ANTICHRIST .ADY HIATREHANA ISAN'ANDRO
1. niryna
(
08/06/2012 16:49)
Misavorivory ny sain'ny rehetra ankehitriny fa toa mampatahotra azy avokoa izay rehetra.Eo ny tsy sahy mandray telefaona,eo ny matahotra mijery fitaratra ,eo ny internet lazaina fa mivadika,ny sasany aza moa dia milaza fa mivadika mena ny maso. Maro,ary tahotra avokoa no mahatonga ny olona tsy sahy hiantso ny anaran'Atra,aiza ilay hery nomeny ny kristiana fa na ny inona na inona fehezinareo ety an-tany dia ho foafehy izany? Naninona no lasa nirongatra nividy sampy-let daholo ny olona nilaza azy ho kristiana?
Tsy ampy intsony hoy ny loharanom-baovao ny la croix ary mirongatra mandeha ho hamasinina avokoa ny olona.Aiza ilay finoana? Ahoana hoy ny hafatra?
Aza manana Andriamantra hafa,aza miankohoka na manao sarin-javatra ho Atra ho anao.Atra saro-piaro Aho hoy ny Tompo .Mino tanteraka aho fa malahelo Atra hivavahantsika satria lasa tahotra no ataon'ny olona ka lasa manaonao foana.Tsy manome tsiny aho satria efa voalazan'i kristy mialohan'ny nandehanaNy izany fa hisy oloha hitsangana ho mpaminany,hisy olona hanao fahagagana maro ka aza mino na mankany na manaraka azy hianareo.Aza adinonareo ny niandohan'ny purgatory? ny fivavahana ireo havana efa maty? fa mbola mitovy an'io indray no mipoitra ankehitriny.
Inona no asan'ny mpiandry? inona no asan'ny pasitera? koa maninona no tsy manana finoana isika ka mivavaka satria raha ao anatintsika ny fanahy masina dia afaka mandroaka izany asan'ny maizina izany isika.Ary tsy tokony hinohino foana fa dia tena andraitra tokoa izany ka dia ho tonga ilay fiteny hoe " madio ny toerana misy azy ka aleo aho aloha hihainohaino eo fa rehefa tonga kosa ny fotoana dia ho fito izahay no hiditra ao ,ary ho mafimafy kokoa ny fanalana ny asan'ny maizina amin'ilay olona amin'izany fotoana izany.
Ny asan'i satana dia tena misy tokoa,asakasak'izay tsy mino izany fa na Izy Tompon'Ny fahefana aza efa nanambara araka ny hafatra nomen'i Matio ,Marka ary Lioka ka nanambara fa naka fanahy an'i kristy i satana " omeko anao izao rehetra izao raha toa ka miankohoka amiko hianao:"
Diniho kely ihany aloha izay tokony mahasoa ka tsy misy afatsy ny miantso,manankina,mino ny Anarany sy ny Asany ary ny Famonjen'I kristy Irery no anisany vahaolana hiantrehana amin'ny tolona isan'andro sa ahoana ?

répondu par majesty le 09/07/2012 06:29
2. Miharena
(
08/06/2012 17:26)
Marina daholo ny resak'i Niryna fa raha toa kosa ny olona tsy mahay manavaka ny antony nahatongavan'i Krsity ho nofo izay hiady amin'ny asan'ny nofo dia tsy maintsy tafaroboka ao amin'io resaka voambara ny amin'ny fakam-panahy io avokoa ny rehetra.
Mila azavaina tsara io lafiny io. Ilay vontoatin'ny famonjen'i Kristy no mila hita mazava amin'ny fomba tsotra tsy miolakolaka.

3. Miharena
(
12/06/2012 04:00)
Fanamarihana kely,
Ny finoana ny asan'ny satana no endrika fampidirana azy ao anati'n'ny olona ka ilazan'i Krsity hoe ao anatin"ny olona ihany ny devoly fa tsy misy ivelany.
Noho izany tsy inoana satana fa fantarina hoe inona no diso ao anaty hanafahana izany amin'ny alalan'ny finoana ny Fanahy Masina na ny mahazanak'Andriamanitra amin'ny alalan'ny asan'i Kristy. Raha tsy mahatsapa fa Tempolin'Andriamanitra isika tsirairay avy dia mbola eo ambany vahoan'ny tsy fahalalàna sy tsy fahatsiarovan-tena ka miteraka eritreirtra maro tsy mitombina sy hahatombenan-tsaina sy fanahy. Mila manary ireo finoanoam-poana izany aloha dia mandray ny finoana marina izay ao anaty no iorenany fa tsy ireo firehan-kevitra maro isan-karazany miasa toy ny tafio-drivotra tsy hampahalala anao ny momba anao sy ny fahefanao ao amin 'Andriamanitra RAY izay efa nanome anao ny zava-drehetra.

4. didi10
(
12/06/2012 07:38)
Asakasaky ny namana hafa aloha fa sanatria izaho raha mba hanaiky hampiantrano devoly ato anatiko izany! mety à l'aise tsara izy ao amin'i Miharena satria ianao manaiky ny hitoerany.
5. Miharena
(
12/06/2012 08:25)
Izay fiheveran-diso azonao anefa Didi10 dia efa fampiantranoina devoly nataonao hatrizay nahapotsahan'ny tavoninao teto an-tany. Ka asa hoe oviana ianao no nahatsiaro fa tsy diso teo amin'ny fomba rehetra niheveranao ny momba anao sy ny manodidina anao?
6. Miharena
(
04/07/2012 16:10)
Hoatry ny nihemotra ity lohahevitra ity fa tsy nisy nanohy.
Mia fantatra tsara hoe inona no roritin'ny atao hoe antikristy. zavapoana ve sa fandrobohana ny olona amin'y hevi-diso momba an'i Kristy sa inona marina?

7. majesty
(
09/07/2012 06:29)
raha izaho manokana, dia tsy hitako izay iasàna saina @ izay antichrist any, fa azy manokana ny azy fa ny anjarako dia ny mikolokolo izay finoana ato anatiko :)