Ny Fanahy

1. Racesco ( 19/05/2012 16:17)
Araka ny finoana na ny fisainan'ny Malagasy, makaiza ny fanahy rehef maty ny olona iray?
Zay mahita hevitra de mba omeo valin-teny e. Misaotra.
novalian'i Nehemiah ny 29/01/2013 12:16
2. sylvette ( 20/05/2012 07:59)
raha mimo sy matoky an andriamanitra zay nahary ny lanitra sy tany,ary jesosy kristy nitsangana t@ maty,ny fanahy dia miaramandova am kristy ao@ fanjakan andriamanitra ratsizany dia any@ helomirehitrafo , noho izany manana finona an andriamanitra fa tsy ho foana tsy akory ny fisasaranao sylvette
3. sitlo ( 20/05/2012 12:29)
Araka ny finoan'ny vazimba dia ny olombelona dia iray amin'ny zavaboahary. Izany hoe teraka, velona, miaina dia farany maty.
Ny fanahy aminy dia ny toetra. Ao ny olona tsara fanahy, ao ny olona ratsy fanahy.

Efa taty aoriana vao niditra ny kolotsaina hoe "fanahy ratsy", "fanahy maloto", "fanahy masina", sns
4. Racesco ( 20/05/2012 21:43)
Misaotra anao, marina mihitsy io, fa ny tiko hofantatra zany oe talohn'io makaiza ny fanahy no an'ny malagasy; misy mako milaza fa miara-milevina @ vatany ao hono ny fanahy de zay no tsy azoko.
sylvette:

raha mimo sy matoky an andriamanitra zay nahary ny lanitra sy tany,ary jesosy kristy nitsangana t@ maty,ny fanahy dia miaramandova am kristy ao@ fanjakan andriamanitra ratsizany dia any@ helomirehitrafo , noho izany manana finona an andriamanitra fa tsy ho foana tsy akory ny fisasaranao sylvette
5. Racesco ( 20/05/2012 21:45)
Misaotra anao. Io zany le oe ny fanahy no mahaolona sa ny fanahy no olona, ka rehef maty zany ny olona, araka ny fiheveran'ny ntaolo malgasy de maty ko fanahy io sa tsy zany?
sitlo:

Araka ny finoan'ny vazimba dia ny olombelona dia iray amin'ny zavaboahary. Izany hoe teraka, velona, miaina dia farany maty.
Ny fanahy aminy dia ny toetra. Ao ny olona tsara fanahy, ao ny olona ratsy fanahy.

Efa taty aoriana vao niditra ny kolotsaina hoe "fanahy ratsy", "fanahy maloto", "fanahy masina", sns
6. sitlo ( 21/05/2012 12:05)
Ny fanahy no maha-olona no izy fa tsy ny fanahy no olona izany. Tahaka ny hoe ny vola no maha-rangahy fa tsy ny vola no rangahy.

Ny mitovy hevitra amin'io dia ny voalazan'ingahy Rabelais hoe "Science sans conscience n'est que ruine de l'âme".

Raha ny tamin'ny vazimba dia tsy nisy ilay fanahy lazain'ny baiboly. Azo tohanana tsara ny fahitany manao hoe: nahoana ny alika no tsy misy fanahy nefa ny olona misy?

Raha ilay toetra indray dia mazava ho azy fa maty miaraka amin'ilay olona ilay toetra.
7. Racesco ( 21/05/2012 21:45)
Misaotra anao sitlo, lalina toko ny fandren'ny malagasy taloh na dia tsy mbol nahalala zany Andriamanitra sns zany izy
Fa zah mieritreritra oe tsy maty le toetra satria iny no itsarana le olona hoe tsara fanahy na ratsy fanahy, le toetrany zany mipetraka ho fahatsiarovana.
8. didi10 ( 22/05/2012 10:20)
Nino ny fanahay tsy mety maty ny malagasy, ny teny hoe ny fanahy ny maha olona dia entina hampiavaka ny olona sy ny biby satria ny biby tsy mba manam-panahy amin'ny fahendrena malagasy.
Rehefa maty ny olona iray na iza izy na iza dia lasan-ko razana izany hoe miakatra ambaratonga ambonimbony kokoa noho ny olona velona ka manana hery tsy takatry ny saina afaka mitahy ny velona: izay no mahatonga ny gasy hangatam-pitahiana amin'ny razana, amin'ny alalan'ny joro sy ny famadihana.

Raha atao sarisary ny hierarchie nisy teo amin'ny finoana nentin-drazana dia toy izao:

1/ Zanahary (ambony indrindra)
2/ Razana
3/ Olona velona
4/ Biby (ambany indrindra)

Koa raha valiana ilay fanontanian'ny namana momba ny hoe mankaiza ny fanahin'ny maty amin'ny malagasy dia ny valiny dia hoe: manakaiky ny Zanahary ary afaka antsoina raha misy ny ilàna azy.
9. Racesco ( 22/05/2012 12:49)
Misaotra didi10 a, tena mazava mihitsy....tsy izany mantsy fa nisy namako iray nilaza fa rehef maty hono ny olona dia miara-milevina aminy ao am-pasana koa ny fanahy, de zay no nahagaga ahy...mankasitraka eeee
didi10:

Nino ny fanahay tsy mety maty ny malagasy, ny teny hoe ny fanahy ny maha olona dia entina hampiavaka ny olona sy ny biby satria ny biby tsy mba manam-panahy amin'ny fahendrena malagasy.
Rehefa maty ny olona iray na iza izy na iza dia lasan-ko razana izany hoe miakatra ambaratonga ambonimbony kokoa noho ny olona velona ka manana hery tsy takatry ny saina afaka mitahy ny velona: izay no mahatonga ny gasy hangatam-pitahiana amin'ny razana, amin'ny alalan'ny joro sy ny famadihana.

Raha atao sarisary ny hierarchie nisy teo amin'ny finoana nentin-drazana dia toy izao:

1/ Zanahary (ambony indrindra)
2/ Razana
3/ Olona velona
4/ Biby (ambany indrindra)

Koa raha valiana ilay fanontanian'ny namana momba ny hoe mankaiza ny fanahin'ny maty amin'ny malagasy dia ny valiny dia hoe: manakaiky ny Zanahary ary afaka antsoina raha misy ny ilàna azy.
10. njaraiharana ( 21/01/2013 23:36)
Raha ny finohana Malagasy (Zanaharisme) no jerevana dia tahaka ny christianisme ihany misy ny:
- Zanahary (mitovy @oe Ray), io izany no lehibe indrindra, avy @teny malais oe "harii" midika oe "masoandro, na "mpamorona"
- Razana (mitovy @ zanaka). Ary mifampitohy @ fazanazavan'i namana didi10 etsy ambony.

Tsara ho marihina fa ho an'ny fisainana malagasy taloha dia tsy tapitra tanteraka mihitsy ny fiainan'ny olona iray, na dia efa maty aza, ny vatany fotsiny no maty fa Izy sy ny fomba fisainany ary ny fahendreny dia mitohy, dimbiasin'ireo zanany sy ny zafikeliny ary ny taranany.
Misy ny continuite de la vie, de savoir faire sy ny rehetra.
Raisiko ohatra, ho ahy, ny dadabeko ohatra nanana ny fahaizany, ny fahendreny ary ny traikefany, io dadabeko io mampita ireo rehetr ireo amin'ny raiko na ny reniko, ary ny raiko na ny reniko mampita ireo amiko, ary anjarako ihany koa mampita ireo rehetra ireo amin'ny zanako, ary ny zanako amin'ny zafikeliko.
Noho izany ireo olona efa lasa nialohalalana dia mipetraka fona ny fahendreny sy ny fahaizany.
11. Nehemiah ( 22/01/2013 05:27)
Tsy tokony hahagaga antsika kristiana ny fahaizana ny Ntaolo ny mombamomba ny fanahy, satria rehefa ny Baiboly no dinihina, nahafantatra an'Andriamanitra daholo ny olombelona rehetra taorian'ny Safo-drano, fa saingy niparitaka eran'ny tany daholo izy rehetra taorian'ny fanariana an'Andriamanitra lehibe tany Babela notarihin'i Nimroda.

Tsy mba ny Ntaolo gasy irery no manana an'izay fahalalan'ny fanahy tsy mety maty izany, fa na dia ny Egyptiana, miaraka @'ireny resaka "ka" sy "khou" ireny, dia mba nahalala an'izay koa.
12. njaraiharana ( 29/01/2013 11:47)
inona le resaka ka sy khou kay fa tsy haiko
13. Nehemiah ( 29/01/2013 12:16)
Google is your friend ;)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2467