olombelona (fantatsika rehetra io), fa kosa talohan'ilay fahotana dia efa nisy Taranaka nandova ilay caractère Immortel....
GEN 3:16 "hahabe dia hahabe ny fahorianao aho.."; Nify fiterahana tsy nisy fahoriana talohan'ny nihinanana ny voankazo voarara = olona tsy mety maty*= zanak' i El (Atra)
GEN 4:14 KAINA :"...koa naiza na iza hahita ahy dia hamono ahy"

*2-Olona tsy mety maty :GEN 6: 4 Nefilim : "nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany sy taorian'izany (Safo-drano)- NOMERY 13:33 (Nefilim)
Fanamarihana: Ny nefilim dia nofo sy rà fa tsy Anjely na fanahy satria ny fanahy tsy manambady ary tsy manana desir sexuel MAT 22: 23-30

Important izany rehetra izany satria mifandray @ nanirahany ny zanany ( zanak'Atra= Tsy misy ota= nateraky ny fanahy= manana ny fiainana mandrakizay= nefilim)
-Tsy maintsy novonoina ny Nefilim vao azo ny tany Kanana / Tsy maintsy maty Ny Zanany vao azo ny famonjena / ary tsy maintsy ny Jiosy (Israely) no namono ny nefilim...
hitohy....
9. didi10 ( 25/07/2012 05:51)
Tsara ny Tompo

Tonga dia ento namana ny tianao hahatongavana fa hatreto aloha dia mbola mampitandrina ahy ity teny ity
Tim I 3-4
3 ...mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa, 4 na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, ...
10. universal ( 25/07/2012 07:07)

moustaraf - 24/07/2012 18:10
Tena zava-dehibe tokoa ny famaliana ireo fanontaniana telo ireo satria ireo no isan'ny fanalahidin'ny mysterin'ny fiainana;
................
................
Important izany rehetra izany satria mifandray @ nanirahany ny zanany ( zanak'Atra= Tsy misy ota= nateraky ny fanahy= manana ny fiainana mandrakizay= nefilim)
-Tsy maintsy novonoina ny Nefilim vao azo ny tany Kanana / Tsy maintsy maty Ny Zanany vao azo ny famonjena / ary tsy maintsy ny Jiosy (Israely) no namono ny nefilim...
hitohy....

Mbola fanamarihana roa mety adaladala ihany no hapetrako aminao:

1/ZAVATRA EFA LASA NO TIANAO HO FAKAFAKAINA. KA NA HO FANTATRA AZA NY MYSTERIN'NY FIAINANA TAMIN'IZANY, HANOVA INONA AMIN'NY FIAINANTSIKA AMIN'IZAO FOTOANA IZAO?

2/ Rehefa mifoha maraina isika, ka mahatsiaro fa miaina, heveriko fa fahasoavana avy amin'Andriamanitra izany ary NY IMPORTANT raha ny fijeriko azy DIA NY MIERITRERITRA HOE: INONA NY ZAVATRA TOKONY HATAOKO MBA HANKASITRAHAKO AN'ANDRIAMANITRA ANDROANY? AMIN'NY HO AVY? FA TSY HO VARIANA AMIN'NY ZAVATRA EFA LASA.

IALANA TSINY FA ERITRERITRA IHANY NY AHY, TSY VOATERY HO MARINA.
11. Miharena ( 25/07/2012 17:48)
Izay mihodinkodina ao an-tsaina entintsika miaina dia endrika iray izay hita fa tsy mifanandrify amin'ny ankehitrinintsika tokoa matetika ka tsy ahafahana manana ny erijika rehetra hampipoitra tsara ny fiainana mandrakizay ao anatintsika, sy lovantsika araka ny maha-endrika Andriamanitra antsika nampahafantarina efa ela izay.

Fanontaniana mampieritreritra tokoa ny nataon'ny namana nanokatra ny lohahevitra fa hay tsara tokoa ve ny maka lesona amin'ny fiainana ny Fototra izay maharitra ao amintsika amin'ny alalan'ny fahafantarana ?

Ny fanontaniana mipoitra izao dia hoe : zanaka Nefilima ve izany Moustaraf sa ahoana? dia iza koa no zanaka Nefilima eto ambonin'ny tany? Tokony hiavaka ve ny zanaka Nefilima sy ny zanak'olombelona izay nataoNY toy ny endriny?
12. moustaraf ( 25/07/2012 17:51)
TOHINY
Marina tokoa ny voalazanao ri Didi10,nefa hoy ilay soratra hoe "Iza no nino ny teny izay nampitondraina anay?..." , "Iza no mahaino izany teny izany?", fa "ny EFA LASA dia tandindon'izay ho avy sy mbola holazaina", koa mamporisika antsika rehetra aho handalina tsara izay rehetra voasoratra "indrindra fa ny taloha " fa ao no anambarana ny programan'ny famonjena izay notanterahin'ilay mpamonjy; raha tsy mazava amintsika ireo bokin'ny faminaniana sy tantara ireo dia ho resa be fotsiny sy famerenan-desona fotsiny ny famakiana ny Testamenta vaovao sy ny Epistily ary ny Apokalispy.

Vakio tsara ny ISA 11: 16 LALANA TOY NY MIVOAKA AVY TAO EGYPT HO AN’IREO SISA MIVERINA AVY ANY ASYRIA, io lalana io dia efa voasoritra dieny mialoha (fa tsy mandeha ho azy)- ary voaporofo fa ilay mpamonjy no efa tao namoaka ny zanak'Israely, izy no ILAY SANDRY NAHINJITRA (ISA 53: 1 -6: ilay sandry ahinjitra= lehilahy ory= JK),

betsaka ny mampifamadika io làlana nivoaka avy tao Egypta io:
Ranomasina mena (batisa) mandeha alohan'ny Paska (fihinanana=fandraisana), na Fandevenana alohan'ny fahafatesana, ...(???)

Araho fa mifandray tsara ireo fanontaniana 3 napetrako etsy ambony ireo:
Ny nofo tsy maintsy maty,satria Nofo= vadin'ny ota , Tsy azo avotana intsony
fa ny fanahy kosa mbola azo avotana, mba tsy ho faty fa hananana fiainana mandrakizay, "ho tahaka ny endriny indray"(betsalmeno) noho ny amin'ny zanany
13. Miharena ( 25/07/2012 18:24)

Ny nofo tsy maintsy maty,satria Nofo= vadin'ny ota , Tsy azo avotana intsony
fa ny fanahy kosa mbola azo avotana, mba tsy ho faty fa hananana fiainana mandrakizay, "ho tahaka ny endriny indray"(betsalmeno) noho ny amin'ny zanany

Miombon-kevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4329