Ireo fahamarinana nohitsakitsahina amin'ny tany

1. Maranatha ( 16/04/2012 10:21)
Miresaka amin'ireo izay efa nandalina misimisy kokoa ny soratra masina ity lohahevitra ity.

Ho an-tsika izay efa nandalina ny bokin'ny Daniela dia nahita fa nazeran'ilay tandroka kely ny fahamarinana, ary nohitsakitsahiny tamin'ny tany. Aty amin'ny bokin'ny Apokalipsy indray dia milaza izy fa ireo izay naharesy ka afaka tamin'ny bibidia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany no tafiditra any an-danitra hiaraka amin'ny zanak'ondry mandritra ny 1000 taona.

Ny hafatry ny anjely fahatelo anefa maniraka an-tsika handrava an'i Babilona. Ny fandravana azy tsy akory hoe io misy cathedrale be dia io no haongana. tsy izay fa ireo foton-kevitra na fampianaran-diso rehetra navoakany no aharihary dia hialana ary hahintsy mba hanarahan'ireo tso-po ny marina.

Rehefa handrava an'i Jeriko ny zanak'israely tamin'ny andron'I Josoa dia nasaina nihodidina im-pito an'i Jeriko indray mandeha isan'andro. Toy izay ihany koa no mbola hasaina hataon-tsika amin'izao fotoana izao mihodidina an'i Babilona mijery ireo fampianaran-diso rehetra avoakany. Hoy ny Apok : izay afaka amin'ny ....... isan'ny anarany izany hoe isan'ny fahefany vao handova ny lanitra. Ny Bibidia efa fantatra, betsaka no efa afaka amin'izany, ny sariny ihany koa, fa eo amin'ny hoe isan'ny anarany mbola betsaka no tratrany.

Tadidio tsara fa 1260 Jours ( na 42 volana na 3 sy 1/2)no namolavolany ny fanitsakitrahana ny fahamarinana sy nanodinany izany. Betsaka no efa niady nampiseho izay fantany hoe diso toa an'i Martin luther, Kalvin, ry Joseph Balt, sns.... fa mbola hihomehezany Babilona fotsiny ary mbola lazainy aza fa zanany ireny.Izay no nahatonga ny teny ao amin'ny apok 13 hilaza hoe ny dragona no nanome hery azy ... iza no mahay miady aminy?? Dia mbola misy fiteny anankiray koa manao hoe Tous les chemin tend vers Rome.

Mino aho fa azonareo ny tiako hampita mila mbola mikaroka be dia be ireo fahamarinana nohitsakitsahiny amin'ny tany izany isika fa raha tsy izany tsy ho rava i babilona . rehefa rava i babilona vao misy ilay vato izay tsy nendahin-tanana namely ny tongotr'ilay sary olona izay hitan'ny nebokadnezara, izay nampidaraboka io sary sy nahalasa ankofa io sary io. Izay vao rava tanteraka ny fanjakana ety ambonin'ny tany ka lasa tendrombohitra lehibe ilay vato. Mino aho fa azonareo ny tiako hampita. Mazotoa sy mahereza daholo.

N.B: Ninia tsy namoaka toko sy andininy aho sy tsy nanazava ihany koa ny hevitry ny teny satria miresaka amin'ireo manan-tsaina sy nandalina ary efa nazavain'ny Fanahy Masina ny sainy.
novalian'i didi10 ny 20/04/2012 12:49
2. didi10 ( 16/04/2012 11:11)
Tsara ny Tompo

Tsaratsara kokoa raha tsy "analyse historique" no atao raha te ahafantatra ny momba ilay Babylona lehibe lazain'ny Apokalipsy fa "analyse biblique".

Fantaro namana fa ny teny hoe "FAHAMARINANA" dia materika tsy misaraka amin'ny teny hoe "FANJAKAN'NY LANITRA" ao anaty Baiboly.

Matio 5,10
10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra

Matio 5, 20
20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.

Matio 6,33
33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany

Jao 14,6
6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

Rom 5,21
21 mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Rom 14,17
17 Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. 18 Fa izay manompo an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona fa tsara.

Tadiavo sy katsaho ary ny fahamarinana sy ny sitrapon'Andriamanitra satria OTA AVOKOA NY TSY FAHAMARINANA REHETRA (I Jn 5;17)

Fehiny : Tafiditra ao anatin'ny Babylona lehibe avokoa izay tsy manana ny fahamarinana sy tsy manaraka ny fampianarana tsy misy kilema rehetra.




3. Maranatha ( 17/04/2012 11:27)

didi10:

Tsaratsara kokoa raha tsy "analyse historique" no atao raha te ahafantatra ny momba ilay Babylona lehibe lazain'ny Apokalipsy fa "analyse biblique".

Fehiny : Tafiditra ao anatin'ny Babylona lehibe avokoa izay tsy manana ny fahamarinana sy tsy manaraka ny fampianarana tsy misy kilema rehetra.



Izay no nilazako hoe miresaka amin'ny olona efa nandalina lavidavitra ny lohahevitra. i Babilona efa fantatra izay tsy iza fa ny bibidia, ny sarin'ny bibidia ihany koa efa fantatra.
Fa ny olana eto dia ireo isan'ny anarany (=isan'ny fahefany) Asa 4:7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
Araka io teny io dia anarana=fahefana.

Ny isan'ny fahefan'ny babilona dia betsaka tokoa ary eo indrindra isika no tokony hitandrina sao dia mbola mampiasa ny fahefany fa tsy mahafantatra. Tsarovy hoa fa 1260 jours izy no nanova ny fahamarinana tao anatin'io baiboly izay vakianao io aza. Ary raha ny tena izy aza dia tokony hiverina hijery izay tena original nandikana ny baiboly ny tsirairay ( ny baiboly amin'ny teny Hebreo)); mba hialana amin'ireo fandrika rehetra nalefany .

Izany no mahatonga ny apok 15:2 hilaza hoe "Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron*'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Avo indrndra."

Fanontaniana mipetraka aminao efa tena afaka amin'ireo isan'ny anarany (isan'ny fahefany) ve ianao ???
Mahereza dia mba manaova fikarohana! fa aza dia mitelina fotsiny izay afahan'ny mpitondra fivavahana. ise io izao angamba efa matoky tena fa olo-marina.
4. didi10 ( 17/04/2012 12:16)
Mba tanisao ary ireo fahamarinana itan'ise fa voahitsaka dia mba ampitahaina ny antsika e!
5. maranatha ( 18/04/2012 05:42)

didi10:

Mba tanisao ary ireo fahamarinana itan'ise fa voahitsaka dia mba ampitahaina ny antsika e!

Hitan'ise ny tanjon'ise izao dia ny hifaninana. tsy izany anefa no tokony hatao raha handrava an'i babilona fa ny fanakambanana ny hery ahafahana mandrava azy.
Ny tokony hatao dia ny mizara izay hita mba hahafahana manitsy ny dia, satria lalan-danitra izy ity.
omeko santionany ihany ise na izany aza ankoatra ireo efa fantatra sy be mpampiasa (oh sabata, mitandrina ny Didin'i Avo indrindra, fanamarinana amin'ny finoana, batisa asitrika, ny fifanasan-tongotra alohan'ny fandraisana, sns...indrindra ireo fahamarinana izay voizin-tsika sabatista rehetra).
1-Ise izao fantatro araka ny lohahevitra teo aloha fa manao voaloham-bolana. Fantatr'ise tsara izany fa tsy io calandrier harahana ankehitriny io no tena calendrier an'i Avoindrindra izay narahan'i Tompo sy ireo apostoly na ireo fariseho. io calendrier gregoriane io dia mbola isany fanovana ny fotoana sy ny lalan'ny zavaboahary. Ny ankamaroan-tsika anefa amin'izao manaraka io daholo.
2-Ny anaran'ny Tompo tsy Jesosy izany, na ny an'i Avoindrindra ny Tsitoha, tsy JEHOVAH izany. fa notefitefen-dry zareo fotsiny ireo ny JHWH tsy midika io raha asaina tonon'n'ny hebreo io dia tsy izany no vakiny. nefa ny anarana tsy tokony hiova na amin'ny teny inona na amin'ny teny inona (oh: Barak obama na firenena iza na firenena iza no manonona io dia tsy miova izany io fa barak obama foana no barak obama).
3-Ny hoe kristy izay nadikany hoe ny mesia dia anaran-tsampy nataon-dry zareo. izay nahatonga ny lakroa. fa na ny tompo aza tsy maty teo ambony lakroa fa tambonina tsatoka. Iz ay no hampiasain'ny babilona ny lakroa mandritra ny fitaompivavahany. jereo ihany koa rehefa miteny ny rain-dry zareo fa mitana iny lakroa iny na miambozona.

Mbola betsaka fa dinoho tsara aloha e!

Raha mamaky ity apok 14:4 Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.5 Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.

Ny hevitry ny hoe virjiny eto dia ireo tsy tratran'ny fampianaran-diso izay nelefan'ny babilona.
ny fampianarna tsisy kilema anie ry ise tsisy diso mihintsy e!
Fa amin'izao mbola tratra isika e. mbola betsaka no mahatratra an-tsika.
Mahereza ise!
6. didi10 ( 18/04/2012 08:58)
Misaotra an'ise amin'ny fanampim-pahazavana.
Tsy hoe hifaninana akory fa mila mampitovy tadin-dokanga raha te hiara-hihira.

Mahafinaritra fa efa tena lasa lavitra tokoa ise amin'ny fandalinana ny tenin'Andriamanitra sy ny momba an'Andriamanitra.

Raha ny momba ny andro sy ny volana ary ny taona araka ny nanamboaran'Andriamanitra azy dia haintsika tsara ny manaraka izany saingy izahay r'ise mande amin'ny fitiavana a! mampianatra ny andro araka an'Andriamanitra izahay kanefa tsy mi-impozé izany amin'ny olona araka ny lalàna fa ampianarina andeha amin'ny fitiavana izy, raha tia an'Andriamanitra izy dia tokony hanaja ny SabataNY, ny voaloham-bolana, ny andro firavoravoana sns...

Raha ny momba ny anaran'Andriamanitra sy ny an'i Jesosy indray dia manaiky aho fa anarana dérivé ny Iaveh sy Jesosy fa misy fanontaniana apetraka amin'ise?

Manaiky ve ise fa "langue morte" ny Araméen, ny latin sy ny grec ancien?
Raha manaiky ise fa langue morte ireo dia eritrereto kely ity tantara iray ity.

Fantatr'ise tsara fa amin'ny alfabeta malagasy dia tsy misy c,q,u,w, tonga anefa ny boky iray amin'ny teny vahiny izay teny tsy misy mampiasa intsony (langue morte) milaza ny anaran'ilay andriamanitra tokony hivavahana dia i Coqulew (ohatra io an)! Mba te hivavaka koa ise amin'io andriamanitra io kanefa tsy hay tononina ilay anarana satria misy teny tsy misy amin'ny alfabet, ise koa anefa mba te handika ilay boky amin'ny teny gasy mba hanaparitahana azy, dia ahoana no ataon'ise?
Tsy maintsy mampiasa voambolana "phonétiquement" manakaiky io anarana io ise ka afaka soratana amin'ny alfaben'ise!!!! ohatra kôkôleo na kôklé, de ande hiteny ve ise fa samihafa ireo satria samihafa ny fanoratana azy? tsy mandeha amin'ny fitiavan ise raha izany ka lasa mihemotra amin'ny finoana.

Aza miteny ratsy ny anaran'i Jesosy ise fa mipetraka ity formule ity

Anaran'Andriamanitra
YHWH= JHWH= IHWH (nosoloina J na I ny Y fa tsy misy Y ny teny latina) = JeHoWaH = IaHWeh (nampidirana zanatsoratra mba ho hay vakiana)= Iaveh = Jehovah (W nosolina V)

Anaran'i Jesosy

YSHWH = YeSHouWH= JeSHoWH=Jesus (Anglais) = Jesoa =Jesosy (Phonétique en malagasy)

Amiko ireo dia iray ihany.
Mahereza r'ise a!
7. Maranatha ( 18/04/2012 11:35)

didi10:

......


didi10:

.......

Hitan'ise raha mbola manaraka ireo fomba rehetra noforonin'i babilona anefa isika dia efa mandray ny marika e! tsy afaka mihintsy, ireo 144000 ireo izao no tsy nandray mihintsy ny fampianarany na ny fombafombany ary rehefa tena atao tokoa ny kajy rehetra dia ireo israely ara-bakiteny ireo 144000 ireo satria ny any izao no mbola mampiasa ny baiboly hebreo tsy nadika. ka izay tena mino ny Mesia any dia tena mety ho ny 144000. satria ry zareo raha teo efa fomban-drazany ny mitandrina ny didin'i Avo-indrindra.

Mikasika ilay anarana dia hitan'ise afaka hantsoina amin'ny anaram-boninahitra izay azo hiantsoana azy izy rehefa tsy hay vakiana ny tena anarany. (oh: Barak obam antsoina hoe Mr le président sns...)Raha mahatsikaritra ise ao amin'ny testameta vaovao ny Tompo tsy mbola nanonona ny anaran'Avo indrindra mihintsy raha tsy hoe teny miverina izany hoe teny efa tany amin'ny testamenta taloha dia naverina ilay teny. Fa hoy izy hoe Rainay izay any an-danitra, ny Raiko, sns... Mino aho fa tsaratsara kokoa ny manonona ny anaram-boninahitra noho ny manonona anarana diso.

Ise izao milaza hoe iray ihany ireo nefa tena fandrika be ilay izy.

tadidio ilay teny ao amin'ny ny apok 15:2 hilaza hoe "Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny [/color=red]ary ny isan'ny anarany [/color]dia nitsangana teo amoron*'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Avo indrindra."

Mba te hitana ny lokangan'ny Avoindrindra r'ise isika dia aleo manetry tena miala amin'ireny rehetra ireny.
sady nilaza izao ihany koa izy hoan'ny firenena rehatra Zefania 3:9 [Ny amin'ny hibebahan'ny jentilisa, sy ny hanomezam-boninahitra ny Isiraely] Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Avo-indrindra, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina.
Izay no nilazako tamin'ise hoe mbola mila mandalina misimisy kokoa isika. ary eo no tena ilaina ilay hoe mba mihaino ny hafa koa fa tsy hampianatra foana indrindra raha olona mitandrina ny didin'i avoindrindra satria hoy ny isaia 8:20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina*.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina].
Mahereza r'ise a!
8. didi10 ( 18/04/2012 12:33)
Ise koa zany ao anatin'ilay tsy mihinana biby maloto?
9. didi10 ( 18/04/2012 12:38)
sady io anarana io r'ise rehefa sur terrain no tena ahitana azy a!

Jao 14 : 13
13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

Mahery ny anaran'i Jesosy rahalahy, tamin'ny anarany no efa nahazoan'ny olona maro fanasitranana, fahasoavana ary ny tena zavatra lehibe indrindra dia ny Fanahy Masin'Andriamanitra. Asa ny any aminareo raha mba mahazo ireo raha mitsipaka an'i Jesosy.
10. Miharena ( 19/04/2012 03:52)
Rehefa nodinihina ireo hevitra narindranareo avy dia mazava fa miompana amin'ny fandikana ny Baiboly avokoa. Marina ny teny hoe nisy tokoa ny fiheverana arak'izay vanimpotoana ny atao hoe fahamarinana ao anaty Baiboly ary azo lazaina fa manakaiky ny marina na marimarina avokoa hatramin"izao no azon'ny olona tsy mandinika Soratra lalina na tsy mandray izay tena vontoatin"ny Baiboly ary manary ireo izay hevitra tsy mirindra ao.

Ny Fanahy Masina hatrany moa no angatahana rehefa mamaky Baiboly mba hazava izay vontoatin"y tiana ambara ao fa matetika isika dia tsy mahatsapa io Fanahy FAhamarinana io ka tafarotsaka amin'y adihevitra tsy misy tsoa-kevitra mazava ka tsaratsara kokoa ny manana fomba fandalinana tsotsotra mba hialàna amin'ny safotofoto izay indraindray mankadilo sofina mihitsy fa tsy ahazoana aim-panahy na dia kely aza rehefa mihaino vata fampielezam-peo isan-karazany mitory ny azy avy.

Azo kilasiana ny fandrika tsy ahitana ny marina ary ny atao referansa dia ireto ihany: ny Tsy Miova sy izay miovaova araka ny hevitra ampidirina na teraka eny am-pandehanana.

Ny anarana ohatra dia miova isaky ny firenena ny fanononana azy fa ny maha-IZY AZI tsy miova rehefa azo tsara.
Toy izany koa ny andro sy tetiandro fa ny Mandrakizay ivelan'ny andro no Tsy miova.

Raha tena mandinika isika dia IRAY ihany no MARINA hoy i Krsity dia ny RAY iombonantsika rehetra. Ny sisa dia fanovana endrika araka ny fahatakaran'ny sain'ny olombelona avy ihany.

Rehefa mahay manakilasy ireo dia mahay manazava izay vontoatin'ny Baiboly ka mahay mandray ireo Teny Fototra ao.
11. maranatha ( 19/04/2012 10:23)

didi10:

sady io anarana io r'ise rehefa sur terrain no tena ahitana azy a!

Jao 14 : 13
13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

Mahery ny anaran'i Jesosy rahalahy, tamin'ny anarany no efa nahazoan'ny olona maro fanasitranana, fahasoavana ary ny tena zavatra lehibe indrindra dia ny Fanahy Masin'Andriamanitra. Asa ny any aminareo raha mba mahazo ireo raha mitsipaka an'i Jesosy.


Ekeko io an'ise io fa izao milaza koa anie izy hoe amin'izany andro izany maro no hanao aminy hoe tsy efa .....tamin'ny anaranao va izahay raha tena adika io dia hoe: tsy efa .....t@ fahefanao va izahay? nefa lazainy fa tsy fantany ireo olona ireo. Tsy milaza akory aho hoe tsy fantany ny an'ise sao mandray antendrony eo. fa ny tiako ho lazaina samy manonona io anarana io avokoa na ny tsy mitandrina ny didy aza nefa toa samy mahavita mahasitrana, maharoaka ny herin'ny ratsy sns...

Mikasika ny Fanahy masina, asa raha efa nianaran'ise fa misy karazany telo ilay izy: 1-feno ny Fanahy masina 2- tarihin'ny Fanahy masina 3-bitsihin'ny Fanahy masina, raha efa-nianatra tsara ireo ise dia mahay tsara ny mampiavaka tsara ireo.

didi10:

Ise koa zany ao anatin'ilay tsy mihinana biby maloto?

Mikasika an'io dia amimpanetren-tena no ilazana amin'ise fa tsy ao anatin'ny mihinana nofom-biby intsony izahay. Manao entreinement ny any an-danitra r'ise, tsy mamono biby intsony ny any hatao sakafo. fa efa miverina amin'ny zavamaniry sy ny anana manitsam-boa. Andramo fa mampitombo be ny aim-panahy io miaraka amin'ny fifadian-kaninana.

Mikasika io tadidio ilay tantaran'ny zanak'israely rehefa andeha ho any amin'ny tany kanana izy ireo tsy nomena hena mihintsy raha tsy efa nidongy tamin'i Mosesy izay vao nomena papelika nefa ireo izay tena liana dia maty. (hafa firenena ireo liana ireo fa tsy ny zanak'israely). Isika izay ho any amin'ny kananan'ny lanitra koa mila manaraka izany.

Mahereza r'ise a!
12. didi10 ( 19/04/2012 14:45)
Fony mbola kely aho, asa na classe de 4e tany ho any angamba no nalaza be ny antokom-pivavahana iray mitondra io anarana entin'ise io, tsy mihinana hena, tsy mandeha bus, manao robe lava be, tsy miharatra...
Ny nampalahelo moa dia maty teny an-dalana ilay Pastera rehefa nandeha tongotra Tamatave Antananarivo ireto mpino ireto.

Dia zakanareo ve izany zioga fanahy iniana zakaina izany? Sao dia mba efa fihemorana amin'ny finoana rahalahy ireny fa tsy mba ara-pilazantsara intsony!!!!

Raha izaho manokana aloha dia manao fivoriana masina rehefa Sabata kanefa mihinana ny sakafo rehetra satria tandindon'ny jentilisa (ireo tsy jiosy) ny biby maloto, ka rehefa nodiovin'i Jesosy ve aho ary efa tonga zanak'Andriamanitra toa Azy dia izaho indray no andeha hiteny hoe maloto izahay, maloto ny biby fa aoka ihany, aza vonjena!!!! Sanatria. Mandehana amin'ny finoana sy ny fitiavana rahalahy fa tsy amin'ny lalàna sy ny fombafomba.
Mahereza rahalahy
13. Maranatha ( 20/04/2012 10:53)

didi10:

Fony mbola kely aho, asa na classe de 4e tany ho any angamba no nalaza be ny antokom-pivavahana iray mitondra io anarana entin'ise io, tsy mihinana hena, tsy mandeha bus, manao robe lava be, tsy miharatra...
Ny nampalahelo moa dia maty teny an-dalana ilay Pastera rehefa nandeha tongotra Tamatave Antananarivo ireto mpino ireto.

Dia zakanareo ve izany zioga fanahy iniana zakaina izany? Sao dia mba efa fihemorana amin'ny finoana rahalahy ireny fa tsy mba ara-pilazantsara intsony!!!!

Raha izaho manokana aloha dia manao fivoriana masina rehefa Sabata kanefa mihinana ny sakafo rehetra satria tandindon'ny jentilisa (ireo tsy jiosy) ny biby maloto, ka rehefa nodiovin'i Jesosy ve aho ary efa tonga zanak'Andriamanitra toa Azy dia izaho indray no andeha hiteny hoe maloto izahay, maloto ny biby fa aoka ihany, aza vonjena!!!! Sanatria. Mandehana amin'ny finoana sy ny fitiavana rahalahy fa tsy amin'ny lalàna sy ny fombafomba.
Mahereza rahalahy

Avilin'ise ny resaka. tsy ilay noheritreretin'ise mihintsy ny antokom-pivavahana misy anay. tsy mbola resahako an'ise ihany koa ny antony tsy hihinana ny nofom-biby fa mijoroa fotsiny aloha amin'izay efa fantatr'ise. Fantatro tsara ry Pasitera Guistomes sy ny maranatha e! fa tsisy hifandraisany amin'izany ny solon'anarako! . Ny an-dry zareo teto M/car ihany no nisy ny azy fa ny misy ahy maneran-tany.
Averin-tsika amin'ny lohahevitra ny resaka. tsy maintsy mbola mikaroka mafy mihintsy isika fa raha tsy izany mety hitovy amin'ireo loteriana izay efa nitsahatra tamin'ny fikarohany ka tsy nitady intsony rehefa maty i Lotera. Ary rehefa tapitra hita ireo fahamarinana navilin'i bibidia vao mety ho resy sy rava izy.
Ny fijeriko azy dia mila mamaky ny baiboly Hebreo mihintsy vao mety ho afaka amin'ilay fitaka izay alefany.
Mahereza e!
14. didi10 ( 20/04/2012 12:49)
Rehefa niatsahan'ny Fanahy Masina ry Maria sy ny Apostoly dia niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy fiteny fantatra maro izy ireo hoentina mitory ny Soratra Masina.

Raha tsy nilaina ny fampianarana amin'ny tenim-pirenena tsirairay avy sy ny fandikana ny Baiboly ho an'izany teny izany dia tsy nilaina io famantarana avy amin'ny Fanahy Masina io.

Iray ihany ry namana ny Baiboly fa ny dikan-teny nandikana azy fotsiny no samihafa, raha tsy hoe anananareo daholo ny rouleau original rehetra dia mba andikao amin'ny teny gasy izahay fa izahay tsy mivavaka amin'ny teny hebreo zany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2619