Miomana sy miambena fa ho avy ny andron'ny Tomponao

1. didi10 ( 02/04/2012 09:44)
http://tononkira.serasera.org/hira/ny-mpitory/miomana

http://www.youtube.com/watch?v=V4f1lPot_6U

Ny andron'ny Tompo ry namana dia tsy ilay andro alahady lazaina fa tokony andehanana mivavaka fa ilay andro hiverenan'ny Tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra ka ny maso rehetra hahita Azy.

Miomana, mibebaha fa efa antomotra ny andro.

Matio 24, 38
38 Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran' i Noa tao amin'ny sambo-fiara, 39 ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. 40 Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. 41 Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
42 Koa amin'izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.
novalian'i Miharena ny 13/04/2012 16:30
2. didi10 ( 05/04/2012 14:18)
Ho anao mihitsy anie Miharena no nanokafako ity lohahevitra ity e!
Ianao mantsy milaza fa tsy ilaina intsony ny miomana fa samy efa zanak'Andriamanitra daholo ny olona rehetra ka tsy hisy ho very.
3. Miharena ( 07/04/2012 07:16)
Marina ny anao ary tsy misy diso na ny iray aza amin'ny tanisa avy ao amin'ny Soratra Masina.

Misy zavatra tiana hamafisina fotsiny: matoa ireo teny ireo tonga dia mazava fa Kristy hitondra fahazavana no miteny azy ary ny teny dia tsy ho an'ny kristianina irery fa ho an'ny olombelona rehetra eran-tany. Ny endrika hiparitahany no samihafa arakaraka ny misy ny olombelona sy ny fivoarany avy. Fa ny vontoatin'ny hafatra dia mazava fa ny hoe zanak'Andriamanitra isika olombelona rehetra.

Ka raha miteny ianao hoe tsy zanany izay tsy mionana dia diso ianao satria efa zanany rahateo ireo (jereo ny tantaran'ny zanaka adala). Tsy hoe rehefa nandeha ny zandriny dia tsy zanaNY na koa ny zokiny izay nialona ny zandriny noho ny fitiavan'ny Rainy azy no hahavery ny zokiny fa rehefa zanaka dia zanaka. Afaka mifaly ao AMINY satria IZY no be Famindram-po.

Ka raha ireo resaka avela sy horaisina ireo no lazainao dia hoy aho hoe marina tsy azo lavina satria ny omby indray mandry, tsy indray mifoha. Izay avela mbola manana anjara fifohazana ho azy amin'y manaraka fa izay mifoha aloha no mandeha manatrika ny RAY na ny marinarina kokoa maneho ny Fahazavan'ny Ray ao aminy. Izay masaka no atao hoe mifoha fa izay mbola tsy masaka dia tsy ampy ny fahalalàna tsotsotra momba ny RAY Mpanao izao rehetra izao ao anatiny.

I Kristy moa nilaza hoe midira amin'y vavahady ety ianareo. Io vavahady ety io dia lialya fahatsorana toy ny zaza fa raha mbola be saina hanao izatsy sy izaroa dia olona tsy vonona izany fa mbola hierikerika vao hiverina amin'y laoniny maha-zanak'Andriamanitra azy. Indrindra moza ka ireo fatra-mpitsara ny namany izay tenany ihany ka mahatogna azy ho maizina andro aman-alina dia mbola tsy hahita lalana raha tsy efa mandeha elaela misava izay nafafiny.
4. Miharena ( 07/04/2012 07:17)
Marina ny anao ary tsy misy diso na ny iray aza amin'ny tanisa avy ao amin'ny Soratra Masina.

Misy zavatra tiana hamafisina fotsiny: matoa ireo teny ireo tonga dia mazava fa Kristy hitondra fahazavana no miteny azy ary ny teny dia tsy ho an'ny kristianina irery fa ho an'ny olombelona rehetra eran-tany. Ny endrika hiparitahany no samihafa arakaraka ny misy ny olombelona sy ny fivoarany avy. Fa ny vontoatin'ny hafatra dia mazava fa ny hoe zanak'Andriamanitra isika olombelona rehetra.

Ka raha miteny ianao hoe tsy zanany izay tsy mionana dia diso ianao satria efa zanany rahateo ireo (jereo ny tantaran'ny zanaka adala). Tsy hoe rehefa nandeha ny zandriny dia tsy zanaNY na koa ny zokiny izay nialona ny zandriny noho ny fitiavan'ny Rainy azy no hahavery ny zokiny fa rehefa zanaka dia zanaka. Afaka mifaly ao AMINY satria IZY no be Famindram-po.

Ka raha ireo resaka avela sy horaisina ireo no lazainao dia hoy aho hoe marina tsy azo lavina satria ny omby indray mandry, tsy indray mifoha. Izay avela mbola manana anjara fifohazana ho azy amin'y manaraka fa izay mifoha aloha no mandeha manatrika ny RAY na ny marinarina kokoa maneho ny Fahazavan'ny Ray ao aminy. Izay masaka no atao hoe mifoha fa izay mbola tsy masaka dia tsy ampy ny fahalalàna tsotsotra momba ny RAY Mpanao izao rehetra izao ao anatiny.

I Kristy moa nilaza hoe midira amin'y vavahady ety ianareo. Io vavahady ety io dia liay fahatsorana toy ny zaza fa raha mbola be saina hanao izatsy sy izaroa dia olona tsy vonona izany fa mbola hierikerika vao hiverina amin'y laoniny maha-zanak'Andriamanitra azy. Indrindra moza ka ireo fatra-mpitsara ny namany izay tenany ihany ka mahatogna azy ho maizina andro aman-alina dia mbola tsy hahita lalana raha tsy efa mandeha elaela misava izay nafafiny.
5. niryna ( 12/04/2012 16:36)

didi10:


Ny andron'ny Tompo ry namana dia tsy ilay andro alahady lazaina fa tokony andehanana mivavaka fa ilay andro hiverenan'ny Tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra ka ny maso rehetra hahita Azy.


oddrryy
tsy diso kay ny teniko tao ambadika tao fa hiverina ny SABATA indray ranamana izany an
6. didi10 ( 13/04/2012 06:10)
Raha hanompo ihany ve ry namana tsy aleo mandeha amin'ny andro voasoratra ho fivoriana Masina?
7. Miharena ( 13/04/2012 06:49)
Ilay fomba fanompoana mihitsy no mety ho diso fa tsy ilay resaka andro no maninona. Ny andro dia fahalalàna tsotsotra ihany fa tsy misy idiran'ny Fanahy mihitsy ao aminy. Na ilay resaka hoe miambena aza anie ka izay olona manana ahiana no manao azy. Koa aiza tokoa moa izany ny fipetraky ny Fiadanan'ny Tompo izay nampahatsiahiviNY antsika tsirairay?
8. didi10 ( 13/04/2012 07:57)
Dia sahy milaza ve ianao namana fa tsy manana ahiana amin'io 3e testament nao natakalonao ny Baiboly io
9. Miharena ( 13/04/2012 09:46)
Eny 1000% no valiny namana. Ary tsy misy manakalo 3e Testament ny Baiboly izany fa fanampiny io boky io arak'i Kristy fa tsy arak'i Miharena akory.

Io no hany mampahafantatra ny fanazavana izay aroso momba ireo lohahevitra maro mifanesy eto izay tsoahana ao anaty Baiboly. Ary raha mamaky io ianao dia hahita fa tsy misy teny hafa ao afa-tsy fanazavana izay efa voalazan'ny Baiboly ihany. Hita hoe boky fameno marina satria mazava fa matoa misy ny adihevitra be dia be tsy mifanojo noho ny fomba fanoratana ny Baiboly sy ny fandraisan'ny olona azy dia mila fanampiana izany ny olombelona hahatonga azy ho tanteraka kokoa ao amin'i Kristy. Izay no anton'ny fanomezana fanazavana fanampiny avy AMINY amin'ny alalan'ny fanoratana boky fameno.
10. didi10 ( 13/04/2012 11:01)
Efa hainao tsara angamba ny position'ny Baiboly amin'ny filazantsara hafa (Gal 1,8) sy ny miandry izay mitory izany.
11. Miharena ( 13/04/2012 16:30)
Aza tonga dia mandray izay tsimpona enti-manohitra bontolo izay fivoaran'ny filazantsara ianao. Raha izany resaka Tenin'Andriamanitra izany no tianao ho fantatra dia na izao tontolo izao aza tsy ho omby azy. Dikany , tsy Baiboly izay misy pejy anarivony ihany no Tenin'Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0364