FALY MIARAHABA ANTSIKA REHETRA INDRAY

1. RBNIR ( 23/03/2012 05:16)
« Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany. » (Titosy 3:9)

Samy ho tahin'ny Tompo ry namana isany
novalian'i Miharena ny 27/03/2012 05:43
2. RBNIR ( 23/03/2012 05:20)
« fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, » (1 Petera 3:15)

.....NEFA AMIN'NY FAHALEMEM-PANAHY SY NY FANAJANA.
Hoy ny teny fa tsy hoy aho.

Ny tenako aloha no asiako ho mangana hoy aho, fa raha nahatsapa ianao fa mba isan'ny nanao koa dia faly ny Tompo. ka dia MIBEBAHA.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
3. miarana ( 23/03/2012 06:03)
ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, (Efe 6:18)
4. didi10 ( 23/03/2012 07:40)
Romana 1,15
15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo koa aho.
16 Fa tsy menatrany filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany,. 17 Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: "Ny marina amin'ny finoana no ho velona" (Hab. 2. 4).

AMENA!
5. Miharena ( 23/03/2012 10:21)
Mat 10, 20. Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
6. didi10 ( 23/03/2012 10:35)
Amena Miharena a!
Faly be aho fa mba ny filazan-tsaran'Andriamanitra indray no notorianao teto.
7. Miharena ( 23/03/2012 10:51)
IZY daholo anie no toriana eto namana DIdi10 e! na ny 3e Testament aza dia IZY koa ary IZY mihitsy.
8. didi10 ( 23/03/2012 10:56)

Miharena:

IZY daholo anie no toriana eto namana DIdi10 e! na ny 3e Testament aza dia IZY koa ary IZY mihitsy.


... saingy de courte durée ny hafaliako :-(
9. Miharena ( 23/03/2012 15:53)
Izaho indray moa namana dia faly lalandava fa tena miasa ao anaty ny Tompo!

Asa ny momba anao manao ahoana?
10. didi10 ( 25/03/2012 12:44)
Malahelo ny amin'ny fanahinao aho ry namana.
11. Miharena ( 25/03/2012 15:47)

Malahelo ny amin'ny fanahinao aho ry namana


Hazavao namana ny hevitrao satria fanahy iombonako aminao koa ny ato anatiko satria voa karazany iray ihany no azontsika avy ka hampitomboina eto amin'ity tany fandalovana ity.
12. didi10 ( 26/03/2012 08:17)
Azafady!!!!
Tsy fantatrao nga fa misy ny fanahy hafa avy amin'ny jesosy hafa? ary voasoratra NOIR SUR BLANC ao anty Baiboly ny CAS nao sy Miharena.
Kor II 11, 3
3 Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny. 4 Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na hianareo mandray fanahy hafa na filazantsara hafa
13. Miharena ( 26/03/2012 12:57)

Azafady!!!!

Amin'ny saina moa no andraisanao azy ary amin'ny emotion ka izany no tsy mampitovy antsika angamba. Fa fantatro izay nanao anao sy nanao ahy ary ataoko fa tsy hilaza mihitsy ianao hoe samihafa no nanamboatra antsika, fa fanahy IRAY ihany no nipoiran'ny rehetra eto ambany masoandro.

Asa na hivoaka amin'izany hatrany ianao fa izaho aloha dia io no domaine de définition iraisan'ny rehetra na athée izy na mino Mpamorona. Raha athée moa izy dia hilaza hoe Grand Architecte de l'Univers fa tsy hilaza hoe Andriamanitra. Raha toa ahy sy ianao kosa izy dia hilaza hoe Andriamanitra RAY no Loharanon'izao rehetra izao.

Mazava angamba izay fa asa aloha aminao satria amiko dia tantara ihany no nahatonga ny fisarahana fa tsy ny réalité FOTOTRA izay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
14. niryna ( 26/03/2012 16:45)
Miharena:

IZY daholo anie no toriana eto namana DIdi10 e! na ny 3e Testament aza dia IZY koa ary IZY mihitsy.
o boy: nahazo credit kely tamin'ny fitorianteny Miharenafa dia iny indray fa nampidirina indray ilay 3e testament

Eny mety samy fitiavana ny te ho voavonjy ny namana sy ireo izay mbola tsy manaraka an'i kristy angamba no tanjon'ny rehetra (fijeriko ihany io an).Na dia izany aza anefa dia mifampivavaka eto avokoa isika,na vao hiditra aza dia mangataka ny fanahy masina mba hiambina antsika ary mba anome antsika ny hery avy any aminy hizara am-pitiavana sy andray izy mahasoa antsika.
Raha misy diso na teny tsy mety eny anelan'elany eny dia vonona ny andray izany amin'ny fo mba ho fampianarana vaovao ho antsika.

Ny olona hendry dia mora ahitsy ary mampitombo ny fahendreny izany fa ny adala kosa dia vao maika manome fahadalana ho azy ny fanitsiana azy( tafiditra amin'izany koa ny tenako an).Fahendrena avy amin'Atra io (Wisdom from God) fa tsy fahendren'izao tontolo izao
Toy ilay hoe ny Fahendrena no voaloankarena
Omeo vady hendry aho hanorenako ny tokantranoko
Ny finoana no voaloham-pahendrena
15. Miharena ( 27/03/2012 05:43)
Marina ny anao Niryna fa izy ity oa rehefa nosokafana ny masom-panahy dia manaparitaka izay azo zaraina fa tsy hikobona akory mba hampahazava ny rehetra.
Tsy mety koa raha mihinan-drery sao marary kibo eo fa aleo mizara ihany fa izay no mariky ny fifankatiavana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1079