ARY ANDEHA AHO HANAMBOATRA TOERANA HO ANAREO: TSY EFA VITA KOSA VE IZAY ILAY IZY E !

1. niryna ( 19/03/2012 16:33)
Fony niaraka ny mpianany Kristy dia nilaza fanoharana maro ary nampianatra zavatra maro dia ny zava-miafin'ny fiainana izany.Maro no takatry ny mpianany ary tsy vitsy koa ny tsy takany fa dia niseho teny rehefa nandao azy ireo tokoa Izy.Nampianariny ny zava-miafina teny ihany tokoa izy ary teo koa ny fampianarany fa andeha izy hanamboatra toerana ho azy ireo?Dia mbola tsy vita foana ve ilay izy e?
Ny fanontaniako ihany koa dia hoe ho an'izay avy ireo toerana ireo na hoe iza avy no andeha any?
Raha hiteny isika hoe isika rehetra dia tsy mila nanao na manao izany akory izy satria samy ho any ihany: toy ny hoe vazo mitovy ihany ve dia hita lavitra sa tsy mety izany fanoharana izany hi.hi
Raha milaza mantsy ny olona iray ao ambadika ao hoe samy zanak'Atra avokoa isika rehetra ,maninona izy no hiteny hoe andeha hanamboatra toerana ho anareo fa izay misy Ahy no misy anareo koa
Ampio aho e
niryna
novalian'i niryna ny 26/03/2012 16:27
2. Miharena ( 20/03/2012 04:39)
Miarahaba anao indray namana Niryna a!

Ity lohahevitra ity mihitsy no mety hampahazava io resaka fanamboaran-toerana io.

Raha tsaroantsika tsara ny tantara tao amin'ny testamenta taloha sy vaovao dia misy sehatra mazava tsara ao: ny voalohany dia ny fitondran'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Mpaminany izay Elia no farany, ny manaraka dia ny fitadiavana mpanjaka tendrena tamin'ny andron'i Elize, ary ny farany dia ny fitadiavana indray izay iraka avy amin'Andriamanitra marina dia i Kristy.

Inona àry ny antony nitadiavana mpitarika? Ny hijery ny fiainam-bahoaka amin'ny antsipirihany ary ny fianan'olombelona rehetra sy ny erana rehetra misy eran'izao tontolo izao (tsy ny tany ihany fa ny UNIVERS mihitsy.

Ny fikasana dia mazava fa ho an'ny olombelona no nanaovan'i Krsity azy satria voatery nanetry tena ho tonga nofo IZY haneho fa zanak'Andriamanitra ny olona satria niharatsy ny olona noho ny tsy fahatsiarovantena.

Rehefa ny olona samy olona no mifampitondra dia manao izao firehankevitra isan-karazany izao momba an'Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay ka tsinjon'i Kristy tsara hoe vavaka mamaky teny ny an'ny sasany, ny sasany tsy mahalala na inona na inona nefa mitompo teny fantatra. Tsy nisy niaina araka ny fahalalàna marina an'Andriamanitra Mpamorona azy sy miahy ny fiainany andavanandro ary tsy matoky ny herin'Andriamanitra afa-tsy olombitsy sisa.
Ny antony dia noho ny lovantsofina miampita tsy mampianatra ny FOTOTRA intsony.

Ka raha tonga i Krsity taty aoriana ka hitany fa naneho fahagagana sy fanasitranana ary famerenana aina tao amin'ny nofo (Lazarosy) dia nasandrany ho Mpanjaka fa IZY no tsy nety satria fantaNY fa ara-nofo indray no tadiavin'ny olona araka ny mahajamba azy rehetra.

Ka raha hiverina amin'izay amin'ny lohahevitra isika dia mazava fa noraisin'i Kristy amin'izay ny fanjakana tamin'ny alalan'ny fikarakarana ny olombelona rehetra nanomboka tamin'y fanasana n ytongotry ny mpianatra ka hatramin'ny nitenenaNY io resaka fanamboarana toerana ho an'ny tsirairay io.

Ny mety tsy mampitovy fotsiny ny fijerintsika dia eo amin'ny fanomanana ataoNY. Ny fahalalàko azy dia tsy ny tontolo ara-nofo mety ho levona no resahaNY fa tontolo ara-panahy mahalala fa manana fiainana mandrakizay ary tsy ho an'ny olona efa fantaNY fa miaraka AMINY fa ho an'ny tsy mahalala AZY na tsy miaraka AMINY aza.

Ny anareo angamba aloha eo amin'ny olona efa voafidiNY ihany no voafetra ny fahalalanareo ny AsaNY fa ny ahy ilay miasa mandraizay mandra-pahatafaverina amin'ny laoniny ny zava-drehetra no hitako ataoNY mandrak'ankehitriny ka ho mandrakizay.

Azonareo jerena tsatra daholo fa mitodika any aminn'y maizina IZY fa tsy ny mazava indray no tovanana na tovonana akory. Ny Maizina ho tonga mazava no tanjoNY ka hiara-hiaina AMINY mazava.

Ny ohatra eto amintsika fotsiny dia ireo olona mpanompo sampy malaza (Neny Ravelonjanahary mpitana ody mahery, Nenilava zanaka Mpanompo sampy, Dada Rainisoalambo mpitady sitraka amin'ny fahaizany sy ny odiny...), ireo no nentina hampahazava ny rehetra izay midika avy hatrany fa manomana ny zava-drehetra IZY ary mikasika ny fanahin'ny olon-drehetra tsy an-kanavaka.

Ny antsika kristiana sasany dia asiana "saingy" avokoa ny fitoriana teny ary mitovy amin'ilay miresaka atsy ambadika hoe raha tsy in-21 adika io dia tsy manan-kery ahazoana ilay million de dollars ary ny tena loza be mihitsy aza dia hoe raha tsy izay tsy mahazo ilay fiainana mandrakizay.

Ka sao dia misy diso fitory aza amintsika ireto Niryna?
3. didi10 ( 20/03/2012 06:25)

niryna:

Fony niaraka ny mpianany Kristy dia nilaza fanoharana maro ary nampianatra zavatra maro dia ny zava-miafin'ny fiainana izany.Maro no takatry ny mpianany ary tsy vitsy koa ny tsy takany fa dia niseho teny rehefa nandao azy ireo tokoa Izy.Nampianariny ny zava-miafina teny ihany tokoa izy ary teo koa ny fampianarany fa andeha izy hanamboatra toerana ho azy ireo?Dia mbola tsy vita foana ve ilay izy e?
Ny fanontaniako ihany koa dia hoe ho an'izay avy ireo toerana ireo na hoe iza avy no andeha any?
Raha hiteny isika hoe isika rehetra dia tsy mila nanao na manao izany akory izy satria samy ho any ihany: toy ny hoe vazo mitovy ihany ve dia hita lavitra sa tsy mety izany fanoharana izany hi.hi
Raha milaza mantsy ny olona iray ao ambadika ao hoe samy zanak'Atra avokoa isika rehetra ,maninona izy no hiteny hoe andeha hanamboatra toerana ho anareo fa izay misy Ahy no misy anareo koa
Ampio aho e
niryna

Tsara ny Tompo

Miarahaba ny namana rehetra

Mampatsiahy ahy ny fijoroana vavolomelon'i Yves ity lohahevitrao ity ry namana Niryna,
http://falifalibe.over-blog.com/pages/histoire-5098280.html

Mitantara izy fa ohatran'ny filatsaky ny vola amin'ny jackepot amin'ny Casino ny filatsaky ny olona mankany amin'ny afobe fa any an-danitra kosa dia mangina satria vitsy ny olona tonga any!
Mino tokoa aho fa efa vonona ny toerana ho an'izay tsy hovoaheloka amin'ny fitsarana fa hoy Jesosy hoe Andriamanitra Ray ihany no mahalala ny andro sy ny fotoana.
Mahareta hatramin'ny farany namana Niryna,
Ny Tompo homba ana.
4. Tefigasy ( 20/03/2012 07:18)
niryna:

Dia mbola tsy vita foana ve ilay izy e?
Ny fanontaniako ihany koa dia hoe ho an'izay avy ireo toerana ireo na hoe iza avy no andeha any?


Ilay toerana namboarina toa betsaka ary efa vita fa ilay olona hipetraka amin'ilay toerana toa vitsy dia vitsy. (vakio Mat.22)

Roa arivo taona lasa izay no nitenan'i Jesoa teo ambony hazo vijaliana hoe "Vita" (vakio Jao.19)

Fa ny olana lehibe : na vita aza ilay izy rehefa tsy horaisina dia ... aoka ihany fa sao ho tonga eo i Miharena hiteny hoe efa natao ho an'ny olona rehetra io ka na inona na inona, na ahoana na ahoana dia ....

Zay no azoko ambara ry nirina, manampy eny ihany tsindraindray
5. didi10 ( 20/03/2012 14:36)
Tsara ny Tompo

Miarahaba ny namana rehetra

Mampatsiahy ahy ny fijoroana vavolomelon'i Yves ity lohahevitrao ity ry namana Niryna,
http://falifalibe.over-blog.com/pages/histoire-5098280.html

Mitantara izy fa ohatran'ny filatsaky ny vola amin'ny jackepot amin'ny Casino ny filatsaky ny olona mankany amin'ny afobe fa any an-danitra kosa dia mangina satria vitsy ny olona tonga any!
Mino tokoa aho fa efa vonona ny toerana ho an'izay tsy hovoaheloka amin'ny fitsarana fa hoy Jesosy hoe Andriamanitra Ray ihany no mahalala ny andro sy ny fotoana.
Mahareta hatramin'ny farany namana Niryna,
Ny Tompo homba anao.
6. niryna ( 21/03/2012 16:29)
Miharena:

Miarahaba anao indray namana Niryna a!

Ity lohahevitra ity mihitsy no mety hampahazava io resaka fanamboaran-toerana io.

Raha tsaroantsika tsara ny tantara tao amin'ny testamenta taloha sy vaovao dia misy sehatra mazava tsara ao: ny voalohany dia ny fitondran'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Mpaminany izay Elia no farany, ny manaraka dia ny fitadiavana mpanjaka tendrena tamin'ny andron'i Elize, ary ny farany dia ny fitadiavana indray izay iraka avy amin'Andriamanitra marina dia i Kristy.

Inona àry ny antony nitadiavana mpitarika? Ny hijery ny fiainam-bahoaka amin'ny antsipirihany ary ny fianan'olombelona rehetra sy ny erana rehetra misy eran'izao tontolo izao (tsy ny tany ihany fa ny UNIVERS mihitsy.

Ny fikasana dia mazava fa ho an'ny olombelona no nanaovan'i Krsity azy satria voatery nanetry tena ho tonga nofo IZY haneho fa zanak'Andriamanitra ny olona satria niharatsy ny olona noho ny tsy fahatsiarovantena.
hatreto aloha dia mba misy azo raisina saingy ahitsiko kely fa tonga nofo Izy ary lasa nandray anjara ho zanaka izany izy eto fa tsy hoe zanak'Andriamanitra ny olona.Noharian'Atra ny olona rehetra ka rehefa niala na nivadika na naka ny toeran'Atra satana dia nanaraka azy koa ireo anjely sasany .Teo no nanomboka nisafidy ny anjely na hiaraka amin'Atra na hiaraka amin'i satana. Ok

Rehefa ny olona samy olona no mifampitondra dia manao izao firehankevitra isan-karazany izao momba an'Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay ka tsinjon'i Kristy tsara hoe vavaka mamaky teny ny an'ny sasany, ny sasany tsy mahalala na inona na inona nefa mitompo teny fantatra.
mety hitombona izany kanefa kosa izay mangetaheta mitady Azy dia omeny fahazavantsaina tokoa raha tsy ohatra angaha hoe ka miziriziry amin'ny fampianarana noratovony tamin'ny olona izy na izay mampianatra na iza ka tsy mijery ny baiboly raha mitombona ilay nampianariny na tsia

Tsy nisy niaina araka ny fahalalàna marina an'Andriamanitra Mpamorona azy sy miahy ny fiainany andavanandro ary tsy matoky ny herin'Andriamanitra afa-tsy olombitsy sisa.
Ny antony dia noho ny lovantsofina miampita tsy mampianatra ny FOTOTRA intsony.
mety ho marina angamba izany asa lahy saingy ny baiboly no fitaratra hitarafana ny fiainana rehetra ka raha mifantoka amin'izay isika fa tsy mandray ny fampianarana manohitra ny voalaza dia mety ihiratra ihany tokoa ny masontsika an hi.hi

Ka raha tonga i Krsity taty aoriana ka hitany fa naneho fahagagana sy fanasitranana ary famerenana aina tao amin'ny nofo (Lazarosy) dia nasandrany ho Mpanjaka fa IZY no tsy nety satria fantaNY fa ara-nofo indray no tadiavin'ny olona araka ny mahajamba azy rehetra.
izay zavatra niseho tamin'ny fiainana rehetra dia lesona hoentintsika amin'ny fiainana,nasehoNy antsika ny fahasoavany,ny maha Andriamanitra Azy ka mino ve isika?

Ka raha hiverina amin'izay amin'ny lohahevitra isika dia mazava fa noraisin'i Kristy amin'izay ny fanjakana tamin'ny alalan'ny fikarakarana ny olombelona rehetra nanomboka tamin'y fanasana ny tongotry ny mpianatra ka hatramin'ny nitenenaNY io resaka fanamboarana toerana ho an'ny tsirairay io.
mbola nasehony antsika ihany koa izany fa izay tianao ataon'ny olona aminao no ataovy

7. Miharena ( 21/03/2012 16:33)
Tefigasy:

Fa ny olana lehibe : na vita aza ilay izy rehefa tsy horaisina dia ... aoka ihany fa sao ho tonga eo i Miharena hiteny hoe efa natao ho an'ny olona rehetra io ka na inona na inona, na ahoana na ahoana dia ....


Eny, tonga tokoa aho amin'ny angady sy ny harona raha tadiavinao amin'ity resaka ity. Mba sérieux moa ianareo mandray ny tenin'i Krsity sa tsia? Ary ny inona amin'ireo teny voambara no tena raisinareo ho tena manan-danja? Ilay teny hoe VITA ve tsy misy dikany fa lasa misy fisalasalàna indray?

Mba mahery rehefa manana AZY fa aza dia manaiky halatsaka ao anaty fisalasalàna. Fantaro ny fanahy ary avaho tsara ny nofo fa aza dia mandray izay resaka mety hampahalavo anareo.

Amin'izany fotoana izay hoy i Kristy hisy hilaza hoe aroà i Kristy, na atsy i Kristy, nefa fantaro fa ao anatinareo IZY fa tsy ivelany velively.

Ka mila jerena ihany hoe mitombina sa tsia ireo fijoroana vavolombelona sasany, na koa hoe mila fantarina ilay circonstance nahazoana fahitana manitsy ilay olona tratran'izany ary koa henoina tsara izay teny teneniny amintsika fa raha fampitahorana sy angano dia ialao malaky fa raha mitondra teny fiainana dia mazava izy izay.

Ary ilay izy koa dia resaka ara-panahy fa tsy resaka ara-nofo ka aoka ho raisina ara-panahy ny an'ny fanahy. Araka ny Tenin'i Kristy hoe aoka ny maty handevina n maty ao aminy. Ilay jackpot dia mazava fa nofo mety maty dia aoka ho levona any hoy i Krsity fa ny fanahy tsy ho voatana ao mihitsy akory satria somibn'AIN'Andriamanitra.
8. Tefigasy ( 22/03/2012 07:48)
Miharena:

Eny, tonga tokoa aho


Iny ary lery fa tonga, hihihihihihihi
9. Miharena ( 22/03/2012 14:49)
Hihihihihi valiana tsiky ry namana a! tsy hahay handray ihany ve ianareo rehefa mizara fifaliana eto foana izahay e!
10. niryna ( 26/03/2012 16:27)

Miharena:

Hihihihihi valiana tsiky ry namana a! tsy hahay handray ihany ve ianareo rehefa mizara fifaliana eto foana izahay e!
misaotra anao ary nizare e,raisina izay mahasoa fa atao toy ny vomanga an'ala io e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0632