Hevitra sy fahamarinana_Hay ve ny manavaka azy?

1. Miharena ( 21/07/2012 08:04)
Anisan'ny mampisavorovoro ny fandaharan-teny eto ny tsy fahaizana manavaka hoe izao no zava-misy sy ny hoe izao no tantara, ary koa ny hoe izao no zava-misy mifandraika amin'ilay tantara rehefa manao fanadihadiana momba ny fivavahana sy ny finoana.


Ka izay no nanokafana kely ity lohahevitra ity ka mampiteraka ilay fanontaniana hoe:

- Ny tantara iray ao anaty Baiboly ve fahamarinana iainana ankehitriny sa heverina haverina hiainana ?

Raha ny fahitana ny fitoriana maro isan-karazany manko dia mifototra amin'io fanontaniana io avokoa ny ankamaroany.

Ny hany mba tsapa rehefa tonga amin'io sehatra io dia mahay manao pli-vava mihitsy ny Kristianina ary matetika dia tsy voarain'ny tsy Kristianina fa mpiaina ny ankehitrininy ny resaka atao.

Izay aloha no fahatsapako fa asa hoe ahoana ny anareo?
novalian'i Miharena ny 25/07/2012 17:34
2. universal ( 21/07/2012 19:35)

Ka izay no nanokafana kely ity lohahevitra ity ka mampiteraka ilay fanontaniana hoe:

- Ny tantara iray ao anaty Baiboly ve fahamarinana iainana ankehitriny sa heverina haverina hiainana ?


Ry namana Miharema

Raha ny fijeriko azy aloha dia mbola sarotra amin'ny olombelona mihitsy ny manavaka ny hevitra sy ny fahamarinana, satria izay rehetra manana hevitra dia mitopo teny fatratra fa azy irery ihany ny fahamarinana. Raha maka hevitra iray ohatra isika dia maro ny "interpretation" handraisan'ny olona izany ary avy eo dia samy miziriziry ho tompon'ny fahamarinana avy. Izany no maha-betsaka ny antoko-pinoana amin'izao fotoana izao, Baiboly iray ihany no vakiana fa samy manana ny fandraisany azy avy ary samy mitsitokotoko ary ny loza dia mifanaratsy sy mifanenjika mihitsy aza.

Raha mametraka fanontaniana ianao:"....Ny tantara iray ao anaty Baiboly ve fahamarinana iainana ankehitriny sa heverina haverina hiainana ?"

Valiny omeko anao:
- 200 taona eo ho eo ny nahatongavan'ny baiboly teto Madagasikara.
- 200 taona nitoriana ny vaovao mahafaly sy ny tenin'Andriamanitra ary ny fahamarinany, raha ny lojika dia efa tokony ho firenena efa lasa lavitra isika eo amin'ny lafiny ara-panahy saingy indrisy lasa tanin'ny helo madagasikara, mifanenjika ny samy kristianina ary mihamaro ny antoko-pinoana, ifandroritana Jesoa Kristy (aty amin'ny fiangonanay kristy fa tsy any aminareo, sns...).
- 200 taona lasa izay, tantara firy tao anaty baiboly izay heverina fa tenin'Andiamanitra no notoriana teto madagasikara, izay noheverina fa hitondra fiainam-baovao sy fifankatiavana ho an-dramalagasy,fa dia tena tafapaka tao am-pontsika tokoa ve izany?

Raha namoaka didy vaovao i kristy hoe mifantiava ianareo, hatraiza ny fanarahantsika izany? Na samy kristianina aza mifanipaka ara-fotokevitra. Mba jereo anefa ireo ntaolo tsy kristianina, tsy nisy nanome didy toy izany nefa nandala ny FIHAVANANA ary na dia tain'omby mivadika aza tsy misy maka.

Izany no zava misy araky ny fomba fijeriko azy, IALAKO TSINY RAHA TOA KA MANAFITOHINA, ALEO HIVERINA AMIKO NY TENIKO RAHA TSY METY.
3. Miharena ( 22/07/2012 07:11)
Misaotra ny namana Universal fa marina ny zava-misy mitranga ka tsy azo atao hoe manafintohina velively.

Raha fintinina io resaka ataonao io dia tsy ao anaty heitra mihitsy ny fahamarinana satria ny hevitra dia marolafy ka arakaraka ny fahalalàna izay voafetra ananan'ny tsirairay no amoahany hevitra momba ny toe-javatra iray ary izay no tanany ho fahamarinana. Maro be ny fahamarinana arakaraka ny olona eto. Na isika mpiara-mivavaka aza dia samy manana ny fandraisany ny fahamarinana. Ny marina amin'ny iray tsy mety amin'ny iray hafa, na koa raha samy aseho mangarahara ilay fahamarinana ao amin'ny tsirairay avy dia saamy manana ny lokony avy fa tsy mitovy. Izay no fahamarinana mivoaka avy amin'ny fiheverana.

Ny fahamarinana anefa dia tsy ao anaty hevitra fa efa marina hatrizay ary eo hatrany io fahamarinana io. Ny fambolen-kevitra momba azy no nahatonga azy ho tototra na koa lasa misitery mihitsy aza satria tsy hita intsony.

Mila savasavaina izany ny hevitra mba hampipoitra ny fahamarinana.

Raha miteny tantara indray aho ao anaty Baiboly izay ezahan'ny mpitory akàna lesona ami'ny fiainana andavanandro, dia tokony hosavasavaina mihitsy aloha ny vontoatiny tiana ahatongavana fa tsy misy fahombiazany ny asa atao raha tsy misy fiovana maharitra tiana hiampita amin'ny olombelona omena toro-hevitra. Misy fitaovana omena izany ary mila hay ny mampiasa ilay fitaovana. Raha lasa sampy ilay fitaovana dia tsy mitozo amin'ny fahamarinana isika. Raha Baiboly io fitaovana io ka lasa hery ivelany dia lasa sampy izay ilay izy.

Nisy mpitory Silamo izay nilaza fa ny Kristianina sy ny Jiosy dia olon'ny boky. Mety marina ve io hevitra io?
4. niryna ( 24/07/2012 16:02)

Miharena:

Anisan'ny mampisavorovoro ny fandaharan-teny eto ny tsy fahaizana manavaka hoe izao no zava-misy sy ny hoe izao no tantara, ary koa ny hoe izao no zava-misy mifandraika amin'ilay tantara rehefa manao fanadihadiana momba ny fivavahana sy ny finoana.


Ka izay no nanokafana kely ity lohahevitra ity ka mampiteraka ilay fanontaniana hoe:

- Ny tantara iray ao anaty Baiboly ve fahamarinana iainana ankehitriny sa heverina haverina hiainana ?

Raha ny fahitana ny fitoriana maro isan-karazany manko dia mifototra amin'io fanontaniana io avokoa ny ankamaroany.

Ny hany mba tsapa rehefa tonga amin'io sehatra io dia mahay manao pli-vava mihitsy ny Kristianina ary matetika dia tsy voarain'ny tsy Kristianina fa mpiaina ny ankehitrininy ny resaka atao.

Izay aloha no fahatsapako fa asa hoe ahoana ny anareo?
dia aminao ilay izy ahoana? avereno foana ny fanontaniana dia ho hitanao ny valiny
5. Miharena ( 25/07/2012 17:34)
Izay indrindra namana Niryna. Averimberina ilay fanontaniana isaky ny fotoana hisian'ny fisalasalàna dia hita ny valiny hoe izato kosa dia hevitra fotsiny fa tsy maneho fahamarinana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.107