Ho hita maso ve fiverenan'i kristy?
1. Miharena
(
26/03/2012 14:50)
Hita tatsy ambadika dia mba noheverin'ny namana Didi10 sokafana eto.
Hp hita maso tokoa ve ny fiverenan'i Kristy?
Ambarao àry.

novalian'i Miharena ny 30/03/2012 15:33
2. didi10
(
26/03/2012 16:24)
Aleo aloha asiana tsiky kely! :-)
Voalohany aloha ilay olona nanontany no tiako hametraka ilay lohahevitra vaovao mba hialana amin'ny fibahanan-toerantsika sy namana.
Faharoa: Nosokafanao tamin'ny anaranao ilay izy kanefa amin'ny anarako no nanokafanao azy! ! :-)
Ny valiny: Apo 1,7

3. Miharena
(
27/03/2012 05:26)
Ny valiny: Apo 1,7
Hanao transparent aho aloha àry namana fa ianareo no tiana hamosa-kevitra tsara fa izaho indray n hanontany izay tsy mampandrimandry ny saiko.
Io hoy ianao no valiny dia mba velabelaro, dia aoka raisina daholo aloha ny talohan'io Apo 1,7 io.
Misaotra indrindra

4. didi10
(
27/03/2012 07:35)
Apo 1,7
7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
Mat 24 : 30 - 31
30 Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. 31 Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tanyefatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.
Matio 14,61-62
Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana? 62 Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
Samy hahita Azy avokoa ny olona velona rehetra, fa ireo maty tao amin'i Kristy kosa no hitsangana amin'ny maty ka hiakatra hitsena ny Tompo miaraka amin'izay mbola velona ka manana ny fanahiNY ao anatiny (Enlèvement), fa ireo sisa ambiny kosa dia hihorohoro sy ho menatra ka hitady fiafenana saingy tsy hahita fa hibaribary eo imasony ny Voninahitry ny Tompo Jesosy.
Tes 4, 13-18
13 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. 14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy [tamin'ny alalan'i Jesosy] hiaraka aminy. 15 Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. 16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha; 17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. 18 Koa dia mifampionona hianareo amin'izany teny izany.
Mazava tsara eto fa izay rehetra maty tao amin'i Jesosy dia miakatra any an-danitra avy hatrany miaraka amin'i Jesosy fa izay maty tao amin'ny fahotana kosa dia atsipy avy hatrany any amin'ny farihy mirehitra afo (afobe)hijaly mandrakizay ary tsy mba hahafantatra ny fitsanganana amin'ny maty sy tsy hahita ny fiverenan'i Jesosy akory.
Mibebaha ry namana, katsaho ny sitrapon'Andriamanitra fa tsy misy mifampibaby mankany an-danitra fa ny jamba mifampitantana kosa dia samy ho latsaka any anaty lavaka.
AMENA!

5. Miharena
(
27/03/2012 08:18)
Didi10:

Miangavy anao, aza hitarina amin'ilay voatsipika fa ireo voasoratra no ambarao. Ireo voatsipika tsinona dia mazava fa lasa ny sainao no manao azy fa tsy IZY velively.
NyTeniNY hitako amin'ny tanisa voadika dia hoe manàna fanantenana. Dia ampy izay angamba aloha fa tsy misy tokony hanitaran-kevitra.
6. jajajaly
(
27/03/2012 12:16)
Didi 10
Apo 1,7
7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
Hoy i Jesosy:
Jaona 14:19: «Kely sisa dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao, fa ianareo [apostoly tsy mivadika] no hahita ahy, satria velona aho dia ho velona ianareo.» (Nampanantena i Jesosy fa ho avy indray haka an’ireo apostoly hiaraka aminy any an-danitra. Hahita azy izy ireo satria ho fanahy tahaka azy. Fa mbola hahita azy indray kosa ve izao tontolo izao?
Hoy i Paoly nanazava an'io tenin'i Jesosy io 1 Timoty 6:16: "Izy irery ihany no tsy mety maty, ary mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina. Koa tsy misy olona mahita azy na mahajery azy. Ho azy anie ny voninahitra sy ny hery mandrakizay! Amena."
Mbola hisy olona mahita na mahajery an'i Jesosy ve?
Inona ary no tiana ho lazaina amin'ny amin'ireto ao amin'ny Apo1:7:
- Inona no hevitry ny hoe «rahona»?
Hita maso ve izay eny amin’ny rahona, toy ny fiaramanidina ao anaty rahona matevina na eny ambony rahona, ohatra? Hitan’ny olona etỳ an-tany ve izy, sa ny feony fotsiny no mety ho reny? Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: «Hankeo aminao ao anaty rahona mainty aho.» Ho nahita an’i Jehovah ve i Mosesy? nefa ny fisian’ilay rahona dia porofo fa teo i Jehovah na dia tsy hita maso aza. (Eks. 19:9; jereo koa ny Levitikosy 16:2; Nomery 11:25.) Na ho hita maso koa aza i Kristy, dia tsy afaka ny hahita azy ny «maso rehetra.» Raha miseho any Aostralia izy, ohatra, hahita azy ve ny any Eoropa sy Antananarivo ary Amerika?
- Inona no dikan’ny hoe «hahita azy ny maso rehetra»?
- Iza moa «ireo nandefona azy»?
Hojerentsika rehefa avy eo ny tokony handraisana azy!!!
7. jajajaly
(
27/03/2012 12:29)
Didifolo
fa izay maty tao amin'ny fahotana kosa dia atsipy avy hatrany any amin'ny farihy mirehitra afo (afobe)hijaly mandrakizay ary tsy mba hahafantatra ny fitsanganana amin'ny maty sy tsy hahita ny fiverenan'i Jesosy akory.
Aza miteniteny foana ry Didifolo sao lasa manedrikendrika an'Andriamanitra ho Mpanono olona ka hanalabaraka azy. Masina ny Anaranao Jehovah o! Masina Mandrakizay na dia lotoin'ny olona aza.
Marina ve ny nolazain'ny didi10:
Tsia, Ekena aloha fa misy ny fitsarana ny maty sy ny velona .Izay nataon'ny olona talohan’ny nahafatesany ve anefa no hitsarana azy? Hoy ny Baiboly: «Izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.» (Romanina 6:7)
NB: Mbola resaka hafa koa io fa sao lasa lavabe ka mety mivaona amin'ny lohahevitra. Noresahako fotsiny hoe aza mamorona zavatra tsy misy ifandraisany amin'ny andinin-teny omenao.
8. kiriah
(
27/03/2012 12:39)
fa nareo mianadahy ( sa mirahalahy , sa mirahavavy ) reto ve dia tena tsy mba mety hitovy hevitra mintsy e! , hihihih !!!!!!.
mba asivo marimaritra iraisana amin izay mou e! , asio PAUSE kely alou de refa amin ny manaraka njay . MBA TIAKO ho fantatra hoe : otrin ny ahoana nga ra nareo reo no IRAY TRANO?
Mdr !!!!!.
Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny iny.

9. didi10
(
27/03/2012 15:42)
jajajaly:
Didifolo
fa izay maty tao amin'ny fahotana kosa dia atsipy avy hatrany any amin'ny farihy mirehitra afo (afobe)hijaly mandrakizay ary tsy mba hahafantatra ny fitsanganana amin'ny maty sy tsy hahita ny fiverenan'i Jesosy akory.
Aza miteniteny foana ry Didifolo sao lasa manedrikendrika an'Andriamanitra ho Mpanono olona ka hanalabaraka azy. Masina ny Anaranao Jehovah o! Masina Mandrakizay na dia lotoin'ny olona aza.
Marina ve ny nolazain'ny didi10:
Tsia, Ekena aloha fa misy ny fitsarana ny maty sy ny velona .Izay nataon'ny olona talohan’ny nahafatesany ve anefa no hitsarana azy? Hoy ny Baiboly: «Izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.» (Romanina 6:7)
Mampalahelo ianao namana fa tsy azonao ny dikan'io Rom 6,7 io.
Aminao ve izao izay maty rehetra dia afaka madiodio amin'ny fahotany?
Tsy misy azonao ny momba ny famonjena, ary matimaty foana i Jesosy Kristy raha izany ny eritreritrao.
Fantaro fa ny tenako izao no efa nandalo io fahafatesana tamin'ny ota voalaza eo io, tamin'ny namantsihana ny tenan'ny ota miaraka amin'i Jesosy amin'ny alalan'ny fibebahana sy tamin'ny nandevenana ahy hiara-hitsangana amin'i Jesosy Kristy ho tonga
zanak'Andriamanitra tamin'ny Batisa.
Vakio tsara hatrany ambony ry namana fa aza mandray antendrony.
Rom 6 3-11
3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.
8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; 9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. 11 Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy
10. Miharena
(
28/03/2012 08:21)
Didi10:
Tsy misy azonao ny momba ny famonjena, ary matimaty foana i Jesosy Kristy raha izany ny eritreritrao
Heee! lasa mivoana amin'ny lohahevitra. Ary mananatra ihany, aza heverina ho tsy mahazo ny hafa fa vakio tsara ilay Jesoa nanome fiainam-baovao ho anao ary ny hafa koa hevero ho toy ny efa nahazo sahady fa aza dia tonga dia mitsipaka olona toa io DIdi10.
11. didi10
(
28/03/2012 08:30)
Miharena:

mampiandy angely indray i Miharena :-)
Tsy misy lohahevitra mivoana izany eo namana fa tena mbola ao anatiny tsara, avelao hivelatra ny famelabelarana fa afaka tsy mandray anjara ianao raha hitanao fa HS ilay izy.
Misaotra.
12. Miharena
(
28/03/2012 10:01)
Aleo aloha iny ho eo Didi10 fa ity ny famehezana io resaka mahita maso sa tsia io:
Mila fantatra Andriamanitra dia hita io resaka io:
Voalohany hoy IZY tamin'i Mosesy: Gen 3, 13 Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
14 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY
Avy eo raisina daholo ireo TeniNY tamin'i Joba, Jeremia, Isaia sy ny mpainany maro, dia fantarina hoe izay manodidina ireo olona ireo ve nahare niaraka tamin-dry zareo ireo sa IZY miteny ao anatin'ireo olona ireo ary avy eo izy ireo milaza izay azony?
Raha ity faharoa no izy dia mazava fa ao anaty Andriamanitra fa izay mazava fo no mahita AZY.
Azo jerena izay manakana izany avy eo arak'ity resaka ity:
Gen 6
7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo.
8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
9 Ary Mosesy nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy
Rehefa mitodika ivelany loatra dia tsy mahita tava an'Andriamanitra satria mazava fa ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy no tsy mampifoha ireo olona nitenenan'i Mosesy.
Ireo aloha dia midika fa tsy ivelany no fahatongavan' Krsity ary hamafisiNY ao amin'ny Lioka 1723 Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.
24 Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny,
Tsy maso nofo no mahita izany fa masom-panahy ary ny tsirairay dia hahita. ao aminy avy na aiza na aiza misy azy.
Tsy misy intsony ny fefy rehefa tonga Jesoa Krsity ary efa maro ireo olona izay mahatsapa izany dia izay mampiaina sahady AZY ao anaty.

13. jajajaly
(
28/03/2012 10:06)
Ho hita maso ve ny fiverenan’i Kristy?
Niresaka ny Jaona 14:19 sy 1 Tim 6: 16 isika to aloha anaporofoina hoe tsy hitan'ny olona maso ara bakiteny ny fiverenan'i Kristy. Inona koa no voalaza ao amin'ny Asa. 1:9-11?
«Nakarina teo imason’izy ireo [i Jesosy]. Ary nisy rahona nanarona azy ka tsy hitan’ireo [apostoly] intsony izy. Ary raha mbola nibanjina ny lanitra teo ireo, raha iny lasa iny i Jesosy, dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy nijoro teo anilan’izy ireo, ka nanao hoe: ‘Ry lehilahy galilianina, nahoana ianareo no mijoro eto mijery ny lanitra? Iny Jesosy nakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia ho avy amin’iny fomba iny ihany, toy ilay nahitanareo azy niakatra tany an-danitra.’ » (Voalaza eo hoe «amin’iny fomba iny ihany», fa tsy hoe amin’iny vatany iny ihany. Ahoana no «fomba» niakaran’i Jesosy? Lazain’ny andininy faha-9 fa tsy hita intsony izy avy eo rehefa teo amin'ny rahona. Ireo mpianany ihany no nahita azy lasa, ary izao tontolo izao ve mba nahalala izay nitranga?
Koa raha ho avy amin'ny rahona tahaka niakarany izy, hahita maso azy ve ny olona rehetra?
Inona ary no tiana holazaina amin'ny hoe ny maso rehetra hahita azy? azavaintsika tsara io?

14. Miharena
(
28/03/2012 10:36)
Tohiny kely hapahazava azy. Azo jerena ny nanjo an'i Saoly lasa Paoly. Toy izany no fiverenan'i Krsity: Mazava manelatra manerana ny rehetra.
15. didi10
(
28/03/2012 16:49)
jajajaly:
Ho hita maso ve ny fiverenan’i Kristy?
Niresaka ny Jaona 14:19 sy 1 Tim 6: 16 isika to aloha anaporofoina hoe tsy hitan'ny olona maso ara bakiteny ny fiverenan'i Kristy. Inona koa no voalaza ao amin'ny Asa. 1:9-11?
«Nakarina teo imason’izy ireo [i Jesosy]. Ary nisy rahona nanarona azy ka tsy hitan’ireo [apostoly] intsony izy. Ary raha mbola nibanjina ny lanitra teo ireo, raha iny lasa iny i Jesosy, dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy nijoro teo anilan’izy ireo, ka nanao hoe: ‘Ry lehilahy galilianina, nahoana ianareo no mijoro eto mijery ny lanitra? Iny Jesosy nakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia ho avy amin’iny fomba iny ihany, toy ilay nahitanareo azy niakatra tany an-danitra.’ » (Voalaza eo hoe «amin’iny fomba iny ihany», fa tsy hoe amin’iny vatany iny ihany. Ahoana no «fomba» niakaran’i Jesosy? Lazain’ny andininy faha-9 fa tsy hita intsony izy avy eo rehefa teo amin'ny rahona. Ireo mpianany ihany no nahita azy lasa, ary izao tontolo izao ve mba nahalala izay nitranga?
Koa raha ho avy amin'ny rahona tahaka niakarany izy, hahita maso azy ve ny olona rehetra?
Inona ary no tiana holazaina amin'ny hoe ny maso rehetra hahita azy? azavaintsika tsara io?
Variana loatra amin'ny fampianaran'olombelona amin'ny probabilité sy ny possibilité ianao namana.
Raha possible ve ry namana ny hitsanganan' ny maty amin'io fotoana io dia midika inona izay rahona? tadidio fa izany Voninahitr'Andriamanitra izany tsy ho voasakan'izay rahona tsy misy dikany!!!! Miomana ianao namana hitsena ny Tompo fa na mbola hikipy sy hiafina any ambanin'ny tany aza ianao dia tsy maintsy hiseho aminao ny Voninahitr'Andriamanitra.
16. Miharena
(
28/03/2012 18:35)
Ny an'i Didi10 izany mbola miomana?
Ny fahafantarako ny tantara rehetr amanko dia efa miasa mandrakariva Izy ao anatin'izay efa nampandroso Azy, na ny marimarina kokoa izay mahalala ny fahamarinana ny maha-iray ao amin'ny Ray azy dieny ety an-tany araka ny torolalan'i Kristy.

17. mirananirina
(
29/03/2012 07:10)
Raha misy ol any ho any hoe i Jeso (niverina ny fahiny),ataoko angamba fa 10% sisa no hino fa marina izany an
18. jajajaly
(
30/03/2012 06:48)
Didi10
Variana loatra amin'ny fampianaran'olombelona amin'ny probabilité sy ny possibilité ianao namana.
Raha possible ve ry namana ny hitsanganan' ny maty amin'io fotoana io dia midika inona izay rahona? tadidio fa izany Voninahitr'Andriamanitra izany tsy ho voasakan'izay rahona tsy misy dikany!!!! Miomana ianao namana hitsena ny Tompo fa na mbola hikipy sy hiafina any ambanin'ny tany aza ianao dia tsy maintsy hiseho aminao ny Voninahitr'Andriamanitra.
Ny rehetra aloha no hiara-mahita na fampianaran'olombelona io na tenin'Andriamanitra no nolazaiko aminao io. Ekeko koa hoe mafy izany hoe zavatra inoanao nefa hazavain'ny olona ara-baiboly ny tena fahamarinana mahakasika azy. Milaza ianao hoe tsy voasakan'ny rahona ny voninahitr'Andriamanitra. EKENA marina ny voalazanao. Tsy ekena kosa ny hoe hahita ny tompo maso ara-bakiteny eny amin'ny amin'ny rahona ny olona rehetra. Satria nahoana?
Hoy i Paoly momba an'i Jesosy :"Izy irery ihany no tsy mety maty, ary mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina. Koa tsy misy olona mahita azy na mahajery azy. Ho azy anie ny voninahitra sy ny hery mandrakizay! Amena." 1 TIm 6:16
F'angaha tsy efa vatana ara-panahy izao i Jesosy? F'angaha misy olona mahita fanahy?
Inona no dikan’ny hoe «hahita azy ny maso rehetra»? Ireo fisehoan-javatra eto an-tany no hahafantarana fa efa manatrika i Kristy, na dia tsy hita maso aza. Mety hanana heviny an’ohatra ny hoe «mahita», araka ny Jaona 9:41: «Hoy i Jesosy [tamin’ny Fariseo]: ‘Tsy ho nanan-keloka ianareo, raha jamba. Milaza anefa ianareo hoe: «Mahita izahay», koa tsy afaka àry ny helokareo.’ » (Ampitahao amin’ny Romanina 1:20.) Rehefa miverina i Kristy, dia hisy olona hino sy hahalala ny famantarana ny fanatrehany. Hisy kosa handa ilay porofo. Rehefa handringana ny ratsy fanahy anefa i Jesosy, dia ho takatr’izy ireo fa avy an-danitra ilay fandringanana, fa tsy avy amin’ny olona. Efa nampitandremana koa mantsy izy ireo. «Hikapo-tratra noho ny alahelo» àry izy ireo noho izay hanjo azy.
19. didi10
(
30/03/2012 08:45)
Mahay ny zavatra rehetra, mahefa ny zavatra rehetra ny Andriamanitra inoako rahalahy.
Apo 1 : 1 - 3
[-1-] Ny fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, 2 izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
3 Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
...
7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
Apo 1 : 1 - 3
[-1-] Ny fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, 2 izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
3 Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
...
7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
20. Miharena
(
30/03/2012 15:33)
Mbola manjavozavo daholo ny interprétation bibilique ataontsika tsirairay ary tsy mahavaly ilay fanontaniana mihitsy.
Efa voangona daholo angamba izay voalaza fa ny iray izay mbola tsy notanisaina dia ilay noresahan'i Kristy hoe: indro efa mandondona eo am-baravarana Aho, raha misy mihano ny feoko ka mampandroso Ahy dia hiditra ao aminy Aho ary hiara-hisakafo aminy ary izy ao amiKO.
Dia iza amin'ireo voatanisa àry no izy? ilay eny ami'ny rahon'ny lanitra sa ilay mandroso ao amin'ny olombelona?