Mitondra inona ny fanindraindrana ny tantaram-pirazanana?
1. didi10
(
27/03/2012 16:26)
Tsy eo amin'izao tontolo izao ihany izay manavaka ny merina sy côtier, ny taranak'Andriana sy ny Hova sy ny mainty fa tonga hatrany amin'ny fiangonana Kristianina ny fanindraindrana ny tantaram-pirazanana amin'ny maha Jiosy ny Gasy sy ny maha Jiosy an'i Jesosy Kristy.
Hitondra inona anefa izany?
Hitondra inona anefa izany?
novalian'i Miharena ny 02/04/2012 10:58
3. didi10
(
28/03/2012 06:28)
Tsy hoe tsy mitondra na inona na inona fa tena mitondra fihemorana mihitsy amin'ny finoana.
Tsy tadidinao nga namana ireo milaza fa Jiosy malagasy nonina tao ambany tetezan'ny ByPass?
Misy aza lasa niverina manaraka ara-bakiteny ireo lalan'i Mosesy satria jiosy hono isika, tsy miharatra, tsy manao ankanjo samihafa ny akora nanaovana azy (oh coton sy nylon miaraka) raha règle ny vadiny dia roahana matory any an-dakozia fa maloto hono. Rehefa tonga ny Sabata dia tena tsy manao asa na inona na inona, tsy mandeha bus tsy mividy lasantsy tsy mandrehitra afo...

4. Miharena
(
28/03/2012 09:16)
Didi10:

Dia mitovy aminao Didi10 mamelona fa Sabotsy no tena didin'Andriamanitra hanaovana fivavahana fa ny azy mbola tsaratsara kokoa satria tena tsy afangarony mihitsy ary tsy misy alatsany na litera iray aza izay ao anaty Baiboly Testamenta Taloha ao.
Ka aiza ihany àry izy ity Didi10? tsy hita intsony ilay lalan-kombana marina amin'ireo fanontaniana apetrakao marobe eto amin'ity dinika Fivavahana, Finoana ity.
5. jajajaly
(
28/03/2012 10:21)
F'angaha tsy Adama sy Eva no razambatsika. Mitovy daholo isika ary rahalahiko sy anabaviko ianareo rehetra.
Nofidin'i Jehovah ho fananany manokana ny israely aranofo fahiny. Tsy nankato an'ilay mpamorona be voninahitra anefa izy ireo ka nesoriny taminy izany tombontsoa izany. Iza no nasolony azy?
Mamaly izany ny Asa 10:34-36
"Dia niteny i Petera, ka nanao hoe: «Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, 35 fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany. 36 Nandefa hafatra tany amin’ny zanak’Israely izy mba hotorina amin’ireo ilay vaovao tsaran’ny fihavanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy hoe: Izy no Tompon’ny olon-drehetra.
Nosoloin'ny Jehovah an'ireo rehetra mataotra azy ny Israely. Mifalia ary ianao fa gasy satria tsy miakina amin'ny firazanana ny fiainana mandrakizay.

6. didi10
(
28/03/2012 13:46)
Tim 1 1.3
3 Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa, 4 na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana

7. Miharena
(
28/03/2012 14:28)
...fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana
Efa tsara rehefa mahalala fa tsy misy afa-tsy finoana no mampandroso fa tsy ny tantara.

8. didi10
(
28/03/2012 16:37)
Miharena:
Didi10:
Tsy hoe tsy mitondra na inona na inona fa tena mitondra fihemorana mihitsy amin'ny finoana.
Tsy tadidinao nga namana ireo milaza fa Jiosy malagasy nonina tao ambany tetezan'ny ByPass?
Misy aza lasa niverina manaraka ara-bakiteny ireo lalan'i Mosesy satria jiosy hono isika, tsy miharatra, tsy manao ankanjo samihafa ny akora nanaovana azy (oh coton sy nylon miaraka) raha règle ny vadiny dia roahana matory any an-dakozia fa maloto hono. Rehefa tonga ny Sabata dia tena tsy manao asa na inona na inona, tsy mandeha bus tsy mividy lasantsy tsy mandrehitra afo...
Dia mitovy aminao Didi10 mamelona fa Sabotsy no tena didin'Andriamanitra hanaovana fivavahana fa ny azy mbola tsaratsara kokoa satria tena tsy afangarony mihitsy ary tsy misy alatsany na litera iray aza izay ao anaty Baiboly Testamenta Taloha ao.
Ka aiza ihany àry izy ity Didi10? tsy hita intsony ilay lalan-kombana marina amin'ireo fanontaniana apetrakao marobe eto amin'ity dinika Fivavahana, Finoana ity.
Ka izay mihitsy namana Miharena,
Afangaron'ny olona ny Didy 10 sy ny lalàn'i Mosesy.
Ny Didy 10 dia mitovy amin'ny lalam-panorenana raha amin'ny olombelona, lalàna fototra ambonin'ny lalàna rehetra ny tsy mampitovy azy fotsiny dia ny an'ny olom-belona azo ovaina fa ny Didy 10 dia tsy azo ovaina na foanana: Donc mbola mitoetra ny Sabata sy ny tsy fiankohofana amin'ny sary vongana.
Ny lalan'i Mosesy dia mitovy amin'ny lalàna tsotra entina ifehezana ny fiara-monina, maro no efa nofoanana, maro no efa navaozina ary maro no mbola tsy niova mihitsy.
Fa ireto olona mpanindraindra firazanana ireto dia tsy mahatakatra izany ka mivavaka amin'ny fisainana madio fa andevozin'ny lalàna izay efa lany andro ny ankamaroany.
Ohatra: Ny tsy maintsy hanaovana famorana
Ny tsy fihinanana biby maloto
Ny tsy azo anaovana akanjo vita amin'ny akora samihafa
...
9. Miharena
(
29/03/2012 04:47)

Azo zaraina roa mazava ny Didy 10 dia ny ara-panahy sy ara-nofo. Rehefa tsy misy nofo intsony hokarakaraina dia tsy manapaka intsony ny didy ara-nofo. Misy faharavana izany eo amin'izay fotoana izay satria tsy manapaka intsony ny didy ara-nofo rehefa miaina ny ara-panahy ny olona.
Ny fitandemana rehetra dia anisan'ny ara-nofo afa-tsy ny didy roa mampahalala ny Mpamorona sy ny didim-pitiavana izay vokatry ny fanahy fahamarinana na Fanahy Masina miteraka fitondran-tena tokana sady mahitsy. Io no Fototra ampianarina ny rehetra dia tokony handeha ho azy ny zava-drehetra. Fa isika tsy afaka hiala bala hatrany hoe zaraina foana ilay didy 10 nefa tsy mampianatra tsara ireo lafiny ireo fa manindry fehezanteny iray hatrany toy ny fitandremena ny Sabata.
Hoy i Krsity: Tsy ny sabata no natao ho an'ny olona fa an'ny zanak'olona ny sabata. Misy nuance goavam-be io. Izay manao hoe mitandrema ny sabata dia ilay voalohany, izany hoe ny sabata no manapaka ny olona fa izay manao hoe an'ny zanak'olona ny sabata, dia mazava fa ao anatiny izany ny Sabata fa tsy andro tandremana hamatotra toy ireo lalàna natolotra an'i Mosesy maro be izay manomboka mavesatra rehefa hitan'i Didi10 ka ny raharaha aminy dia asiana raisina kely ihany sy avela (izay tiako ihany io no fiafarany).
Na izany na tsy izany, izay lalàna atao an-tsitrapo sy ami'ny fo madio dia manome hasina ny olona fa izay atao amim-pimonomonomana sy tsy fahalalàna dia mahaloto azy araka ny teny hoe : tsy ny hanina no mahaloto ny olona fa izay mivoaka avy ao am-pony.
10. mirananirina
(
29/03/2012 07:08)
Raha tantaram-pirazanana Malagasy no jerena ry didi10 dia mifanohitra @ hambaranao ankehitriny an,
11. didi10
(
30/03/2012 07:42)
Miharena:
Azo zaraina roa mazava ny Didy 10 dia ny ara-panahy sy ara-nofo. Rehefa tsy misy nofo intsony hokarakaraina dia tsy manapaka intsony ny didy ara-nofo. Misy faharavana izany eo amin'izay fotoana izay satria tsy manapaka intsony ny didy ara-nofo rehefa miaina ny ara-panahy ny olona.
Toa manonofy ity ianao namana,
Tsy misy nofo hokarakaraina ahoana?
Ko maninona ianao no miasa? mihinana? misotro? matory? manam-bady? mitaiza zanaka?
sa rehefa miaina ara-panahy dia mande ho azy ireo rehetra ireo?
Mazava tsara fa ny amin'ny mbola mha-olombelona nofo sy rà antsika no hipetrahan'ireo Didy sy lalàna napetraky ny Tompo ireo mba hanavahana ny mpanaradia Azy sy ny zanak'izao tontolo izao. Fa raha efa any amin'ny Paradisa ianao dia manaiky aho fa tsy misy nofo karakaraina intsony.
12. Miharena
(
30/03/2012 15:13)

Tsy manonofy ka!
Ilay Paradisa resahana sy ilay ara-panahy mihitsy no mety tsy mitovy ny fijerintsika azy. Ny anao resaka ara-nofo karakaraina ary Paradisa mbola katsahana fa ny ahy resaka ara-panahy karakaraina sy Paradisa iainana dieny mbola nofo ary tsy mahatapaka ny nofo ireo didy ara-nofo fa rehefa voakatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra dia manampy ny zava-drehetra fa tsy voatery tsiahivina intsony hoe aza manao izatsy na izaroa.
13. didi10
(
02/04/2012 09:18)
Tsy ny fanjakan'Andriamanitra fotsiny no tokony hokatsahina ka, ny fahamarinana koa!!! kanefa aiza ho aiza ianao amin'ny fahamarinana sy ny teny tsy misy kilema? aza mirehareha ho manam-pahasambarana ianao namana raha mbola tsy ao aminao izany fahamarinana izany fa hoy ny Soratra Masina hoe:
Rom 8,17
Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.

14. Miharena
(
02/04/2012 10:58)
Tsy ny fanjakan'Andriamanitra fotsiny no tokony hokatsahina ka, ny fahamarinana koa!!! kanefa aiza ho aiza ianao amin'ny fahamarinana sy ny teny tsy misy kilema? aza mirehareha ho manam-pahasambarana ianao namana raha mbola tsy ao aminao izany fahamarinana izany ....
Ny fanjakan'Andriamanitra no MARINA fa tsy misy fahamarinana ankoatr'izay namana. Rehefa voaray io dia manam-pitsaharana ao amin'ny Tompo ianao ary afaka manao asa lehibe mizara fahafahana ho an'ny namana hafa.
Ary ilay izy tsy hoe manana notion no izy fa miaina amin'ny mazava. Izay no nilazako taminao hoe Paradisa iainana dieny mbola nofo fa tsy katsahina intsony satria ny mampalahelo anie amin'izao fotoana izao dia tsy mahay miaina ny ankehitrininy intsony ny olona fa manantena zavatra manjavozavo sy feno suppositions rehefa ara-panahy no resahana e!
Ary raha miverina indray amin'ny lohahevitra aza isika dia resaka tantara indraindraina ilay izy ary raha tantara tokoa no indraiindraina, inona intsony no mampamndroso ny olona fa manao dia miverina izany izy. Dia io ilay fahamarinana indraindray indranindrain'ny mpilaza fampianarana tsy misy kilema (izay mifototra amin'ny tantara) fa tsy fiainana ny ankehitriny feno homban'ny herin'Andriamanitra isa-tsegondra iainana.