Ny fahateraham-baovao

1. tefigasy ( 08/04/2012 03:07)
Miarahaba antsika namana rehetra nahatratra izao andro-pandresena lehibe izao dia ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty satria tokoa IKor.15:14 "ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay."
Manoloana izany fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty izany dia andeha isika hanavao indray ny finoantsika ka handinika ny amin'ny tena fahateraham-baovao

Rehefa nibebaka ny olona dia tarihin’Andriamanitra ho tonga eo amin’ny fahateraham-baovao izy. Ao amin’ny Jao.3:1-16, tantaran’ilay fariseo iray atao hoe Nikodemosy izay gaga indrindra teo anatrehan’ny asa nataon’i Jesoa. Niaiky izy fa tsy misy mahavita izao asa ataon’i Jesoa izao raha tsy Andriamanitra mihitsy no momba azy.
Izy anefa dia mihevitra fa izy no mpanompon’Andriamanitra modely.
Fa iza tokoa moa i Nekodemosy: fariseo, olona tena mpandinika ny soratra masina ary tena manaraka ara-bakiteny ny soratra masina. Olona efa ambony sy lehibe mihitsy amin’ny fanjakan’Andriamanitra i Nekodemosy araka ny fijery maha-olona. Mpanampaka teo amin’i Jiosy izy, olona mpitarika ny jiosy ary manan-kaja. Mpampianatra ny israely (mpampianatra soratra masina, mpampianatra lalàna) ihany koa izy. Raha izany dia efa nahavita taona maro amin’ny fianarana ny soratra masina i Nekodemosy.
Ny zavatra mahagaga anefa, raha mieritreritra izany toerana misy azy izany dia tokony ho olona efa tafiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy ary tokony hahavita ny asa lehibe toy ny nataon’i Jesoa ihany koa.
And.3 : «Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray [Na : ateraka avy any ambony .] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra»
And.6 : «Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy»
Ny fanjakan’Andriamanitra dia mbola tsy hitan’ity Nekodemosy ity eo amin’izany toerana misy azy izany, maika fa ny hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Mbola tsy tafiditra ao i Nekodemosy.
Inona ary no atao mba hahatongavana ao anatin’izany fanjakan’Andriamanitra izany raha ny olona efa voalaza fa mpandinika ny soratra masina am-polo taona sy fatra-pitandrina ny lalàna aza mbola eny ivelany ?
Zavatra roa no takiana : ny iray efa vitan’Andriamanitra fa ny faharoa kosa mbola andrasana amin’olona.
novalian'i Miharena ny 12/04/2012 05:17
2. didi10 ( 10/04/2012 07:08)
Lojika be: Ny Batisa mazava ho azy
3. Tefigasy ( 10/04/2012 07:44)
didi10:

Lojika be: Ny Batisa mazava ho azy

Courage didi10 a ! mankahery hatrany aho ny mba tena handinihanao ny soratra masina fa mbola tsy ampy aloha ny fahitako azy hatreto na dia efa mirehareha ary ianao fa efa manana fahalalana lasa alavitra be noho ny hafa!

Ilay batisa fambaranao isan'andro ve no tianao ho tenenina: atsoboka amin'ny rano be, olona efa razoky be no atao, ...
Misy olona ao amin'ny baiboly ao tsy natao batisa , tsy natsoboka tamin'ilay rano be nefa kosa nahazo ny fanjakan'andriamanitra, nateraka tamin'ilay fahateraham-baovao ary tafahaona tamin'i Jeso tany am-paradisa: ilay jiolahy iray teo ambony hazofijaliana izay !

Misy olona ao amin'ny baiboly ao natao batisa , nefa tsy mbola tafiditra akory ao amin'ilay fahateraham-baovao : Simona mpilalao ody izay

Tsy fombafomba akory ny batisa ary tsy fombafomba ihany koa ny hanantaterahana azy.
Tsy misy fombafomba arahina toy ny any amin'ny maternite ihany koa izany fahateraham-baovao izany.
4. didi10 ( 10/04/2012 08:22)

Tefigasy:


Ilay batisa fambaranao isan'andro ve no tianao ho tenenina: atsoboka amin'ny rano be, olona efa razoky be no atao, ...

Eny ary mbola ampiako fa atao amin'ny anaran'i Jesosy

Tefigasy:

Misy olona ao amin'ny baiboly ao tsy natao batisa , tsy natsoboka tamin'ilay rano be nefa kosa nahazo ny fanjakan'andriamanitra, nateraka tamin'ilay fahateraham-baovao ary tafahaona tamin'i Jeso tany am-paradisa: ilay jiolahy iray teo ambony hazofijaliana izay !



Marina, fa iny anie ry ise "Grâce direct" e! Jesus en personne état là pour le pardonner, dia voavonjy ilay jiolahy fa rehefa lasa kosa Jesosy dia napetrany ny iraka mba hanaovana ny olona rehetra ho mpianatra ary avy eo atao Batisa. Sa ianao hiandry grâce koa?

Tefigasy:

Misy olona ao amin'ny baiboly ao natao batisa , nefa tsy mbola tafiditra akory ao amin'ilay fahateraham-baovao : Simona mpilalao ody izay

Marina satria izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena, adinonao dahady angaha ilay lohahevitra hoe tsy voatery ho voavonjy izay rehetra mino?

Tefigasy:

Tsy fombafomba akory ny batisa ary tsy fombafomba ihany koa ny hanantaterahana azy.
Tsy misy fombafomba arahina toy ny any amin'ny maternite ihany koa izany fahateraham-baovao izany.


Aleo ny Baiboly mihitsy ny hamaly anao
Rom 6, 3-7
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.




5. Tefigasy ( 10/04/2012 08:49)
didi10:

Marina, fa iny anie ry ise "Grâce direct" e! Jesus en personne état là pour le pardonner, dia voavonjy ilay jiolahy fa rehefa lasa kosa Jesosy dia napetrany ny iraka mba hanaovana ny olona rehetra ho mpianatra ary avy eo atao Batisa. Sa ianao hiandry grâce koa?

Mba fantatrao ve aloha ny atao hoe "fahasoavana" ?
Izany fahasoavan'andriamanitra izany dia fanomezana tsy mety ritra ho an'ny olony tsirairay avy. Tsy misy mihitsy soratra hoe rehefa niakatra tany an-danitra Jesoa dia tsy misy fahasoavana intsony ety ambonin'ny tany. Raha mahita toko sy andininy milaza izany ianao dia avohay eto iaraha-mahita. Ny apostoly ary alohan'ny hanombohan'ny taratasiny dia miteny foana ny teny hoe "ho anareo anie ny fahasoavana ...."

Averiko indray fa tsy fobafomba ny batisa, tsy endrika ivelany ny batisa ary toa izany ny fahateraham-baovao. Miteny aminao aho fa teo ambony hazofijaliana io jiolahy io no nateraka tao amin'izany fahateraham-baovao izany ka nandovany ny fanjakan'andriamanitra. Tsy nisy fombafomba hitanao natao teo ambony hazo fijaliana

didi10:

Marina satria izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena, adinonao dahady angaha ilay lohahevitra hoe tsy voatery ho voavonjy izay rehetra mino?

Tsy misy hidiran'ny finoana aloha ny lohahevitra fa ny fahateraham-baovao
Fantatrao ve hoe oviana no natao batisa tamin'ny fombafomba i Simona, fantatrao ve hoe firy andro na firy ora taorian'izany batisan'ny fombafomba izany no nitenenan'ny mpianatra azy hoe "Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao , satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra". Lozika ve raha olona vao avy natao batisa no tsy mahitsy fo après qlqs heures.
Tsy misy hidiran'ny faharetana eto fa tsy ilay batisa natao tamin'ny fombafomba akory no tena batisan'Andriamanitra satria saritsariny ihany izany ka tsy hahatonga anao ho amin'ilay fahateraham-baovao!
6. didi10 ( 10/04/2012 09:37)

Tefigasy:


Mba fantatrao ve aloha ny atao hoe "fahasoavana" ?
Izany fahasoavan'andriamanitra izany dia fanomezana tsy mety ritra ho an'ny olony tsirairay avy. Tsy misy mihitsy soratra hoe rehefa niakatra tany an-danitra Jesoa dia tsy misy fahasoavana intsony ety ambonin'ny tany. Raha mahita toko sy andininy milaza izany ianao dia avohay eto iaraha-mahita. Ny apostoly ary alohan'ny hanombohan'ny taratasiny dia miteny foana ny teny hoe "ho anareo anie ny fahasoavana ...."


Tsy niteny izany mihitsy aho hoe tsy misy fahasoavana rehefa lasa i Jesosy
Rom 6 : 1 - 20
[-6-] inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.

Tefigasy:

Averiko indray fa tsy fobafomba ny batisa, tsy endrika ivelany ny batisa ary toa izany ny fahateraham-baovao. Miteny aminao aho fa teo ambony hazofijaliana io jiolahy io no nateraka tao amin'izany fahateraham-baovao izany ka nandovany ny fanjakan'andriamanitra. Tsy nisy fombafomba hitanao natao teo ambony hazo fijaliana


Jn 3,5
Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina okoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.

Afaka tsy manao ilay fombafomba ise fa io aloha ny tenin'Andriamanitra dia manaraka ny tenako.

Tefigasy:

Lozika ve raha olona vao avy natao batisa no tsy mahitsy fo après qlqs heures.
Tsy misy hidiran'ny faharetana eto fa tsy ilay batisa natao tamin'ny fombafomba akory no tena batisan'Andriamanitra satria saritsariny ihany izany ka tsy hahatonga anao ho amin'ilay fahateraham-baovao!


Ireny r'ise ireo karazan'olona tsy maharitra amin'ny finoana ka mihemotra a! confirmeko fa na vita Batisa aza ny olona iray dia mety ho tratran'izay fihemorana izay rehetra tsy nanangona solika fitaiza.

Heb 10,36

36 Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.
37 Fa "rehefa afaka kelikely,
dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra."
38 Ary "ny oloko marina dia ho velon'ny finoana;"
fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2. 3,4).
39 Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.
7. Tefigasy ( 10/04/2012 10:32)
didi10:

Tsy niteny izany mihitsy aho hoe tsy misy fahasoavana rehefa lasa i Jesosy

Eny ary e, vendrana be izahay ka tsy mahalala ny dika-teny hoe Grâce na bénédiction amin'ny teny malagasy

Ajanoko hatreo ny resaka fa miaka-midina ianao fa tsy mahitsy amin'ny zavatra teneninao. Ireto ny hafatra :
"Jao 3 : 3 : Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : raha tsy ateraka indray [Na : ateraka avy any ambony .] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra ."

Ilay jiolahy teo ambony hazofijaliana dia garanti fa nahita izany fanjakan'andriamanitra izany ary noho izany dia sur fa tsy maintsy efa nateraka tao amin'ilay fahateraham-baovao noho io Jao:3:3 io na dia tsy nisy fombafomban'ny batisan'ny ranobe aza

Mikasika an'i Simona mpilalao ody indray, na dia natao batisa aza izy (fombafomba fotsiny ihany) dia tsy nihatra taminy akory izany fahateraham-baovao izany, tsy misy question hoe naharitra izy na tsy niambina na zavatra hafa, fa ilay fombafomba no nahamaika azy izay tsy nitondra nankany amin'ny famonjena akory.

Farany averiko ity hoe zavatra roa no ilaina amin'izany fahateraham-baovao izany: ny iray efa vitan'Andriamanitra ary ny iray kosa dia zavatra takiana amin'ilay olona hateraka indray fa tsy miankina amin'Andriamanitra intsony !
Satrin'Andriamanitra mba ho hateraka indray daholo ny olom-belona rehetra saingy tsy afaka manery Izy!
8. didi10 ( 10/04/2012 11:07)

Tefigasy:

didi10:

Tsy niteny izany mihitsy aho hoe tsy misy fahasoavana rehefa lasa i Jesosy

Eny ary e, vendrana be izahay ka tsy mahalala ny dika-teny hoe Grâce na bénédiction amin'ny teny malagasy


Izaho no tokony hanao azafady amin'ise fa hay tsy azon'ise ny dikan'ilay grace teneniko.
Grace = Famotsoran-keloka r'ise fa tsy grace fahasoavana a! ohatry ny hoe grace présidentielle e! ;-)
9. Miharena ( 10/04/2012 15:26)
Ny fahateraham-baovao dia fahaveloman'ny Fanahy Masina ao anatin'ny olombelona na ny marimarina kokoa ny fahatsiarovan-tena fa zanak'Andriamanitra.
10. Tefigasy ( 11/04/2012 04:45)
Miharena:

Ny fahateraham-baovao dia fahaveloman'ny Fanahy Masina ao anatin'ny olombelona na ny marimarina kokoa ny fahatsiarovan-tena fa zanak'Andriamanitra.

Mba mananatra anao aho, aza dia mba miteniteny foana, indrindra raha resaka momba ny fanahy masina fa tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay ianao raha ny fanahy masina no tsiratsirainao.(Lio 12 : 10)
Tsy misy Fanahy Masina maty izany (hamarino ao amin'ny tenin'andriamanitra raha mahita ianao) ka hoe ny fahaveloman'ny fanahy masina no atao hoe fahateraham-baovao. Na misy na tsy misy ny fahateraham-baovao dia tsy misy Fanahy Masina maty izany.
Izany Fanahy Masina izany dia tonga ao amin'ny olona, mitoetra ao amin'ny olona nandray ny fahateraham-baovao fa tsy hoe maty le Fanahy Masina dia avy eo Velona rehefa converti ny olona iray ! (Asa 10 : 44)
Very amin'io 3em testament-nao io ianao fa mba mandiniha tsara
11. Miharena ( 11/04/2012 08:10)
Efa hafa famaky teny mihitsy anie ianareo Tefigasy e!. Asa na efa feno fahafatesana ao an-tsainareo ao fa tsy misy miresaka fahafatesana mihitsy na kely aza io fehezanteny nambarako io fa vakio tsara.

Ankoatr'izay dia mananatra ihany aho, aza dia manao io fiheverana mibirioka io hatrany rehefa mitory fa io no mamono ny krisitianina maro noho ny fitsarana mivilana any amin'ny tsy izy atao isaky ny misy miteny.

Asa aloha na ahoana no fiheveranareo izany olona mamaky hafatra hafa ankoatry ny Baiboly izany na olona inona na ahoana fa tsy heverinareo ho olona mitovy aminareo mihitsy ilay izy angamba. Io ilay resaka lazaiko hoe sao dia kristianina Fariseo aza isika dia diso fijery hatrany amin'ny momba an'Andriamanitra sy Kristy ka mitsaratsara foana sy mametraka lalàna heverina fa tokony harahana nefa tsy izy sy tsy mampiaina an'Andriamanitra ao anaty akory.
12. Tefigasy ( 11/04/2012 09:50)
Miharena:

Efa hafa famaky teny mihitsy anie ianareo Tefigasy e!. Asa na efa feno fahafatesana ao an-tsainareo ao fa tsy misy miresaka fahafatesana mihitsy na kely aza io fehezanteny nambarako io fa vakio tsara.

Manahirana be koa ny miresaka amin'itony olona tsy mitombina tsara intony. Izy ihany no miteny fa fahaveloman'ny fanahy Masina ao amin'ny olona ny atao hoe fahateraham-baovao. Midika izany fa tsy velona ny Fanahy masina raha tsy misy fahateraham-baovao
Na zazakely T5 aza mahalala tsara izany hoe rehefa tsy velona dia maty fa tsy misy eo anelanelany, ka na tsy nanoratra maty aza ianao dia midika fa maty no ao ambadik'io soratanao io.
Mety avy amin'ilay boky ankoatry ny baiboly daholo koa no nahatonga izany : toa mifangaro daholo mantsy ao ny fahotana sy ny fahatsarana ka na hita izao aza fa mainty dia mbola hafotsiana foana !
Zimbazimbao ihany wa le Andriamanitra Fanahy Masina fa manavotra anao io 3em testament io !
13. Miharena ( 11/04/2012 10:24)
Ny dikan'io teny io namana dia hoe tsy velona tsara ao anaty ny Fanahy Masina raha tsy ateraka indray na koa hoe mihavao ny olona iray izay efa tototry ny fahadisoam-piheverana maro niainana sy nikolokoloana azy hatrizay fa tsy misy milaza ao hoe maty ny Fanahy Masina sy ny hoe manimbazimba ny Fanahy Masina no dikan'ny teny voambara. Ao anaty eritreritrao daholo izany resaka ambadika izany fa tsy ao anatin"ny eritreritro mihitsy matoa aho mamoitra azy ary mampiahatsiaro anao fa diso ianao.

Mba asio fo madio ihany fa aza dia takosenana izay fahadisoam-pheverna avy any aminao rehefa mamosa-kevitra namana a!

Dia miala tsiny koa fa tokony hasiana fononteny ireo resatsika ireo fa lasa ianao ihany ity no mampivily ny lohahevitra natsanganao ! Fahateraham-baovao no resahana ka fahafatesana ao ambadika no voavoitranao amin'ny famaritana omeko !

Hanazava anao mandrakariva ny Fanahy Masina iombonantsika namana Tefigasy a!
14. Tefigasy ( 11/04/2012 11:18)
Miharena:

Ny dikan'io teny io namana dia hoe tsy velona tsara ao anaty ny Fanahy Masina raha tsy ateraka indray


AVERINA FOANA FA TSY MISY FANAHY MASINA VELOMBELONA NA TSY VELONA TSARA NA IZAY MBOLA METY AMBARANAO HAFA KOA ANKOATRAN'NY HOE MATY

IZANY FANAHY MASINA IZANY DIA ANDRIAMANITRA ARY IZANY ANDRIAMANITRA IZANY DIA TENA VELONA SY MAHERY FA TSY MISY ANDRIAMANITRA MITSIPOZIPOZY KA LAZAINA FA TSY VELONA TSARA INDRAY

NY ANDRIAMANITRY NY 3em IZAY TSY MITOVY AMIN'ILAY ANDRIAMANITRA AO ANATY BAIBOLY NO TSY VELONA TSARA FA RAHA NY ANDRIAMANITRA HITAKO AO ANATY BAIBOLY DIA TENA VELONA KA TSY MISY MAHATOHITRA AZY
15. mirananirina ( 11/04/2012 13:50)
izay tsy vita batisa natsoboka anaty rano izany dia tsy avotra daholo???
Tsy azoko ilay hoe "Ny fahateraham-baovao" mino tokoa ve isika fa mbola hisy hafa hateraka indray any,dia firy sisa no hino fa marina izany?
16. didi10 ( 11/04/2012 14:37)
Jn 3,4

4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?

5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina okoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. 6 Izay aterahy ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. 7 Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo. 8 Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
17. IAVO ( 11/04/2012 15:36)
Miaraba antsika rehetra.
Fantatro fa efa samy nifo aram-panahy daoly isika miditra ato @ty lohahevitra ity nefa isika tena ita fa samy manana ny evitra itondrany sy andraisany ny soratra masina daoly ka lasa samy te anamarina ny azy de lasa miteraka ady evitra ba amitsika le izy.Sendra efa tsy tokony andro iadina evitra be intsony izao andro izao fa tsy itanareo fa mety ve ra andro tokony iraisantsika evitra entina mitory ny filazantsara aminireo olona maro be mbola tsy nifo aram-panahy?
betsaka be ange ny jentilisa mijery ity lohahevitra ity fa tsy voatery itsika mpikambana ato ihany ka na tokony ampiova anazy aza teniny soratra masina etintsika ato de mety ho gaga ihany izy maita antsika tsy mitovy evitra ka mety vao maika afahany anome tsiny sy anenjehana antsika mpivavaka indray.
Zay fa samy ho tahin'Andriamanitra aminy zavatra rehetra daoly tsika rehatra eh!
18. Miharena ( 11/04/2012 16:57)

IZANY FANAHY MASINA IZANY DIA ANDRIAMANITRA ARY IZANY ANDRIAMANITRA IZANY DIA TENA VELONA SY MAHERY FA TSY MISY ANDRIAMANITRA MITSIPOZIPOZY KA LAZAINA FA TSY VELONA TSARA INDRAY

NY ANDRIAMANITRY NY 3em IZAY TSY MITOVY AMIN'ILAY ANDRIAMANITRA AO ANATY BAIBOLY NO TSY VELONA TSARA FA RAHA NY ANDRIAMANITRA HITAKO AO ANATY BAIBOLY DIA TENA VELONA KA TSY MISY MAHATOHITRA AZY


Marina tsy azo lavina aey mitovy mihitsy ny 3em io namana. Ny fitodihana no tsy mahamatimaty ny fanahy ao anaty namana.
Ny fanontaniana tsara apetraka dia hoe: raha misy ianao, dia noho IZA? Ka na ianao nania toy ny zanaka adala, na nipetraka toy ny zokiny arak'ilay tantara voambara ao anaty Baiboly, tsy zanak'Andriamanitra ve? Ary raha zanakadia tsy manana izay ananan'ny Ray ve? dia ny Fanahy Masina izany?
19. Tefigasy ( 12/04/2012 04:04)
Miharena:

Marina tsy azo lavina aey mitovy mihitsy ny 3em io namana. Ny fitodihana no tsy mahamatimaty ny fanahy ao anaty namana.

Ianao izao no ilay amboadia mitafy hodi-janak'ondry: mody ny baiboly no lazaina nefa Andriamanitra matimaty no voizina. Ianao irery no manana Andriamanitra matimaty fa tsy ny voalaza ao anaty baiboly
Ajanoko hatreo fa lasa mivaona amin'ny lohahevitra

20. Miharena ( 12/04/2012 05:17)

Ianao izao no ilay amboadia mitafy hodi-janak'ondry: mody ny baiboly no lazaina nefa Andriamanitra matimaty no voizina. Ianao irery no manana Andriamanitra matimaty fa tsy ny voalaza ao anaty baiboly
Ajanoko hatreo fa lasa mivaona amin'ny lohahevitra


Mivoana ianao satria lasa ftsarana ahy no ataonao fa tsy fijerena ilay fanamarihina apetrako raha marina na tsia.

Tsy misy Andriamanitra matimaty voiziko koa fa eritreritra efa raiki-tapisaka ao aminao angamba no avoakanao eto ho an'ny olona izay mitory eto momba an'Andriamanitra Tsitoha mampiaina ny olombelona rehetra tsy ankanavaka na ratsy izy na tsara satria ilay fahateraham-baovao no tanjoNY ho an'ny rehetra dia ny hampamiratra marina ny Fanahy Masina efa ananany ao anatiny avy. Tsy misy ifandraisan'ny Ray amintsika afa-tsy ny Fanahy Masina ka raha tsy manana isika dia tsy hifandray mihitsy io na oviana na oviana namana. Tsy misy Fanahy Masina teraka ao anaty fa ny fanokafana ny fontsika hiboiboika Fitiavan'Andriamanitra no andrasana amintsika.

Ary io fotoam-pifohazana fa tsy zavatra andrasana na raisina ivelany. Izay ilay fahateraham-baovao. Rehefa nohajambaina tsy hahafantatra ny momba antsika isika dia rehefa mahatsiaro fa avy amin'Andriamanitra no atao hoe teraka indray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0994