Nouvel Age sns....Aleo isika rehetra no miara mijery ny source

1. Maranatha ( 27/03/2012 09:49)
mahereza dia aza kitahorana fa izao no projet manaraka ao anatin'ny projet Maitre du monde izay tsy manaiky ny Maitre du monde dia mazava be fa haringany.
www.bibleetnombres.online.fr/haarp.htm
Mahereza fotsiny e!
novalian'i Miharena ny 03/04/2012 15:12
2. hery ( 27/03/2012 10:22)
Tsy dia mandaitra amiko ireny aloha hatramin'izao. Ny mitady izay hohanina isanandro ara ity manahirana. N'iza n'iza maitre eo, ny frais bus misondrotra tsy misy manome vahaolana.
3. didi10 ( 27/03/2012 16:03)
Heb 13,6
6 Ka dia sahy manao hoe isika:
"Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho;
Inona no azon'ny olona atao amiko?"(Sal. 118. 6)

Na ho foana zao dia zao aza izao tontolo izao, efa vonona izahay ary ianao?
4. Miharena ( 28/03/2012 09:26)
Maranatha:

mahereza dia aza kitahorana fa izao no projet manaraka ao anatin'ny projet Maitre du monde izay tsy manaiky ny Maitre du monde dia mazava be fa haringany.


Efa teo no niala Maranatha, mba jereo indray ny site hafa fa aza milona amin'io ianao fa manome hery azy ny tahotrao sy ny famakianao ireny. Misy site manohitra aminy' fomba matotra ireo ao amin'ny Terre nouvelle.
5. didi10 ( 28/03/2012 16:42)
Ao amin'ny Terre Nouvelle Maranatha a! ao amin'ny fiangonan-dry Miharena !
Site-Web mantsy ny fiangonany dia page web iray no Baiboliny ;-)
6. Miharena ( 29/03/2012 05:05)
Didi10:

Ao amin'ny Terre Nouvelle Maranatha a! ao amin'ny fiangonan-dry Miharena !
Site-Web mantsy ny fiangonany dia page web iray no Baiboliny


Fa izay tovozinao mamaky Baiboly fotsiny anie Didi10 tsy mahafa-po ny olona e!

Nahoana moa no mamaky site web Maranatha ary mizara eto? Satria misy fanontaniana ao. Dia mba mamaly aho hoe misy koa ny mitrandraka izay ao anaty Baiboly ao amin'ny site Terre nouvelle. Sao dia mahavaly ny fanontaniana na mahafa-po kokoa ny fandalinany.
7. bichette ( 29/03/2012 11:40)
raha tena kristianina tena mifantoka tanteraka amin'i Jesosy Kristy tokony tsy hatahoatra, efa notenenin'i Jesosy anie ny hitranga rehetra e raha niteny izy ny amin'ny andro farany ; Jesosy aza nampahafantatra mialoha ary miteny izy hoe tsy maintsy hisy ny izao sy ny izao fa isika tsy tokony hatahoatra sns ... vakio matio 24 sy halalino.
Ny anjelin'ny Jehovah mitoby manodidina izay matahoatra azy hoy ny tenin'Atra :-)
8. RBNIR ( 03/04/2012 13:38)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Tsy ny devoly izay mety ho asany no tokony hatahoran-tsika fa Andriamanitra.
Avy eo indray dia Andriamanitra no aoka hiady ho an-tsika.

Samia tahin'ny Tompo daholo
9. Miharena ( 03/04/2012 15:12)
Raha novakiana tokoa anie ilay projet Haarp o amin'io lien nomen'i Maranatha io dia misy tokoa ireo olona te-hifehy an'izao tontolo izao nefa tsy afaka hanao izany izy satria misy koa ny mampandamoka ny asany amin'ny alalan'ny famohazana ny olona hahalala ny momba azy izay mifototra kokoa amin'ny ara-panahy fa tsy ara-nofo. Izay no antony nilazako hoe jereo ihany ny site hafa izay miresaka betsaka ny ara-panahy.

Ohatra iray ny momba ireo biby marobe maty tamin'ny fiantombohan'ny 2011 ireo dia mazava fa noho ny fiovan'ny onde magnétique ny tany izay nahatonga désorientation ary noho ny faneken'ireo biby ireo handeha hiaina fiainam-baovao (tsy misy ny fahafatesana fa fiovana endri-piainana no misy). Io dia noho ny fivoaran'ny tany fa tsy misy hidirany loatra amin'ilay HAARP voambara ao amin'ilay lien nalefan'i Maranatha. Ny HAARP dia fiheverana hikarohana energie vaovao azo ampiasaina ary olombelona voafetra be ara-nofo no mikaroka ao. Fa ny ara-panahy indray dia hafa mihitsy ny fijeriny ny zava-miseho fa tsy hahafehy izay fivoaran'ny tany araka ny programan'Andriamanitra mihitsy ny olombelona na oviana na oviana.

Hisy famohazana lehibe hitranga atsy ho atsy, raha tsy efa manomboka izy amin'izao isika miteny izao fa ny tsirairay no mahatsapa azy aloha amin'izao fotoana izao fa tsy ny daholobe izay mbola miondrika ao amin'izay hohaniny androany na mierikerika mijery ny tsy filaminana misy ankehitriny.

Izay matoky no hahita fifohazana aingana fa ny rehetra dia ho avy amin'izany avokoa satria ny fiovan'izao tontolo izao izay hihavao no mahatonga ny korontana isan-karazany mety misy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2107