Iza no niresaka tamin'Atra teto sa niterny Irery Izy? Efa teo ve Kristy tamin'izany?

1. niryna ( 14/04/2012 00:52)
Jereo ary ity hafatra nomeny antsika ka anjarantsika no mizara sy mandray izay izy.
Amin'Atra dia tsy misy sarotra amiNy ny zavatra rehetra (with God ,everything is possible).

Izao ary hono no resaka nifanoavany tamin'ireo olona hafa ary ireto foana no mitranga saingy e,e, ny ataoko ihany no ataoko
Nindramiko tao amin'i Jajajaly ity an

Sarah: Tsy mino an’i Jesosy, hono, ianareo Vavolombelon’i Jehovah? Izany no nolazain’
ny pasiteranay.
Nathalie: Tena mino an’i Jesosy izahay ka! Raha tsy mino azy ange isika tsy ho voavonjy e!

Dia mino Azy ahoana izany e?
Nathalie: Be dia be ny fivavahana mampianatra hoe i Jesosy no Andriamanitra. Izany koa angamba no nampianarina anao e?
Sarah: Ie, izany no tenin’ny pasiteranay.

Sarah: Marina aloha izany e! Inona no nolazain’i Jesosy?
Nathalie: Andao ange hojerentsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:38 e! «Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.»
Hoatran’ny hafahafa io andinin-teny io raha i Jesosy ihany no Andriamanitra
hafahafa tokoa raha tsy mandinika ny baiboly izay voalazaNY( kristy isika).
Gen 1:26 Ary Andriamanitra nanao hoe : Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika,araka ny tarehintsika
Iza no niresaka tamin'Atra teto sa niteny Irery izy?
[b] Jaona 1 1-5.7,12 ,14 1 Tamin'ny voalohany ny Teny,ary ny Teny tao amin'Atra, ary ny Teny dia Andriamanitra.Izy dia tao amin'Atra tamin'ny voalohany.Izy no nahariana ny zavatra rehetra,ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana Izao zavatra ary izao na dia iray aza.

Teny = Andriamanitra = Izy dia tao amin'Atra(izaho sy ny Ray dia iray ihany sa ? )=
Izy no nahariana ny zavatra rehetra = Raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao na dia iray aza
Iza io Izy io?
12 Izy no nisiam-piainana,ary ny fiainana no fanazavan'ny olona .Ary ny mazava dia namirapiratra ao amin'ny maizina ,fa ny maizina tsy nandray Azy
Iza daholo ireo izy ,resahina eto ireo?
Iza ireo maizina tsy nandray Azy ireo?
Ny teniNy no nanambara izany tamin'ilay samaritana naka rano Jaona 4 :7-15 ...... fa na iza na iza no misotro ny rano izay omeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay )
Izy no fahazavana: Light of the world hoy ny hira
Ahoana moa no ahafahany manome fiainana mandrakizay raha tsy Atra Izy?

[b] Jaona 1:9 Tao ny tena Mazava. Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao.Teo amin'izao tontolo izao Izy ary Izy no nanaovana izao tontolo izao,nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy .

11 Tonga tany amin'ny Azy Izy fa ny Azy tsy nandray Azy
Iza no teo amin'izao tontolo izao?
[ Tonga tany amin'ny Azy Izy ..iza no nandeha taiza? ary iza ireo tsy nandray Azy ireo?
12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Atra
Iza indray io Azy io ?
Jaona 3: Fa toy izao no nitiavan'Atra izao tontolo izao,nomeny ny Zanani-Lahitokana ,mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,fa hanana fiainana mandrakizay .
MIno an'iza? Atra sa ny ZanaNy ? Ahoana izany mino Azy izany (kristy io an)
Farany ary ny
Jaona 1: 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ; ary hitanay ny voninahiny ,dia voninahitra mendrika ho an'ny Lahitokana[/u] avy tamin'ny Ray
TENY= TAO AMIN'ATRA=ATRA= TENY TONGA NOFO
[b] Jaona 10:26-28,30 Kanefa hianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko. Ny ondriko mihaino ny feoko ary Izaho mahalala azy.,ary izy manaraka Ahy.ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay . .. 30 IZAHO SY NY RAY DIA IRAY IHANY

Vita tompoko
novalian'i niryna ny 28/04/2012 20:58
2. didi10 ( 14/04/2012 15:42)
Aleloia, Deraina Jesosy
Amena!
3. jajajaly ( 27/04/2012 05:26)

Jaona 1: 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ; ary hitanay ny voninahiny ,dia voninahitra mendrika ho an'ny Lahitokana[/u] avy tamin'ny Ray
TENY= TAO AMIN'ATRA=ATRA= TENY TONGA NOFO

Aleo aloha ity no horesahantsika dia asesintsika eto daholo ny hafa.
Hoy ny baiboly Prot.: «Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany.» (Mitovitovy amin’izany koa ny Kat. sy DIEM.)»

Fanontaniana: Azo inoana ve ny hoe tao amin’ny olona iray ianao no sady ianao ihany io olona io?
Raha jerena ny teny manodidina fa tsy izay tiana hoatra ny ataondry .... etsy ambony dia mahita firesahana hoatr'izao isika:Jaona 1:18: «Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.»
Milaza mazava anefa ny andininy faha-14 hoe: «Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny.»
Koa raha tsy nisy nahita an'Andriamanitra ary f'angaha i Jesosy tsy nisy nahita?

Fa ahoana ary ny tena izy?
Izao no andikan'ny TV azy : «Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra. Niaraka tamin’Andriamanitra izy tany am-piandohana.»
Raha tao amindry mamanareo ianao taloha, midika ve izany fa ianao ihany ny mamanareo sa niaraka tamin'izy ireo tao fotsiny ianao?
4. niryna ( 28/04/2012 19:58)
jajajaly:

ha,ha izay foaa no votokevitrareo hanoherana ny tenin'Atra e,dia ho avy koa ilay hoe ny dadanao ihany ve no zanakao,dia ny hoe ny mamanao ve dia azo atao hoe hianao ihany? satria izay no zavatra omen'ireo mpitondra toriteny sy fampianarana avy any aminareo,tsy vao izao io fa taona maro mifandimby,misy aza ny hoe hianareo ihany sisa ireo voavonjy 144.000 000 kanefa tsy misy baiboly na iray aza eto ambon'ity tany miteny fa ry zareo temoin de jehovah na ry zareo jehovah witness no hiditra any an-danitra,
Tsy vao ireo ihany no tohernareo fa na ny fanomezana ra ho an'ny fianakaviana aza dia aleonareo maty mitsitra ery toa izay manome izany.ka aiza ilay hoe tiavo ny namanao tahaka ny tenanao?
Tsy hifandahatra aminao no ahatongavako fa ny hampiseho aminao ny ao anatin'ny baibolin'ny kristiana ny teny nomen'i kristy
Tsia tompoko ,tsy fisainan'olombelona tadiavintsika fa ny voasoratra koa vereno vakiana foana hoy aho ny baibolin'ny kristiana( ny anareo mantsy efa nesorina sy novaina indrindra io Jaona 1:1-4 io)
Ny fisainako tsy fisainanareo hoy ny Tompo,ny fihevitro tsy fihevitrareo,noho izany zavatra tsy logique amin'ny fiangonanareo dia logique amin'Atra ,moa misy zavatra tsy vitako va hoy izy.( with God ,everything is possiblle)
Dia mbola sahy hitsipaka ihany ve ny finoana misy anareo fa rehefa niteny Atra hoe misia ny mazava dia niaraka tamin'ny vavany tokoa fa nisy ny fahazavana ,ka dia ho sahy hiteny koa ve nareo hoe porofoy izany e? aoka le retsy a

Raha jerena ny teny manodidina fa tsy izay tiana hoatra ny ataondry .... etsy ambony dia mahita firesahana hoatr'izao isika:Jaona 1:18: «Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.»
dia maninona? maty avokoa izay mahita an'Atra an,ka noho izany Mosesy nasiany nanala ny kapany satria tany masina no nitsahiny,te ahita an'Atra izy ka ny vohony no nasehony azy fa tsy zakantsika ny famirampiranysn'ny voninahiNY
.Inona no tianao ahatongavana sa faly manohitra sy manesika ny fampianarana nomena anao fotsiny hianao na dia tsy mifanaraka ny baiboly aza ilay izy?
5. niryna ( 28/04/2012 20:11)

Jaona 1: 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ; ary hitanay ny voninahiny ,dia voninahitra mendrika ho an'ny Lahitokana[/u] avy tamin'ny Ray
TENY= TAO AMIN'ATRA=ATRA= TENY TONGA NOFO
[/quote

][quote=jajajaly]

Aleo aloha ity no horesahantsika dia asesintsika eto daholo ny hafa.
Hoy ny baiboly Prot.: «Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany.» (Mitovitovy amin’izany koa ny Kat. sy DIEM.)»

Fanontaniana: Azo inoana ve ny hoe tao amin’ny olona iray ianao no sady ianao ihany io olona io?
Raha jerena ny teny manodidina fa tsy izay tiana hoatra ny ataondry .... etsy ambony dia mahita firesahana hoatr'izao isika:Jaona 1:18: «Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.»
Milaza mazava anefa ny andininy faha-14 hoe: «Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny.»
Koa raha tsy nisy nahita an'Andriamanitra ary f'angaha i Jesosy tsy nisy nahita?
ha,ha,ka raha miteny isika fa Maria virjiny no niteraka azy dia mino hianao sa tsia.
dia izay ve no mba handresenao lahatra anay fa tsy Atra Izy e? ha,ha
Na mino ny teny rehetra izay nomeny na tsy mino fa aza hoe rehefa etsy izahay dia mino fa rehefa etsy kosa dia mitsipaka.
Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ary hitanay ny voninahiny iza izany ilay teny tonga nofo,ny fanontaniako ery ambony koa anie tsy misy sahinao valiana ka manahirana be ny miresaka anao e,ny fampianarana nomen'ny olona anao ihany no asesikao mba ho logique kanefa finoana no resahina dia vereno vakiana tsara ny hafatro eo ambony aloha
6. niryna ( 28/04/2012 20:15)
niryna:

Jaona 1 1-5.7,12 ,14 1 Tamin'ny voalohany ny Teny,ary ny Teny tao amin'Atra, ary ny Teny dia Andriamanitra.Izy dia tao amin'Atra tamin'ny voalohany.Izy no nahariana ny zavatra rehetra,ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana Izao zavatra ary izao na dia iray aza.
Teny = Andriamanitra = Izy dia tao amin'Atra(izaho sy ny Ray dia iray ihany sa ? )=
Izy no nahariana ny zavatra rehetra = Raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao na dia iray aza
Iza io Izy io?
12 Izy no nisiam-piainana,ary ny fiainana no fanazavan'ny olona .Ary ny mazava dia namirapiratra ao amin'ny maizina ,fa ny maizina tsy nandray Azy
Iza daholo ireo izy ,resahina eto ireo?
Iza ireo maizina tsy nandray Azy ireo?

dia mba valio ary aloha ireo hafatra kely eo ambony ireo ry jjj a
7. niryna ( 28/04/2012 20:34)
Alohany hamalian'i Jajajaly ny hafatro dia aleo aloha aho hiverina kely ny tantara izay nanambara fa tamin'ny voalohany ny Teny ,ary ny Teny tao amin'Atra ,ary ny Teny dia Andriamanitra ,Izy dia tao amin'Atra tamin'ny voalohany *ny anareo moa dia toa lasa karazana andriamanitra hafa eto ilay ny Teny dia Atra ka manahirana be ihany satria tonga dia mahafantatra fa Atra ihany kristy saingy modianareo tsy hita ka dia ataonareo atra no fanoratra azy,ooops
Jaona eto dia miantsy an'i kristy ho Teny na The Word .Kristy dia efa nisy fa naka toerana amin'ny maha olona azy izy(Kolosiana 1:15,16,17) Izy no endrik'Atra tsy hita ,ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao fa tao aminy no nahariana izao zavatra rehetra izao ,..any an-danitra sy ety ambonin'ny tany ..Izy no nahariana ny zavatra rehetra ,sady ho azy izany.Ary izy no talohan'ny zavatra rehetra sady ao aminy no aharetan
ny zavatra rehetra

Io ambony io tompoko ny teny mazava manambara an'ilay kristy tonga nofo ka asa indray raha mahita zavatra ho lazaina ny fampianarana izay nomena anareo satria ny baibolin'ny kristiana no manambara izany mazava tsara
8. niryna ( 28/04/2012 20:47)
jajajaly:

Fa ahoana ary ny tena izy?
Izao no andikan'ny TV azy : «Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra. Niaraka tamin’Andriamanitra izy tany am-piandohana.»
dia eto amin'izay no miditra ny trinity ok
1x1x1=1 fa tsy misaraka ka lasa hoe 1+1+=3
Dia vereno vakiana indray aza ny Kolosiana 1: 15 izay manambara fa
Izy no endrik'Atra tsy hita ,ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao fa tao aminy no nahariana izao zavatra rehetra izao ,..any an-danitra sy ety ambonin'ny tany ..Izy no nahariana ny zavatra rehetra ,sady ho azy izany.Ary izy no talohan'ny zavatra rehetra sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra dia mivaly ho azy ny fanontaniana hoe tsy nisy nahit aan'Atra ,satria eto Kirsty dia endrik'Atra tsy hita

Raha tao amindry mamanareo ianao taloha, midika ve izany fa ianao ihany ny mamanareo sa niaraka tamin'izy ireo tao fotsiny ianao?

dia averiko indray hoy aho fa zavatra tsy logique amintsika logique amin'Atra ka raha mitady haka ny toeran'Atra isika dia efa foana ohatr'izao ny fizarana ny tenin'Atra satria efa mihevitra ny tenantsika ho atra isika .
ka raha milaza ny hoe ny tena marina hianao dia tsy ho marina velively ilay heverinao fa marina aminao satria ny fihevitro tsy mba fihevitrareo hoy Izy ary ny lalako tsy mba lalanareo ka aza maka ny toeran'Atra velively fa ataovy foana ny fandalinana ary aza miandry atolotro fotsiny fa zahao ao anatin'ny baibolin'ny kristiana ny fahamarinana dia ho hitanao izany ,
9. niryna ( 28/04/2012 20:58)
Voaporofo ary ve ny fisian'i kristy fa Atra Izy ,raha misy izany hita taratra tany amin'ny Testamenta Taloha ve izany?

Eny tompoko ,koa andao aza ho arahintsika izany satria mety misy afaka mandray izay mba azo raisina ireo namana tsy mino Azy ho ATra ireo.

Ny Testamenta Taloha izany dia manambara izany ary dia tonga sy tanteraka tany amin'ny Testamenta Vaovao tokoa izany ,

Raha ny anaran'i kristy aloha no resahiko eto dia manana anarana maro be tokoa izy mihoatra ny dimampolo no hiantsoana azy,midika izany fa miankina ao amin'ny baiboly hatrany isika satria avy ao no nahitana izany anarany izany sy ny dikany ary ny heviny,
Midika koa izany fa mila mametraka ny fiainantsika eo aminy isika satria Izy irery ihany no afaka hampifandray antsika amin'Atra izay Atra nahary izao tontolo izao,
Ny fametrahantsika ny fiainantsika ho eo ampelantanany dia mampianatra antsika mba hianatra ny toetrany ary anao zavatra na asa aman-draharaha ho Azy irery ka anomezana voninahitra ny anarany izany satria raha tsy izy tsy nisy hary izao rehetra izao(ny baibolin'ny kristiana no manambara izany araka io Kolosiana 1 :15-18 io ,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0366