Ny toetra rhf manambady

1. reggae11 ( 28/03/2012 05:34)
hono hoaho,inona no tsara:
-mizatra ho tokam po dia ny mbola ts manambady am zay zatra tokam po rhf ao an tokan trano
-manao sipa maro am zay afa po tsara ka ts maditra tsony rhf ao an tokan trano
Ry namana,mb ampio aho fa ts haiko am reo n hataoko
2. hery ( 28/03/2012 06:45)
Inona tokoa no tsara?

- Manao ny tsara alohan'ny hanambady dia amin'izay zatra manao tsara na efa manambady aza
sa
- Manao ny ratsy rehetra alohan'ny hanambady (mangalatra, mijangajanga, mamono olona sns) dia amin'izay tsy manao an'ireo ratsy ireo intsony rehefa manambady?

:-) nasiana sira kely fotsiny dia hitanao ny valiny
3. mirananirina ( 28/03/2012 12:01)
Tsy marina ilay hoe manao sipa bdb refa mbola tsy manambady dia hendry rhf manambady :)
Io rhf natao foana hatrizay dia tsy afaka intsony na dia efa antitra aza!Tanana zatra mitsotra ireny,fa ianaro dia izao ny tsy mampirafy!!
4. reggae11 ( 29/03/2012 17:03)
misaotra,ka ts ho kamo am tena ndray v ny vady raha toa ka ts manana experience betsaka ny tena:eo am lafiny rht io an!
5. pulm ( 29/03/2012 17:27)
Amiko aloha ny vehivehy no tokony ho tsara fitondratena voalohany., raha tiana ho tsara ny tokatrano, satria manko izao, misy tombony lehibe eo @tokatrano ny fahadiovan'ny vehivavy rehefa miditra ny tokatrano, ny lehilahy tsy dia maninona satria tsy hita taratra ety ivelany izany, na dia efa nanao sipa 100 aza, fa ny vehivavy une fois fotsiny dia vita ny fiainanay, ka oanareo vehivavy mahaiza mitondra tena,ajao ny vatana
6. reggae11 ( 31/03/2012 09:22)
marina zan e!
7. arialy ( 01/04/2012 07:51)
pulm< ny vhv voafitaka sy ny divorcée izany tsy mendrika ny halaina vady intsony ? inona ny tombony amin'ny fahadiovan'ny vhv ao an-tokatrano? tsy ny toe-tsaina ve no ilaina ho tsara hoan'ny lhl sy vhv?
en tout cas na ny vhv sy lhl ifampaka vady ihany no mahalala ny mety sy tsy mety aminy..
8. pulm ( 02/04/2012 06:32)
afa indray ange izany oe efa nisara-bady izany e! efa fantatra hoe efa nanambady ar matetika olona efa samy efa nisara-bady no mifapaka.amiko dia misy tombony lehibe eo anatrehako ny vadiko oe nadio no niditra ny tokatranoko; za taloha niaraka t@ sipa iray izay, efa ho 5taona izahay no niaraka, izy tena endry be mihintsy dia natoky azy aho, nefa rehefa nisy fotoana niarahanay dia nanotany azy aho hoe enao ve efa niaraka t@lehilahy afa ( firaisana)? dia tsy namaly ahy miitsy izy teo, nefa rehefa veo dia nolazainy za hoe efa tsy virjiny intsony aho, tsoriko aminao fa tena ohatry ny nilatsahambaratra za nandre izany, ary nanomboka teo dia nihalefy ny fifankatiavanay ary niafara t@ fisarahana,
9. hery ( 02/04/2012 11:45)
Dia nefa i pulm efa tsy virjiny intsony.

Dia tamin'i pulm niaraka tamin'ireo vehivavy hafa talohan'io ve mba nieritreritra hoe raha misy lehilahy mitovy toetra amiko izao dia tsy hanaiky ho vadin'ity vehivavy iarahako ity intsony?

Raha lehilahy mitady virjiny izany dia tokony ho virjiny koa fa tsy efa nandravarava ny vehivavy hafa dia izay vao miandry virjiny
10. mirananirina ( 06/04/2012 08:16)
Raha azoko tsara izany dia vhv 1 ihany no tokony ho vakian'i plum,raha mitovy toetra aminao daholo ny lhl,tsy misy hanambady na 1 aza :)!!dia ahoana ny fijerinao ireo vhv hafa nasianao???nefa tsy novadianao??
11. pulm ( 10/04/2012 12:12)
ka ireo vehivavy niaraka tamiko ireo ange ka tsinisy nadio daholo e! afa iany ange izany hoe nihinana ny tsy sisan'ny olona izany misy fiany be mihintsy a!
12. hery ( 10/04/2012 20:49)
pulm> dia izany koa ny mba fanirian'ny vehivavy. Hoe mba lehilahy madio sy virjiny no ho vadiny. Ny vehivavy vadin'i pulm izao dia efa mionona fa tsy mba hoe madio ny vadiny fa efa nandalovan'ny vehivavy maro.
13. yasnie ( 11/04/2012 14:49)

pulm:

Amiko aloha ny vehivehy no tokony ho tsara fitondratena voalohany., raha tiana ho tsara ny tokatrano, satria manko izao, misy tombony lehibe eo @tokatrano ny fahadiovan'ny vehivavy rehefa miditra ny tokatrano, ny lehilahy tsy dia maninona satria tsy hita taratra ety ivelany izany, na dia efa nanao sipa 100 aza, fa ny vehivavy une fois fotsiny dia vita ny fiainanay, ka oanareo vehivavy mahaiza mitondra tena,ajao ny vatana

fa rah ts ita taratra ety ivelany ve dia ts d maninona?betsaka ny vehivavy voafitaka no nahatonga azy ts virijiny tsony f ts noho ny ditra fa io ny toetra foana no ahazoana vady na tsia f ts oe vita na tsy vita.
14. ded.kitty ( 14/05/2012 02:05)
Izaho tsy dia miangona loatra, fa mbola ny baiboly aloha no hitako tsara hafatra @ ny fifidianana vady. Raha mbola milalao kosa dia hafa ny tantana.
Izao fotsiny e. Ny fitadiavana vady toy ny fitadiavana trano. Raha misaina, dia mijereva trano betsaka, rehefa misy iray misongadina ka mety aminao, dia iny no fidio atao fonenana.
Misy mantsy ny olona sasany hoe "aaa, tena ity ilay trano tadiaviko, io no tiako, aleo vidiana dieny izao", vidiana amin'izay ilay trano, tsy ampy 3 taona dia leo satria misy milay kokoa any.
15. reggae11 ( 15/05/2012 14:08)

[quote=ded.kitty]

tena marina izany,saody tratry ny "tahak'izay eo"
16. arialy ( 16/05/2012 09:32)
angaha moa ny olona halaina vady raha tsy efa resy lahatra fa tena tiana? ka na mifankatia toy ny inona mandritry ny 10taona aza vao hivady mety hisy ihany ny saonjo iray tsy omby vava hampisaraka fa tsy afaka mitompo teny fantatra hoe efa izy no nofinidiko sns ary amiko faran'ny tsara, ny olona mety miova koa anie é, ohatra hoe tsy mahazaka tandrifin-drahona sns ... misy ny olona vadiana koa rehefa tena ao an-tokantrano vao tena hita ny toetrany fa mahay manafina tsara na mandritry ny taona maro nifampizahana aza ... fa rehefa ao mety afaka ho tiavina amin'ny haratsiany koa ilay olona... arakaraky ny olona mitia io samy manana ny fetrany ary azo ifampiresahana daholo ny tsy mety rehetra ao an-tokantrano raha tiana hizotra milamina, ny efa tsy afaka hiova sy ny tsy mahazaka moa dia misara-belona ...raha ny resaka maha virijiny indray dia hafa izay satria tsy resaka firaisana ara-nofo no fototry ny toka-trano fa raha any no itondrana ny resaka dia tokony hadio daholo na ny lahy na ny vavy alohan'ny fampakarana.
17. ded.kitty ( 16/05/2012 10:31)
Ekena in-jato sy arivo e. Ny hakamaroan'ny olona misara-bady dia olona tsy mahala fa ny fitiavana nofo tsy mitovy @ fitiavana am-panahy, sy fahaizan'i ramose sy madama mamoha olana.

arialy:

18. reggae11 ( 16/05/2012 11:52)

ded.kitty:

de ina zan no mety am tw? MANAO maro sa iray iahany?
19. hanjaris ( 22/05/2012 13:17)

arialy:

pulm< ny vhv voafitaka sy ny divorcée izany tsy mendrika ny halaina vady intsony ? inona ny tombony amin'ny fahadiovan'ny vhv ao an-tokatrano? tsy ny toe-tsaina ve no ilaina ho tsara hoan'ny lhl sy vhv?
en tout cas na ny vhv sy lhl ifampaka vady ihany no mahalala ny mety sy tsy mety aminy..

marina ny nao hoe ny toe tsaina no zava dehibe fa tsy hymen!!! mahafantatra vehivavy maro vierge niditra ny fanambadiana aho fa henjana ra hampirafy an!!!! lol
Na ny lehilahy na ny vehivavy tokony ho tsara fitondra tena aloha sy aoriany mariage.Tsy midika hoe tsy maazo manao sipa mialohan ny mariage fa mahaiza mitondra tena amin ny lafiny reetra.
20. Ninih80 ( 24/05/2012 13:01)
ny olona miarak amiko tena mitovy fomba fijery amin'i plum io mihintsy fa tena tia tena be !!

pulm:

Amiko aloha ny vehivehy no tokony ho tsara fitondratena voalohany., raha tiana ho tsara ny tokatrano, satria manko izao, misy tombony lehibe eo @tokatrano ny fahadiovan'ny vehivavy rehefa miditra ny tokatrano, ny lehilahy tsy dia maninona satria tsy hita taratra ety ivelany izany, na dia efa nanao sipa 100 aza, fa ny vehivavy une fois fotsiny dia vita ny fiainanay, ka oanareo vehivavy mahaiza mitondra tena,ajao ny vatana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1104