Fitsaharan’Andriamanitra
1. jajajaly
(
13/07/2012 08:10)
«Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.»â€”HEB. 4:9.
Ny Genesisy toko voalohany no ahitantsika fa enina andro no nanomanan’Andriamanitra ny tany mba honenan’ny olona. Tsy andro ara-bakiteny araka ny finoan'ny sasany ireo andro ireo, fa vanim-potoana maharitra ela. Voamarikao ve fa isaky ny nifarana ny andro tsirairay tamin’ireo andro enina ireo, dia nilaza ny Baiboly hoe: «Dia nisy hariva, ary nisy maraina.» (Gen. 1:5, 8, 13, 19, 23, 31)!! Tsy ahitana an’ireo teny ireo anefa ao amin’ny Genesisy 2:1-3, izay mitantara momba ny andro fahafito. Nahoana?
Satria mbola tsy nifarana ny andro fahafito, tamin’i Mosesy nanoratra ny Genesisy, tamin’ny taona 1513 T.K. Midika izany fa mbola tsy nifarana ny «andro» fitsaharan’Andriamanitra tamin’izay. Nitsahatra tsy namorona zavatra momba ny tany izy tamin’io andro fitsaharany io, ary nanomboka nanatanteraka ny fikasany momba ny tany. Mbola mitohy hatramin’izao ve anefa ilay andro fitsaharana? Raha eny, ahoana no ahafahantsika ‘miditra amin’io fitsaharany io’? Tena zava-dehibe ny ahafantarantsika ny valin’ireo.

novalian'i rekinbelo ny 01/08/2012 08:10
2. Miharena
(
13/07/2012 13:37)
Tsy fanavesaran-tsaina fotsiny ihany ve ny fahalalàna izany kajy hevernao fa manan-danja izany Jajajaly? Ny fotoana ankehitriny ve dia tokony mbola hiverenana amin'izany fanadihadiana izany?
3. didi10
(
16/07/2012 07:34)
Miangavy anao aho hamaky tsara ity Heb 4 ity!
Heb 4
Heb 4 : 1 - 16
[-4-] Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany. 2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre. 3 Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe:
"Toy ny nianianako tamin'ny fahatezerako hoe:
Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2. 3). 5 Ary amin'izao koe:
"Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11).
6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana, 7 dia mametra andro anankiray indray Izy,na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio," araka ny voalaza teo hoe:
"Anio, raha hihaino ny feony hianareo,
Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95. 7,
8 ).8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany. 9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. 10 Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. 11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'iznay fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa
Mazava ny lazain'ny Teny fa izay miditra amin'ny Sabata fitsaharana ho an'ny oloNY no miditra amin'ny fitsaharaNY, ary izay tsy mety miditra fa manondro andro hafa (toko 6-7) dia tsy tafiditra ao amin'ny finoana. Ary izay tsy mety mino no hohelohina (Marka 16,16b).

4. Miharena
(
16/07/2012 09:08)
Mazava ny lazain'ny Teny fa izay miditra amin'ny Sabata fitsaharana ho an'ny oloNY no miditra amin'ny fitsaharaNY, ary izay tsy mety miditra fa manondro andro hafa (toko 6-7) dia tsy tafiditra ao amin'ny finoana. Ary izay tsy mety mino no hohelohina (Marka 16,16b
Ny fijeriko ireo resaka fitsahatana ireo indray dia tsy andro fa ny ankehitriny mandrakiay (Présent éternel) ao amin'Andriamanitra.
Ny fitsaharana dia rehefa tsy misy intsony ny fanontaniana momba ny voary sy ny ho aviny fa rehefa tsotra toy ny zaza izay mandray sy misaotra isanandro isanandro. Tsy miahy ny ho avy ary tsy mitodika amin'ny lasa satria efa mazava io resaka io hoe
Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa
Ny asa fitsaharana dia efa vita ahatramin'ny nanorenana izao tontolo izao fa isika no minia tsy mahita azy. Satria Tenan'Andriamanitra no azo ilazana ny fitsaharana. Tsy misy afat-sy IZY ka rehefa tsy mahatsiaro izay isika, izany hoe momba ny tenaNY toy ny nanoharana ny momba ny fiangonana sy ny voaloboka nolazain'i Krsity dia atsipy na koe hoe manala tena amin'ny fifonosana fahadisoam-piheverana. Toy ny olona ao anaty vata mazava aty isika fa tsy mahavantara izay ao ivelany rehefa mifono fahadisoam-piheverana momba an'Andriamanitra Ray ao amin'ny Voary rehetra.
Mety hilaza isika fa tsy izany no voalazan'ny Baiboly fa fisarahana, saingy ml fantarina hoe iza no mahatonga ny fisarahana, Andriamanira ve sa isika noho n ytsy fahatomobanana tazantsika iainantsika tsirairay avy? Raha dinihina manko dia Andriamanitra tsy mety hanan-kilema fa isika olombelona ihany no manan-kilema ary ny kilemantsika dia izay tsy fiheverana fa sombin'Andriamanitra izay, izay fiheverana fa tsy miray amin'ny foto-boaloboka izay.
5. jajajaly
(
16/07/2012 10:33)
Misaotra amin'ny hevitra rehetra. OK didi10.
Fa izao misy porofo roa ireto ahafahantsika milaza fa mbola nitohy ny andro fahafito tamin’ny andron’i Jesosy sy ireo Kristianina voalohany. Voalohany, diniho ny tenin’i Jesosy rehefa nisy nanakiana azy, noho izy nanasitrana tamin’ny Sabata. Hoy izy: «Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.» (Jaona 5:16, 17) Izao no tian’i Jesosy holazaina: Mitovy ny asan’izy sy ny Rainy. Tsy mitsahatra miasa ny Rainy, izay mbola ao anatin’ny Sabatany maharitra an’arivony taona. Mahazo miasa koa àry izy, na dia ao anatin’ny andro sabata aza. Hita amin’izany fa mbola niasa nanatanteraka ny fikasany momba ny tany i Jehovah, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Mbola tsy nifarana àry ny andro fahafito tamin’izay.
Ny teny nosoratan’ny apostoly Paoly no porofo faharoa. Niresaka momba ny fitsaharan’Andriamanitra resahina ao amin’ny Genesisy 2:2 izy, rehefa nilaza hoe: «Isika izay mino no tena miditra amin’ilay fitsaharana.» (Heb. 4:3, 4, 6, 9) Mbola nitohy tamin’ny andron’i Paoly àry ilay andro fitsaharan’Andriamanitra. Haharitra mandra-pahoviana anefa izy io? Tokony hotadidintsika aloha hoe inona no tian’Andriamanitra hotanterahina mandritra an’io andro fitsaharany io. Hoy ny Genesisy 2:3: «Nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ka nanamasina azy io.» «Nanamasina» an’io andro io i Jehovah, izany hoe nanokana azy io mba hanatanterahany ny fikasany. Ny fikasany dia ny hoe lehilahy sy vehivavy mankatò azy no honina eto an-tany, ary hikarakara ny tany sy ny zavaboary eo aminy. (Gen. 1:28) «Tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny» i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ilay «Tompon’ny sabata», mba hahatanterahana an’io fikasana io. (Mat. 12:8) Hitohy àry ny andro fitsaharan’Andriamanitra, mandra-pahatanterak’io fikasana io, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.
Raha jerena anefa ny tantara dia betsaka ireo olona tsy tafiditra tao anatin'io fitsaharan'Anadriamanitra io. Ary isika? Ahoana no ahafahantsika miditra ao.

6. didi10
(
16/07/2012 12:36)
Mba tena takatr'isika ve ny hoe nitsahatra tamin'ny andro fahafito Jehovah. Tena nitsahatra Izy tamin'io andro fahafito io, tsy namorona intsony, nijanona!!! tsy niasa!!!
Ka na andro iray io na vanim-potoana lavalava, nitsahatra Izy, mazava ny voasoratra.
Ankehitriny kosa miasa izy, ary tsy mitsahatra miasa hoy Jesosy, mazava fa tsy mitombina ny fampianarana fa mbola Sabatan'i Jehovah mandrak'Ankehitriny. Isika mpanompoNY no nasaiNy nanaja io Sabata andro fahafito fitsaharana io mba hanaovana fivoriana Masina ho Azy.

7. jajajaly
(
16/07/2012 13:33)
didi10
Mba tena takatr'isika ve ny hoe nitsahatra tamin'ny andro fahafito Jehovah. Tena nitsahatra Izy tamin'io andro fahafito io, tsy namorona intsony, nijanona!!! tsy niasa!!!
Ka na andro iray io na vanim-potoana lavalava, nitsahatra Izy, mazava ny voasoratra.
Hoy aho tery aloha Lol
jajajaly
Nitsahatra tsy namorona zavatra momba ny tany izy tamin’io andro fitsaharany io, ary nanomboka nanatanteraka ny fikasany momba ny tany.
Nitsahatra tsy namorona intsony izy! iarahana manaiky izany.
didi10
Ankehitriny kosa miasa izy, ary tsy mitsahatra miasa hoy Jesosy, mazava fa tsy mitombina ny fampianarana fa mbola Sabatan'i Jehovah mandrak'Ankehitriny.
Inona no tsy mampitombina azy? Ilay fiasan'Andiamanitra mandritra ny sabatany ve? farito azafady!!
Averiko aminao fotsiny ity tenin'i Jesosy ity ho saintsainina:
"5Â Sa, mbola tsy novakinareo tao amin’ny Lalàna fa miasa amin’ny andro sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly nefa tsy meloka? 6Â Lazaiko aminareo anefa fa misy lehibe noho ny tempoly eto. " Mat. 12:5, 6.
8. Miharena
(
16/07/2012 13:45)
Ny Tenan'i Krsity no lehibe noho ny Tempoly eto ary tiaNY harahan'ny mpianany izany ka nilazany mihitsy hoe:
Raha tsy mihoatra ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahendrenareo dia tsy hahita ny fanjakan'Andriamanitra ianareo sy ny teny hoe : hahavita asa lehibe noho Izaho ianareo satria Izaho hankany amin'ny Ray.
Izay ilay fahalehibeazana resahana fa tsy andro na fanompoana andro, izay fhadisoam-piheverana nampanaovina tamin'ny andron'ny mpisorona.
Ankehitriny moa ny fahazoana io dia ny filazana fa fanjakam-pisorona ny mpiara-mivavaka fa tsy eo ambany fifehezan'ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo intsony. Ary tsy eo ambany lalàna fa ambany fahasoavana.
Ny tena fitsaharana dia ny fahafenoana ary ny isa fito dia maneho izany teo amin'ny famoronana izao rehetra izao. Fa mba azo heverina ve hoe isika mihevitra fa mitsahatra andro fahafito io nahazo fahafenoana tamin'ny andro enina niasana? Ny misy aza dia mitady fianarana ny andro fahafito fa tsy mitsahatra izany akory.

9. niryna
(
22/07/2012 03:27)
didi10:tsy mitsahatra Atra satria samy maka ny toeraNy avokoa ny mpizara rehetra,samy mizara izay mahadiavolana ny fony
Mazava ny lazain'ny Teny fa izay miditra amin'ny Sabata fitsaharana ho an'ny oloNY no miditra amin'ny fitsaharaNY, ary izay tsy mety miditra fa manondro andro hafa (toko 6-7) dia tsy tafiditra ao amin'ny finoana. Ary izay tsy mety mino no hohelohina (Marka 16,16b).
eo raha vao miteny dia sabata no resahina dia eo ihany satria eo no nampianarina azy ka dia mifikitra eo ,ka eo ,ka eo hi,hi
eo ny milaza fa Kristy tsy Atra ,eo ka eo ka eo
dia very saina ireo mangetaheta ny tenin'Atra ary dia tafiditry ny satana amin'izay ny baolina satria ampilalaovany ny jeux de mots ny mpilaza azy ho mpino rehetra
tsy tonga ny hafatra,very ilay teny kely asaina ho zaraina
ny mpino misavorivory ny sainy fa toa heveriny ho marina izay vakiany
ny tsy mpino moa dia vao maika very amin'ny katesizy fa zarain'ny mpilaza azy ho mpino antsanga tsy aman'orana
tadidio fa satana koa anie ka mahay tenin'Atra e
AZA AVELA HISY HAKA NY SATROBONINAHITRAO,TANO NY FINOANAO KA MIVAVAHA MBA TSY HO VOAREBIREBIN'NY HAFA AMIN'NY FINOANY
10. Miharena
(
22/07/2012 07:34)
Miarahaba ny namana Niryna indray fa efa ela ihany izay.
Raha ny fandraisana ny hevitr'i Niryna dia misy manipy hoditr'akondro ny mpaneho hevitra eto. Tokony hofantarina ilay hoditr'akondro dia tadiavina ilay akondro tokony hamahanana ny olona fa raha tsy izany dia very amin'ny katesizy tokoa ny tsirairay.
Mila mahay manana fahaiza-manavaka lehibe mihitsy isika hampivoitra izay tena tiana ahatongavana amin'ny atao hoe fitsaharana.
Mila valiana ny fanontaniana hoe : fombafomba ve noaahatongana aminy sa fivoarana na fiovana?

11. rekinbelo
(
01/08/2012 08:10)
salama namana isany!
ilay Fitsaharana mihitsy anie no tsy fantrareo mazava tsara eto dia lasa mikorontana le hevitra e!
Mila fantarintsika aloha fa ny andro fahafito anie ka mbl tsy vita e.ary tsy vita mihitsy izy io raha tsy tapitra ny arivo taona anjakan'i Kristy tsy vita io andro fahafito io, ary io andro fahafito io no atao hoe Fitsaharana, izany hoe ilay fotoana ahatanterahan'i Sitrapon'Andriamanitra mahkasika ny tany izay lasa paradisa araka ny naniriany azy tamin'ny voalohany izany.
Ilay hoe tsy tafiditra ao dia ireo tsy manana finoana na nanao ireo fomba nataon'ny Jiosy taloha tsy nanaja an'Andriamanitra.
Somary maika kely androany fa ampiantsika io amin'ny manaraka dia mazotoa namana isany a