Club satanista????

1. gasyjean ( 22/06/2012 13:38)
Manahoana daholo tompoko!!!

Saika mba anontany antsika izay mipetraka eto Mada,momba izany resaka na "tsaho" mandeha izany hoe raha mba misy afaka manome fanazavana vitsivitsy.Toa hoe misy "club satanika izany " hoe mihaino anao rehefa miresaka amin'ny telefaonina sa hoe ahoana tsara??
Miala any indray angaha ny famitahana?

MIsaotra sahady izay afaka manome valiny mahafa-po.
novalian'i ledala ny 20/07/2012 19:41
2. dadabe ( 25/06/2012 04:19)
tsy tsaho izany io ra gasy jean a ..tena izy ..na io sigle sy sary famantarana anao io aza ve mba fantatrao ny dikany ??(resaka tena marina fa aza atao mahasorena frere a)
3. gasyjean ( 25/06/2012 11:53)
@Dadabe,Isaorana ianao nanome valiny!!!
Raha io "Avatar " apetrako eto ity dia efa lany andro sy fotoana aho nandalina sy nitady information momba azy, ka izay no nahatonga ahy nametraka azy eto,ary raha tsikaritrao dia misy signe negation miaraka aminy.Tena marina fa antoko satanista tokoa izy ireo ary tena ratsy dia ratsy ny tanjona kendren'izy ireo ho an'ny hoavin'ny zanak'olombelona.Marihina fa ity fikambanana miafina ity dia tsy hoe vao niforona omaly na vao amam-polonttaona ,fa efa nisy foana aman-jato taonany maro izay,fa ny tanjona kendrena dia iray ihany(massonerie,illuminati etc).ary raha ny fahazahoako azy efa mitady tsy hiafina intsony ry zareo fa hiseho amin'sarambabem-bahoaka amin'izay?,Mbola tsy manam-potoana aho androany fa rehafa manana foatoana malalaka aho manome fanazavana misimisy kokoa momba ity fikambanana miafina ity ho an'izay mila an'izany.Fa ny tiako ho lazaina mialoha fotsiny dia izao,ireto olona miafina ireto no tena tompon'izao tontolo izao,izy ireto no tompon-andraikitra amin'izay zavatra tokony ho hiseho tsy hiseho amin'ny lafiny rehetra manerana izao tontolo izao.Ireo filoham-pirenena rehetra maneran-tany dia eo ambany fitantanan'izy ireo avokoa na firenena goavana izany ka hatram'ny firenena malemy indrindra dia mankatoa ny baiko izay avoakan'izy ireo avokoa.
Hatreto aloha ny azoko ambara androany nohon'ny tsy fahampiana'ny fotoana,fa izay maika hahalala kosa dia efa afaka mitady ny momba azy ireo eto amin'internet.
Tadiavo:
Illuminati,
Massonerie,
Club Bilderberg,
CFR
Commission Trilateral,
Projet "Blue Beam"
David Rockefeller...
NOUVEL ORDRE MONDIAL,NEW WORLD ORDER.


Hafatro manoka:Efa atomotra ny fotoana,ny sisa azontsika atao dia mampitombo ny finoana an'i Jesosy Kristy.Ity ady ity efa tsy an'olombelona intsony.
4. dadabe ( 28/06/2012 16:21)
efa voavalinao daholo izy izany an ....signe de l illuminatie marina io


franc macconerie koa misy hifandraisany.....
5. ledala ( 20/07/2012 19:41)
vita ny 666 tamin'ny krizy tany aloha, tonga indray ny satanika, de inona indray ny hanakorontanana ny sain'ny FFKM rehefa mikasa hamaha ny olana mianjady ny malagasy????? miala tsiny fa mivantana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3926