misy mahatadidy ve?

1. lo ( 27/03/2012 04:44)
Misy mahatadidy ny titre sy ny mpihira an'ity extrait ity ve ?,
"raha sedra hita fa matroka ny vodilanitra, rehefa hita fa sarotra ka mila ho fanina, atsikio ny molotrao, misy hery ivoaka avy ao, hanome aina vaovao.."

novalian'i hery ny 10/07/2014 17:57
2. vony501 ( 27/03/2012 06:18)
Ny Tarika RABERANTO no mpihira raha tsy diso aho, fa ny titre no tsy tadidiko
3. lo ( 27/03/2012 13:59)
tsy dia sûr aho hoe ry zareo an.. duo aloha ilay izy
4. Enry ( 27/03/2012 15:45)
i Razafindrakoto sy Zanandrasoa no mpihira anio;-):-P
5. Enry ( 27/03/2012 16:16)
titre= mahatsiaro XD
6. SOANAVA ( 31/03/2012 11:11)

Enry:

titre= mahatsiaro XDVariana aho fa hay misy toa ahy mitady mafy io hira io
efa nanontany ny havako aho fa mety ahazo valiny.raha misy alohako dia misaotra
7. kiriah ( 31/03/2012 11:33)
Ity koa misy hira notadiaviko efa ela be fa tsy mety ho hitako satria tsy tadidiko tsony na titre na zay olona mihira azy.
Hira mpandeha tamin ny radio national izy ty taloha isakin ny aoriana ny valim-pananadinana BAKA .
"" ....fa nahoana zany zanako vavy( sa moa : zany zanako zany ) no mitomany ..."

zay ihany no tadidiko aminy , hihihih!
8. SOANAVA ( 31/03/2012 11:45)

kiriah:

Ity koa misy hira notadiaviko efa ela be fa tsy mety ho hitako satria tsy tadidiko tsony na titre na zay olona mihira azy.
Hira mpandeha tamin ny radio national izy ty taloha isakin ny aoriana ny valim-pananadinana BAKA .
"" ....fa nahoana zany zanako vavy( sa moa : zany zanako zany ) no mitomany ..."

zay ihany no tadidiko aminy , hihihih!
Tohiny kely ihany koa Ny fianarana dia tsy vita mora ry sombinaina,ny hijanona esory avy hatrany aza atao an-tsaina,izay ihany no tadidiko fa ilay hira dia aiko ny feony
9. kiriah ( 31/03/2012 12:13)
hihih! zay mintsy le izy ka ! tena tany amin ny 88 tany angamba zay hira zay .nisy tantine-ko zay tsy afaka baka dia isaky zay mande zay hira zay dia mitomany foana izy , angamba zay no nahatonga ahy ahatsiaro tapatapany an io hira io
10. ari.malala ( 02/04/2012 11:02)
Lo, ao antsaiko ilay hira teneninao fa ts tadidiko intsony hoe iza no mpihira inona ny lohateniny, fa io andalana io ihany no miverimberina ao antsaik miaraka @ feony!

kiriah, i Nantenaina no mihira azy amizao fotoan izao :) andraso jereko fa any @ dinika taloha ela b tany d adikako eto raha mbola hitako!
11. vony501 ( 05/04/2012 05:52)
I Zeze Mahanoro no tompon'ilay hiran'ny tsy afa-panadinana
12. kiriah ( 05/04/2012 11:19)

[quote=ari.malala]
misaotra betsaka akia a!
13. Djhamhal ( 06/04/2012 04:40)
Misy mahatadidy ny titre sy ny mpihira an'ity extrait ity ve ?,
"raha sedra hita fa matroka ny vodilanitra, rehefa hita fa sarotra ka mila ho fanina, atsikio ny molotrao, misy hery ivoaka avy ao, hanome aina vaovao.."

salut! Mila tsiky no titre ary EVA no mihira azy ! Mazotoa ndray ary ô!
14. hasi4 ( 12/05/2013 08:49)
ty no hitako a mbola tadiaviko eo ny originale de alefako andry eo ihany
http://www.youtube.com/watch?v=SEX2EDnTXRA
15. riordan ( 24/09/2013 20:21)
Ito ny lien misy version originale :
http://www.zomare.com/mp3-45-tours/Zeze-mahanoro/nahoana.mp3
16. Tsalomaditra ( 10/07/2014 16:35)
Averiko kely ty fa tiko
Misy mahatadidy ny titre sy ny mpihira an'ity extrait ity ve ?,
"raha sedra hita fa matroka ny vodilanitra, rehefa hita fa sarotra ka mila ho fanina, atsikio ny molotrao, misy hery ivoaka avy ao, hanome aina vaovao.."
17. hery ( 10/07/2014 17:57)
Efa novalian'i Djhamhal io.

Mila tsiky no titre
EVA no mihira azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1439