Groupe satanique

1. Tefigasy ( 04/06/2012 05:04)
Salut daholo e, vaovao kely fotsiny :
- Misy an'izany groupe satanique (tena misy) miforona izany eto madagasikara. Toa hoe mody mitarika ny olona hivavaka izy ireo tany am-piadohana ary niainga avy tao anatin'ny fanaovana alim-bavaky ny tanora vitsivitsy tany Morondava sy Antsirabe tany.
Tanora no tena cible-ny (10 - 20 ans), mivadika lasa adala ireo tanora ireo rehefa tena tafiditra ao anatin'ilay groupe. Efa miparitaka eto Madagasikara io groupe io ka raha miresaka amin'ny olona fotsiny izy ireo (na tel na sms na internet na resaka mivantana) dia mifindra any amin'izay hiresahany ilay devoly.

- Misy antokom-pivavahana izay eto Tana izay mampiasa "menaka masina" hono ary hosorana an'io menaka io daholo izay mpivavaka ao aminy. Ny zava-misy anefa dia lasa drogué (mivembena) ireo olona ireo rehefa avy osorana io menaka io ka lazain'ilay mpitarika ilay fiangonana fa miasa sy hidinan'ny fanahy ireo olona ireo ka izay no mampivembena azy .

Fehiny, mila miambina isika ary tsy miambina fotsiny ihany fa mila manafika mihitsy. Mila resena ny devoly ary apetraka any amin'ny fitoerany efa nomanin'Andriamanitra ho azy. Manainga ny tsirairay mba andeha hanao tafika masina ary hankahery ireo izay mbola osa amin'ny fanarahana ny Tompo mba tsy ho voafandrik'ilay ratsy!
novalian'i majesty ny 09/07/2012 06:47
2. mirananirina ( 04/06/2012 10:20)
Izay indray ilay honohonon-tsika gasy sssss!!!!izao kosa ve dia marina????Aza manaiky ampiesonin'olona hoa isika!!Na dia tena mpivavaka marina aza izao izany dia manenjika indray ny sasany dia milaza fa devoly ny sasany!


ka raha miresaka amin'ny olona fotsiny izy ireo (na tel na sms na internet na resaka mivantana) dia mifindra any amin'izay hiresahany ilay devoly.


3. Tefigasy ( 04/06/2012 11:01)
mirananirina:

Izay indray ilay honohonon-tsika gasy sssss!!!!izao kosa ve dia marina????Aza manaiky ampiesonin'olona hoa isika!!Na dia tena mpivavaka marina aza izao izany dia manenjika indray ny sasany dia milaza fa devoly ny sasany!

Afaka tsy mino ianao, izaho koa aloha mbola tsy nahita mivantana na sendra azy ireo mivantana. Fianakavian'ny olona efa voa no sendra tafaresaka tamiko teny sab-nam ka nanazava araka io nosoratako eo ambony io.
Tsy sanatria akory hanenjika antokom-pivavahana no tanjona eto, fa fampitandremana ho an'izay tsy mbola tratra fotsiny no entina hilazana ny zava-misy !
Ny zavatra marina fotsiny dia ity: na dia efa fahavalo resy aza ny devoly dia mbola manana fahefana ho an'izay tsy manana an'i Krisy izy ireo !
4. Miharena ( 04/06/2012 13:52)
Tefigasy:

Efa miparitaka eto Madagasikara io groupe io ka raha miresaka amin'ny olona fotsiny izy ireo (na tel na sms na internet na resaka mivantana) dia mifindra any amin'izay hiresahany ilay devoly.


Raha ity resaka internet sy sms ity dia izay olona manana fahefana miditra amin'ny réseau'ny hafa no mibaiko izany groupe izany raha fantany tsara ny fampiasana izany amin'y fanahin'ny olona izay cible.

Efa miparitaka be io resaka io na hatrany amin'ny sekoly isan-karazany aza.
Ny mampalahelo fotsiny dia misy tokoa ireo olona tsy tafaverina ny sainy ary manatona dokotera psy dia tsy afaka amin'ny fanafody maharitra ela. Nefa raha tsaboin'ny Mpiandry dia mety afaka ihany saingy mila manorina finoana matanjaka ahafahana miady amin'ny tsy fahalalàna.

Anisan'izany ny mianatra tsara ny Tenin'Andriamanitra, mamantatra ny asan'ny Fanahy Masina, izay lova avy amin'Andriamanitra ho an'ny isam-batan'olona.

Mamantatra ny lova azo tamin'ny nentin-drazana sy ny faharavana noho ny fivadihan'ny tantara teo ambany fifehezan'ny anjely nivadika ka mahay manary ireo tsy hahakasika ny fanahin'ny tena intsony.

Ilay resaka internet sy sms dia misy efa ela ny olona mamitaka ny hafa mba ahafahany mahazo ny fon'ny hafa na maka fanahy ny hafa na migafy ny hafa fotsiny izao ka na ny resaka virus fotsiny aza dia efa asa fandavoana olona avokoa. Fa ny tena azo ambara dia ny fisandratana tsikelikely mihoatra ireny sedra maro ireny amin'y alalan'ny fitomboana ara-panahy ary na internet aza dia mety azo hanovozana izany fa mila hay tsara ny safidy mijery internet ka izay mampitombo ao sy mitaiza fanahy no vakiana.

Ny olona any andafy dia efa be mihitsy no tratra amin'io resaka tsy mody saina io fa izao izy vao malaza eto amintsika.

Izay aloha no azoko ambara amin'io toe-javatra io.
5. didi10 ( 05/06/2012 10:34)
Tsara ny Tompo

Ny antsika kosa ry namana dia raha tsy sanatria mihatra amin'ny tena na amin'ny havana ve vao hino hoe tena misy marina ilay zavatra?

Raha ny gazety androany fotsiny izao dia farafahakeliny 6 no manoratra momba io club satanique io!! tena misy io ary ny tena mahafetsy azy dia matetika de plein gré no anaovan'ny olona fanekena amin'i Satana mba hahazoana vola sy harena.

Phénomène efa nisy teto Tanà io, tadidiko tamin'ny taona 2000 dia nalaza be ny resaka 666 sy ny silgoma iray izay raha vao apetraka amin'ny tànana hono ny autocollant ao anatiny dia mivadika tatouage 666 tsy mety afaka sady lasa adala ilay olona, psychose be tamin'izany fotoana izany toy ny amin'izao fa rehefa manomboka malaza ratsy izy dia miafina any indray aloha dia avy eo mivoaka indray. Ny masoko mihitsy no nahita teny Ankatso ilay olona manao récrutement mody hoe hampianatra anglais gratuit nefa tena Secte Satanique mihitsy fa taty aoriana aho vao nahafantatra.

Mahereza e! raha a'i Jesosy ianao dia Izy hiaro anao.
6. andrywui ( 05/06/2012 15:12)
hoy i mirananirina
Izay indray ilay honohonon-tsika gasy sssss!!!!izao kosa ve dia marina????Aza manaiky ampiesonin'olona hoa isika!!Na dia tena mpivavaka marina aza izao izany dia manenjika indray ny sasany dia milaza fa devoly ny sasany!

mangovitra ndray mirana zany de mitady ts hino an'i tefigasy a ! tandremo ry mirana fa mahay zavatra anie ny olombelona refa tafiaraka amin'ny devoly amity pacte pacte sy fifanarahana miafina aminy ty ee
7. LazaDaddy ( 06/06/2012 00:58)
Betsaka ny vondrona satanika (na kely na lehibe) eto Madagasikara fa ny olona fotsiny no mikipy maso tsy manaiky ny fisiany sy ny maha satanika azy. Feno azy ireny na aiza na aiza, na ao amin'ny fitondrana, na ny fanatanjahan-tena sasany, na ny fikambanana maro milaza fa mpanao asa soa, eny fa hatrany amin'ireo fiangonana lehibe aza.

Hoy i Satana: "omeko anao izao tontolo izao raha miankohoka eo anatrehako ianao". Manambara zavatra lehibe sy mazava tsara io.
8. pulm ( 07/06/2012 12:17)
za aloha tsy matahotra izany satria ny finoako an'i JESOA TOMPO dia matanjaka tsara, ampy entiko andresy azy, io koa ny finoanao iany e! raha osa ny finoanao dia mora osa oazy, fa raha matanjaka dia afaka miady aminy,Ohatry ny olona iray e! raha mazoto mikotrana foana dia matanjaka ianao zay afaka miatrika fahavalo, fa raha tsy mikotrana kosa ve dia aninona eo? tsy ho mora mianjera? tano mafy ny finoanao MANKAHERY ANTSIKA REHETRA dia mazotoa mivavaka!
9. didi10 ( 07/06/2012 14:09)
ny fisehony tena mampitahotra ny olona anie dia tena tsy ampoizina mihitsy e:

- Misy an'izany hoe misy vola Ar 10 000 mitsipaka amin'ny tany hitanao tampoka dia raha vao mandray ianao dia efa tsy tompon'ny tenanao intsony fa tonga de direction any amin-dry zareo.
- Misy indray rangahy antitra mitsilay amin'ny tany, mena maso be de raha vao manontany hono ianao hoe inona no manjo anao dia mitovy amin'ilay voalohany koa.
10. andrywui ( 07/06/2012 15:25)
Tsisy fika fa vao maita antitra zan eny andalana de tonga d darohana rah vo mivilambilana
11. Miharena ( 08/06/2012 04:24)
LazaDaddy:

Betsaka ny vondrona satanika (na kely na lehibe) eto Madagasikara fa ny olona fotsiny no mikipy maso tsy manaiky ny fisiany sy ny maha satanika azy. Feno azy ireny na aiza na aiza, na ao amin'ny fitondrana, na ny fanatanjahan-tena sasany, na ny fikambanana maro milaza fa mpanao asa soa, eny fa hatrany amin'ireo fiangonana lehibe aza.

Hoy i Satana: "omeko anao izao tontolo izao raha miankohoka eo anatrehako ianao". Manambara zavatra lehibe sy mazava tsara io


Ity no mahafintina ny asan'ny fisarihana ara-nofo ny olombelona. Toetra ao anatin'ny olona ihany no manao ireo asa fisarihana ny hafa ho any aminy hampitombo na hanabe voho azy. Toy ny endrika fisarihana ny hafa hivavaka ao amin'y tena ihany izany rehetra izany ary io avokoa no mahalavo ny olona satria te-hitady hery ivelany heveriny fa tsy ananan'ny tenany.

Ny tokony tsy ho adinoina dia ny famoronana voalohany momba ny olombelona nataon'Andriamanitra talohan'ny nahalavo ka mandray ny vokatra avy AMINY ary mijoro tsy azon'ny fandrebirebena isan-karazany arodana. Raha mahay mitana tokoa isika fa natao tahaka ny endrik'Andriamanitra dia tsy hitady hery hafa intsony fa hahay hifehy ny hery rehetra misy eto amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fitiavana tsy misy fetra. Rehefa tsy mahaala izany dia voafitaka hatrany ary ny mahavaka dia ny fisian'ny olona mampianatra mandrakariva fa lavitra an'Andriamanitra ny olona. Nefa mazava fa na i Paoly aza dia nanambara fa Andriamanitra no ivelomantsika sy iainantsika. Izany hoe ao anatintsika IZY.

Rehefa mahay mitana io tsy voareireby mihitsy na iza na iza mitory amintsika, na iza na iza mandangolango antsika. Izany hoe manana fanahy mahay manavaka isika.
12. mirananirina ( 08/06/2012 09:49)
Ny mahagaga ahy dia izao??Sura aho fa secta io,dia manenjika ny secta hafa dia manely tsaho,narahiko daholo ny gazety sy ny feon'olona sns.....,olona 8 ao anatin'ny 10 nanontaniako any Mada dia milaza fa nahita olona voany daholo?????Mampihomehy ahy ilay izy aloha,hitako mihitsy fa tsaho!
13. niryna ( 08/06/2012 16:19)

mirananirina:

Ny mahagaga ahy dia izao??Sura aho fa secta io,dia manenjika ny secta hafa dia manely tsaho,narahiko daholo ny gazety sy ny feon'olona sns.....,olona 8 ao anatin'ny 10 nanontaniako any Mada dia milaza fa nahita olona voany daholo?????Mampihomehy ahy ilay izy aloha,hitako mihitsy fa tsaho!
Mirana tsy tsaho ilay izy fa zava-misy ny asan'i satana.Ny olana dia virus amin'ny ordinateur dia mampatahotra avokoa,saingy ny olona tena kristiana dia tokony tsy matahotra ny asan'ny satana izany ary tsy tokony ho voany satria efa nomena azy ny fahefana raha tena matoky an'i kristy tokoa izy.Efa aman-jato taona anie io no efa nandaitra e? Inona no tiako ho tenenina-ny karemy,tsy mihinana raha tsy trondro,ny mpivarotra trondro no nahita biz .Izao indray ny mpivarotra sampy let sy ny forongony ,ny cross .
Misy aza ny sasany milaza fa tsy matahotra ny asan'i satana izy fa tondrony fotsiny hono dia mandositra,tsy miantsy an'i kristy amin'izany lery a,ooops .Fanahy maloto io ka tsy misy afatsy ny fanahin'Atra irery ihany no androahana azy -Jesosy kristy avy any Nazareta_ fa tsy tondro tokanao araka ny filazan'ny olona milaza azy ho mpaminany,izany hoe avy amin'ny heriny izany ilay fandroahana an'ilay herin'ny maiizina fa tsy hery avy amin'i kristy.Mampalahelo indraindray e
14. sitlo ( 13/06/2012 20:10)
Na tsy dia tiako loatra aza ny mamerimberina zavatra dia averiko ihany ity.

Rehefa ao anatin'ny fijaliana ny olona irany -ary indrindra fa raha tsy antony avy aminy no mahatonga izany- dia miroaroa ny sainy.

Rehefa izay dia mora ampidirina ao an-tsainy ny finoana. Na krisianisma, na groupe satanique, na sekta... Araraoty dieny izao raha hampiditra finoana amin'ny malagasy ianareo.

Ny namako aza nilaza fa izay mihitsy no nanohanan'ny arseveka Odon Razanakolona an'i TGV, sy ny fanosehan'i TGV an'i Pere Pedro. Mila atosika ny katolisisma fa mitady tsy hisy kil.

Voizina indray izao ny club satanique amin'izay ny olona matahotra dia mivavaka mankany any ampiangonana. Ny kil tsy maintsy tazomina...
15. andrywui ( 15/06/2012 20:45)
slt tefigasy ! de aoana amzao ry tefigasy ny fivoaran'io vaovao groupe satanique io??

--mba omeo vaovao iany oe ry ngah !!!
16. Miharena ( 16/06/2012 15:49)
Nisy fandaharana nataon'i Pasitera Heritiana ao amin'ny fiangonana Vahao ny Oloko tao amin'ny televiziona TN TV ary nisy zazalahy kely tratran'io phénomène io tao ary noroahina ilay fanahy ratsy te-hivelona tao anatiny.

Raha manaraka ireo famakafakana ara-panahy maro amin'ny site web isika dia hahafantatra fa efa kely sisa ny andro iainan'ny faharatsiana ka mandrovi-tsihy izy ireo amin'ny hamehezana ny fiainan'ny olombelona tsirairay avy. Efa manomboka misokatra anefa ny fahalalàna marina ary efa manomboka hita avokoa ireo karazana fitaka enti-mamehy izao tontolo izao. Io no tetezana hiampitana amin'ny fiainana milamina atsy ho atsy.
17. Tefigasy ( 18/06/2012 04:30)
andrywui:

slt tefigasy ! de aoana amzao ry tefigasy ny fivoaran'io vaovao groupe satanique io??

--mba omeo vaovao iany oe ry ngah !!!

Salut daholo a,
Aleo aloha tsy miteny betsaka hatreto fa sao dia lazain'ny sasany fa manenjika ny fiangonany eo indray ny tenanay raha hilaza ny zava-misy. Ny sur fotsiny aloha dia misy ilay izy ary tranga iray niniana nataon'ny fiangonana iray mba entiny hahazoana olona maro ho tonga any aminy (mapalahelo). Ny publicité moa amin'izany dia manaraka fotsiny ...hatramin'ny olona mitaiza kalanoro sy manao sorabe aza izao lasa mahay manala devoly .... koa !
18. Miharena ( 19/06/2012 05:16)

hatramin'ny olona mitaiza kalanoro sy manao sorabe aza izao lasa mahay manala devoly .... koa !


Ahoana tokoa moa Tefigasy no tsy ahafahan'ireo manala devoly rehefa nampianarina izy? Tsy tonga hiantso ny marina anie Jesoa fa ny mpanota mba hibebaka sy hiasa ho AZY e!
19. majesty ( 09/07/2012 06:47)
rehefa mandinika ny vola tena marina, dia fantatra ho azy ireo vola sandoka isan-karazany!aza lany andro mandinika an'izao fikambanana etsy sy eroa izao, fa tsy mitondra soa izany, fa ny finoana ao anatinao no kolokoly sy karakarao mba hitombo sy hiha-mafàna hatrany hatrany !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0844