Aorian'ny vola EURO dia manaraka tsy ho ela intsony ny TERRA

1. Maranatha ( 26/03/2012 10:31)
Ny TERRA no karazam-bola manaraka izay ho entin'ireo Maitre du monde hifehezana indray ny tany. Tsy mahazo mividy sy mivarotra raha tsy manana ny mariky ny Bibidia.
Nahatsapa ry zareo fa nahomby ny Euro nifehezan'ny G8 an'i Europe. mihomana ny hiiditra lalindalina kokoa ry zareo hifehy ny tany rehetra.
Io TERRA io dia tsy inona akory fa ny fidiran'ny rehetra anaty BAnky mba hahamora ny hifehezana ny olona eto an-tany. Ny fomba hilazana azy dia toa marina satria pour sécurité. Nefa ny zava-doza dia mora hitsikolovana ny hampiasainao ny volanao indrindra hoan'ireo izay voasoratra ao amin'ny APOK 14:12 , mora kokoa aminy ny mifehy ny fanananao rehefa manohitra izay voalazany ianao.
Hivoaka tsy ho ela ny lalàn'ny Alahady izay andro voatokana nomen'ny vatican hivavahana, rehefa tafapetraka ao jerosalema ny foibeny. Hanamafy io i Etas-unis ho lalana maneran-tany (Satria i Etas unis no gendarme du monde), izay firenena tsy manaiky azy ireo dia tratry ny fahirano ara-toekarena.
Ho lasa lalàna manerana ny firenena rehetra io lalàna io. ary dia hanomboka ny fanenjehana izay tsy makato izany.
Dia vakio ny apok toko faha 13,14 ny matio 24, ny daniel 12. Dia ho tsapanao ny fipetraky ny fahamarinan'ireo teny ireo. Manamafy ireo efa hitanao mivantana izay zavatra efa mihatra eto amin'izao tontolo izao ireo.
Izay no efa voasoratra, koa dia Mihomana hiaona amin'i Avo indrindra ry Israely o!(Apok 14:12) Mahereza!
Aza dia miasa saina izay tsy resy lahatra fa efa voatokana ho amin'izany izy e! efa voahomana hadravaka ny tafiky ny haizina.
Fa ianareo tso-po dia mivoaha teo aminy ianareo ry oloko hoy ny Avo indrindra mba tsy hiombonanareo ota aminy. kely sisa fa mahereza dia ho avy eny amin'ny rahon'ny lanitra Ilay nandrasan-tsika.Izay maharesy no afaka hiaraka hipetraka aminy eo amin'ny seza fiandriananany tahaka ny nipetrahany koa teo amin'ny seza fiandrianan'ny Rainy. Mahereza!
novalian'i Miharena ny 29/03/2012 04:25
2. jajajaly ( 26/03/2012 10:42)

kely sisa fa mahereza dia ho avy eny amin'ny rahon'ny lanitra Ilay nandrasan-tsika.


Ho hita maso ve fiverenan'i kristy?

3. hery ( 26/03/2012 10:54)
Aza mampiesona fa ny EURO ara ity mitsipozipozy :-p

4. didi10 ( 26/03/2012 12:06)

Maranatha:

Ny TERRA no karazam-bola manaraka izay ho entin'ireo Maitre du monde hifehezana indray ny tany. Tsy mahazo mividy sy mivarotra raha tsy manana ny mariky ny Bibidia.
Nahatsapa ry zareo fa nahomby ny Euro nifehezan'ny G8 an'i Europe. mihomana ny hiiditra lalindalina kokoa ry zareo hifehy ny tany rehetra.
Io TERRA io dia tsy inona akory fa ny fidiran'ny rehetra anaty BAnky mba hahamora ny hifehezana ny olona eto an-tany. Ny fomba hilazana azy dia toa marina satria pour sécurité. Nefa ny zava-doza dia mora hitsikolovana ny hampiasainao ny volanao indrindra hoan'ireo izay voasoratra ao amin'ny APOK 14:12 , mora kokoa aminy ny mifehy ny fanananao rehefa manohitra izay voalazany ianao.



Mba asio source ry namana rehefa manao affirmation mba tsy hitenana hoe mitantara angano ianao.


Maranatha:

Hivoaka tsy ho ela ny lalàn'ny Alahady izay andro voatokana nomen'ny vatican hivavahana, rehefa tafapetraka ao jerosalema ny foibeny. Hanamafy io i Etas-unis ho lalana maneran-tany (Satria i Etas unis no gendarme du monde), izay firenena tsy manaiky azy ireo dia tratry ny fahirano ara-toekarena.
Ho lasa lalàna manerana ny firenena rehetra io lalàna io. ary dia hanomboka ny fanenjehana izay tsy makato izany.
Dia vakio ny apok toko faha 13,14 ny matio 24, ny daniel 12. Dia ho tsapanao ny fipetraky ny fahamarinan'ireo teny ireo. Manamafy ireo efa hitanao mivantana izay zavatra efa mihatra eto amin'izao tontolo izao ireo.
hiombonanareo ota aminy. kely sisa fa mahereza dia ho avy eny amin'ny rahon'ny lanitra Ilay nandrasan-tsika.Izay maharesy no afaka hiaraka hipetraka aminy eo amin'ny seza fiandriananany tahaka ny nipetrahany koa teo amin'ny seza fiandrianan'ny Rainy. Mahereza!


F'angaha moa zay vao nivoaka izany lalàna izany?

Fa ny ankamaroan'ireo andro voatokana tsy hiasana angaha moa tsy fety Katolika daholo?
1/ 1er Janvier : Jour de Marie
2/ Paka (izay tsy voatery ho alahady araka ny fampianaran'ny Baiboly)
sy lundi de paka
3/ Assomption
4/ ny fetin'ny maty = fetin'ny olona maty lazaina fa masina
5/ Krismasy

ARY FARANY DIA MANINONA NY WEEK-END NO NATAO SABOTSY SY ALAHADY FA TSY ZOMA SY SABOTSY IZAY MAMARANA NY HERINANDRO?

TARA BE IANAO.
5. Miharena ( 26/03/2012 13:38)
Ny hany mba tiako homarihina amin'y hafatra toy ny tanisain'i Maranatha eto dia misy fampiadiana goavana ao ambadika ao satria manasaratsaraka no ataon'ny mpivoy azy ary manome fitodihana any amin'ny zavatra tsy mahasoa sy tsy mampandroso. Mpamaky ireny aho taloha dia mahatsapa fa fitaka daholo sy fankahalàna no voizina ao fa tsy fizaràna fiainana. Fandranitan-tsaina no azo ilazàna azy fa tsy fampiorenana ao anaty ny fahendrena ara-panahy lovan'ny olombelona rehetra.

Dia ho lany eo ny andro raha mamaly ireo olona mivoy izany isika satria hiady hevitra amin'ny andro, amin'ny vola, amin'ny fombafomba izay fantatra mazava tsara fa zava-tsy maharitra sy tsy mitondra fiainana satria tsy AINA.
6. didi10 ( 26/03/2012 13:42)

jajajaly:


kely sisa fa mahereza dia ho avy eny amin'ny rahon'ny lanitra Ilay nandrasan-tsika.


Ho hita maso ve fiverenan'i kristy?



ataovy lohahevitra vaovao
7. Maranatha ( 27/03/2012 09:13)

didi10:

Mba asio source ry namana rehefa manao affirmation mba tsy hitenana hoe mitantara angano ianao.

Zany ary raha ilainao ny source rehetra dia mahereza
www.latrompette.net/post/A50.judaisme_messianique.htm
Vakio daholo ireo lohahevitra rehetra ao dia ho zendana ianao.
didi10:

F'angaha moa zay vao nivoaka izany lalàna izany?
Fa ny ankamaroan'ireo andro voatokana tsy hiasana angaha moa tsy fety Katolika daholo?
1/ 1er Janvier : Jour de Marie
2/ Paka (izay tsy voatery ho alahady araka ny fampianaran'ny Baiboly)
sy lundi de paka
3/ Assomption
4/ ny fetin'ny maty = fetin'ny olona maty lazaina fa masina
5/ Krismasy
TARA BE IANAO.
ARY FARANY DIA MANINONA NY WEEK-END NO NATAO SABOTSY SY ALAHADY FA TSY ZOMA SY SABOTSY IZAY MAMARANA NY HERINANDRO?

Mazava be fa amin'izao mbola manana safidy hianao na hanao na tsia hanaraka ireo calandrier nomen'ny vatican ireo. Fa amin'nilay asabotsy sy alahady tsisy safidy fa tsy maintsy alahady no andro hivavahana . Amin'izay izay manda dia tapaka ny loha.
8. hery ( 27/03/2012 09:15)
Mbola tsy nahita loha tapaka tamin'ny advantista (mivavaka asabotsy) sy ny silamo (mivavaka zoma) aloha hatramin'izao.

Fa tsy aleo ve mivavaka alahady dia milamina e :-p
9. Maranatha ( 27/03/2012 09:19)

Miharena:

Ny hany mba tiako homarihina amin'y hafatra toy ny tanisain'i Maranatha eto dia misy fampiadiana goavana ao ambadika ao satria manasaratsaraka no ataon'ny mpivoy azy ary manome fitodihana any amin'ny zavatra tsy mahasoa sy tsy mampandroso. Mpamaky ireny aho taloha dia mahatsapa fa fitaka daholo sy fankahalàna no voizina ao fa tsy fizaràna fiainana. Fandranitan-tsaina no azo ilazàna azy fa tsy fampiorenana ao anaty ny fahendrena ara-panahy lovan'ny olombelona rehetra.

Dia ho lany eo ny andro raha mamaly ireo olona mivoy izany isika satria hiady hevitra amin'ny andro, amin'ny vola, amin'ny fombafomba izay fantatra mazava tsara fa zava-tsy maharitra sy tsy mitondra fiainana satria tsy AINA.

Hafatry ny anjely fahatelo ireny fa tsy arak'izay hiheveranao azy. Tsy ho avy ny Mesia raha tsy voatory ny hafatry ny anjely fahatelo,izay hahatonga ny fanenjehana, raha tsy rava i Babilona (vatican) Mba mamakia ireny faminaniana noentindry Jeremia mpaminany, ry Isaia, Ry Jonah sns... fa tsisy hafatra moramora fa tonga dia hoatr'ireny daholo.
Aza lambolambona ny olona fa izay teny nomen'ny Avoindrindra ho toriana dia toriana e! Tsy moramora akory izany mitondra ny anarana hoe Kristiana. Mahereza r'ise a!
10. hery ( 27/03/2012 09:21)
Maranatha:

izay teny nomen'ny Avoindrindra ho toriana dia toriana e!


Averiko aminao io :-)
Sao dia mba anenenana mantsy
11. didi10 ( 27/03/2012 15:58)

hery:

Mbola tsy nahita loha tapaka tamin'ny advantista (mivavaka asabotsy) sy ny silamo (mivavaka zoma) aloha hatramin'izao.

Fa tsy aleo ve mivavaka alahady dia milamina e :-p


Aza mandrimandry manana aretina namana a! Sao dia tara loatra vao ho tonga saina.
12. Maranatha ( 28/03/2012 06:30)

hery:

Mbola tsy nahita loha tapaka tamin'ny advantista (mivavaka asabotsy) sy ny silamo (mivavaka zoma) aloha hatramin'izao.

Fa tsy aleo ve mivavaka alahady dia milamina e :-p

Miandry ny fotoanany io r'ise a!tahaka ny nidiran'ny Noa tao anaty sambo fiara, tahaka ny nivoahan-dry Lota tao Sodoma sy Gomore,

Milamina ny @ eto an-tany??? Fa mihatra aminao ny apok 14:9-11
13. hery ( 28/03/2012 06:39)
Oudry, tsy azoko indray izany. Fa iza no tena mpanapa-doha e? Toa misy idiran'ny Apokalipsy sy ny hoe mandrimandry manana aretina tampoka nefa i Maranatha no niteny hoe

Maranatha:

Fa amin'nilay asabotsy sy alahady tsisy safidy fa tsy maintsy alahady no andro hivavahana . Amin'izay izay manda dia tapaka ny loha


Sa izay tsy mivavaka alahady? :-)

Araho ho'aho ny firindran'ny resaka :-p
14. Miharena ( 28/03/2012 08:36)
Maranatha:

Hafatry ny anjely fahatelo ireny fa tsy arak'izay hiheveranao azy. Tsy ho avy ny Mesia raha tsy voatory ny hafatry ny anjely fahatelo,izay hahatonga ny fanenjehana, raha tsy rava i Babilona (vatican) Mba mamakia ireny faminaniana noentindry Jeremia mpaminany, ry Isaia, Ry Jonah sns... fa tsisy hafatra moramora fa tonga dia hoatr'ireny daholo.
Aza lambolambona ny olona fa izay teny nomen'ny Avoindrindra ho toriana dia toriana e! Tsy moramora akory izany mitondra ny anarana hoe Kristiana. Mahereza r'ise a!


Ilay resaka hie Bibidia lazaina fa Vatican ny ahy no hitako mivoana ao amin'io site lazainao io. Toy ny mbola misy manakorontana sain'olona no fijeriko azy satria any amin'ny resaka tsy misy hidirany mihitsy no tafiditra ilay izy. Mitovy mihitsy amin'ny mpitory teny iray ao amin'ny radio iray eto ilay fomba firesaka toy io izay milaza fa misy anjara asany amin'ny asan-devoly daholo ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany. Lasa mankany daholo avy eo ny fijerin'izay olona tarihina fa tsy misy mahatodika ny ao anatiny intsony ny olona dia lasa very anjavony daholo ny fitaizam-panahy tokony hilofosana sy zaraina. Misy aza dia lasa mihevitra ny tenany tena mahalala ny marina nefa raha tena ampitahaina amin'ny hafatry ny Anjely alefan'ny canal na mpampita hafatra maro ao amin'ny site hafa (Terre nouvelle ohatra) dia tena taimboraka no azo hilazana ilay faminaniana sasany.

Ny vesatra efa fantatsika amin'izao fotoana izao dia mazava fa ireo adihevitra maro izay mampisahotaka satria tsy mampiorim-paka finoana mihitsy na kely aza ary tsy ahazoana tombon-tsoa fa fandaniana andro sy ron-doha amin'ny zava-poana sy mandalo.
Ny Tenin'ny Mpaminany dia tsy manan-kery raha toa ka tsy ahtana taratra ny fitaizana ara-panahy sy ny fitomboana ny amin'izany satria fantaro fa betsaka tokoa ireo mpaminany sandoka izay mety te-hahazo tombony angaha eo amin'y fomba fizarana izay ambarany. Ary matetika ireo dia mivoy tahotra na fampihorohoroana avokoa fa tsy mivoy fiainana.
15. hery ( 28/03/2012 10:11)
Ahoana moa ny resak'i Jesoa tamin'ilay jiolahy niara-nifantsihana taminy ka nibebaka?
16. didi10 ( 28/03/2012 17:01)
Anio ihany dia hihaona amiko any an-danitra ianao.

Tsy aleo ve ry namana mivonona hatrany amin'ny fitsaran'Andriamanitra amin'ny fanarahana ny sitra-pony raha mbola omeny tombon'andro iainana toy izay hiandry fotoana farany toy io Jiolahy io?
Io anie cas exeptionelle rahalahy e! tsy hainao izay fotoana tampoka mety hahafatesanao!
17. hery ( 28/03/2012 17:31)
Tsy any no resakka didi10 a.
Maty sa velona ilay ranamana teo amin'ny Hazofijjaliana hafa io amin'izao?
18. hery ( 28/03/2012 17:31)
Tsy any no resakka didi10 a.
Maty sa velona ilay ranamana teo amin'ny Hazofijjaliana hafa io amin'izao?
19. Miharena ( 29/03/2012 04:25)
Hoy Kristy hoe ny farany no ho voalohany ary ny voalohany no ho farany. Ilay Jiolahy no farany fa voalohany fa ny fariseo no voalohany lasa farany. Fa ny resaka dia hoe, izy rehetra dia tafiditra daholo fa ny filaharany no nifamototra.

Fehiny: Velona daholo na iza na iza ary samy amin'ny toerany avy fa ny fandrosoany no samihafa arakaraka ny fiheverany avy. Fa ny tena marina dia ny fanahy tsy nofo izany hoe ny lalan'ny fanahy tsy lalan'ny nofo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7882