témoignage complet de Yves; 2e Voyage en enfer et au Paradis avec Jesus, hafatra ho an'ny gasy

1. didi10 ( 23/04/2012 08:32)
Témoignage 1er voyage
http://www.fjm-ambodiafontsy.org/index.php/Boky-samihafa/index.php?option=com_content&task=view&id=190&Itemid=2

Témoignage 2e Voyage
part1

part2

part3

part4

part5

part6

Tahian'i Jesosy.
novalian'i didi10 ny 11/06/2012 12:29
2. Hagg ( 24/04/2012 11:37)

Misaotra indrindra tamin'ny fizarana fa dia fantatra zany izao ny zavatra miandry an'ny Madagascar. Misaotra ny Tompo nampahalala ny sitrapony amin'ny alalan'i mpanompony fa dia tombony lehibe ho antsika izany....ny fanontaniana dia toa adaladala nefa mba diniho ihany...inona ny tokony hatao ho an'y Madagascar? Ho avotana ve izy ity sa aleo ho rendrika any? Jereo fa ny Tompo toa tsy nilaza hoe ny kristiana ihany...Madagascar hoy Izy.....ny malagasy hoy izy....
3. didi10 ( 24/04/2012 15:08)

Hagg:

Misaotra namana

Samy mila mibebaka aloha ny tsirairay dia izay vao afaka hieritreritra hanavotra an'i Ranona na ny firenena Ranona, tsy aleo ve rahalahy avotana ny Gasy a!
4. Tefigasy ( 25/04/2012 14:36)
Mitovy amin'ny 3eme testament ihany koa ity: betsaka ny resaka teneniny tsy mifanaraka na manohitra izay voalaza ao anaty baiboly, misy betsaka ihany koa ny resaka foronina na ny analyse personnel mikasika ny zava-misy fotsiny ihany na eto madagasikara na eto amin'izao tontolo izao!
Ity ny hafatra mba omeko :

Lio 21 : 8
ary hoy Izy : Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe : Izaho no Izy; ary koa : Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy .

Mar 13 : 5
ary Jesosy nilaza taminy hoe : Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo .

Mat 7 : 15
Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy .
5. didi10 ( 25/04/2012 15:36)

Tefigasy:

Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara.

Ny fijoroana vavolombelona namana dia Andriamanitra irery no afaka mitsara na marina na tsy marina ny nolazain'ilay olona fa ny afaka ataontsika mpihaino dia ny maka lesona amin'izay tandrify antsika.
6. Tefigasy ( 25/04/2012 17:28)
didi10:

Ny fijoroana vavolombelona namana dia Andriamanitra irery no afaka mitsara na marina na tsy marina ny nolazain'ilay olona fa ny afaka ataontsika mpihaino dia ny maka lesona amin'izay tandrify antsika.

Ny baiboly ihany no repere amiko, rehefa misy olona milaza zavatra mifanohitra na ivelan'izany dia misandoka izy izay ary tsy fitsarana akory no milaza ny zava-misy sy ny marina

Milaza izy fa izay tsy mandoa 10% dia tavela any ambany na any @ afo be - ny baiboly manambara fa izay tsy mino no helohina. Ohatra fotsiny io fa betsaka ny teny nambarany izay tsy mifanaraka tanteraka @ tenin'andriamanitra ao anaty baiboly ao
Tsy de hitako loatra ny lesona tsoahina @ izany satria fampianarana efa hita fa mivaona!
7. Hagg ( 26/04/2012 06:36)
Miarahaba antsika namana rehetra,
Marina fa nis resaka dime tao izay azo raisina ho ilay 10%, kanefa koa voalaza fa "tsy ny harenanareo ny ilaina fa ny fonareo". Samy voalaza ireo any am testamenta taloha sy vaovao.
Raha ny fahitako azy dia Hafatra fotsiny io. Anjaran'ny olona no maka izay tandrify azy, na hino koa na tsia...na tsy handray mihitsy. Izay no maha finoana ny finoana. Tsy azo lavina kosa nefa fa marina izay voambara momba an'i Madagascar. Tena mivaona ny kristiana ary tena mitondra ny firenena any amin'ny hantsana lalina. Mila miova isika. Raha tsy nandaitra ny toriteny efa nahazatra hatrizay dia mba toriteny karazany hafakely indray ity....ny Tompo mihitsy no manafatra!! ary tsy misy maharatsy ilay hafatra!! .... dia asa aloha fa anjaran'ny tsirairay hoy aho. Tsy tsara kosa nefa no mitsara avy hatrany da sandoka io. Mitandrema fotsiny raha hita fa misy tokony hotandremana, ary izay mihitsy no tokony hatao...mitandrema fa tsy fantatrao marina izay hanavotra anao.
8. Miharena ( 01/05/2012 14:06)
Tefigasy:

Mitovy amin'ny 3eme testament ihany koa ity: betsaka ny resaka teneniny tsy mifanaraka na manohitra izay voalaza ao anaty baiboly, misy betsaka ihany koa ny resaka foronina na ny analyse personnel mikasika ny zava-misy fotsiny ihany na eto madagasikara na eto amin'izao tontolo izao!
Ity ny hafatra mba omeko :

Lio 21 : 8
ary hoy Izy : Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe : Izaho no Izy; ary koa : Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy .

Mar 13 : 5
ary Jesosy nilaza taminy hoe : Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo .

Mat 7 : 15
Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy

Arak'io resakao io dia lavinao daholo izany izay miteny amin'ny anaran'i Jesosy aty aoriana. Ka inona no marina izany ary inona no tokony hiainana raha izany no izy?
Ny Baiboly ve mahafehy ny fiainan'ny Kristianina sy ny ho aviny marina raha tsy misy fanazavana aty aoriana noho ireo firehana maro izay samy mandrirotra ny azy avy?
9. Tefigasy ( 02/05/2012 05:28)
Miharena:

Arak'io resakao io dia lavinao daholo izany izay miteny amin'ny anaran'i Jesosy aty aoriana.

Heverinao angamba fa nanadino teny tokony ho ambara i Jesosy tamin'Izy nidina tety an-tany ka tsy voalaza ao anaty baiboly e ?
Noho izany dia mbola mila olona Izy hiakatra velona sy hanoratra boky hafa ankoatry ny baiboly mba hanazava ny momba Azy ?
Na ny tsy mpino aza dia afaka miteny amin'ny anaran'i Jesosy, ary moa ve tsy izany izao no zava-misy eto amintsika: lasa bizna ny fivavahana ka entina hitadiavana vola

Miharena:

Ka inona no marina izany ary inona no tokony hiainana raha izany no izy?

Jesoa dia Ilay teny tonga nofo. Izy ihany no marina ary Izy ihany no fiainana. Efa nidina tety an-tany Izy nampahafantatra ny olombelona ny momba Azy. Teo amin'ny hazo fijaliana izy no niteny hoe "VITA". Ary rehefa vita dia tena vita fa tsy mbola misy ambikambiny kely tsy feno ka mila zavatra hafa indray hanohizana izany !
Iraka iray ihany sisa no asain'i Jeso ataonao dia ny manambara ny famonjena ho an'izao tontolo izao mba hahatonga azy ho mpianatra ihany koa.

Miharena:

Ny Baiboly ve mahafehy ny fiainan'ny Kristianina sy ny ho aviny marina raha tsy misy fanazavana aty aoriana noho ireo firehana maro izay samy mandrirotra ny azy avy?

Averiko ihany fa efa nidina tety an-tany Jeso nampahafantatra ny tenany. Izy mihitsy no nidina nanambara tamin'ny olona ny momba Azy fa raha tsy izany dia tsy misy saina mety hahatakatra izany momba an'Andriamanitra izany raha tsy izy tenany no manambara ny Aminy.
Aminao ve, tsy feno io fanambaran'i Jeso ny aminy teto an-tany io ? Tsy nahavita ny iraka tokony nataony teto an-tany ve Andriamanitra ka mbola ilaina fanampiny etsy sy eroa ?
Ny olona akaiky Azy, dia ny mpianatra no nanoratra ny momba azy ao anaty baiboly ao. Iza indray no heverinao mety hahalala bebe kokoa ny amin'i Jesoa noho ireo mpianatra niara-niosina taminy hatrizay ireo ?

10. leva2 ( 05/05/2012 11:28)
Velona Jesosy!

Misy zavatra vitsvitsy mba tiako marihana :
- Misy tenin'i Paoly apostoly hoe : "...raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afatsy izay efa noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy" Gal 01/09
- Aza adino fa ny devoly koa tena mahay mampiasa ny tenin'Andriamanitra, toy ny mpanao politika gasy ankehitriny, mba hanohanany ny heviny, sy handreseny lahatra anao hanaraka azy. "Hanaraka azy" sy hihaino azy f tsy hanaraka an'i Jesoa Kristy sy ny Filazantsara. Jereo ny nakan'ny devoly fanahy an'i Jesoa Kristy tany an'efitra f tenin'Andriamanitra no nampiasainy (Mat 04/05 - 10).
- Ny vatolampy tokony hanorenantsika ny finoana dia ny tenin'Andriamanitra irery ihany fa tsy ny fanambaran'olona atsy sy aroa, na ny fiangonana izao sy izao. Vakio ny fanambaran'i Jesoa Kristy azy ao amn'ny Matio 07/24 - 27.
- Ny olona nadray sy mitafy an'i Jesoa Kristy dia tsy mila an'dranona sy ranona hanazava azy ny tenin'Andriamanitra fa ny Fanahy Masina izay noraisiny no manazava aminy ny teny izay vakiany. Mitombona aminy izay voasoratra hoe "... dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe : mahalalà an'i Jehovah; fa samy hahalala ahy avokoa izy rehetra". Jer 31/ 33 - 34.
- Tsy fivavaka ry havako ny hoe "ity Gasikara ity ry Tompo afaho amin'ny kolikoly" fa ianao, izaho no tsy tian'Andriamanitra hanao kolikoly. Tokony hifanaraka amin'ny sitrapony izay vavaka ataontsika. Ny tenin'Andriamanitra ny amin'ity izao ttlo izao ty dia hiharatsy, hihasimba, hihalevona :"... ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena; ... ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa" Mat 24/ 06 - 07 , ary anisan'izany i Madagasikara. Ny hany vahaolana tokana ho anao sy ho ahy dia ao amin'i Jesoa Kristy iany.

Mandrosoa ao amin'i Jesoa Kristy Tompo!
11. didi10 ( 07/05/2012 07:14)
Tsara ny Tompo

Averiko eto foana namana fa fijoroana vavolombelona io nalefa teto io, mahafinaritra ny mihaino fijoroana vavolombelona satria afaka hakana lesona na misy zavatra eritrretina fa tsy possible aza.Koa manentana antsika namana mba samy hanao izany fijoroana vavolombelona izany hampisehoana fa miasa eo amin'ny fiainantsika Jesosy Kristy amin'ireo fahasoavana nomen'ny Tompo antsika.
12. ombra ( 09/05/2012 12:19)
Betsaka loatra ny fijoroana vavolombelona amin'ny hoe izay tany amin'ny helo nefa ny fahitako azy dia lainga daholo. Aleo hojerin-tsika kely ny an'i yves:
- Ny hafatra tena mirantirany ao dia ny hoe izao no any amin'ny afo-be: fijaliana be mihitsy (bibilava, kakana, afo, sns), rehefa tsy mivavaka ianareo dia mankany amin'ny afo-be, rehefa tsy manao an'izao sy izao dia mankany amin'ny afo-be. Raha adikako dia lasa religion de la peur ilay izy satria fampitahorana no betsaka ao nefa tsy izay no notorian'i Jesoa tety an-tany fa nasainy mino Azy isika mba hananan-tsika fiainana mandrakizay. Na Andriamanitra aza tsy nampatahotra ny olona ny amin'ny afo-be raha tsy manaraka ny didiny fa ny nolazainy dia hatao maty izy tsy manaraka ny didiny. Noho izany amiko, noforonin'i Yves io tantara io
- tsy misy resaka ny momba ny fampijaliana ny any amin'ny afo-be mihitsy ao amin'ny Baiboly. Maro ny Mpaminan'Andriamanitra izay nofidiny manokana mihitsy fa tsy nisy nanambara an'izany, na i Jesoa zanany lahy tokana aza tsy nilaza ny momba izany nefa mahagaga fa misy olona sahy milaza hoe hoatr'izao ny fampijaliana any amin'ny afo-be. Noho izany amiko, noforonin'i Yves io tantara io
- Milaza koa i Yves fa niteny tamin'ny teny tsy fantatra tao amin'ny efiny, ary izy irery ihany no tao. Nefa izao no tadidio fa tsy misy olona mahafantatra ny tenany hoe miteny amin'ny teny tsy fantatra ra tsy ny manodidina azy no maheno azy miteny. fa rehetfa miteny ianao dia fantatrao foana izay teneninao sy lazainao. koa nahoana i Yves no sahy miteny fa niteny tamin'ny teny tsy fantatra. Noho izany amiko, noforonin'i Yves io tantara io
- Maninona koa i Yves no tsy sahy miteny ny anaran'ireo olona hitany ary lazainy fa fantany tany amin'ny afo-be sa matahotra ny olona, nefa raha manana ny Tompo izy tsy tokony hatahotra an'iza n'iza. Noho izany amiko, noforonin'i Yves io tantara io

Be loatra ny lainga hitako tao anatin'ilay fijoroana vavolombelona ka aleoko faranana eto. Ny mampalaelo ahy dia ny mahita an'ireo mpino maro be.
Tsiambara-telon'ny lanitra ny afobe sy ny paradisa, tsy misy detail ao amin'ny Baiboly vakin-tsika isan'andro ary tsy misy olona afaka manome detail an'ireo raha tsy oe mpandainga izy.
Hosea 4:6 "ringana ny oloko noho tsy fisian'ny fahalalana"
13. ombra ( 09/05/2012 12:53)
Hadiniko teo ary zavatra iray ataoko fa lehibe ity:
Nilaza i Yves fa nahita an'i lucifer niresaka tamin'ny mpanao politika nefa anie i Lucifer migadra eh. Ahoana no tokony ahitany azy any amin'ny afo-be. Noho izany amiko, noforonin'i Yves io tantara io
14. Miharena ( 20/05/2012 06:47)
Tefigasy:

Miharena
Ny Baiboly ve mahafehy ny fiainan'ny Kristianina sy ny ho aviny marina raha tsy misy fanazavana aty aoriana noho ireo firehana maro izay samy mandrirotra ny azy avy?

Averiko ihany fa efa nidina tety an-tany Jeso nampahafantatra ny tenany. Izy mihitsy no nidina nanambara tamin'ny olona ny momba Azy fa raha tsy izany dia tsy misy saina mety hahatakatra izany momba an'Andriamanitra izany raha tsy izy tenany no manambara ny Aminy.
Aminao ve, tsy feno io fanambaran'i Jeso ny aminy teto an-tany io ? Tsy nahavita ny iraka tokony nataony teto an-tany ve Andriamanitra ka mbola ilaina fanampiny etsy sy eroa ?
Ny olona akaiky Azy, dia ny mpianatra no nanoratra ny momba azy ao anaty baiboly ao. Iza indray no heverinao mety hahalala bebe kokoa ny amin'i Jesoa noho ireo mpianatra niara-niosina taminy hatrizay ireo ?

Marina ny anao fa ireo mpianatra ireo dia nanome tokoa ny fahalalàna nomen'ny Fanahy Masina azy. Fa ny olona aty aoriana koa dia manana fitohizam-panahy ao amin'y Fanahy Masina ka tsy azontsika sakanana ny fiasan'ny Fanahy Masina, indrindra fa ifandraisana mivantana amin'i Krsity izay tsy maty na mipetrapetraka eo ankavanan'ny Ray fotsiny fa miasa andro aman-alina ho an'ny olona rehetra. Ka raha misy milaza ny hafaNY voasoratra boky mazava ary azo hanamarinana teny maro nolazaiNY tao anaty Baiboly dia izay ihany no mamaritra fa tena IZY no miteny fa tsy fitaka.

Ny fahazoana ny FANAHY mihitsy no mety tsy itovizana matoa voafitaka ny olona iray na mamaky Baiboly izy na mamaky témoignage, na miaina témoignage. Ilay fitaka eto dia ny toe-pon'ilay olona. Misy ireo izay mbola ao anaty aloka be no mieritreritra. Misy ireo izay efa lasa lavitra mihoatra io aloka io ka fanahy marina sy madio no miteny ao aminy na ny marina kokoa no itenenany. Azy ilay fanahy na ratsy io na tsara ary arakaraka ny fisehony no manambara ny aminy. Izay ilay hoe ny voany no ahafantarana ny hazo. Raha fanahy mpitsaratsara foana no mamaky boky iray dia tsy hahita ny marina ao amihitsy izy. Raha fanahy madio kosa dia mahita tsara izy hoe ity no diso ary ity no marina ato anatin"ity boky ity (eny na dia ny Baiboly aza dia hitany hoe diso fanoratra ny olona nanao izany fa tsy avy amin'Andriamanitra no voasoratra (tsy avy amin'ny Fanahy Masina no marina kokoa fa mety nisy nanjo ilay olona (tsy fahatomombanana teo am-panoratana).
15. milano25 ( 11/06/2012 07:40)
Tahin'Andriamanitra daholo!!!
Mba saika anontany hoe afaka averina ampidirina indray ve ny part 3,4,5,6 amin'ny video 2ème voyage Yves fa tsy hita intsony nefa mba te hiaino ny hafatra izahay azafady indrindra. Misaotra mialoha !!! Tahin'ny Tompo
16. didi10 ( 11/06/2012 12:29)
Miarahaba ny namana milano25

Ny tsara indrindra dia tonga dia cliquenao eo amin'ilay video N°1 na N°2 ao amin'ilay hoe "regarder sur youtube" "watch on youtube" dia milahatra ao izy 6.

Part 1
http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=D8qSqvjKcmM

Part 2
http://www.youtube.com/watch?v=XyWq4YCCZPM&feature=relmfu

Part 3
http://www.youtube.com/watch?v=sECzSEeUL54&feature=relmfu

Part 4
http://www.youtube.com/watch?v=0bPdBZKi-24&feature=relmfu

Part 5
http://www.youtube.com/watch?v=vlbJi_rEYVI&feature=relmfu

Part 6
http://www.youtube.com/watch?v=geOxlefvtkg&feature=relmfu
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 3.0844