LASIBATRA NY ZAZA ETO MADAGASIKARA

1. vonynive ( 19/04/2012 06:03)
Mba ifampizarana.

SOS MADAGASIKARA

Nisy chaîne lava be tamin'ny internet tamin'ny herinandro nangataka SOS vavaka ho an'i Morondava. Mampalahelo fa tonga eto Antsirabe io toe-javatra io amin'izao fotoana izao.
Efa ela no nisy club satanique an'ny ankizy teto Antsirabe, efa ela koa no nanambarako izany tao am-piangonanay teto Antsirabe ampahibemaso teny amin'ny polipitra, fa ny nahavariana ahy dia olona roa no niezaka ny nanontany ahy ny antsipirihany tamin'ny olona amanjatony nihaino izany.
Misy ankizy efa club mampilendalenda ny namany amina karazana magie tsotsotra, ka rehefa liana ilay ankizy dia asainy manaraka azy hampianariny hono. Amin'ireny dia misy kidnapper-ny mihitsy ary rehefa mivoaka avy ao dia tsy mahatsiaro izay nitranga tao ilay zaza.
Vokany: betsaka ireo ankizy izay tafiditra no, rehefa samy mody any an-tranony, dia miandry ny ray aman-dreniny sy ireo iray trano aminy hatory, dia mandrehitra labozia sy miresaka amin'ny fitaratra. Io no tena ampianarina ireo ankizy any amin'ilay club. ZAVA-DOZA
Ny fitrangany anakiray koa dia misy mandona na misafo ilay zaza tsy manan-tsiny ka raha tezitra na mijery ilay nandona azy fotsiny dia tafiditra ilay devoly. Io no tena sarotra satria tena fiainana an-davanandro mihitsy izany. Automatique ianao tezitra raha misy mandona.

Tsy misy mitombina amin'ny fianarana mihitsy ny ankizy eto Antsirabe amin'izao fotoana izao fa dia na matahotra, na variana miresaka hoe izao hono ny tatsy, izao ny taroa. Mazava ho azy fa misy tsaho be dia be mihitsy miara-mipoitra amin'izao toe-javatra izao, kanefa aleo malina ihany.
Misy koa antso an-téléphone ka mahavariana fa miseho mahafantatra be izay antsoiny izy io, ary manontany hoe ianao ve hiditra club? Ilazao ny ankizy fa raha sendra mahazo izany antso izany dia tapahina avy hatrany ny fanafodiny fa raha vao mihaino azy eo foana dia lazainy fa efa tafiditra club ianao fa arahabaina.
Izay no mba kely fantatro dia zaraiko, fa tsy ampoizina mihitsy izy ity fa tsara ny hahalàlàna azy, ka mba ilazao daholo izay mana-janaka ankizy sy zatovo fa izay aloha no tena lasibatra izao. Ary sanatria mety hiparitaka erak'i Madagasikara satria ny hanaparitahana ity zavatra ity mihitsy no tanjony.
Jesosy no vaha-olana, ampianaro ny ankizy mba hivavaka raha vao mifoha sy mivoaka ny trano ary amin'izay ataony rehetra mandra-podiany amin'ny hariva. Ampianaro ny ankizy mba hahay hanohitra ny devoly izay miherona toy ny liona manodidina azy, mba hahay handroaka devoly amin'ny anaran'i Jesosy amin'ny fotoana rehetra satria tsy ny mpiandry ihany no andrasana raha sanatria misy ny hamehana fa afaka manao izany ny zanak'Andriamanitra rehetra.
Aza adino ny mivavaka ho fanafahana izao loza mananontanona ny firenena izao.
HITAHY ANTSIKA ANIE JEHOVAH KA HIARO ANTSIKA.
AMEN

novalian'i niryna ny 15/05/2012 14:58
2. didi10 ( 19/04/2012 06:43)
Mahereza namana, aza mipetraka fotsiny fa ianao any an-toerana dia afaka manao zavatra mahagaga amin'ny anaran'i Jesosy, fa izahay kosa mivavaka ho an'ny ady atrehanao.

Tena mikoroso tokoa ny fiainana ara-panahy ao Antsirabe ao satria tena mbola betsaka ny mpanompo sampy sy mpanao sorona zaza ao, ankoatry ny mpangalatra taova izay olom-piangonana fahiny no atidohany, efa tratra kanefa dia efa miriaria eraky ny tanàna sahady.

Mahereza namana fa efa antomotra ny andro, torio ny filazan-tsara fa Jesosy irery no afaka hanafaka amin'ny fanompoan-tsampy sy ny fiheveran-diso.
3. vonynive ( 19/04/2012 07:03)
Efa misy koa izao ny fikambanana satanika tonga eto Madagasikara izay manome vola be na fitaovana lafatra toy ny fiara sns ho an'ireo fiangonana kristianina kanefa ny takalon'izany dia fepetra mifanipaka @ fitoriana filazantsara
4. ziva6 ( 19/04/2012 09:05)
lé iza angamba tsy d hoe vita ny fivavahana fotsiny ihany, fa tokona hiantsoina mmpitandro filaminana raha zavatra efa hita fa ho ratsy ho any fiharaha-monina fa tsy avela efa hianaka tanteraka vao hikiropaka!
5. vonynive ( 19/04/2012 09:56)

ziva6:

lé iza angamba tsy d hoe vita ny fivavahana fotsiny ihany, fa tokona hiantsoina mmpitandro filaminana raha zavatra efa hita fa ho ratsy ho any fiharaha-monina fa tsy avela efa hianaka tanteraka vao hikiropaka!

- ka ilay zavamisy ange tsy misy taratasy na zavatra hatao porofo e dia mety hiala maina eo,
ny gadra aza vetivety dia miriaria eny, matahotra valifaty ny mponina raha mitory na mijoro vavolombelona
6. didi10 ( 19/04/2012 10:04)

ziva6:

lé iza angamba tsy d hoe vita ny fivavahana fotsiny ihany, fa tokona hiantsoina mmpitandro filaminana raha zavatra efa hita fa ho ratsy ho any fiharaha-monina fa tsy avela efa hianaka tanteraka vao hikiropaka!

Marina izany namana fa ny olana dia ny olona ao Antsirabe dia mbola hita ao aminy ny tarazo mampa-ambanivohitra azy ka matahotra manam-pahefana ry zareo sady mora miely kely ny tsaho ao hoe samborina hono dia tsy misy sahy mijoro ny olona.
7. bichette ( 19/04/2012 14:59)
io tsy misy afa tsy ny mivavaka ihany, rehefa tena nanolotena ho an'i Jesosy kristy ianao sy mialoka Aminy, voarakotry ny rà-ny dia tsy hahakasika anao mihitsy na inona na inona.
8. maresaka.com ( 19/04/2012 23:55)
Ny mampalahelo dia ry zareo mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika no alain'ny ankizy tahaka.

Fotoana izao hakana tahaka an'i Jesosy Kristy fa tsy sanatria hiobioby olona satanika. Sahy mijoro ve isika Kristianina miteny toy i Paoly hoe "manaraha ahy tahaka ny fanarahako an'i Kristy"? Manao ahoana ny fitondrantenan-tsika tsirairay avy? Izay no vahaolana fa tsy alavitra akory.
9. RBNIR ( 20/04/2012 09:21)
vonynive:

Jesosy no vaha-olana, ampianaro ny ankizy mba hivavaka raha vao mifoha sy mivoaka ny trano ary amin'izay ataony rehetra mandra-podiany amin'ny hariva. Ampianaro ny ankizy mba hahay hanohitra ny devoly izay miherona toy ny liona manodidina azy, mba hahay handroaka devoly amin'ny anaran'i Jesosy amin'ny fotoana rehetra satria tsy ny mpiandry ihany no andrasana raha sanatria misy ny hamehana fa afaka manao izany ny zanak'Andriamanitra rehetra.
Aza adino ny mivavaka ho fanafahana izao loza mananontanona ny firenena izao.
HITAHY ANTSIKA ANIE JEHOVAH KA HIARO ANTSIKA.
AMEN

Faly miarahaba ary dia misaotra anao nizara namana,
Marina dia marina izany handeha tokoa isika samy hampianatra ny ankizy hazoto hanao fiambenana amin'ny alalan'ny vavaka maraina atoandro halina.
Samia ho tahin'ny Tompo

10. vonynive ( 20/04/2012 10:37)

RBNIR:

misaotra anao RBNR, marihiko fa tsy avy aty amiko ny hevitra rehetra fa izaho koa aza mba nifampizaran'ny olona dia nanao copie collier fotsiny.
11. niryna ( 15/05/2012 14:58)

vonynive:

Efa misy koa izao ny fikambanana satanika tonga eto Madagasikara izay manome vola be na fitaovana lafatra toy ny fiara sns ho an'ireo fiangonana kristianina kanefa ny takalon'izany dia fepetra mifanipaka @ fitoriana filazantsara

hay ve e,inona no anaran'izany? misy mantsy ny fiangonana zokiny moa no filaza azy ireo raha mahita ny fiangonana zandriny dia lazainy fa asan'ny satana no ao kanefa amiko tsy mitombona izany,mety misy tokoa ny mampiasa ny asan'Atra ho hafa fa tsy ny fidiran'ny fiangonana hafa akory dia lazaina fa fiangonan'ny satana sa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1002