ray amandreny mibaiko ny zanany amin ny hatao rehetra: filière, asa atao, projet d avenir sns TENA MANIMBA

1. hanjaris ( 30/06/2012 09:56)
Tena zava doza rehefa ny ray amandreny no tsy te hanaiky ao an tsainy fa olon dehibe ny zanany rehefa feno 18 na 20ans ka ny manampy sy manipy hevitra sisa no anjarany fa tsy ny manery ny zanany.misy ankizy manko efa 30ans na mahery (efa tsy ankizy tsony moa izany lol), mbola tsy mahita lalankombana satria sady tsy te handiso fanatenana an i "papa" sy "maman" amin ny ambition an izy ireo izay tiany hotanterahin ny zanany nefa koa te hanatanteraka ny tanjony manokana ilay olona(izay matetika mifanipaka). Dia misy culpabilité sy complex eny foana ilay olona satria handeha havia tsy tena safidy, handeha havanana tsy ankasitran dray sy reny izay nahalehibe sy nikolo.dia tapidalan kaleha.nefa rehefa tsy mandroso ny ankizy, ireo ray aman dreny no manome tsiny.
Omeo responsabilité mbola kely ny zaza ary avelao izy hanao ny safidiny (izay tokony mba hatokisanao ray sy reny tsikelikely fa tsy dohifina na rarana foana) amin ny ho aviny fa ianao aro fanina sy balise hiaro azy tsy hanaotao foana fotsiny.
izay no maha tafita ankizy vetivety!!!
novalian'i niryna ny 13/09/2012 05:06
2. ded.kitty ( 16/07/2012 23:08)
Raha tsy te hovoagejan'ny RaR dia ataovy izay afahanao mahaleo tena ara-bola sy miala avy ao antokatranony aloha voalohany indrindra.

hanjaris:

Tena zava doza rehefa ny ray amandreny no tsy te hanaiky ao an tsainy fa olon dehibe ny zanany rehefa feno 18 na 20ans ka ny manampy sy manipy hevitra sisa no anjarany fa tsy ny manery ny zanany.misy ankizy manko efa 30ans na mahery (efa tsy ankizy tsony moa izany lol), mbola tsy mahita lalankombana satria sady tsy te handiso fanatenana an i "papa" sy "maman" amin ny ambition an izy ireo izay tiany hotanterahin ny zanany nefa koa te hanatanteraka ny tanjony manokana ilay olona(izay matetika mifanipaka). Dia misy culpabilité sy complex eny foana ilay olona satria handeha havia tsy tena safidy, handeha havanana tsy ankasitran dray sy reny izay nahalehibe sy nikolo.dia tapidalan kaleha.nefa rehefa tsy mandroso ny ankizy, ireo ray aman dreny no manome tsiny.
Omeo responsabilité mbola kely ny zaza ary avelao izy hanao ny safidiny (izay tokony mba hatokisanao ray sy reny tsikelikely fa tsy dohifina na rarana foana) amin ny ho aviny fa ianao aro fanina sy balise hiaro azy tsy hanaotao foana fotsiny.
izay no maha tafita ankizy vetivety!!!
3. hanjaris ( 18/07/2012 11:17)
merci!!!
ka na efa manambady, mitokatranao ary anie dia mbola misy mitady ny hitondra ny fiainan janany. Ka rehefa tsy manaraka izay lazainy dia anaovany chantage affectif sy ny sns dia lasa mi culpabiliser ilay ankizay avy eo dia manaraka tsy fidiny.Tsy izaho aloha satria ny RAR niko tena mandrisika ho amin ny fahaleovanatena fa maro anefa ireo olom patatro no mijaly amin io ka indraindray tsy mety tafita aza satria miroaroa saina lalandava...
4. ded.kitty ( 19/07/2012 21:17)
Ilay zanaka izany no tsy ampy hazon-damosina.

hanjaris:

merci!!!
ka na efa manambady, mitokatranao ary anie dia mbola misy mitady ny hitondra ny fiainan janany. Ka rehefa tsy manaraka izay lazainy dia anaovany chantage affectif sy ny sns dia lasa mi culpabiliser ilay ankizay avy eo dia manaraka tsy fidiny.Tsy izaho aloha satria ny RAR niko tena mandrisika ho amin ny fahaleovanatena fa maro anefa ireo olom patatro no mijaly amin io ka indraindray tsy mety tafita aza satria miroaroa saina lalandava...
5. hery ( 15/08/2012 23:46)
Tsy dia omena tsiny loatra ihany satria misy tsindry aloka ao.

Ny Gasy mbola matahotra tsiny, raha sendra tsy tafita tampoka dia hoe tsy nahazo tso-drano araka ny tokony ho izy.

Fa misy koa ray amandreny dia mahavita manao fara-teny... mety tsy ho toa izany intsony atsy ho atsy e... rehefa lasa ray amandreny daholo ny tanora? :-)
6. niryna ( 13/09/2012 05:06)
Ny olana angamba dia misy roa.Ny ankizy ankehitriny dia tsy manaja ny RaR firy intsony.(Iraisana eran-tany io,fa tsy hoe ny malagasy irery ihany akory an ) ary indrindra moa rehefa hoe omena zo izay ilay zaza,tsy kapohina,tsy azo bedesina sns.Tsy voatery ho kapohina kosa anefa ny zaza fa araka ny fifandraisanao amin'ny zanakao ihany io
Misy koa ny RaR dia kizitina ary mihevitra ny tenany fa izy no nahalehibe ny zanany ka tsy maintsy manaraka ny teniny. Misy ambo-po kely izany ao indrindra moa rehefa hoe efa llehibe ka tokony hanampy azy ireo kanefa tsy afaka dia eo koa mbola olana iray ihany koa,misy koa moa ny ankizy ,variana dia tsy mba mahafoy manome na manampy kely izay tokony atao ny RaR
Mila fifampitaizana lehibe io ary mila mifampiezaka ny fianakaviana mifampizara ny mety sy ny tsy mety.Mbola sarotra be io tanjona io vao tonga.Indraindray dia atao fantatra fa RaR ny tena,indraindray koa anefa dia omena safidy ny ankizy fa tsy tokony hihevitra foana fa marina foana ny RaR .Sarotra hoy aho io fa ny fifandraisan'ny mpianakavy no ilaina.Voakatry ny fiainana mirotoroto,ny fiainana sarotra,eny efa voasoratra koa aza fa any aoriana any dia hihamangatsiaka ny fifankatiavan'ny mpianakavy.
Amin'ny maha rar ny rar dia ny hoe ho tafita ny zanany,izay no tsy mba haniry ny ahatafitan'ny ankizy tokoa moa saingy ilay fandatsana rehefa tsy tonga amin'ny eritreritra izay no mitarika fampizaraham-bazana satria mandeha eny foana ny latsa rehefa tsy nahomby araka ny eritreriny sy ny safidiny izay tian'ny rar ny ankizy iray ka dia lasa manohitra,tsy manaja,miborika ilay zaza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.375