Ny fivavahana (Religion) no fototry ny olana eto an-tany_AHoana marina?

1. Miharena ( 28/05/2012 05:18)
Mba hanetsiketsehina indray ity forum ity araka ny tenin'i Didi10 dia aleo hiainga kely amin'ity resaka ity izay navoitran'ilay olona avy any Etazonia nilaza fa vavolombelona iray hitory ny fahamarinana farany alohan'ny farandro (jereo rohy amin'ny hafatr'i Didi10 : 27 mai 2012...)

Araka ny tena hevitra ao dia diso daholo afa-tsy iray ihany ny fivavahana eto ambonin'ny tany. Mety ho fantatsika ve io fivavahana io ? Ary raha niteny koa aza ilay vavolombelona hoe tsy tokony hisy intsony ny religion, dia inona no endrika tena marina ary efa misy ve olona mampihatra izany ankehitriny?
novalian'i Miharena ny 09/07/2012 12:31
2. didi10 ( 29/05/2012 08:22)

Miharena:

Araka ny tena hevitra ao dia diso daholo afa-tsy iray ihany ny fivavahana eto ambonin'ny tany. Mety ho fantatsika ve io fivavahana io ? Ary raha niteny koa aza ilay vavolombelona hoe tsy tokony hisy intsony ny religion, dia inona no endrika tena marina ary efa misy ve olona mampihatra izany ankehitriny?


Tsara ny Tompo

Raha mandinika ny bokin'ny apokalipsia isika dia misy hafatra 7 samy hafa nomen'i Jesosy ho an'ny fiangonana 7 samihafa (Apok 2 - Apok 3).

Tsy nisy tonga lafatra ireo fiangonana ireo fa samy nahazo tsininy avokoa, misy izay voalaza fa eo amin'ny seza fiandrianan'i Satana, misy ny tsy manana an'i Kristy ao anatiny fa ao ivelany Izy mandondona...
Samy mihevitra sy manizingizina ireo Fiangonana ireo fa manana ny fahamarinana kanefa Andriamanitra dia mananatra ny tsirairay amin'ireo hibebaka sy hiverina Aminy.

Katsaho ny fahamarinana fa "ny Fiangonan'Andriamanitra velona dia izay andry sy fiorenan'ny fahamarinana". (Tim I 3,15)
3. Miharena ( 29/05/2012 12:51)
Ny fanazavana ao anaty boky dia fivoaran'ny fiangonana no asehon'ny hafatra ka fiangonana araka ny vanim-potoana no voarakitry ny fanambarana ao amin'ny Apokalypsy.

Raha miainga amin'izay isika dia tokony hanao fanamporofoana hoe izany tokoa no endrika tokony hanazavana ny Apokalypsy.

Raha fiagonana fito samihaf aindray araka ny fahazon'i Didi10 azy, efa azo kilasiana amin'izao fotoana izao ve na koa hoe azo jerena taratra amin'ny fiangonana misy ankehitriny ve izy fito ireo? Ny fantatra manko dia anarivon yny firehena misy momba ny fiangonana fotsiny ankehitriny.
4. leva2 ( 31/05/2012 18:35)
Velona Jesosy!

Mahaliana ahy ilay loha-hevitra.
Raha ny marina dia efa niady hevitra momba io resaka io tamina fikambanana iray aho.
Ny endrika fiangonana fito ambara ao amn'ny Apokalipsy dia mahasokajy ny fiangonana rehetra misy eran'izao tontolo izao.
Jereo anie ny ao Madagasikara e : diniho fa hita ao avokoa ireo endrika fito ireo, ampy sady feno mahasokajy ny karazam-piangonana an'arivony.
Hiombonako ny hevitra navoak'i didi10 hoe tsy misy tonga lafatra izy ireo, ary misy aza tena sinagogan'i satana mihitsy, fa misy kosa leferin'Andriamanitra ihany ny kilemany. Ary izy rehetra dia samy mahazo hafatra avokoa ny mba hibebaka sy hiverina aminy.

Firifiry ny olona voafitaka amin'ny fanarahana antokom-pivavahana sy ny fombafombany, saingy indrisy fa tsy tafakambana amin'i Jesosy Kristy akory.
Ny finoana marina, tsara fototra sy mafy orina dia tsy miorina eo ambonin'ny antokom-pivavahana na mpitondra fiangonana na firehan-kevitra téolojika fa miorina eo ambonin'ny Tenin'Andriamanitra.
Oharina amin'ny lehilahy hendry ka manorina ny tranony eo ambony vatolampy ary raha avy ny tafio-drivotry ny firehan-kevitra samihafa dia tsy hiontsona. Matio 07/24-27.
5. Miharena ( 01/06/2012 04:17)
Misy fahamarinana ny fandalinana naroson'ny olona nireska tamin'i Leva2. Azo lazaina fa endri-pon'ny olona no voakilasy ao amin'ny toetra fito voambara ao amin'ny Apokalypsy.

Izany anefa dia tsy mandiso ihany koa ny fanadihadiana nataon'ilay mpanoratra amin'ny firesahana fiangonana fito misesy izay manambara ankapobeny ny lalan'ny fiangonana. Ary azo lazaina aza fa mamintina ny tantaran'izao tontolo izao ara-panahy izy ao amin'ny boky.

Mety ho lava ihany ny fandalinana eto fa hisafo ny fiainan'Andriamanitra ao amin'ny olony. Mba tsy hanaovana adihevitra dans le vide dia soratana tanteraka eto aloha ireo teny ao amin'ny Apokalypsy momba ny Fiangonana fito:



1 [Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia]

[Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia]
2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;
3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao.
5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.
6 Kanefa izao no toetranao:* halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa. [* Gr. anananao]

7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia]

8 [Smyrna] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: [* Gr. eklesia]

9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3)
10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.
11 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [* Gr. eklesia]

12 [Pergamosy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Pergamosy: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: [* Gr. eklesia]

13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana.
14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga.
15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny.
16 Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako.
17 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [* Gr. eklesia]

18 [Tyatira] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: [* Gr. eklesia]

19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.
20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy.
21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy.
22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy.
23 Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [* Gr. eklesia]
24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;
25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.
26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa;
27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko.
28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.
29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
Chapitre 3
1 [Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia]


2 Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako** tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [* Gr. Miareta tory] [** Na: (tsy hitako)]
3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina* ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [* Gr. hiari-tory]
4 Kanefa misy olona* vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [* Gr. anaranana]
5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.

6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]

7 [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia]
8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc]
9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]

14 [Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao: [* Gr. eklesia]

15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao.
16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao;
17 fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
19 Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay]
20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.

22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]



Rehefa dinihina dia misy lalana nitomboan'ny fiangonana azo tsoahina ao anatin'ireo hafatra ireo izay miantomboka any amin'ny fitanana ny tena marina izay nanomboka nibirioka noho ny fisian'ireo apostoly sandoka ka hatramin'ny fiangonana milaza famanan-karena nefa ara-materialy ihany izany fa tsy misy fitomboam-panahy ao anatiny.

Sedra lehibe no azo ilazàna ny finoana raha io fanadihadiana io no jerena tsara ary mety ahafahana miverina any amin'ny voalohany indrindra, dia ny asan'ny Apostoly tena izy ka ahafahana mpaka amin'ny tenin'i Leva2 hoe :



Ny finoana marina, tsara fototra sy mafy orina dia tsy miorina eo ambonin'ny antokom-pivavahana na mpitondra fiangonana na firehan-kevitra téolojika fa miorina eo ambonin'ny Tenin'Andriamanitra.
Oharina amin'ny lehilahy hendry ka manorina ny tranony eo ambony vatolampy ary raha avy ny tafio-drivotry ny firehan-kevitra samihafa dia tsy hiontsona. Matio 07/24-27



6. MitovyB ( 03/06/2012 16:52)
Amiko ny tena fiangonana tena izy dia ireo fiangonana tena milaza tsy misy miafina ny voalaza ao @ Baiboly ary mampiatra izany eo @ fiainana rehetra, faharoa, dia tsy tia manota ary tsy mankasitraka ota ihany koa !, satsia ny Baiboly dia milaza mazava fa :tsy ny manao(manota) ihany fa ny mankasitraka koa dia meloka! ka fantaro fa misy fiangonana iray tena izy eto Mada izay tsy tian' ny olona akory ny miditra ao aminy satsia izy dia maneho @ olona ny fahotana rehetra nefa kosa dia manolotra sy mampianatra ny olona mba hahita izany atao hoe: FAMONJENA izany!
7. Miharena ( 04/06/2012 03:59)
Misaotra an'i MitovyB naneho hevitra.

Misy tokoa ny fiangonana no mampiseho ny heloky ny olona iray tsy afinafenina fa aseho ampahibemaso mba hampibebaka azy eto Madagasikara. Fa azo lazaina ve fa mahazo fiovana tokoa ny olona ao sa mbola misy ny mangetaheta vatsim-panahy?

Raha ny lohahevitra aloha hoe misy ny korontana satria misy ny firehan-kevitra maro eo amin'ny samy Kristianina. Inona marina no maha-samihafa azy ary inona no tena iraisany?
8. rekinbelo ( 05/06/2012 13:11)
Fa inona ary ny antony nametrahan'i JK hoe " raha hoavy ny zanak(olona, moa ahita finoana ety ambony tany Izy?"
Misy dikany lehibe io fanontaniana io ry namana isany raha mandinika isika satria jereo tsara fa maro be ny fiangonana milaza azy ho kristianina amin'izao fotoana izao, nefa iza amin'ireo ary no ekeny JK rehefa hoavy izy hoy nareo?
9. didi10 ( 06/06/2012 07:59)
Andriamanitra minia tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalàna, tsy gaga isika raha misy fiangonana maro manana fahamarinana mifanipaka nefa samy miasa ao ny Fanahy Masina, amiko dia tsy miankina amin'ny anaram-piangonana ny famonjena fa Andriamanitra mandinika ny voa sy ny fo ka mahafantatra ny fitiavan'ny tsirairay Azy, fa lozan'ireo izay mahalala ny fahamarinana kosa anefa ka minia mikiry amin'ny fampianaran-diso.
10. rekinbelo ( 07/06/2012 08:54)
Ka tsy midika koa anie ry namana fa izay mivavaka rehetra dia mahazo sitraka @ Andriamanitra e!
Isika aza mety ho diso fihevitra fa mety ireo tsy mivavaka mihitsy no tiany kokoa toy izay ireo manao sary mivavaka e!
Nefa tsy anjarantsika mitsara izanyfa aleo Hoazy Irery izany !
11. Miharena ( 07/06/2012 18:09)
Marina ny fanamarihana eo ambony fa mila tafavoaka tsara ilay resaka navoitran'ny Baiboly ny amin'ny olona mila mifora fo.

Rehefa tonga amin'ny tanjona hoe tsy firehan-kevitra intsony ny finoana fa fiainana ary mahenika ny manodidina ny fiasan'ny manam-pinoana marina dia azo lazaina fa izay no fahatanterahan'ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny olombelona.

Rehefa dinihina ireo hevitra navoitrantsika teo aloha rehetra dia mbola misalasala hamoitra io tranga nolazaiko io. Ny olona manana hetaheta ka mahatsiaro fa afaka no atao hoe tonga amin'ny finoana marina. Raha mbola misy ireo fanontaniana maro be manodidina ny finoana fa tsy mamaly ny vontoatin"ny finoana dia mbola mihodinkodina ny olona amin'izay.
12. rekinbelo ( 16/06/2012 05:52)
raha nanaraka tantara nisy teto ambony ny tani isika namana dia tadidio fa ny fivavahana no fototry ny ratsy rehetra nisy. Ohatra no omeko : croisade, ny fandefasana missionnaire nefa natao itsikilo ny tany tiany hozanahany ny firenena eropeanina, fanohanana ady ary ny famporisihana olona iady, nampianatra olona hifanavakavaka ihany koa.
Rehefa zohiana izany dia toa tsy misy fivavahana marina eto an-tany, satria raha misy izany dia tsy ho toy izao mihitsy ny fiainana eto an-tany fa tsaraa lavitra noho izao aza.
13. Miharena ( 16/06/2012 15:42)
Marina ireo resaka fanjanahana ireo saingy mila tsaroana ihany koa anefa fa tsy azo lazaina fa nitondra fanahy ratsy ny vahiny nampiditra ny fampahalalàna an'i Kristy teto. Mario ireo Maritiora no nahatsaa sy nahita an'i Kristy ary maro ihany koa ny mpaminany nahatsangana toby Masina maro teto amintsika izay mahavaha olana maro ara-panahy.

Ny mahatonga ny hoe ny fivavahana no fototry ny olana misy rehetra dia rehefa mandrirotra hevi-diso avy ny tsirairay na koa milomano ao anatin'ny tsy fahalalàna ka mihevitra ny isan'antokony avy fa izay lalàna ara-nofo no mahavonjy.
14. majesty ( 09/07/2012 06:44)
ny fivavahana no fototry ny olana eto ambonin'ny tany ????? hafa indray zany !!!
dia ny fivavahana inona hono, ny fivavahana @ sampy ve sa ny fivavahana kristiana, sa ny fivavahana silamo, sa ny fivavahana bouddista sns ???

dia ampiko kely hoe sao d ny tsy fivavahana no mampisy ny olana ???
15. Miharena ( 09/07/2012 12:31)
Tsy ny fivavahana amin'ny maha-fivavahana azy no fototry ny olana fa ny tsy iftoviam-pijery ny fahamarinana.

Rehefa tena zohina tsara ny foto-kevitry ny antoko tsirairay dia misy ireo mifantoka amin'ny tantara izay rehefa misy diso na tsy ampy dia mampandringa ny finoany. Dia rehefa misy mandroso hevitra hafa momba io tantara io dia miala amin'ny teo aloha na miady amin'ny teo aloha dia toy izany hatrany no miseho. Ny fahavoazana anefa dia tsy misy na iray aza azo lazaina fa marina afa-tsy izay fiainana ankehitriny satria ny lasa dia efa lasa ary ny ho avy mbola ankamantatra. Io fiainana ny ankehitriny io no tsy ampy amin'ny olona dia manao fangatahana izy nefa tsy voavaly dia manaboka ny hafa izay nitondra tantara iray momba ny fahamarinana, dia toy izany hatrany ka mikorontana ambony ambany ny mpivavaka rehetra no fiafarany satria tsy hita intsony ny marina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1095