Ireo fahavalo 3 tsy maintsy resena!

1. didi10 ( 12/07/2012 09:56)
Apok 3,21
21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany

Inona ary ilay tokony horesena?

1/ Ny nofo sy ny filan'ny nofo (Rom 8)
- Ny nofo aman-dra tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra (Kor I 15,50)
- Fadio ny filan'ny nofo fa miady amin'ny fanahy ireny (Pet I 2,11)

2/ Izao tontolo izao (I Jao 5;4)
"Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao."

- Ny fanahin'izao tontolo izao: (I Kor 2,12)
- Ny fahendren'izao tontolo izao ; (I Kor 3,19)
- ny abidiam-pampianarany (Kol 2,8)
- ny fisakaizana aminy sy ny fitiavana azy (Jak 4,4) (Jao I 2,15)
- Sy izay zavatra rehetra eo aminy (I Jao 2,16)

3/ Ny devoly (Pet I 5,8)
- Ilay manana ny herin'ny fahafatesana (Heb 2,14)
- Fahavalon'ny fahamarinana (Asa 13,10)
- Ilay mpiapanga (Apo 12,10)

Inona amin'ireo no efa resinao?
Ny nofo izay heverinao fa tenanao sa izao tontolo izao eritreretinao holovana sa Satana mampisy vy mahamay ny lohanao ka tsy hanekenao ny Teny tsy misy kilema?

novalian'i bor2lais ny 17/07/2012 12:32
2. bor2lais ( 12/07/2012 13:07)
Tsy tokana ihany ve Radidi ny fahavalo ? ;-)

Ilay mierona tahaka ny liona mitady izay ho arapany, tsy nofo aman-drà fa fanahy ratsy eny amin'ny rivotra !

Misy heviny maro koa ilay "izao tontolo izao" : nivavaka tamin'ny Rainy ho antsika Izy tsy hanala antsika amin'izao tontolo izao fa ny mba hiaro antsika amin'ilay ratsy !

Izay midika amiko fa tsy aharesy ilay ratsy amin'ny fahaizantsika na ny herintsika samy irery akory isika fa mila Azy ! ;-)

Noho izany, ny fiarovana tsara indrindra amiko dia ny fihavanana tsara amin'Andriamanitra, izany hoe ny fandehanana araka ny Fanahy (izay iaraha-mahalala fa manome vokatra tsara tokoa ho antsika) ! ;-)

Fomba fijeriko ihany anefa io ka tsy fantatro raha mifanaraka amin'ny lohateny na HS tanteraka ! :-)
3. leva2 ( 12/07/2012 21:46)
Velona Jesosy!

Tena marina tsy misy anampiana sy analana reo voalazan'i didi10 reo ra-bor2lais.
Ny fomba ahitanao azy dia diniho fotsiny ny fiainatsika olombelona andavanandro :
- Ny fitadiavana izay hahametimety ny fiainana ara-nofo no mahazo vahana fa tsy ny ara-panahy no atao vaindoan-draharaha. Nefa hoy ny Tompo hoe "Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anao ireo rehetra ireo" Mat 06/33.
- Ny devoly raha ny marina dia fahavalo efa resy, saingy tsy resin'ny olombelona fa resin'i Jesosy Kristy ka izay mitafy sy velona ao amin'i Kristy dia afaka miady sy maharesy azy tsara.
4. bor2lais ( 13/07/2012 08:22)
Rehefa avy namaky ny voalaza aho dia tsy azoko ilay hoe :
leva2:

Tena marina tsy misy anampiana sy analana reo voalazan'i didi10 reo ra-bor2lais.

;-)
5. Miharena ( 13/07/2012 13:32)
Rehefa tena mandinika aho izay tsy mino ny fahavalo hoe eny ivelany dia ny ao anaty no fahavalo voalohany indrindra satria ao ihany no ipoiran'ny sain-dratsy sy ny tsy fahombiazana rehetra mahasolafaka ny tena. Mila diovina izany ny ao anaty mba hiseho ny tena maha-izy ny tena.

Ny faharatsiana rehetra miseho dia noho ny tsy fahatomombanana ao anaty sy izay toetra rehetra mahatonga izany. Ka raha atao hoe fahavalo izy io dia izay no fahavalo voalohany indrindra fa tsy misy hafa.
6. bor2lais ( 13/07/2012 14:30)
Miharena:

Ilay ratsy lazaiko dia mety mbola eny ivelany mitady hiditra ary ny lazainao kosa amiko dia efa tafiditra ! ;-)
Rehefa tafiditra ao anaty izy io dia toa tsy afaky ny rano sy savony raha tsy diso aho e ! ;-)
7. Miharena ( 13/07/2012 16:57)
Ny fahatsiarovan-tena irery ihany no mahafaka azy rehefa avy nekena ny heriny.

Ny olana ho an'izay mihevitra fa ivelany ny faharatsiana dia dia manamarin-tena ka izay no mahatonga tsy fahatsiarovan-tena.Ary ts afaka mihitsy izy satria isaky ny misy ratsy mahazo azy dia ivelany izany hoy izy no tafiditra tato anatiko tato fa tsy izaho mihitsy no rangory fototry ny afo.

Raharaha ihany izy amin'izay an! satria dia mahatonga korontana iainantsika isanandro vaky izao ilazana hatrany fa ny hafa no tsy mampandroso antsika.
8. bor2lais ( 13/07/2012 17:08)
Ilay fahatsiarovan-tena amiko dia milaza fa efa tsy lavitra ny fandehanana araka ny Fanahy ! ;-)
9. Miharena ( 13/07/2012 18:04)
Izay indrindra ilay izy. Ny fanahy no manaiky fa FANAHY iray amin'ny Ray, izany hoe sombin"Andriamanitra Mpahary satria nohariaNY tahaka ny endriNY.

Izay no mahatsiaro tena, izay mahatsapa fa zanak'Andriamanitra tsy misy fepetra fa ny hafa ankoatr"izay dia tantara fotsiny ihany.
10. bor2lais ( 14/07/2012 09:33)
Miharena:

Izay indrindra ilay izy. Ny fanahy no manaiky fa FANAHY iray amin'ny Ray, izany hoe sombin"Andriamanitra Mpahary satria nohariaNY tahaka ny endriNY.

Izay no mahatsiaro tena, izay mahatsapa fa zanak'Andriamanitra tsy misy fepetra fa ny hafa ankoatr"izay dia tantara fotsiny ihany.

"Et ça rebelote !" hoy ny fitenenana ! :-)

Efa be angamba (3 taona izay) ny fifampizarana nataontsika teto mikasika ireo firehan-kevitrao ireo fa ndao hajanona hatreo raha sitrakao sao dia mihitatra be loatra any amin'ny tsy izy ity lohahevitra naroson'i Radidi ity ! ;-)

H.S
Raha tsy tadidinao dia ireto ny sombitsombiny :
- Miharena : "fofon'aina=Fanahy Masina" => "héréditaire ny Fanahy Masina" => "(zanak') Andriamanitra daholo ny olon-drehetra" => "Nous irons tous au paradis" => "tsy misy ny helo, satana, sns"
- Bor2lais : afangaronao ny "souffle de vie" (Genesisy) sy ny "souffle d'Esprit" (testamenta vaovao) , raha tsy izany dia azo lazaina fa mizara Fanahy Masina ny mpanao "bouche à bouche" rahefa mamonjy olona => ny Genesisy (toko vitsivitsy) ihany angamba no mety itovian'ny Baibolintsika !
H.S tapitra
11. Miharena ( 14/07/2012 11:56)
Tsy HS loatra angamba no ilazako io hevitra io Bor2lais fa resaka fifohazana no tsy hananam-pahavalo intsony.

Matoa i Krsity nilaza hoe tiava ny fahavalonareo dia mazava fa iray aina ny olombelona rehetra fa tsy misy tokony hifampifahavalo.

Ka asa hoe tsy amin'ny fahalalana fa fototra iray no nipoirana ve no antony nanaovana io teny io ary tokony ho fantatry ny olon-drehetra izany?

Izay ilay hoe tantara avokoa ny manasaraka ny olombelona samy olombelona ary Andriamanitra sy ny olombelona. Ny iray moa dia fiheverana fa nipoitra avy amin'ny ratsy ny ratsy fanahy ary nipoitra avy amin'ny tsara ny tsara fanahy. Ny faharoa kosa dia hoe adino ny maha-zanak'Andriamanitra, loharano nipoiran'izao rehetra izao

Fampahatsiahivana no mahatonga ny Baiboly hilaza momba ny Mpahary ho an'izay manadino na hitantaran'ny olona angano fa hoe lavitra be izany Mpamorona izany fa tsy afaka ny handray anjara amin'ny fianan'ny olombelona nohariaNY sy hiasa ao anatiny avy tsy misy fepetra.

Ilay FITIAVANA no mahatonga ny teny hoe tsy misy fepetra satria tsy natao ho an'ny lazaina fa tsara fanahy fotsiny akory ny masoandro ohatra fa ho an'ny rehetra.
12. universal ( 16/07/2012 12:38)
Raha ny fahitako an'azy aloha dia tokana ihany ny fahavalo tokony ho resena dia ny tenantsika ihany. satria amin'ny zava-boahary noharin'Andriamanitra dia miavaka ny olombelona amin'ny fandravana sy ny fanimban'javatra
13. RBNIR ( 16/07/2012 12:58)
Faly miarahaba namana,
bor2lais:

Tsy tokana ihany ve Radidi ny fahavalo ? ;-)
Ilay mierona tahaka ny liona mitady izay ho arapany, tsy nofo aman-drà fa fanahy ratsy eny amin'ny rivotra !

Marina io valiteny io,
bor2lais:

Izay midika amiko fa tsy aharesy ilay ratsy amin'ny fahaizantsika na ny herintsika samy irery akory isika fa mila Azy ! ;-)
Noho izany, ny fiarovana tsara indrindra amiko dia ny fihavanana tsara amin'Andriamanitra, izany hoe ny fandehanana araka ny Fanahy (izay iaraha-mahalala fa manome vokatra tsara tokoa ho antsika) ! ;-)
Fomba fijeriko ihany anefa io ka tsy fantatro raha mifanaraka amin'ny lohateny na HS tanteraka ! :-)

Marina,
Saingy alohan'ny ilay fihavanana dia misy ny làlana tsy maintsy nizorana, tena fantantsika marina v ary koa tena efa nandehanan-tsika marina tokoa v?
Tandremo ny mamitatena (misy ny mihafantatra saingy tsy nandroso ary mihevitra fa tena efa ao, nefa tsy nanantanteraka fa mahafantatra fotsiny ihany)
Tsy aiko izay momba anao fa dia anao sy Andriamanitra izany,
Tsy ny mihezaka ny hahay no tanjona fa ny hanantanteraka (ilay fanjakana mila tanteraka ao am-po).

Aza lazaina hoe "fihevitro" fa rehefa tena resy lahatra ianao dia lazao hoe araka ny fampianaran'i kristy. Satria isika tsy mizara izay avy amin-tsika fa mizara izay nomena an-tsika. Andriamanitra no omeo voninahitra.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
14. bor2lais ( 16/07/2012 15:22)
RBNIR:

Saingy alohan'ny ilay fihavanana dia misy ny làlana tsy maintsy nizorana, tena fantantsika marina v ary koa tena efa nandehanan-tsika marina tokoa v?

Marina mihitsy fa mbola misy "anjara" tadiavina aminao raha te-hihavana ka :
- mitodika any Aminy
- milaza izay tiana ambara
- mihaino Azy ;-)
RBNIR:

Tandremo ny mamitatena (misy ny mihafantatra saingy tsy nandroso ary mihevitra fa tena efa ao, nefa tsy nanantanteraka fa mahafantatra fotsiny ihany)
Tsy aiko izay momba anao fa dia anao sy Andriamanitra izany,
Tsy ny mihezaka ny hahay no tanjona fa ny hanantanteraka (ilay fanjakana mila tanteraka ao am-po).

Fifandraisana manokana ahy sy Azy tokoa ilay fihavanana ka ! ;-)
RBNIR:

Aza lazaina hoe "fihevitro" fa rehefa tena resy lahatra ianao dia lazao hoe araka ny fampianaran'i kristy. Satria isika tsy mizara izay avy amin-tsika fa mizara izay nomena an-tsika. Andriamanitra no omeo voninahitra.

Eo indrindra no tsy mampitovy antsika : sehatra hanaovana fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra ny eto amiko.

Ny tanjoko dia tsy handresy lahatra (araka ny efa nolazaiko tamintsika hatrizay) velively satria tsy ahy izany, fa kosa mba mizara izay heverina mikasika ny lohateny iray, izay koa no fandraisako izany forum izany ! Noho izany fomba fijeriko ihany no entiko eto ! ;-)

Raha ilay teny hoe "fihevitro" no manahirana anao dia soloy hoe "fandraisako" na "fahazoako azy" ary e ! ;-)
15. RBNIR ( 17/07/2012 07:37)
bor2lais:

Raha ilay teny hoe "fihevitro" no manahirana anao dia soloy hoe "fandraisako" na "fahazoako azy" ary e ! ;-)

Faly miarahaba namana,
F'angah moa tsy ilay azon-tsika avy Aminy ho zarain-tsika namana?
Raha samy hizara araka ny fahazahon-tsika azy v dia hitombina intsony ilay hoe 1 ihany no marina?
Tsy aleo v ilay nampitainy ihany no zaraina fa tsy hoe araka ilay fahazoan-tsika azy??
Izay ngeh no tena antony ilay kitsipona tsy dia tian-tsika iny e. Mba ialana amin'izay mihitsy hoe araka ny fihevitro fa aleo izay nolazainy no zaraina (sady raha ny marina efa mazava B e).
Samia ho tahin'ny Tompo namana. ary mahereza hatrany
16. bor2lais ( 17/07/2012 08:51)
RBNIR > aza dia itarina loatra re ilay resaka fa lasa HS ny farany :
1. Tsy misy filazana mihitsy eto @ forum fa tsy azo atao ny mitondra hevitra manokana. ;-)

2. Maro anie ny fomba na endrika fitoriana RBNIR e ! Ary amiko io dia miankina @ sehatra na public misy anao !

3. Ekeko ilay lazainao hoe "1 ihany ny marina" saingy aoka tsy ho feranao ho tokana tahaka izany koa ny fiasan'ny Fanahy Masina @ tsi11 : ny fiasaNY amiko tsy voatery itovy amin'ny fiasaNY aminao ! ;-)

4. Ny ahy ny fomba fijeriko araka ny fahazoako azy no entiko eto. Raha misy ny resy lahatra @ zavatra ambarako dia aza manahy ianao RBNIR fa tsy heveriko noho izaho velively fa noho ILAY niasa tao aminy. Fitaovana nampiasaiNY fotsiny ihany aho tamin'izany fa Azy irery ihany ny voninahitra. ;-)

5. Tsarovy koa RBNIR fa ny fitondrana tsimpona tsy midika velively fa manana ny marina ianao a ! Tadidio fa ilay ratsy koa toa mba mahay mampiasa tsimpona raha tsy diso aho e ! ;-)

Izaho manokana aloha tsy dia havanana loatra amin'io fomba iray io indrindra eto amin'ity sehatra ity ! :-)
17. RBNIR ( 17/07/2012 10:21)
Namana Bor2lais,
Forum amiko karazana ady hevitra toy ny nataon'ny apostoly paoly taloha. Ny tanjona tokana,
fitadiavana ny marina.
Ny antony??« Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:7)
Mba te ho Marina eo anatrehan'Andriamanitra ny tenako namana, ka izay no hikatsahako fatratra ny Fahamarinana.
Ary izay koa no tsy dia anaovako commentaire B amin'izay teny entiko eto satria EFA MAZAVA B hoy aho e, tsy mila commentaire intsony. Dinio anie io ambony io e, Io v dia mbola mila hazavaina ihany??

Samia ho tahin'ny Tompo namana
18. RBNIR ( 17/07/2012 10:47)
Raha araka ny lohahevitra dia diso ihany tokoa ny fiheverana fa ny devoly ihany no fahavalo (na dia nekeko ho marina azy izay) aleo miaiky diso e, tsy mahamenatra izany raha izay no hahitana ny marina fa kay voasoratra koa fa :
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, » (Mat.5:44)
« ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6). » (Mat.10:36)
Arak'io dia mazava fa ny olona koa dia misy fahavalo (saingy tsy maintsy tiavina ary ny mampalahelo eto dia ny ankohonana mihitsy no misy mitsangana ho fahavalo) marina io ry namana.

Ary tena fahavalo farany indrindra izay tsy maintsy horesen'ny kristianina aza dia :

« Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena. » (1 Kor.15:26)

Raha araka ireo teny ireo izany dia mazava B fa ankoatran'ny devoly dia misy amin'ny olona koa lasa fahavalo (saingy tsy maintsy tiavina), ary ny fahavalo farany indrindra tsy maintsy horesena dia ny fahafatesana.

Izay no marina ka tokony ekena.

Raha mandà izay tsy mandà an'Andriamanitra v? Aleoko miaiky ho diso satria izaho koa dia nihevitra fa ny devoly ihany no fahavalo saingy hitako ny marina ka ekeko.

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana
19. Miharena ( 17/07/2012 11:41)
Arak'io resak'i RBNIR io dia azo fintinina ho ny fahafatesana tokana ihany no fahavalo raha ny Baiboly ny jerena.

Ny fahafatesan'ny heverina ho fahavalo dia efa tsy fahombiazana satria mbola misy fahafatesana. Izay no tanjon'ANdriamanitra, dia ny hahafoana ny fahafatesana ka mampahalala ny olona ny fiainana mandrakizay IZY.
20. bor2lais ( 17/07/2012 11:44)
Ity no raisiko satria mifandraika kokoa amin'ny lohateny :
RBNIR:

Raha araka ireo teny ireo izany dia mazava B fa ankoatran'ny devoly dia misy amin'ny olona koa lasa fahavalo (saingy tsy maintsy tiavina), ary ny fahavalo farany indrindra tsy maintsy horesena dia ny fahafatesana.

Izay no marina ka tokony ekena.

Raha mandà izay tsy mandà an'Andriamanitra v? Aleoko miaiky ho diso satria izaho koa dia nihevitra fa ny devoly ihany no fahavalo saingy hitako ny marina ka ekeko.

Hajaina tanteraka ny hevitrao ! Fa amiko ny "affirmation" toy ny hoe "Izay no marina ka tokony ekena" no ezahiko ialana eto amin'ity sehatra ity ! ;-)

Raisintsika ohatra ilay hoe :
"misy amin'ny olona koa lasa fahavalo (saingy tsy maintsy tiavina)".
Raha asaiNY tiavina ve RBNIR dia mbola raisinao ho fahavalo ihany ilay olona ! ;-)

Azon'i RBNIR lazaina kosa ary ve maninona izy no lazainao fa fahavalonao ? ;-)

Ary sao dia izy lazainao fa fahavalo iny kosa ary no fitaovana ampiasaiNY hanitsiana anao ka mendrika isaoranao aza ! ;-)

Ny tiako lazaina dia ity : mba jereo ihany indraindray ny mety ho Fanahin'ilay soratra fa aza dia miantehitra amin'ny hoe MAZAVA B ! ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083