Iza no tompon'andraikitra?

1. niryna ( 26/03/2012 15:40)
Rehefa maheno ny hoe zaza ka hatramin'ny dimam-polo taona no mivarotena amin'izao fotoana izao dia tena ontsa ny fo sy ny fanahin'ny tena.MIvavaka ny tena mba tsy tafiditra amin'izany ny fianakavian'ny tena.MIvavak andro aman'alina koa ny tena mba ny fanahin'Atra no hanome hery sy tanjaka ary fanahy hendry ho an'ireo rehetra izay mitantana ny fiainanan'ny malagasy sy ny tanindrazan'ny tena.
Iza ary no tompon'andraikitra nahatonga ireo zaza amam-behivavy sy olon-dehibe efa manana ny hasiny ireo nivarontena?
novalian'i ledala ny 17/06/2012 20:39
2. Enry ( 26/03/2012 21:04)
i niryna no tokony ho tompon'andraikitra.. ary tokony hivavaka andro aman'alina i niryna;)
3. pissoa ( 27/03/2012 07:32)
Tsy olona iray no tompon'andraikitra angamba. Saingy kosa mety mazava hoe rehefa latsaka ankaterena ny firenena dia misy ny olona nisafidy ny hahantra na hangataka moa misy ny olona nisafidy ny hivaro-tena. hi hi hi
4. hery ( 27/03/2012 08:43)
Ny lehilahy mividy koa tompon'andraikitra.
Lasa faribolana adaladala (cercle vicieux lol) ilay izy satria rehefa miha mitombo ny mpivaro-tena amatrices, izany hoe ilay mpivarotra vaovao, dia mitombo koa ry zalahy mpandeha eny satria tia vao, dia mahita an'iny ny vehivavy sasany dia roboka dia tahaka izay foana.

Fa angamba tsy fotoana fitadiavana izay tompon'andraikitra izao fa hoe inona ny vahaolana.
5. mirananirina ( 28/03/2012 12:13)
Mampalahelo izany,nefa mafy ny fiainana ka atao ahoana moa no hanome tsiny azy ireny na hita fa tsy mety aza
6. niryna ( 29/03/2012 16:17)

Enry:

i niryna no tokony ho tompon'andraikitra.. ary tokony hivavaka andro aman'alina i niryna;)
oddryy,izaho angaha no nahatonga azy hivarontena ooops
vahaolana no tadiavintsika dia ny hoe inona no tokony atao
Ny mivavaka iny aloha dia marina,mivavaka ny firenentsika aho,isika rehetra no tokony anao izany,mivavaka ireo mpitondra rehetra,tsy tongatonga ho azy teo ireo raha nanakana Andriamanitra ka noho izany dia anjarantsika no mivavaka sy mangataka Azy mba omeny fahendrena ireo olona ireo mba tsy ny tombotsoany no tadiaviny fa ny ho an'ny vahoaka .Izany an
7. niryna ( 29/03/2012 16:18)

pissoa:

Tsy olona iray no tompon'andraikitra angamba. Saingy kosa mety mazava hoe rehefa latsaka ankaterena ny firenena dia misy ny olona nisafidy ny hahantra na hangataka moa misy ny olona nisafidy ny hivaro-tena. hi hi hi
manahoana aky pissoa a
angaha tsy nisy nisafidy ny ahantra fa satry aza hanankarena avokoa fa rehefa tonga ny patsy iray dia eo no miova ny fiainana ka ,sa ?
8. niryna ( 29/03/2012 16:20)

[quote=hery]
Ny lehilahy mividy koa tompon'andraikitra.[/quote ka ankehitriny koa anie efa misy lehilahy mivarontena e ooops

Lasa faribolana adaladala (cercle vicieux lol) ilay izy satria rehefa miha mitombo ny mpivaro-tena amatrices, izany hoe ilay mpivarotra vaovao, dia mitombo koa ry zalahy mpandeha eny satria tia vao, dia mahita an'iny ny vehivavy sasany dia roboka dia tahaka izay foana.
tena efa manjaka ilay lavarambo fa mila miambina isika rehetra ,mamotika ny tokantrano,ny fianakaviana ,ny mpiarabelona ,ny firenena

Fa angamba tsy fotoana fitadiavana izay tompon'andraikitra izao fa hoe inona ny vahaolana.
eo indrindra isika izao,inona tokoa re no tokony atao e
9. Enry ( 30/03/2012 09:43)
niryna> tantaraiko zavatra enao madama..

Misy ny bandy na ramosé, tsy mba mahita chance, dia ireny mpivarotena ireny no farafakeliny hazahoany fafinaretana.
Misy ihany koa ny tovovavy na madama, tsy mba manana chance, dia sahala amin'izay koa ny fiainany hazahoany fafinaretana.

Diniho kely fotsiny.. ra misy bandy anakiroa, ny iray hijehany vehivavy, ary ny anakiray andosirany vehivavy.. kanefa izy roa lahy mitovy ihany. Iza ozy enao no mampalahelo??
valiny: Ny mpivarotena dia mampalahelo.

raha mpivavaka kosa enao, de hoy ny tenin'Atra hoe: SAMBATRA NY JAMBA FA IZY NO HAHITA;-)
10. hery ( 30/03/2012 09:52)
Enry:

Misy ny bandy na ramosé, tsy mba mahita chance, dia ireny mpivarotena ireny no farafakeliny hazahoany fafinaretana.


Tsy vahaolana izany Enry a. Tsy hoe rehefa tsy mahita chance dia handeha ho eny amin'ny mpivaro-tena na hivaro-tena.

Izany ve tsy mitovy amin'ny hoe misy olona tsy mba nanana chance nahita télé dia ny mangalatra télé no mety aminy?
11. Enry ( 30/03/2012 10:04)
hery> lol be.. tsy mitovy mahintsy ka.. jereo fotsiny angé, ny iray mangalatra telé ary ny anakiray mpividy mpivarotena. Tsy mitovy ireo;-)
12. ded.kitty ( 14/05/2012 02:29)
Ny koaitra ve tsy nisy foana hatr@ izay. Ny olona mihinana zaza tsy ampy taona no tsy mety @ saiko ary tokony vonoina maty hoatra mpisam.
13. ledala ( 17/06/2012 20:39)
misy marina ihany ny an'i Niryna hoe iza no topon'andraikitra, sy ny an'i Hery hoe vahaolana no tokony ho tadiavina nefa amiko dia misy ifandraisany izany: miankina amin'ny antony sy fisehony no hitadiavana vahaolana
OH:
-antony= satria tsy manambola ;vahaolana= famoronana asa tsy ny fanjakana iany fa na izaho na ianao afaka manao izany avokoa(mba tsy sasaina amin'ny machine ny lamba fa anakaramana azy ireny)
-antony= toe-tsaina , vahaolana= ovaina ny fomba fanabeazana, miainga ao an-trano izany, fiaraha-monina, ary sekoly ( rehefa miantso ankizy ao antrano oh tsy atao hoe: avy tena lo aty r'lay kala alikamaty ty a, 09/20 fotsiny ve ny notin'la? ty tena dondrona mitsy.....)
-antony= mahery lotra ny rivotry ny fandrosoana ka mibirioka, vahaolana= tsy maka tahaka be fahatany (ankoatry ny tele sy film, isika avy aty andafy aty tonga any dia mitondra oh ratsy: fiteny, fitafy, fomba fomba, sns...)...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1799