Fananana an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy

1. LazaDaddy ( 13/04/2012 04:52)
Mana an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy tokoa ve isika ka mankato ny Teniny?

Nampiova ny fiainantsika ve ny fandraisana an'i Jesosy sa tsy mbola nandray azy tanteraka isika ka tsy dia misy fiovana hita soritra tsara?

Mahereza ary manara-dia Azy fa tsy manary izay miankina tanteraka Aminy Izy
novalian'i didi10 ny 14/04/2012 15:43
2. didi10 ( 13/04/2012 06:19)
Tsara ny Tompo

Dia miandry ny fijoroana vavolombelona avy amin'ny namana zany ny tenanay.
3. IAVO ( 13/04/2012 15:40)
Salama daoly!
Tsy mbola naita za oe olona tena nandray any JESOSY ho tompo sy mpamonjy ny fiainany izany ka hoe tsy naita fiovana.Ireo mpaminany ao anaty baiboly ireo fotsiny no tokony ataontsika lesona akaiky ,fa tsara daoly no niafarany izy rehetra ireo rehefa nifikitra atraminy farany izy ohatra akaiky i JOBA.
Ny olana amitsika amizao de lasa fomba fotsiny le oe mpandray ny fanasan'i Tompo sy kominio , manao ny olona de mba manao ihany ko fa tsy fantatra le tena dikany de tsy maita vokany de manome tsiny aveo.Zay fa mankahery atsika rehetra de mazoto @ fanarahana an'i Tompo fa izay maharitra atraminy farany ihany no vonjena eh!
4. didi10 ( 14/04/2012 15:43)
Asa na firy amin'ireo olona milaza fa efa nandray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany no mahatanteraka ilay hoe tsy mahay manota? izany no fiovana lehibe tokony ho hita voalohany indrindra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0568