Test: Inona no antony handehananao mivavaka na miangona na mamonjy fivoriana masina rehefa faran'ny herinandro?

1. didi10 ( 09/05/2012 06:47)
Tsara ny Tompo

Miangavy antsika aho ry namana mba handray anjara amin'ity test ity, ny tanjona dia mba ny hahafantarantsika hoe inona no solika mampandeha antsika ara-panahy. Tsy misy valiny disoina akory sanatria fa ny Baiboly no entintsika maneho fa misy ny solika tsara kokoa noho ny solika hafa.

Misaotra Mialoha.
novalian'i majesty ny 09/07/2012 06:52
2. didi10 ( 14/05/2012 07:00)
Tsara ny Tompo

Misaotra antsika namana na dia tsy namaly ny fanontaniana mivantana teto aza isika fa mba samy nieritreritra ny azy tsirairay avy sy nitazona ny valiny tany am-pony tany.

Rehefa anontaniana ny Kristianina dia valiny miisa 4 karazany ihany no miverimberina.

Fanontaniana
Inona no antony handehananao mivavaka na miangona na mamonjy fivoriana masina rehefa faran'ny herinandro?

Satria:
1- Mila an'Andriamanitra aho eo amin'ny fiainako 25%
2- Te ho voavonjy, Te handova ny fanjakan'ny lanitra aho 60%
3- Manaja ny Didin'Andriamanitra aho 15%
4- Tiako Jesosy, Tiako Andriamanitra. 05%

Misy fanoharana kely ity tiako hozaraina aminareo.

Misy olona 2 nankany amin'ny birao fisoratam-panambadiana fa mikasa ny hanoron-tokantrano, rehefa nanontaniana izy roa ny antony hahatonga azy roa eto amin'ny biraon'ny firaisana dia namaly tsy nihambahamba ilay voalohany fa noho ny fitiavana ilay iray amin'ny fitiavana tsy manam-petra no antony, fa rehefa nanontaniana kosa ilay iray dia tsy mba nilaza izy fa ny fitiavana no antony, manbao ahoana re ny "reaction" n'ilay olona tia raha miteny ilay faharoa hoe:

1- Alaiko vady izy satria mila azy aho amin'ny fiainana andavanadroko, mila mpahandro sakafo aho, mila mpanasa lamba sy mpanafana aho amin'ny alina, mila olona mampidi-bola aho hamelona ahy.
2- Alaiko vady izy satria raha mivady izahay dia handova ny hareny tsy manam-paharoa aho ka ho sambatra miaraka aminy, tsy hijaly intsony aho ary tsy hanan-java mahory.
3- Alaiko vady izy satria izay no lalàn'ny fiainana , mila misoratra ny olona tahaka ireo efa mpanara-dalàna rehetra teo alohako.

Mazava ho azy fa mety hiteraka fandàvana avy hatrany avy amin'ilay olona tia,ny valin-tenin'ilay olona iray.

I Kor 13,13
13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.

Mba efa nandinika io teny io ve isika sa mba hay tsinjery fotsiny fa Tenin'Andriamanitra izany?
Ary ankehitriny:
Milaza fa misy fanavaozana ny zavatra nitoetra hatrizay.
Hatramin'izay dia ny lalàna izay natao ho an'ny maditra no nandehanan'ny olona, izay namaly fa mandeha mivavaka izy satria izay no didin'Andriamanitra dia mandeha amin'ny lalàna kanefa ny Tenin'Andriamanitra milaza fa :"Tafasaraka amin'i Kristy izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna" (Gal 5,4)

Fa ny fitiavana no lehibe indrindra:

Mety ve izany raha ny finoana no atao lehibe indrindra?
Ireo namaly fa ny antony hivavahany dia ny filany an'Andriamanitra, Jesosy hiasa eo amin'ny fiainany dia manao ny finoana ho ambony noho ny fitiavana.
Mino izy fa ny fananany an'i Jesosy dia hampirindra ny fiainany, ny fiaintsoany ny AnaraNY dia hanasitrana sy hahazoany fitahiana, marina izany ary tsy misy diso saingy mandeha amin'ny filàn'ny nofo izany ary mandeha amin'ny herin'ny tena ihany fa tsy mba amin'ny fitiavana. Raha tia Azy ianao dia hanaraka ho azy izany rehetra izany.

Mety ve izany raha ny fanantenana no atao lehibe indrindra?
Ireo namaly fa ny antony hivavahany dia ny mba ho voavonjy sy te handova ny fanjakan'ny lanitra dia manao ny fanantenana ho lehibe noho ny fitiavana, inona tokoa moa no antenanain'ny Kristianina maro tsy mba izany handova ny fanjakan'ny lanitra izany? fa mba tia an'Andriamanitra ve ianao maika ny handova io? rehefa hitany "par intérét" no nandraisanao Azy ho Tomponao dia ho laviny ianao, fa raha tia Azy ianao dia hanaraka ho azy izany rehetra izany.

Efe 5,1
[-5-] Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; 2 ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana [fanatitra alatsa-dra] amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.

I Kor 16,13-14
13 Miambena hianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. 14 Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.

AMENA!

3. Veloo ( 14/05/2012 17:47)
Ny andehanako mivavaka: hidera an'i Jesosy sy hisaotra azy fa mbola tia ahy izy ary mbola velon'aina.
miangona: ny hanakolokoiko ny finoana ananako, hapantajaka an'izany sy hihaona amin'ireo rahalahy sy anabavy ao @ tompo mila chargena isan-tsabata ny na dia eo ary ny isan'andro, ny fiainana spiritoaly.
4. niryna ( 15/05/2012 16:11)

Veloo:

Ka ny Tompo Kristy anie no Sabata e,sao adinon'i Veloo e
Marina izany andeha hiangona aho fa mila chargena indray aloha ny battery,mila fampaherezana,mila fampahatsiahivana ny tokony atao,mila hifanohina amin'ireo mpiaramombom-panahy ahy.Ny fiangonana dia toy ny hopitaly hoy aho: Kristy tonga mba hamonjy ny marary satria ireny no mila fanafody.MIangona aho satria tsy sasatra ny misaotra sy midera ny anarany isan'andro isan'andro ary ny andro izay nomeko Azy dia tongavako mba hiderako Azy be dia be kokoa hiarahako amin'ireo mpiara mivavaka amiko.Tonga aho satria mitady Azy aho ary andeha hanompo Azy amin'ny hira sy ny valihy:hiara-dera Azy miaraka ireo mpiara-mivavaka amiko.Hanompo Azy ihany koa satria mila olona ny fiangonana ary maro ny asa miandry ny tsirairay ka dia mitondra ny anjara birikiko amin'izany aho( inona avy izany anjara-boriky izany? mety mitarika hira,mety ao anatin'ny choral,mety mampianatra,mety diakonina,mety mpitantam-bola ,mety tompon'andraikitra eo amin'ny tanora io ,maro ary mila ny fandavantenan'ny tsirairay ka izay koa no antony iray andehanana any am-piangonana
5. didi10 ( 16/05/2012 06:58)

niryna:

Misaotra namana Niryna

Mety manana antony maro lazaina isika handehanana mivavaka saingy mila mitandrina sao manao toetra "matérialiste ara-panahy" ka manao an'Andriamanitra ho filàna rehefa tojo ny sarotra fa rehefa mizotra mizotra ny fiainantsika dia toa mandeha amin'ny herin'ny tena isika ka manadino ny Tompo. Manjary tafiditra amin'ilay valin-teny voalohany etsy amin'ny fanoharana nomena antsika tetsy ambony isika ka ho lojika raha halohan'ny vavan'ny Tompo satria sady tsy mafana no mangatsiaka.

Maro tokoa ireo olona mandeha mivavaka hidera Azy sy mitondra ny anjara biriky ao amin'ny fiangonana saingy mila mitandrina ihany koa sao tsy ny fitiavana an'Andriamanitra no anaovana izany fa ho voninahitry ny tena.

Aoka ny fitiavana no ataontsika ambonin'ny hafa rehetra.
6. RBNIR ( 16/05/2012 09:24)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)

Ny ahy ny antony dia ho fikatsahana ny fanjankany sy ny fahamarinany aloha.

Satria tokoa mantsy tsy te ho very aho fa te hanana fiainana mandrakizay : « Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jao.3:16)

Samy ho tahin'ny Tompo daholo indray namana
7. didi10 ( 16/05/2012 10:18)
Misy fanoharana hafa indray ity omena antsika

Misy lehilahy iray mpanam-bola; efa antitra monina any ambanivohitra, manana zanaka 4 samy efa manambady izay tsy mitoetra eo aminy intsony fa mipetraka any an-drenivohitra.
Dia nampanantsoiny ireto zanany ka nomeny izao hafatra izao:

Tiako ianareo ry zanako ary ireo rehetra ananako ireo dia omeko anareo rehefa tonga ny fotoana fa mandrapahatongan'izany dia mangataka aminareo aho ho tonga hitsidika ahy aty isaky ny Sabotsy mba hanehoanareo ny fitiavanareo ahy.

Ilay zanany voalohany dia olona tsy dia afaka eo amin'ny fiainana ka zarany aza mankany amin'ny rainy isaky ny sabotsy mba hangataka ny rehetra ilainy mandritra ny herinandro ka rehefa lany io dia mangataka indray izy, rehefa metimety kosa ny fiainany dia tsy mankany izy na izay andro tiany andehanana no andehanany.

Ilay zanany faharoa dia mandeha any ihany isaky ny sabotsy saingy isaky ny tonga ao amin'ilay rainy izy dia mimenomenona fa mba misy zavatra atao hafa rehefa week-end fa tsy handeha hankaty foana, maninona hoy izy raha atao isaky ny iray volana na isaky ny roa volana ? saingy efa lalàna napetraky ny rainy moa ilay hoe isaky ny sabotsy dia mandeha ihany izy.

Ilay zanany fahatelo dia olona maika handova ka isaky ny tonga any isaky ny sabotsy izy dia ny hizaran'ilay rainy ny fananana amin'izay foana no angatahiny, ary tsy andriny mihitsy ny hahafatesan'ity rainy ity, manao fivoriana manokana foana izy mba hiadiana varotra izay ho anjarany fa tsy mba tafatoetra eo amin'ity rainy ity mihitsy.

Ilay zanany fahaefatra kosa dia tonga alohan'iretsy iray tampo aminy mandrakariva, mazoto mikarakara ny trano sy ny sakafo ary mampiseho fisaorana sy fitiavana mandrakariva an'ity rainy, tsy miraharaha izay lova any izy fa efa fantany fa azy ireny, tsy andriny izay hahatongavan'ny sabotsy fa na andavanandro aza izy dia miantso ny rainy hatrany hisaotra sy miteny azy fa tiany ity rainy.

Koa manontany anao aho iza amin'ireo zanany ireo no ho tian'ilay rainy ambony noho ny rehetra ka omeny ny lova rehetra?

8. Tefigasy ( 16/05/2012 10:38)
didi10:

Misy fanoharana hafa indray ity omena antsika
.........

Koa manontany anao aho iza amin'ireo zanany ireo no ho tian'ilay rainy ambony noho ny rehetra ka omeny ny lova rehetra?

Efes.2 : 8 - 9 "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany , fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa , fandrao hisy hirehareha"

==> Tsy noho ianao akory hoe: masimasina koakoa, na tsaratsara koakoa na miasa koakoa na be fitiavana koakoa no antony namonjeny anao ka nanolorany ho anao ny fandovana ilay fiainana mandrakizay ...
9. didi10 ( 16/05/2012 12:02)
Kor I 13 : 1 - 13
[-13-] Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. 2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho. 3 Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, 5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo, 6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, 7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. 8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana. 9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika; 10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony. 11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana. 12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy. 13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.
10. Tefigasy ( 16/05/2012 15:02)
ilay fanoharana toa milaza hoe "satria be fitiavana ilay zanaka dia nomena azy ny lova, avy amin'ilay fitiavan'ilay zanaka no nahazahoany an'ilay lova" izay tena diso izany fiheverana izany.

Ny tena marina dia noho ilay fitiavan'ilay Ray no nanomezany ilay lova na dia efa hita izao aza fa maditra, tsy tokony ary tsy mendrika ny handova azy ny olona izay natsangany. Ary tadidio fa tsy misy olombelona mendrika izany fiainana mandrakizay izany raha tsy noho ilay Andriamanitra zanaka ihany !
Betsaka ary misy anie ny olona (Jiosy) no mitady sy mangetaheta ary miezaka manolotra fitiavana an'ilay Jehovah Andriamanitra saingy mandà an'i Jesoa Kristy zanaka e , tsy mandray Azy akory ho Tompo sy mpamonjy ary fantatrao angamba no hifaran'ireny olona ireny ...
11. ded.kitty ( 16/05/2012 16:29)
Raha ny tena marina izaho tsy dia mandeha miangona firy. Rehefa taritin'ny vadiko na namana angamba. Somary sarotra amiko mantsy ny mifanerasera amin'ny olona tsy fantratro. Tsy hainao izy namanao ao am-piangonana, rahampitso izy gadrain'ny pra fa namiravira ny solafany an-keriny.
Ny voamariko koa dia fiangonana feno olona mijaly matetika no tena milay an. Mihira am-po ry lerony, tena tsapanao manidina ny fanahy miara-mihira sy mivavaka aminy. Rehefa mandeha fiangonan'ny mpanana sy mahery isany indray raha henoina hoatra olona voatsidron'ny lalitra tse-tse iray trano: "Aaaaaaaaaaameeeeeeeeeeeen" (zzzzzzzzzzzzzzzz)
Fa izao e. Tsisy resaka ao @ baiboly milaza hoe Joba mpiangona isaky ny alahady, kanefa tsy misy olom-belona ka mitovy aminy araky ny filazan'i Tompo. Ka mihevitra aho hoe raha tena tia hifandray @ Andriamanitra aho, dia tokony ny ao anaty aloha no manompo an' Andriamanitra, ka hita mitaratra ao hivelany amin'ny fomba sy fitondran-tena. Tsy hoe satria miangona sy misotro divay mitapoka rano amina kopy misy roran'olon-kafa tsy hainao raha misy tuberculose na gencivite, sy mofo kely avy ao @ Abad, dia hoe avotra sy tsy manan-tsiny intsony.

didi10:

Tsara ny Tompo

Miangavy antsika aho ry namana mba handray anjara amin'ity test ity, ny tanjona dia mba ny hahafantarantsika hoe inona no solika mampandeha antsika ara-panahy. Tsy misy valiny disoina akory sanatria fa ny Baiboly no entintsika maneho fa misy ny solika tsara kokoa noho ny solika hafa.

Misaotra Mialoha.
12. didi10 ( 18/05/2012 06:30)

ded.kitty:

Raha ny tena marina izaho tsy dia mandeha miangona firy. Rehefa taritin'ny vadiko na namana angamba. Somary sarotra amiko mantsy ny mifanerasera amin'ny olona tsy fantratro. Tsy hainao izy namanao ao am-piangonana, rahampitso izy gadrain'ny pra fa namiravira ny solafany an-keriny.
Ny voamariko koa dia fiangonana feno olona mijaly matetika no tena milay an. Mihira am-po ry lerony, tena tsapanao manidina ny fanahy miara-mihira sy mivavaka aminy. Rehefa mandeha fiangonan'ny mpanana sy mahery isany indray raha henoina hoatra olona voatsidron'ny lalitra tse-tse iray trano: "Aaaaaaaaaaameeeeeeeeeeeen" (zzzzzzzzzzzzzzzz)
Fa izao e. Tsisy resaka ao @ baiboly milaza hoe Joba mpiangona isaky ny alahady, kanefa tsy misy olom-belona ka mitovy aminy araky ny filazan'i Tompo. Ka mihevitra aho hoe raha tena tia hifandray @ Andriamanitra aho, dia tokony ny ao anaty aloha no manompo an' Andriamanitra, ka hita mitaratra ao hivelany amin'ny fomba sy fitondran-tena. Tsy hoe satria miangona sy misotro divay mitapoka rano amina kopy misy roran'olon-kafa tsy hainao raha misy tuberculose na gencivite, sy mofo kely avy ao @ Abad, dia hoe avotra sy tsy manan-tsiny intsony.

Marina ny filazanao namana fa ny ao anaty aloha no tokony manompo an'Andriamanitra voalohany, hoy ny Salamo 103 hoe:
"Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anaraNY masina.
2 Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary aza misy hadinoinao ny fitahiaNY rehetra,
3 Izay mamela ny helokao rehetra,
Izay manasitrana ny aretinao rehetra,"

Saingy raha manam-pitiavana ianao dia tokony handeha amin'ny fitiavana, tsy hitsara izay mpiavavaka miaraka aminao na ny fomba ataony fa tia ny olona rehetra indrindra ilay Andriamanitra hivavahanao.

I kor 14,12
12 Ary toy izany ihany koa hianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.

Tsy hahita tombontsoa ara-panahy na oviana na oviana ianao raha tsy mazoto mandeha mivavaka aloha voalohany indrindra, ary rehefa mafana tsara ianao dia mampandroso ny finagonana avy eo!

Mahereza namana!
13. Miharena ( 20/05/2012 05:02)
Ny fiangonana dia fifanakalozana sy fifampaherezana eo anatrehan'ny Fitiavan'ny RAY iombonana. Fikasana hizara ho an'ny olombelona rehetra. Ka raha mibirioka ny fahazoana ny Fitiavana sy ny FOTOTRA nipoirana dia manaraka iny avokoa ny iray vala ka ahitana marik'aloka eo an-tampondohan'ny tsirairay avy ao anatiny. Fa raha fantatra tsara kosa fa IZY no iainantsika tsirairay avy sy mamelona antsika tsirairay avy ary izay hitantsika na dia tsy kristianina aza fa heverintsika fa IZY ao anatiny koa dia afaka mapihatra ny FITIAVANY isika ary hipariaka any amin'izay mifanerasera amintsika ny fahazavaNY.

Tsy ilay resaka mandeha mankany sy tsy mankany no zava-dehibe fa ny mampiaina AZY ao anaty na aiza na aiza na miombom-bavaka na mitokana. Satria IZY tsy vafetran'ny fotoana ka raha IZY no resahana amin'ity fehezanteny notanisain'i Didi10 ity

Efe 5,1
[-5-] Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala

Dia mazava fa ny maha-iray ao amin'ny RAY no vontoatin'io teny io ka mahatonga fanahy be FITIAVANA sy mahery entintsika tsirairay avy ary ahafahantsika dieny ankehitriny (tsy mila fanavaozana) mandray ny fiainana mandrakizay. Ny mahalala AZY no manana fiainana mandrakizay hoy i Krsity (Jaona 17 :3).
14. Picsou ( 21/06/2012 09:51)
Hafatra io : Hebreo 10:25 : "Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona tahaka ny fanaon'ny sasany, ..."
15. majesty ( 09/07/2012 06:52)
inona no antony handehananao mivavaka ??? tsy maintsy misy antony moa zany ? dia raha tsy mahita antony dia tsy mandeha ???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.061