AZA MENATRA, MIJOROA

1. RBNIR ( 19/04/2012 07:26)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Inona avy no nambaran'ireo apostoly mikasika ny henatra momba ny filazan-tsara?
« Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] » (Rom. 1:16)
« Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28:16). » (Rom. 10:11)
« Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra, » (2 Tim.1:8)
« Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy] » (2 Tim.1:12)
« Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy. » (1 Pet. 4:16)
Ireo teny rehetra ireo dia mitaona ny olona mba tsy ho menatra noho n'ny filazan-tsara.
Fa maninona no tokoa moa no dia naverimberina toy izany io fanentanana ny olona tsy ho menatra io?
Satria tokoa mantsy hoy i Jesosy Kristy Tompo :
« Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina. » (Mar.8:38).
Ny apostoly Marka no nilaza io teny io ary mbola nohamafin'ny apostoly Lioka koa fa tena niteny an'io marina tokoa i Jesosy Kristy Tompo :
« Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina. » (Lio.9:26).
Vavolombelona 2 B izao no nanambara fa tena niteny an’io TENY io marina tokoa Jesosy Kristy Tompo.
Ry namana, indraindray, dia toa misy mahamenatra tokoa raha ny sitrapon’Andriamanitra satria izay no manamarina ilay TENY hoe: « Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa.55:8)

Izay matetika no mahatonga ny sasany na dia resy lahatra amin’ny fahamarinana aza dia tsy sahy mandroso satria misy zavatra MAHAMENATRA AZY ny manantanteraka izany fahamarinana izany.
Zava-doza ho an-tsika anefa izany satria mazava B io nolazain’I Jesosy Kristy Tompo io.
Koa mampahery ny rehetra aho : tanteraho ny fahamarinana takian’Andriamanitra na inona na inona fa AZA MENATRA. Ekeo na dia toa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny hevitsika olombelona aza.
Izay ilay hoe MANETRY TENA (tsy ny antsika no ekena sy ampanjakaina fa ny an’Andriamanitra).
Tambin’izay kosa dia hasandratra ianao ary omena voninahitra noho ireto teny fikasana ireto: « Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. » (Lio.14:11)
Sy ny hoe
« Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hœ: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka. » (1 Samoela 2:30)

Jereo ny fandaharana ao amin’ny télé JERY «Vitao ny Asan’ny Fahamarinana» isa-maraina amin’ny 5 ora ka hatramin’ny 6ora fa tao no nahafantarako ny MARINA (dia ilay MARINA nampangetaheta an’I pilato fahiny raha nanadina an’I Jesosy Kristy Tompo izy)
TOKANA NY TANJONA NAMANA ISANY : FIAINANA MANDRAK IZAY.
Samia ho tahin’ny Tompo ry namana isany.
répondu par LazaDaddy le 23/04/2012 02:51
2. LazaDaddy ( 23/04/2012 02:51)
AZA MENATRA, MIJOROA
misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.473