La Religion est l'opium du peuple

1. Miharena ( 24/03/2012 05:18)
Aleo indray aloha isika mba handinika ara-pilozofiika kely.

I Karl Marx no niteny io teny io hoe zavamahadomelin'ny olombelona ny finoana.

Mety azontsika an-tsaina ve ny dikan'izany fahatsapan'io mpandinika io izany?

Mivoaka avy amin'izay fandinihany izay, inona no hitantsika fa lesoka amin'ny finoana sy ny fampiasana azy?

I Kristy niteny hoe : "ny fahalalàna no hahafaka anareo tsy ho andevo"

Mety mifanojo ve ireo petra-kevitrra roa ireo?

Aoka tsy hilaza indray ny sasany hoe devoly no tao amin'i Marx matoa izy nilaza io fehezanteny io fa mba objecitf rehefa maneho hevitra.
novalian'i RBNIR ny 26/03/2012 07:31
2. didi10 ( 25/03/2012 13:03)
Misy tanjona itovizany ny fiainana kristianina sy ny filozofia

Ny filozofia dia mitady ny fahamarinana kanefa mametraka fa tsy hisy fahamarinana "absolu" ho hita fa ny manakaiky no mety ho azo.

Ny fiainana kristianina koa dia mitady ny fahamarinana ary efa niteny i Jesosy fa Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana ary tsy misy mankany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alalaNY.

KOA NA FILOZOFY IZA NA IZA NO MILAZA MANANA FAHENDRENA NA TENIM-PAHENDRENA DIA TSY AZO RAISINA HO HEVITRA ARA-PANAHY SATRIA FAMPIANARAN'OLOMBELONA IHANY.

Kol 2,20
20 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy hianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany hianareo ka mety hodidiana hoe: 21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry - 22 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona? 23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.

3. Miharena ( 25/03/2012 15:03)
Misaotra namana fa mazava be ny valinteninao. Ny fanontaniana manaraka amin'io valinteny io dia misy teny hoe '"AZA" miverina in-telo tsy mahasoa ao anatiny. Sao dia hitan'i Karl tamin'ny Kristianina izany zavatra izany ka nahatonga azy hiteny satria zary lasa mamatora ilay fivavahana?
4. LazaDaddy ( 26/03/2012 02:04)
Miharena:
I Kristy niteny hoe : "ny fahalalàna no hahafaka anareo tsy ho andevo"
io indray i Miharena fa mamoron-javatra foana :)
5. Miharena ( 26/03/2012 05:40)
Hay hitanao ihany LD ilay fahadisoan'io resaka io ka aoka hahitsy? Ny fahamarinana no hahafaka tsy ho andevo fa tsy ny fahalalàna.
6. RBNIR ( 26/03/2012 07:31)
Miharena:

Hay hitanao ihany LD ilay fahadisoan'io resaka io ka aoka hahitsy? Ny fahamarinana no hahafaka tsy ho andevo fa tsy ny fahalalàna.


Faly miarahaba namana,

« ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. » (Jaona 8:32)

Samy ho tahin'ny Tompo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0744