Fantatrao ve hoe inona no antony mampisy anao eto ambonin'ny tany ???

1. Maranatha ( 08/06/2012 10:46)
Maro ny olona no tsy mahafantatra ny antony fisiany eto ambonin'ity tany ity, ka manontany tena ny amin'ny fijaliany sy fahoriany, misy indray finaritra amin'ny fahafinaretan'ireo zava-mandalo eto antany, Fa inona no antony hisian-tsika eto ambonin'ny tany???

Izao no tsarovy voalohany raha tsy nanota i Adama sy i Eva dia mety tsy nisy ianao io. Tsotra be ny antony mba tsy handefasana saina lavitra be, efa mety feno olona efa ela ny tany raha tsy nanota izy mivady Ray aman-drenin-tsika ireo.

Faharoa tsisy Mesia tonga teto an-tany. Izao zavatra hiainan-tsika izao no atao hoe Plan B teo amin'i Avoindrindra.

Raha tsorina dia fanomezana chance an-tsika no antony aloha voalohany mampisy an-tsika, omena chance isika raha hanaraka ny sitrampon'i Avo indrindra. Izay manaraka ny sitram-pony ihany no afaka ho velomina sy ampiainana handova ny tany. Tsy tantin'ny Devoly sy ny miaramilany izany ka izany no mahatonga azy hitady ny hevitra rehetra tsy hankatoavin-tsika ny Mpamorona( indraindray fijaliana mba hanompoan-tsika sampy, indraindray fahafinaretana be mba tsy hitodihan'ny sain-tsika amin'ny Mpamorona, indraindray ataony manana be sns...).

Faharoa misy isa enjehina fa rehefa feno ny isa dia tonga ny Tompo haka ireo izay niomana sy vonona handova ny tany ( tahaka ny tamin'ny andron' Noa rehefa tafiditra tao amin'ny sambo-fiara, ry Lota tafavoaka an'i sodoma sy gomora ka rehefa feno ny fepetra dia tonga ny Tompo). Mila miandry sady mampahafaingana ny fiaviany amin'ny asa fitoriana e!Mila hampahafantarana ny olona rehetra izany ny filazan-tsaran'ny fanjakan'ny lanitra.

Izay no antony mampisy ahy sy ianao eto ambonin'ny Tany! Mahereza ry namana isany!
novalian'i majesty ny 09/07/2012 06:32
2. didi10 ( 08/06/2012 12:10)
Ny antom-pisiako dia ny hanom-po an'i Jehovah, tsinontsinona ny hatsarantarehy, ny fahaizana, ny hatanjahana, ny galona sy ny voninahitra, ny volabe, fa raha izaho sy ny ankohonako dia hanompo an'i Jehovah izahay, ety an-tany ka hatrany an-danitra.
Amena!
3. Miharena ( 08/06/2012 17:36)
Ny antm-pisiana eto an-tany dia satria misy Andriamanitra dia misy isika ary ny tany no natokaNY hitoeran'ny nofontsika.
4. rekinbelo ( 09/06/2012 15:14)
Raha azoko tsara izany ny tianao ambara maranatha dia nasiana nanota mihitsy adama sy eva raha tsy izany tsy mety ny fiainana eto antany.
raha ny fahazahoako ny Baiboly mantsy dia tsotra ihany, rehefa vita ny famoronana ny zv-boary tany andanitra dia nikarakara ny tany indray Izy, ary tsy tao @ plan n'Andriamanitra mihitsy ny hoe hanota i Adama sy Eva,fa nasainy kosa hikarakara ny tany sy ny zavaboary eo aminy.
Nitsodrano azy ireo aza izy mba hameno ny tany iray manontolo.
Inoanao ve efa feno ny tany raha tsy nanota i Adama sy Eva. TSIA satria raha nanao kajy ireo manampahaizana dia mahaza olombelona 14 milliards ny tany nefa isika az izao vao 8milliards.
Mino aho fa mbola tsy nisy 4milliards akory ireo efa maty atr@ izay nisian'ny Adama sy Eva izay.
Ny plan b dia tsy tao anaty programman'Andriamanitra mihitsy raha tsy efa hitany hoe nivadika taminy ny olombelona sy ireo zanak'Andriamanitra (anjely)
Fitiavana tsotra fotsiny no namoronana antsika olombelona ary nomen'Adriamanitra ny tany isika mba ho fonenantsika mandrakizay raha ny tena marina , ary kely sisa tavela dia ho averiny amin'ny laoniny izany ary ho lasa paradisa tanterak ny tany ary hiaina mandrakizay eo isika.
mahereza namana isany;
5. Maranatha ( 13/06/2012 10:17)

rekinbelo:

Raha azoko tsara izany ny tianao ambara maranatha dia nasiana nanota mihitsy adama sy eva raha tsy izany tsy mety ny fiainana eto antany.

Tsia tsy nasaina nanota izy mivady, fa tadidio fa efa nisy fikomiana tany an-danitra tamin'ny fotoana nanamboarana ny tany, efa nahazo ny ampahatelon'ny anjely tany an-danitra i losifera ary nikasa ny hitarika ny zavaboaharin'Atra rehetra mihintsy izy. izany no antony nanasivana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy hijerena na hankato an'Atra i Adama na tsia.
rekinbelo:

Nitsodrano azy ireo aza izy mba hameno ny tany iray manontolo.
Inoanao ve efa feno ny tany raha tsy nanota i Adama sy Eva. TSIA satria raha nanao kajy ireo manampahaizana dia mahaza olombelona 14 milliards ny tany nefa isika az izao vao 8milliards.
Mino aho fa mbola tsy nisy 4milliards akory ireo efa maty atr@ izay nisian'ny Adama sy Eva izay.

Raha hatrizay namoronana ny tany izay dia azo antoka 100% fa efa nihoatra lavitra ny isa izay noeritreretinao ny isan'ny maty.
rekinbelo:

Ny plan b dia tsy tao anaty programman'Andriamanitra mihitsy raha tsy efa hitany hoe nivadika taminy ny olombelona sy ireo zanak'Andriamanitra (anjely)
Fitiavana tsotra fotsiny no namoronana antsika olombelona ary nomen'Adriamanitra ny tany isika mba ho fonenantsika mandrakizay raha ny tena marina , ary kely sisa tavela dia ho averiny amin'ny laoniny izany ary ho lasa paradisa tanterak ny tany ary hiaina mandrakizay eo isika.
mahereza namana isany;

Vao napetraka ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy ho lalàna dia efa nipetraka ihany koa ny plan B satria misy safidy hatao tao.
Tsetratsetra tsy aritra no hilazako anao ity: misy zavaboaharin'Atra hafa koa eny amin'ny planeta hafa eny fa ireny tsy nanaiky nanaraka ny hevitry ny devoly ka tsy afaka nankeny izy. Ny zanak'olom-belona no nanaiky hankato azy dia izay no nanavarinana azy tety ambonin'ny tany. Tsy tian'Atra hiisy very anefa isika ka izany no nanomezany ny zanany hamonjy antsika fa miankina amin-tsika na handray ilay famonjena ka hankato an'Atra na tsy handray ny famonjena dia voatazona ho andevon'ny satana ka hiaraka haringana miaraka aminy.
Ho haverina amin'ny laoniny tokoa ny zavatra rehetra aoriana kely fa ireo izay mankato an'Atra no hitoetra ao. Mahereza namana dia mibebaha!
6. rekinbelo ( 13/06/2012 13:15)
[size=150]text[/size]Vao napetraka ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy ho lalàna dia efa nipetraka ihany koa ny plan B satria misy safidy hatao tao. [size=150]text[/size]
Raha izay no fanatosahankevitrao dia tsotra ko no amaliako azy hoe Tsy i Satana na Adama sy Eva izany no diso fa Andriamanitra mihitsy ary nanao fany iniana izy ny hanotany anjely sy ny olombelona.
7. maranatha ( 14/06/2012 11:21)

rekinbelo:

Raha izay no fanatosahankevitrao dia tsotra ko no amaliako azy hoe Tsy i Satana na Adama sy Eva izany no diso fa Andriamanitra mihitsy ary nanao fany iniana izy ny hanotany anjely sy ny olombelona.

Misy zavatra betsaka tsy mbola takatrao. raha apetraka any an-danitra i Adama sy i eva atao ahoana no fahatoky azy raha tsy hametrahana test izy
8. rekinbelo ( 16/06/2012 05:47)
fa maninona izy no testena? tsy nahatoky ny zvboariny izany Andriamanitra raha niteste azy ireo izy?
9. Miharena ( 16/06/2012 16:07)
Raha ny fahitako ireo resaka ataon'i Maranatha ireo dia toa lasa milaza izay heverin'ny olombelona fa fiheveran'Andriamanitra isika eo amin'ny fitondrana ny fiainanan'ny olombelona fa tsy mijery ny zava-misy ary manatsoaka hevitra mahitsy kokoa.

Ny any mba tiana hotsindriana dia ilay teny hoe ny fihevitrareo tsy fiheviTRO ary ny lalanareo tsy lalaKO hoy ny Tompo. Ka ny lalam-panahy dia tsy fiheverana na tantara fa fahatsapana sy fahamarinana.
10. majesty ( 09/07/2012 06:32)
lalina be izany fanontaniana izany: inona antom-pisiako ety an-tany, dia azo itarina koa hoe inona ny antom-pisian'ny zava-boahary tety an-tany, ny ala, ny vorona, ny rano , ny masoandro sns.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1897