Olan'ny firenena iray manontolo amin'ny ankapobeny

1. 201007jacky ( 19/07/2012 09:02)
Maro ireo olana hita sy misongadina amin'ny firenena ankehitriny.
Inona moa no mety ho anton'ireo dia mba inona ny vahaolana amin'izany??????

Ny ahy antony no atao betsaka , dia ny vahaolana ao anatin'ny antony ihany dia efa mahavaha azy na tsy tenenina aza.

Voalohany indrindra dia hitantsika tsara ny lafiny ara-panabeazana izay mizotra mankany amin'ny fisavoritahana.Ny tiana hambara dia misy ireo hetsika maro ataon'ny mpampianatra , mitaky ny zony . Ny zava-misy anefa dia tsy arakaraky ny vola ananana ny entana hovidina.Ny tian-kambara amin'izany dia tsy ampy ny teti-bola , nefa ny zo (vola) takiana mihoatra io teti-bola amin'ny seha-pampianarana io.
Manoloana izany dia lasibatra hatrany ny mpianatra na ny beazina satria tsy handeha tsy voizina toa lakan-bezo ny mpianatra , fa "toy ny rano am-pasika izy ireo , ka izay amiliana azy iohany no alehany".
Ka dia vato goavana misakana tanteraka io.
Olana faharoa amin'izany ny tsy fandriam-pahalemana izay mahatonga fahadisoam-panantenana sy famoizam-po tanteraka satria ireo harena kely nisasarana , izay nohariana tao anatin'ny taona maro dia ampanjavonin'ny tsy misasatra sxegondra vitsy monja. Moa rariny ve izany? Inona ary hanao ahoana ny hoavin'ny firenena raha izao no mitohy?
Olana fahatelo ihany koa ny ts fahaizana mampiasa izay fitaovana eo am-pelantànana. Hany ka anjakan'ny vahiny fotsiny , dia avy eo gaga rehefa nahavita zavatra tsara izy ireo
Mbola eo ihany koa ny tsy firaisan-kina ,...
2. ledala ( 20/07/2012 19:23)
zany hoe tsy milamina ny sehatra maro eto Madagasikara, vahaolana: alamina tsikelikely atramin'ny fakany oh fampianarana: inona no hitan'ny mpampianatra fa azo ampiarina eto( karama, fandaharana, mpampianatra,...)? inona no takian'ny mpianatra? ary inona no takian'ny firenena sy ny zava-misy? inona no mety amin'ny fanjakana( ministera...)? atambatra izay dia alamina ny fampianarana, dia toy izay jiaby ny sehatra rehetra.
3. 201007jacky ( 25/07/2012 15:00)
Ia, marina daholo ireo zavatra noteneninao ireo , fa ny ahy ny hitako amin'ny sehatra fampianarana dia ny fanovana tsikelikely ny rafi-pampianarana satria ef somary marisarisa ihany.Eo ihany koa ny fampidirana mpampianatra nandalina tanteraka ny taranja ampianariny.Eo ihany koa ny toe-tsain'ny mpampianatra sasany tokony hovaina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.214