vahaolana maharitra ho an'i Madagasikara

1. ledala ( 20/07/2012 18:54)
Efa mitady fanovana ihany ny maro, koa maninona moa raha asaina mivory, mandinika oh: ny mpampianatra hoe Fampianarana manao ahoana no eritreretiny ampiarina eto madagascar ( fandaharana, karama, fomba fandraisana mpampianatra, fifampifehezana,diplaoma, ...)? ??; oh mpiasam-panjaka: asa manao ahoana no tadiavina ho atao eto, oh dokotera sy ny mpanampy azy: fitsabona manao ahoana heveriny ho sahaza ny vahoaka malagasy...??? eo andanin 'izay ny mpanjifa( vahoka) inona no nadrasan 'izy ireo amin'ny mpitsabo, mpitsara, mpampianatra, ....? ?? Tanjona, madagasikara ohatry ny ahoana no tiantsika ho ajoro manomboka izao? ary avy eo iza ary ny olona afaka hanatanteraka izany?
novalian'i ledala ny 17/09/2012 20:48
2. dvdh ( 21/07/2012 16:08)
Tsara ny eritreritrao ry Ing Ledala fa saingy efa nisy anie ohatra ny fandinihina lalina momba ny fampianarana t@ 5 taona faha2 ny Filoha Ra8 ary voalohany t @ teti-bola-panjakana io fanovana ny teti-pampianarana io fa mbola noheverin'ireo mpankahala azy ho tsy mety ka vao tonga teo ireo tsy mety ho hafa-po mandra-pahaFAt-ny dia novainy tokoa ilay rafitra vao mba niana-nijoro teo ary ny teny frantsay indray no hitany fa tsara ho enti-mampianatra. Koa mankaiza ary ny fanovana : mandroso, mihemotra, midina, miakatra...? Raha izaho no mieritreritra izany fanovana izany dia heveriko fa rehefa tena hanangana ny Fitondram-panjakana IV (repoblika IV) dia tsy maintsy atao tafiditra ao amin'ny lalam-panorenana hisafidianan'ny vahoaka ireto rafitra ireto : Rafi-Pitondrana Tokana sa Rafi-Pitondrana Isam-Paritra. Sady ny ankabeazan'ireo nitady fanovana tsy nijanona raha tsy niala teo ny Filoha voafidy anie ka ireo nitady ny "federalisme" sy ny zanaky ny faritany 5 (tsy ao ny faritany Ant/vo) e. Koa maninona moa raha "gouverneur" fidim-bahoaka no mitantana ny faritra tsirairay dia avy eo izy ireo indray no mifandimby mitondra ny hoe"filoham-pirenena" eo imason'izao tontolo izao sy ny fiandriana-mpirenena (fiarovana, maha-tokana ny firenena sns). Ny faritra tsirairay @izay afaka mandinika sy mifidy izay rafi-pampandrosoana mety aminy ary ny vahoka malagasy tsirairay dia afaka misafidy ny toerana tiany sy hitany fa hazoany mivelatra mifanaraka @ didy aman-dalana misy @ ilay faritra nofidiany hivelomana na aiza na aiza izany eto Madagasikara. Efa fitenintsika fa izay tany havelomana no tanindrazana koa inona indray. Mila fitaizana, toro mahisy fa tsy toro mivilana, fampianarana, fampahalalana ny vahoaka anefa izany ary indrindra n'inon'inona ny hivoaka dia tokony atao fampianarana any an-tsekoly ny lalam-panorenana ka fadiana @ izay izany hoe fanonganam-panjakana izany.
3. ledala ( 23/07/2012 00:22)
tena tsara ilay hevitrao hoe zaraina ny birao sy fahefana fa tsy avangongo ao Antananarivo ao daholo, nefa ny atahorako fotsiny dia ho avy any indray ny repoblikan'i Toliara, repoblikan'i Fianaratsoa, .sns....(zany hoe lasa korea avaratra, korea atsimo; ) raikitra ny fananganana mur de berlin avy eo satria misy resaka frontière zany,hisy mpitso-ponenana rehefa raikitra indray ny fanonganana gouverneurs , sns... Ny amisavisana ny ratsy hono mba ihavian'ny soa e.
4. dvdh ( 23/07/2012 16:36)
Ka izay le mila fitaizana sy fianarana any an-tsekoly mihintsy. Sady mifandimby mitondra anie ny filoham-paritany e. Tsy hisy intsony izany fanonganana filioham-paritany izany satria voataiza @ izany hevitry ny fifidianana, fe-potoana itondrana ary ny lalam-panorenana akaikikaiky kokoa ny vahoaka ny malagasy ary na ny tandroka aron'ny vozona aza tsy hanala-baraka toy izao intsony fa tena hiaro ny lalana sy ny fanjakana ifandimbiasan'ny mpitondra isam-pari-tany. Ny teti-pandrosoana isam-paritany efa voadinika sy tenierana mianga avy any amin'ny faritra ka eken'ireo voafidy mpitondratenin'ny vahoaka, tsy lavitra ny vahoaka intsony. Dia tena ho hita eo amin'izay koa iza amintsika malagasy no vahoaka mpanongam-panjakana ary isaky ny faritany no mampiatra ny lalana .
5. ledala ( 17/09/2012 20:48)
ny anisan'ny olana ihany koa anie dia mahafantatra izany daholo , fa rehefa tonga ao anatiny ao, izay iray alehany na adino izany na mafy loatra ny tsindry avy eto an-toerana ary indrindra avy any ivelany, hany ka mivoka sempotra, ra tafavoaka ary...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1162