Arahabaina daholo nahatratry ny taona vaovao

1. didi10 ( 23/03/2012 09:10)
Taom-baovao Malagasy
Taom-baovao jiosy
ary ny tena zava-dehibe dia taom-baovao araka ny namoronan'Andriamanitra azy androany nanomboka tamin'ny maty masoandro omaly.

HO ELA VELONA DAHOLO
novalian'i didi10 ny 26/03/2012 10:01
2. Miharena ( 23/03/2012 10:24)
Miarahaba namana tratry ny taona.

Fa mba azon'ny namana velabelarina tsara ve hoe inona avy ireo fomba fankalazàna atao izay hitovizany amin'ny Jiosy araka ny fanambaranao io?
3. pulm ( 23/03/2012 10:48)
Arabaina daholo e! na dia tsy fantatra aza ny antonu iarabana?
fa iza ary no tena marina ny taombaovaoantsika? misy karazany roa mantsy ny alamady, dia iza? le voalohany? sa le faharoa? mba toroy fa tsy maharaka ny olona na dia gasy ray sy reny zao aza
4. didi10 ( 23/03/2012 10:53)
Misaotra ny namana, ho lava velona ianao.

Tonga dia ahitsiko fa tsy fomba fankalazàna akory io fa Calendrier noforonin'Andriamanitra Ray ary nomeny ny vahoaka Israely hanisana ny andro, ny volana ary ny taona.

Ny Calendrier ry namana dia "repère" ahafantarana ny fotoana izany hoe ny ora, ny andro, ny herinandro, ny volana ary ny taona.

Andro
Jenezy 1 5
5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.

Ny iray andro dia mizara roa, ny mazava ary ny maizina ka ny maizina no manomboka azy izany hoe manomboka amin'ny maty masoandro ka hatramin'ny maty masoandro ny ampitso (calendrier gregorien) ny iray andro araka ny namoronan'Andriamanitra azy.

Ora
Ny maizina =alina dia misy 12 ora ary ny mazava =andro ihany koa dia misy 12 ora.
Jao 11 9
Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.

Ny fanisana ny ora dia tsy ampifampitohizana ny maizina sy ny mazava fa rehefa tapitra ny 12 ora amin'ny maizina dia miverina ora voalohany rehefa tonga ny mazava, ka rehefa hazavaina ny tenin'Andriamanitra momba ny ora nahafatesan'i Jesosy (tamin'ny ora fahasivy) dia mazava fa manodidina ny tamin'ny 3 ora hariva (oran'izao tontolo izao) satria manisa ora 9 ianao manomboka amin'ny 6 ora maraina.

Porofo hafa:Tsy maintsy nalevina haingana ny fatin'i Jesosy satria efa manakaiky ny Sabata izay nanomboka ny maty masoandro.

Ny Herinandro
Na manampahaizana iza na siantifika iza dia tsy hanana valiteny mazava velively hoe fa maninona no natao fito andro ny herinandro iray.

Andriamanitra Ray no namorona io andro fito mameno ny herinandro io tamin'ny namoronany izao tontolo izao, ary nitsaharany tamin'ny andro fahafito. Tapitra ny andro fahafito dia miverina andro voalohany.
Mat 28 : 1 - 11
[-28-] Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao mazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.

Ny volana
Ny fiandohan'ny volana, dia izay araka ny maha volana azy dia ilay maizim-bola (nouvelle lune) iny, ary tapitra ny volana iray rehefa miverina ny maizim-bolana.

Ny volana fiandohan'ny taona dia ny volana nisan na abib izay Andriamanitra Ray ihany koa no nametraka azy, izay mbola harahin'ny vahoaka Jiosy amin'izao fotoana izao.
Eks 12 : 1 - 11
[-12-] ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: 2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
Eks 34:18
18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.

Ny taona
Ny taona iray dia misy saison 4 : Lohataona - fahavaratra -Fararano- Ririnina
Misy taona 2 misy volana 12 ny taona fahatelo dia misy volana 13.

Tsy haiko raha mahavaly ny fanontanianao izany namana fa fahalalana ankapobeny izany rehetra izany fa anjaranao no mamakafaka sy mandinika.

Averiko fa tsy fomba io fa calendrier.
Misaotra.
5. didi10 ( 23/03/2012 13:41)

pulm:

Arabaina daholo e! na dia tsy fantatra aza ny antonu iarabana?
fa iza ary no tena marina ny taombaovaoantsika? misy karazany roa mantsy ny alamady, dia iza? le voalohany? sa le faharoa? mba toroy fa tsy maharaka ny olona na dia gasy ray sy reny zao aza


Raha manana celendrier misy sarina volana ireny ny namana dia jereo fa izay maizim-bolana (nouvelle lune) eo amin'ny volana martsa no fiandohan'ny volana voalohany amin'ity taona ity, na fanisana gasy io na fanisana jiosy.
Ny lohataona (printemps) mantsy no tokony ho saison voalohany kanefa tsy mitovy ny lohataona aty amin'ny ilabola atsimo sy any amin'ny ilabola avaratra ka izay no mahatonga ny malagasy sasany mankalaza ny lohataona malagasy any amin'ny maizim-bolan'ny volana Septambra any.
6. AndriambyII ( 23/03/2012 20:19)
Tratry ny taona mitsingeringerina daôlidôly njay zany é !!
7. LazaDaddy ( 26/03/2012 02:27)
Misy miteniteny foana mihitsy eto an. Nanomboka oviana indray ny "Rosh Hashanah" (taom-baovao Jiosy) no ankalazaina manodidina ny volana Marsa?
8. didi10 ( 26/03/2012 10:01)

LazaDaddy:

Misy miteniteny foana mihitsy eto an. Nanomboka oviana indray ny "Rosh Hashanah" (taom-baovao Jiosy) no ankalazaina manodidina ny volana Marsa?


Vakio ny article momba ny Rosh Hashanah ao amin'ny Wikipedia fa raha ara-baiboly dia tsy io no voalohan'ny taona fa 01nisan na 01 abiba
http://fr.wikipedia.org/wiki/Roch_Hachana

Ity misy fanazavana bebe kokoa momba ny fiandohan'ny taona sy ny Paska
http://www.ccg.org/french/s/A_P2012.html
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1505