Ny tantaran'i Losifera

1. Maranatha ( 16/07/2012 08:24)
Ny ankamaroan'ny olona mpivavaka dia maro no tsy mahalala ny tantaran'i Losifera. fa iza marina moa izy io ary naninona no lasa hoe Devoly sy Satana.

I losifera dia isan''ireo zavaboharin'i Avoindrindra. Izy dia nanana ny toerana ambony teo amin'izany fitondram-panjakan'A/tra izany. Ny Mpahary no voalohany dia nanaraka ny Mesia dia izy no fahatelo. Isan'ireo izay nipetraka ho mpanalokaloka an'A/tra izy amin'ny maha kerobima azy[/color=blue] Ezekiela 28:14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.[/color]. Tsara toerana tokoa izy tany an-danitra. Nanana fahefana koa izy ho mpitarika ny anjely. Notsiriritina anefa ny toeran' A/tra sy ny voninahitra izay fanome Azy Isaia[/color=blue] 14:13 Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
14 Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra[/color] nanomboka teo dia notarihiny ny anjely rehetra fa tsy mety sy jadona ny fitondran'A/tra ( ny fitondran'A/tra izay mifototra amin'ny lalàny) Naharesy lahatra ny ampahatelon'ireo anjely izy, izay nahatsapa toa azy fa didy jadona ny lalàn'A/tra . Tsy voaasa ihany koa izy hanatrika ny fivoriana izay mikasika ny drafim-panavotana. Nanomboka teo no nisian'ny ady tany an-danitra. I mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona sy ny anjeliny.
Rehefa nandeha ny ady (tsy ady totohondry na sabatra fa ady teo amin'ny aran-kevitra) dia resy i satana na i losifera sy ny anjeliny dia nazera tety an-tany.[/color=blue]Ezekiela 28:17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,[/color]
Mbola nomena famindram-po tahaka antsika izao ihany koa izy sao mba miova ny heviny. Mbola afaka niakatra tany an-danitra izy hatramin'ny nilazan'i mesia teo ambony hazo fijaliana hoe VITA. hatreo dia tsy afaka niakatra tany an-danitra intsony izy tapitra ny famindram-po ho azy.

Amin'izao fotoana izao izy dia mbola mitarika ny olona indray koa hanohitra ny fitondram-panjakan'A/tra sy ny lalàna izay fampiorenana izany fitondram-panjakana izany. amin'ny maha Fitivana an'A/tra dia nomeny safidy isika olombelona na hanaraka izany lalàny izany na tsia. Fidionareo anio izay ho tompoinareo...Fa manolon-kevitra Izy mba hanarahana Azy.
Mipetraka ny fanontaniana hanaraka an'i Losifera sy ny anjeliny ve ka hanohitra ny fitondram-panjakan'A/tra sa hanaraka an'I Mesia ka hampiorina izany fitondram-panjakana izay mifototra amin'ny lalàny izany ??? Mahereza
novalian'i niryna ny 24/07/2012 16:46
2. Miharena ( 16/07/2012 09:22)
Ny lalàna araka an'Andriamanitra no mila fantarina tsara hoe ilay didy folo ve? Sa ilay mamelona ny fanahin'Andriamanitra ao anaty?

Ny fanjakazakana dia izay mifono fandringanana ny hafa sy fanandratan-tena fa ny Fitiavana dia fampiombonana sy fitoviana ao amin''ny fanetren-tena. Io no nampanaovina an'i Kristy ary hampahatsiarovan-tena antsika tsirairay avy izay azo lazaina fa taizan'i Satana ny ampaham-panahitsika ka nentintsika niaina teto ambonin'ny tany hatramin'ny taranaka faramandimby izay tokony hovaina arak'i Kristy.

Io ilay ilazana hoe fantaro ny fahavalo ao anatinao dia ho hitanao ny fomba fanafahanao ny tenanao. Io ilay resaka nolazaina momnba ny piti-kazon(ny rahalahy sy ny andry eo anoloa'n'ny masontska.
3. Maranatha ( 17/07/2012 10:02)
Niezaka i Losifera nandresy lahatra ireo anjely fa jadona ny lalàn'A/tra ka tokony hiarahan'ny rehetra ho dinihina sy hamboarina aloha mba hahafahany mametraka ireo tombotsoa izay tiany ho takiana.
Ny noforonina indray no nanohitra ny mpamorona. Azon' A/tra tonga dia nolevonina i Losifera sy ny fahotany fa raha izay no natao dia nahita porofo teo imason'ireo anjely izy fa tena jadona ny fitondran'A/tra.
Tsy tamin-kery no nentin'A/tra nanafoanana ny fikasan'i Losifera fa tam-pitiavana.
Resy ry Losifera sy ny anjely izay niombon-kevitra taminy .

Natao ny planeta tany. Tsy voahantso ho isany Mpamorona izy fa ny Mesia no tafiditra tao Gen 1:26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
Nitombo indray ny fialonana izay nisy teo aminy. Namolavola hevitra vaovao indray izy fa haka namana hiaraka hanohitra aminy ny fitondram-panjakan'A/tra dia ireo zava-boahary afaka misafidy.
Napetraka ny didy tao Edena mba hizahana toetra ireo olom-belona voalohany na hankato an'A/tra izy ireo na tsia. Indrisy resin'ny satana izy ireo. Nanomboka teo no nampiharina ny drafitry ny fanavotana mba hahafahana mamonjy ireo zanak'olom-belona izay mino sy vonona hankato ny lalàn'A/tra. Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.

Amin'izao andron-tsika izao dia mbola mitarika namana foana i satana hanohitra ny fitondram-panjakan'A/tra sy ny Mesiany (izay mifototra amin'ny lalàny).
Betsaka ny fiangonana no tsy mankasitraka io lalàn'A/tra io toa milaza sahady fa aleo miaraka amin'ny satana satria kely hery ka atao ahoana no fiady aminy? Apok 13:4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?
Amin'izao fotoana izao dia ireo atao hoe zanaka sisa ihany no mijoro mameno ny banga eo anatrehan'i Avoindrindra na dia eo aza ny fanenjehan'i dragona azy Apok 12:17 Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
Mbola misy ny fotoana ahafahana miverina mankato an'A/tra. Izay mbola famindram-po. Fa ho avy ihany koa ny fotoana izay hahatapitra io famindram-po io. Rehefa hiteny ny mesia ao amin'ny efitra masina indrindra ao amin'ny tempoly ao an-danitra hoe VITA dia tapitra ihany koa ny famindram-po ho antsika zanak'Olombelona.Apok 16:17 Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.
Mahereza ary aza mety ho isany mpanohitra ny Mpamorona. Manatona Azy dieny mbola akaiky Izy. Manohera ny devoly dia handositra anareo izy.
4. mimi12 ( 17/07/2012 12:30)
misaotra betsaka amin'ny fampahalalana feno dia feno :-)
5. Maranatha ( 18/07/2012 05:41)
Mbola mitohy....
Toy izao no fomba nandresen'i Satana lahatra ireo anjely lavo niaraka taminy.

Nasehon'i satana ary fa raha ho an'ny mponina amin'ny planeta samihafa izay noforonin'i Avoindrndra ny Didy sy ny lalàn'A/tra dia tsy tokony ho natao ho an'ny Anjely izay afaka ny hitondra-tena samirery araka ny fahendrena izay ananany. Raha ny amin-tsika anjely hoy i Losifera dia tsy misy tokony hahavoa ny hajan'A/tra satria masina avokoa ny heritserin-tsika. Toa an'A/tra izay tsy mety ho latsaka amin'ny fahadisoana.

Niasa tamin'ny fomba miafina sy mangina ary nafeniny aloha ny fikasan-dratsiny (Losifera) tamin'ny endrika ny fanajana an'A/tra ka niezaka izy hamohafoha ny tsy fahafaham-pony momba ny lalàna izay mifehy ny mponin'ny lanitra ary narosony tamin'izay ny hevitra fa mahatonga fanaovana didi-jadona ny famemperana tsy misy antony hataon'io lalàn'A/tra sy ny didiny io ho an'ireo anjely satria izy ireo dia masina. Ary dia noantitrateriny fa tokony hanaraka sy hankato ny sitram-pon'ny tenany izy ireo.

Toa tsapan'ireo anjely lavo niaraka taminy ho marina sy mahintsy ny hevitry losifera ka dia nanohana azy izy ireo.

Nitohy ny tantara ka nony vita ny planeta tany dia nandroso hevitra toa marina toy izany koa tamin'ny Adama sy Eva izy fa ho lasa TAHAKA an'A/tra izy ireo raha vao mihinana ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Resy Ra-olom-belona dia nihinana indrisy.

TAHAKAan'A/tra: io no fiavonavonana voalohany nisy teo amin'ny Losifera ho TAHAKA ny Avo indrindra io ihany koa no narosony ho fandavona antsika olom-belona izay nahalavo azy mivady ray aman-drenin-tsika soa fe teo ny Mesia hitady sy hamonjy ny very izay mazoto sy vonona hankato ny baiko, didy, lalàn'A/tra.

Ankehitriny nahita hevitra indray i Satana hanovana io Didin'A/tra io hiova araka ny sitram-pony. ny Didy faha-efatra Ny Sabata novainy ho Alahady, Ny Didy faharoa aza manao sarin-javatra voasokitra nofoanany. Original ho an'io Didy io ny Eks 20:3-17. Izay nosoratan'Avoindrindra tamin'ny ratsan-tanany .Nomena ny Israely fotsiny io tamin'izany andro izany satria izy ireo no mpivavaka tamin'A/tra sy nahazo ny teny fikasana fa ankehitriny dia ho an'ireo izay mino na iza izy na iza satria ny famonjena dia natao ho an'ny olona rehetra.

Miangavy anao aho amim-pitiavana miverena amin'A/tra ianao dieny mbola misy ny fotoana. Ekeo sy ankatoavy ireo Didiny. Mahereza.
6. Miharena ( 18/07/2012 09:01)

TAHAKAan'A/tra: io no fiavonavonana voalohany nisy teo amin'ny Losifera ho TAHAKA ny Avo indrindra io ihany koa no narosony ho fandavona antsika olom-belona izay nahalavo azy mivady ray aman-drenin-tsika soa fe teo ny Mesia hitady sy hamonjy ny very izay mazoto sy vonona hankato ny baiko, didy, lalàn'A/tra.

Marina dia marina fa ny fandraisana ny fahamarinana eto no tsy mitovy eo amin'y fanazavana io resaka io.

Mazava ny teny loharanon'ny famoronana izay nilazan'Andriamanitra hoe : Handeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika. Ilay fandavoana dia ilay niresahana fa hitovy amin'Andriamanitra raha manao izato sy izatsy. Izany hoe miresaka avy hatrany fa tsy mitovy amin'Andriamanitra ny olona raha tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy. Mihetry ny olona nanaovan'i Losifera azy. Izay no fanambonian-tena voalohany indrindra nasehony.

Ny hamadika izany resaka izany no nataon'i Krsity: Nanetri-tena IZY mba hivadika ny rasa ary io no tsy tian'i Losifera ary mahalao azy tanteraka satria ny fiavonavonana ho ambony no ahitana fa tsy misy fotony ijoroany izy f hevi-dravina fotsiny ihany na koa hoe hevitra mandalo fotsiny ihany.
7. niryna ( 22/07/2012 03:19)
Maranatha:

Mbola mitohy....
Toy izao no fomba nandresen'i Satana lahatra ireo anjely lavo niaraka taminy.

Nasehon'i satana ary fa raha ho an'ny mponina amin'ny planeta samihafa izay noforonin'i Avoindrndra ny Didy sy ny lalàn'A/tra dia tsy tokony ho natao ho an'ny Anjely izay afaka ny hitondra-tena samirery araka ny fahendrena izay ananany. Raha ny amin-tsika anjely hoy i Losifera dia tsy misy tokony hahavoa ny hajan'A/tra satria masina avokoa ny heritserin-tsika. Toa an'A/tra izay tsy mety ho latsaka amin'ny fahadisoana.

Niasa tamin'ny fomba miafina sy mangina ary nafeniny aloha ny fikasan-dratsiny (Losifera) tamin'ny endrika ny fanajana an'A/tra ka niezaka izy hamohafoha ny tsy fahafaham-pony momba ny lalàna izay mifehy ny mponin'ny lanitra ary narosony tamin'izay ny hevitra fa mahatonga fanaovana didi-jadona ny famemperana tsy misy antony hataon'io lalàn'A/tra sy ny didiny io ho an'ireo anjely satria izy ireo dia masina. Ary dia noantitrateriny fa tokony hanaraka sy hankato ny sitram-pon'ny tenany izy ireo.

Toa tsapan'ireo anjely lavo niaraka taminy ho marina sy mahintsy ny hevitry losifera ka dia nanohana azy izy ireo.

Nitohy ny tantara ka nony vita ny planeta tany dia nandroso hevitra toa marina toy izany koa tamin'ny Adama sy Eva izy fa ho lasa TAHAKA an'A/tra izy ireo raha vao mihinana ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Resy Ra-olom-belona dia nihinana indrisy.

TAHAKAan'A/tra: io no fiavonavonana voalohany nisy teo amin'ny Losifera ho TAHAKA ny Avo indrindra io ihany koa no narosony ho fandavona antsika olom-belona izay nahalavo azy mivady ray aman-drenin-tsika soa fe teo ny Mesia hitady sy hamonjy ny very izay mazoto sy vonona hankato ny baiko, didy, lalàn'A/tra.

Ankehitriny nahita hevitra indray i Satana hanovana io Didin'A/tra io hiova araka ny sitram-pony. ny Didy faha-efatra Ny Sabata novainy ho Alahady, Ny Didy faharoa aza manao sarin-javatra voasokitra nofoanany. Original ho an'io Didy io ny Eks 20:3-17. Izay nosoratan'Avoindrindra tamin'ny ratsan-tanany .Nomena ny Israely fotsiny io tamin'izany andro izany satria izy ireo no mpivavaka tamin'A/tra sy nahazo ny teny fikasana fa ankehitriny dia ho an'ireo izay mino na iza izy na iza satria ny famonjena dia natao ho an'ny olona rehetra.

Miangavy anao aho amim-pitiavana miverena amin'A/tra ianao dieny mbola misy ny fotoana. Ekeo sy ankatoavy ireo Didiny. Mahereza.
misaotra anao nizara izay tantara kely noheverinao ho tantara
Nahafinaritra ilay izy saingy rehefa tonga amin'ny tanjona tianao ho ahatongavana hianao dia nikomy kely ny fanahiko satria io indray ilay sabata dia ho avy indray aho izany hisolo ny namana e
KRISTY TOMPOKO NO SABATA
Hianareo milaza azy ho mpanaraka ny didiny io ve dia mahatanteraka ny didy folo rehetra
Dia iverina indray izany ny fanoharana nataony tamin'ny fariseo sy ny mpanoradalana an
Iza aminareo no manana ondry zato no very ny iray no tsy hizaha iny ondry iny?

Tadidio fa raha vao misy didy iray tsy vitanareo dia efa namany diso tanteraka hianareo na nahatanteraka ny didy sivy aza an
IZAY NO ANTONY NAHATONGAVAN'I KRISTY TETY AN-TANY TOMPOKO,TSY MISY MARINA NA IRAY AZA .
DIDY VAOVAO NO OMEKO ANAREO DIA NY HIFANKATIAVANAREO TOY NY NITIAVAKO ANAREO

Voavonjy ve ny olona raha tsy mandeha miangona ny sabotsy?
Eny tompoko
Voavonjy ve ny olona raha tsy mandeha miangona ny alahady ?
Eny tompoko
Ny fiangonana sabotsy irery ve no mahavonjy? tsia tompoko,ny alahady irery ve? tsia tompoko
Rehefa maninona izany ny olona no voavonjy?
REHEFA MINO AN'I KRISTY HO TOMPO SY MPAMONJY AZY,REHEFA MINO FA ANDRIAMANITRA VELONA IZY,ANDRIAMANITRA TONGA NOFO ,TONGA HAMONJY NY ONDRY VERY IZY KA IZAY REHETRA MINO AZY DIA HO TONGA ZANAK'ATRA AVOKOA REHEFA MINO AZY
Finoana Azy no resahin'ny baiboly an,
Resaka didy folo ,nomeny ny zanak'Israely io tompoko fa tsy ho an'ny kristiana
Aza tsaingotsaingoana toa io hoy aho ny baiboly fa izany no nahatonga ny fizarazarana be toa izao,zarao ny olona izay mbola tsy nandray an'i kristy ny teny mamy sy masina ao fa aza variana mitazona ny fombandrazanareo(tsy izy izay rehetra tsy miangona ny sabotsy-fantatra fa SDA indray izay-Seven days advantist) eo ka eo ka eo,very ny fanahiny ny hafa satria varia mijery daty sy andro e,mifankaiza ny mpimasy izany? tsy mandevina alarobia,zaza teraka alakaosy-ratsy vitana ,misy aza moa vonoina mihitsy ny an 'ny sasany rehefa miteraka kambana koa)mifankaiza amin'izany hianareo oooops hialako tsiny fa mandreraka be ilay izy

Ny fiangonana tsy mahavonjy,ny fandehanana miangona tsy mahavonjy,ny fivavahana ny sikotra sy ny masimasina tsy mahavonjy .

NY FANEKENA AZY HO MPAMONJY NY FANAHINTSIKA,NY FINOANA AZY FA MATY TAMIN'NY ANDRO FAHATELO IZY,TONGA HITSARA NY VELONA SY NY MATY INDRAY,MIANDRY NY FAHATONGAVANY ISIKA REHETRA ARY MIBEBAKA,MIAIKY NY FAHOTANA,MIFONA SY MANGATAKA FIFONANA AMINY ARY MAMELA NY HAFA NANAO RATSY TAMINTSIKA SY MIFONA AMINY KOA TAMIN'NY TOETRA RATSY NATAONTSIKA NA FO TSY METY MAMELA HELOKA.
Tsy afaka mamela heloka antsika ny Ray raha tsy mamela heloka ny hafa isika
Tandremo ny fombafomba ,Atra no tadiavo ary mino,mino fotsiny ihany ka ampiharo amin'ny fiainana izany finoana izany satria isika no jiro sy fanilo manazava ny dian'ny manodidiny
misaotra tompoko

8. Maranatha ( 23/07/2012 10:36)

niryna :

Misaotra an'i namana Nirina !
Marina tokoa ny voalazanao raha vao misy Didy iray tsy vita dia meloka amin'izy rehetra. Ny tsy fahafahana mitandrina izay Didy izay no porofo fa mbola tsy nandray ilay tena zanakin'i Avoindrindra ilay olona hoy mantsy Izy :izay rehetra nandray azy dia nomena hery ho tonga zanak'A/tra. Izany hoe rehefa mitambatra ny maha olom-belona sy ny maha A/tra dia afaka mitandrina io Didy io ilay olona miverina toy ny izy tsy nisy tsiny teo anatrehan'A/tra. Ary raha sanatria aza izy tafalatsaka amin'ny fahotana dia soloin'i Mpamonjy vava eo anatrehan'ny Ray. Tadidio tsara fa ny Mpamonjy tsy hisolovava ny olona izay minia manota sy tsy manao na dia dingana kely fotsiny aza ho amin'ny fitandremana ny didin'ny Rainy. Moa mpanompon'ny ota va Kristy?? sanatria izany!
niryna :

Voavonjy ve ny olona raha tsy mandeha miangona ny sabotsy?
Eny tompoko
Voavonjy ve ny olona raha tsy mandeha miangona ny alahady ?
Eny tompoko
Ny fiangonana sabotsy irery ve no mahavonjy? tsia tompoko,ny alahady irery ve? tsia tompoko
Rehefa maninona izany ny olona no voavonjy?
REHEFA MINO AN'I KRISTY HO TOMPO SY MPAMONJY AZY,REHEFA MINO FA ANDRIAMANITRA VELONA IZY,ANDRIAMANITRA TONGA NOFO ,TONGA HAMONJY NY ONDRY VERY IZY KA IZAY REHETRA MINO AZY DIA HO TONGA ZANAK'ATRA AVOKOA REHEFA MINO AZY
Finoana Azy no resahin'ny baiboly an,

Aza matahotra i Nirina fa tsy ny anaram-piangonana akory no mahavonjy ka . Io finoana izay lazain'i nirina io no atao hoe finoana maty satria na ny Devoly aza dia manaiky toa anio koa mino toa io koa izay no hitadiavan'ny Tompo ny asa mba hiavahana amin'ny devoly. raha misy mino nefa tsy haran'asa dia maty izany finoana izany.

niryna :

Resaka didy folo ,nomeny ny zanak'Israely io tompoko fa tsy ho an'ny kristiana
Aza tsaingotsaingoana toa io hoy aho ny baiboly fa izany no nahatonga ny fizarazarana be toa izao,zarao ny olona izay mbola tsy nandray an'i kristy ny teny mamy sy masina ao fa aza variana mitazona ny fombandrazanareo(tsy izy izay rehetra tsy miangona ny sabotsy-fantatra fa SDA indray izay-Seven days advantist) eo ka eo ka eo,very ny fanahiny ny hafa satria varia mijery daty sy andro e,mifankaiza ny mpimasy izany? tsy mandevina alarobia,zaza teraka alakaosy-ratsy vitana ,misy aza moa vonoina mihitsy ny an 'ny sasany rehefa miteraka kambana koa)mifankaiza amin'izany hianareo oooops hialako tsiny fa mandreraka be ilay izy

Ny fiangonana tsy mahavonjy,ny fandehanana miangona tsy mahavonjy,ny fivavahana ny sikotra sy ny masimasina tsy mahavonjy .

NY FANEKENA AZY HO MPAMONJY NY FANAHINTSIKA,NY FINOANA AZY FA MATY TAMIN'NY ANDRO FAHATELO IZY,TONGA HITSARA NY VELONA SY NY MATY INDRAY,MIANDRY NY FAHATONGAVANY ISIKA REHETRA ARY MIBEBAKA,MIAIKY NY FAHOTANA,MIFONA SY MANGATAKA FIFONANA AMINY ARY MAMELA NY HAFA NANAO RATSY TAMINTSIKA SY MIFONA AMINY KOA TAMIN'NY TOETRA RATSY NATAONTSIKA NA FO TSY METY MAMELA HELOKA.
Tsy afaka mamela heloka antsika ny Ray raha tsy mamela heloka ny hafa isika
Tandremo ny fombafomba ,Atra no tadiavo ary mino,mino fotsiny ihany ka ampiharo amin'ny fiainana izany finoana izany satria isika no jiro sy fanilo manazava ny dian'ny manodidiny
misaotra tompoko

Te hanontany anao ary aho hoe fa maninona ny zanak'israely no nomena io didy 10 io??

Ny tena faniriko dia ny mba hihaona amin'ny nirina hiaraka hitsena an'i Tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra amin'ny fiaviany. Amen. Nefa asa moa fa anjaran'ny tsirairay no manapaka ny mety ho aviny.
9. niryna ( 24/07/2012 16:46)

[quote=Maranatha]
Aza matahotra i Nirina fa tsy ny anaram-piangonana akory no mahavonjy ka . Io finoana izay lazain'i nirina io no atao hoe finoana maty satria na ny Devoly aza dia manaiky toa anio koa mino toa io koa izay no hitadiavan'ny Tompo ny asa mba hiavahana amin'ny devoly. raha misy mino nefa tsy haran'asa dia maty izany finoana izany.

[quote=niryna ] ka iizay ilay izy,io foana no dradraina lava eto,tsy miteny an'i Maranantha aho akory an
Fizarana ny tenin'Atra no tadiavina amintsika tsirairay avy,toy ny hoe tonga miangona isika,mba haka hery sy tanjaka ara-panahy ka moa ve ho antsika irery izany? dia inona no ilavana izany raha ho antsika irery? MIsy antony avokoa no nahatongavantsika tsirairay tety an-tany ary ny nahome voninahitra an'Atra indrindra amin'ny fiainantsika no anisany iray,midera Azy ary mampahafantatra ireo izay tsy mbola manana azy sa tsy izany?
Misy ny sasany ny fombafomban'ny fiangonany foana no ratoviny eto,olona tsy mbola nandray an'i Kristy izy no andray izany oooops

Resaka didy folo ,nomeny ny zanak'Israely io tompoko fa tsy ho an'ny kristiana
Aza tsaingotsaingoana toa io hoy aho ny baiboly fa izany no nahatonga ny fizarazarana be toa izao,zarao ny olona izay mbola tsy nandray an'i kristy ny teny mamy sy masina ao fa aza variana mitazona ny fombandrazanareo(tsy izy izay rehetra tsy miangona ny sabotsy-fantatra fa SDA indray izay-Seven days advantist) eo ka eo ka eo,very ny fanahiny ny hafa satria varia mijery daty sy andro e,mifankaiza ny mpimasy izany? tsy mandevina alarobia,zaza teraka alakaosy-ratsy vitana ,misy aza moa vonoina mihitsy ny an 'ny sasany rehefa miteraka kambana koa)mifankaiza amin'izany hianareo oooops hialako tsiny fa mandreraka be ilay izy

Ny fiangonana tsy mahavonjy,ny fandehanana miangona tsy mahavonjy,ny fivavahana ny sikotra sy ny masimasina tsy mahavonjy .

NY FANEKENA AZY HO MPAMONJY NY FANAHINTSIKA,NY FINOANA AZY FA MATY TAMIN'NY ANDRO FAHATELO IZY,TONGA HITSARA NY VELONA SY NY MATY INDRAY,MIANDRY NY FAHATONGAVANY ISIKA REHETRA ARY MIBEBAKA,MIAIKY NY FAHOTANA,MIFONA SY MANGATAKA FIFONANA AMINY ARY MAMELA NY HAFA NANAO RATSY TAMINTSIKA SY MIFONA AMINY KOA TAMIN'NY TOETRA RATSY NATAONTSIKA NA FO TSY METY MAMELA HELOKA.
Tsy afaka mamela heloka antsika ny Ray raha tsy mamela heloka ny hafa isika
Tandremo ny fombafomba ,Atra no tadiavo ary mino,mino fotsiny ihany ka ampiharo amin'ny fiainana izany finoana izany satria isika no jiro sy fanilo manazava ny dian'ny manodidiny
misaotra tompoko

saika nataoko ny tsy hihomehy hi,hi satria ilay hoe fa maninona dia be dia be (why,why? )
Fa maninona no nisy isika,fa maninona no tsy nanazava ny volana fa natao ny masoandro no natao nibaliaka? fa maninona no mbola betsaka ny tsy mino an'i Kristy ho Atra? sa miandry ny fahagagana ataony amin'ny fiainana vao mino Azy
Ahoana tokoa re e,toy izaho mino ny fiainako rehetra fa misy Izy,miaraka amiko isan'andro ny Fanahy Masina ary mitarika sy mitantana ny diako Atra ka afaka mizara izany fahasoavana lehibe nomeny ahy ny namana izany aho.Tsy minomino aho fa tena mino azy,tsy manao fombafomba aho satria ny fombafomba dia hoetina ilazaina ny sehatra iray misy ny fiangonana izay hiangohonana ka raha tsy manaraka izay lazain'ilay fiangonana aho dia tsy isany.Mahafantatra aho fa Atra velona Kristy,mahatsampa aho fa izay mino Azy dia ataony tonga zanak'Atra tokoa.Midika ve izany fa voatazoko avokoa ny didy folo?
tsia tompoko,miezaka aho ny ahatanteraka izany saingy tsy vitako satria mbola olombelona mifona hodtra sy ikorianan'ny ra aho.Ka izay no itadiavako Azy isan'andro ny hanampy ahy

Na mialona,mifosa,mankahala,miantsara ivelantsihy,midoroka,mimamo sns dia efa ota avokoa izany ary iza amin'ny olombelona no milaza fa tsy manana ota intsony? Mety tsy manao ireo angamba fa misy fanafitohinana tonga ho azy,tsy avy amin'ny tena ohatra fa avy amin'ny olona.Moa ve nivavaka ,nangataka famelankeloka tamiNy aho,namela ny hafa ve aho ,teo noho eo sa dia niandry..
Te hanontany anao ary aho hoe fa maninona ny zanak'israely no nomena io didy 10 io??

noho izany tsy misy mahatanteraka ny didy folo,raha misy milaza indray eo fa mahatanteraka izany ny fiangonany dia aleo ny tanany sy ny teniny no hitsarain'ny olona azy

ity izany no hamaliako ilay hoe natao ho an'Israely ny didy folo ary alohan'izany dia efa misy ankehitriny ny Jiosy ho an'i Jesosy (Jews for Jesus)Izay mizara ny tantaran'ny TT ary mampifandraika izany amin'ny Testamenta Vaovao ary manaiky sy mino an'i kristy ho Mpamonjy azy izy ireo

satria tao aminy ny niposahin'ilay Mpamonjy kanefa ny azy tsy nandray Azy.Toy ny hoe mpaminany tsy masina an-taniny.
Hatramin'izao itenenako izao aza dia mbola miziriziry amin'ny didy folo ihany ry zareo sy ny fombafomba rehetra ary misy ihany koa finoana izany milaza azy ho kristiana mbola miziriziry eo.
Santionany fotsiny ity omeko ity raha mikasika ny jiosy no resahina: tsy miaraka ny olona hafa ry zareo fa izy samy izy ihany,manavakavaka be ary tapitra miady ny foko samy hafa firenena-ny ankabeazany io mba tsy hilazako hoe izy mianakavy an.
Ny vilany dia mitokana fa tsy miaraka ny fandrahoana hena sy ny sakafo vita avy amin'ny ronono
Ny Zoma dia efa tsy manao na inona na inona intsony ary olona no hiandrasany hipika ny bokotra rehefa mandeha ascenceur na elevator
Ahoana hoy ny Tompo? tsy izay rehetra miditra ny vava no maloto (sakafo) fa izay rehetra avy ao am-po ka mivoaka ny vava(fisainana)
Io ilay fombafomba: ny tsy fanaovana izao,ny tsy fihinana izao,ny tsy fandehanana mandeha miangona amin'izao fotoana izao tsy misy mahavonjy na mahavonjy FA NY FANAOVANA NY SITRAPONY ,NY FIFANKATIAVANA TOY NY NITIAVANY ANTSIKA NO TADIAVINY ARY INDRINDRA NY FIAIKENA FA MELOKA KA MILA MIBEBAKA SY MILA MPAMONJY
[QUOTE]
Ny tena faniriko dia ny mba hihaona amin'ny nirina hiaraka hitsena an'i Tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra amin'ny fiaviany. Amen. Nefa asa moa fa anjaran'ny tsirairay no manapaka ny mety ho aviny.
Aleloia ,tsy izaho irery fa ireo izay rehetra mino Azy ho Atra ary mametraka ny fiainany ho tantaNy koa dia hifankahita any avokoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5006