Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra

1. didi10 ( 14/03/2012 12:29)
DISO tena DISO ary DISO BE ny filazana fa zanak'Andriamanitra daholo olombelona rehetra.
Tsy hanazava aho ry Miharena na hanao interpretation omeko anao fotsiny ny Tenin'Andriamanitra.

Romana 9,6

Fa tsy izay rehetra avy amin'ny Isiraely no Isiraely. 7 Ary na dia taranak'i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa "avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao"(Gen. 21. 12). 8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka. 9 Fa izao no filàzan'ny teny fikasana: "Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha" (Gen. 18.
10 Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan-anaka tamin'ny anankiray, dia tamin'Isaka razantsika; 11 fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy amin'Izay miantso), 12 dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: "Ny zokiny hanompo ny zandriny" (Gen. 25. 23); 13 araka ny voasoratra hoe: "Jakoba no tiako, fa Esao no halako" (Mal. 1.2, 3).
14 Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany! 15 Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: "Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo" (Eks. 33. 19). 16 Koa dia tsy avy amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra Izay miantra. 17 Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Farao: "Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra" (Eks. 9. 16). 18 Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo ny hamafìny fo.
19 Hoanao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony? 20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa hianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? 22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbaina, 23 mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny fampndrampo, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, 24 dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa, 25 araka izay lazainy eo amin'ny Hosea hoe:
"Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho;
Ary ilay tsy malala hoe malala" (Hos. 2. 25);
26 "Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko hianareo,
Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona" (Hos. 2. 1).
27 Ary Isaia nilaza ny amin'ny Isiraely hoe: "Na dia toy ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Zanak'Isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena; 28 fa amin'ny fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany" (Isa. 10. 22, 23); 29 ary araka izay nolazain'Isaia fahiny hoe:
"Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika,
Dia tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika" (Isa. 1. 9).
30 Ahoana ary no holazaintsika? Ny jenitlisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin'ny finoana? 31 fa ny Isiraely, izay nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany. 32 Nahoana moa? Satria tsy tamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa, ka tafintohina tamin'ny vato mahatafintohina izy;
novalian'i Miharena ny 21/03/2012 16:09
2. Miharena ( 14/03/2012 13:36)
Diso fijery izay milaza fa avy amin'io tanisa ataon'i Didi10 io no hilazanafa tsy ny Ray no namorona ny olon-drehetra. Porofoin'ity teny tanisainao ity fa IZY ihany no Mpamorona sy mandrindra ahafahan'ny olona mamantatra fa IZY no IZY.



19 Hoanao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony? 20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa hianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? 22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbaina, 23 mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny fampndrampo, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, 24 dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa, 25 araka izay lazainy eo amin'ny Hosea hoe:
"Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho;
Ary ilay tsy malala hoe malala" (Hos. 2. 25);


Ary raha hitarina aza ilay fandrindrana ny Tantaram-pitantanana ny olombelona dia teo amin'i Kristy izay nilaza hoe : Ray o ! avelao y helony fa ts yfantany izay ataony.

Asa aloha na tanisanisa fotsiny izi ity Didi10 na tanisa miteny marina.

Toy ny hoe : indro lasa ny zavatra teo aloha, indro tonga vaovao ireo.
Andriamanitra tsy miasa no tsy mampahafantatra ny maha-mandrakizay ny famindrampony sy ny tsy mampahafantatra fa voariNY daholo ny rehetra ary tsy mampahalala fa manana drafi-pamohazana mazava.
3. didi10 ( 15/03/2012 06:24)

Miharena:

Diso fijery izay milaza fa avy amin'io tanisa ataon'i Didi10 io no hilazanafa tsy ny Ray no namorona ny olon-drehetra. Porofoin'ity teny tanisainao ity fa IZY ihany no Mpamorona sy mandrindra ahafahan'ny olona mamantatra fa IZY no IZY.


Aza avadikao ny resaka ry Miharena fa zanak'Andriamanitra no foto-dresaka eto fa tsy hoe noharian'Andriamanitra, samy noharian'Andriamanitra daholo ny zava-boahary rehetra, na ny olona na ny saka na ny kisoa na ny tangena na ny ahitra, tamin'ny voalohany dia tokana ihany ny zanaNY dia Jesosy Kristy fa ankehitriny kosa izay nandray ny famonjena amin'ny Batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy dia tonga zanak'Andriamanitra ihany koa ary mpandova ny fanjakan'ny lanitra.

4. Miharena ( 15/03/2012 08:17)
Ary tahaka ny Endriny no nanaovaNY ny olombelona.
Tsy mamadika teny fa mazava io.
Rehefa miresaka koa isika Didi10 dia tsy mitovy loatra, raha izaho no anontanianao momba ny famonjena dia asa arafitr'Andriamanitra io ary ny fahafantarako AZY dia mahafantatra tsara ny voariNY. Misy zanaka adala ary misy zanaka hendry ary ny hendry mety mivadika ho adala ihany koa fa tsy izany aory no tsy maha-zanaka azy na avy AMINY azy.

Azo lazaina fa toy ny manao iraka isika mitondra fanahy noforonin'Andriamanitra ary samy amin'ny toerany avy. Satana sy ny anjely miaraka aminy, Kaina, Abela, Isaka, Ismaela, Farao, Saoly, Nebokadnezara, Jodasy, Esao, Jakoba, Kristy.... fa i Kristy no mahazava ireo rehetra ireo ary milaza fa toetra ilay devoly fa tsy personne akory ary ny asaNY dia mandrava izany haizina izany ao amin'ny zanany tsirairay avy ary ny anjely koa, i Mikaela no efa miasa amin'izany fanadiovana izany.


5. didi10 ( 15/03/2012 08:32)
Lojika ry Namana raha tsy mitovy ny hevitra satria tsy mitovy ny Baiboly handraisana référence.

Toa eskivenao fotsiny anie ilay teny hoe:"Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra e!" samy zanaky ny nofo avokoa anie ny olona rehetra e!
6. Miharena ( 15/03/2012 09:58)
Tsy misy midify ny lohahevitra eto namana ary tsy mitovy fotsiny ny famakiantsika io Baiboly io fa tsy hoe tsy mitovy ny Baiboly hakana referansa.

Zanak'Andriamanitra daholo ny rehetra fa ts yzanaka natsangana akory. Ny resaka zanaky ny nofo dia izay ray sy reny niteraka fa ny fanahy tsy misy tompony afa-tsy Andriamanitra Nahary.

IZY no manapaka ny amin'io fanahy io ary fampanantenana sy fanadiovana no hitako ao anaty Baiboly raha mamaky azy hatramin'ny farany fa asa ny anao na ahoana?

Ny voavakinao ao angamba namana dia zaza sary sy zanaky ny maizina mendrika hariana avokoa fa tsy ilay asa fanadiovana.

Ny ahy ilay asa fanadiovana sy famohazana no toriako fa tsy ilay miampanga.
7. pomderenette ( 16/03/2012 15:40)
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94

Ry zanako Malalako,

Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA. Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity.
I CHRISTIEN, naharay ity hafatra ity, novakiany ary nivavaka sy nangataka izy, avy eo nandika azy in-21 isa, valo andro taty aoriana dia nahazo ny Million de Dollard izy.
LAVIA, naharay ity hafatra ity, novakianay ary norovitiny. Nahita fahasahiranana isan’andro teo amin’ny fianakaviany, ary maty no niafarany.
MPIASA BIRAO, nahray ity, adinony izy io. Valo andro taty aoriana dia voaroaka tamin’y asany izy, tadidiny izany taty aoriana, ary najainy ny hafatra. Lasa mpanakarena sy anisan’ny olona malaza indrindra teto an-tany izy. Noho izany aza tsiratsiraina ity hafatra ity raha tsy te hahita fahasahiranana ianao. Nalefa tamiko ity araka ny fiangaviana tamiko dia notohizako ny fampielezana azy. Avy any VENEZUELA ny niaavian’ity hafatra ity.
Atoa BRANAIVO, naharay ity hafatra ity tamin’ny taona 1993, nanohy araka ny fangatahana taminy, sivy andro taty aoriana dia nahazo 55tapitrisa tamin’ny loterie iraisam-pirenena izy.
Atoa GETERE ihany koa, saingy nanadino ny fisian’ity hafatra ity. Indrisy voaroaka tamin’ny asany izy. Kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita ity taratasy nalefa taminy izy, dia nandika in-29. Sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsara sy ambony noho ilay teo aloha izy.
Atoa BORI naharay ny hafatra, nandika in-29 ary nanely. Sivy andro taty aoriana dia nisondro-boninahitra teo amin’ny asany izy.
MADAMA izay nahazo ny azy, dia nodorany ka may ny tranony, simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary niditra amponja ny vadiny.
Atoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsoratrany izy handika azy in-29 ary nanely izany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia vola 10 tapitrisa de dollard no azony. NOho izany, na inona na inona antony dia tokony hajaina ny hampielezana ity hafatra ity, ary adika in-29, ary alefa amin’ny olona. Afaka sivy andro dia hisy fahagagana hitranga amin’ny fiainanao.
Tsara ary ho tsara vintana ianao, ka ahita fitia avy amin’Andriamanitra sy ny olona. Tsy mila mandefa vola. Ny zavatra hiangaviako anao, aza mitahiry ity taratasy ity na dia ilay dikan-teny nataonao aza dia tokony hiala ao an-tranonao. Ity taratasy ity dia, tsy nataotao foana na dia tsy isan’ireo minmino foana aza, ka dia ezaho hitohy ity taratasy ity.
Misionera iray no nitrangan’ity hafatra sy vavaka avy any Saint Augustin. Afaka sivy andro dia ahita fahagagana lehibe ianao.
VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy, nisy aho satria nisy Andriamanitra. Tsy misy tsy azo aminy. Nomeny ahy ny aina, fitiavana, fifaliana. Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa. Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino ao amiko izy. Saingy izaho no minia tsy mandray azy. Ary mamela ahy izy amin’ny fahotako rehetra. Mihaino izay rehetra mivavaka izy saingy izaho no tsy manampaharetana. Andriamanotra ô! Manomboka izao aho dia hezaka ny hanara-dia Anao. Henoy ny fitarainako. Mitalaho Aminao aho. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay hadalovany. Nofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamaitra o ! Nahary ahy Ianao. Amen !
8. niryna ( 19/03/2012 16:13)
didi10:

Lojika ry Namana raha tsy mitovy ny hevitra satria tsy mitovy ny Baiboly handraisana référence.


izay tokoa angamba ilay izy e ,ny iray ny tsindrimandrin'Andriamanitra no nizarana ,ny iray olona no maka ny toeran'Atra ka mampianatra izay takatry ny sainy kanefa tsy misy na iray aza mahatakatra ny hevitry Atra na haka ny toeraNy fa raha tsy izay efa vita ity fizarana ny tenin'Atra ity sy ny fampahafantarana ary fampahatsiahivina ny tokony hibebahana isan'andro,ny hamelana heloka ny tenantsika sy ny hafa satria Andriamanitra tsy mamela ny helontsika raha tsy mamela ny heloky ny hafa isika.
Ny fampahatsiahivina ny teny ao anaty soratra masiny ny fisian'i kristy,ny fisian'i satana izay mamotraka ny olona isan'andro mba hiala sy andositra amin'Atra.Kanefa indrisy fa misy fampianarana vaovao indray mifanohitra ny hafaNy IZAY TSY MIARAKA AMIKO HOY KRISTY DIA MANOHITRA AHY sa tsy izay ilay hafaNy dia ny hoe TSY MISY AFAKA NY HANOMPO ROA ISIKA
9. Miharena ( 20/03/2012 06:00)

izay tokoa angamba ilay izy e ,ny iray ny tsindrimandrin'Andriamanitra no nizarana ,ny iray olona no maka ny toeran'Atra ka mampianatra izay takatry ny sainy kanefa tsy misy na iray aza mahatakatra ny hevitry Atra na haka ny toeraNy fa raha tsy izay efa vita ity fizarana ny tenin'Atra ity sy ny fampahafantarana ary fampahatsiahivina ny tokony hibebahana isan'andro,ny hamelana heloka ny tenantsika sy ny hafa satria Andriamanitra tsy mamela ny helontsika raha tsy mamela ny heloky ny hafa isika.
Ny fampahatsiahivina ny teny ao anaty soratra masiny ny fisian'i kristy,ny fisian'i satana izay mamotraka ny olona isan'andro mba hiala sy andositra amin'Atra.Kanefa indrisy fa misy fampianarana vaovao indray mifanohitra ny hafaNy IZAY TSY MIARAKA AMIKO HOY KRISTY DIA MANOHITRA AHY sa tsy izay ilay hafaNy dia ny hoe TSY MISY AFAKA NY HANOMPO ROA ISIKA


Raha tsy manana fisainana araka an'Andriamanitra tsy mahalala ny sitrapoNY.

Fantaro ireo heloka araka an'Andriamanitra. Ka isika milaza ny fahazoantsika azy tokoa dia manitrikitrika lalina fa misy Satana mamotraka. Satana anefa dia voary ihany ka ny fanarahana ny voary no heloka eto ary mitovy amin'ny fanarahana izay tenin'olombelona ihany.

Raha fantatrao tsara anefa izay miteny aminao fa Andriamanitra ary mahalala ianao fa fanahin'Andriamanitra no miteny ao amin'ny olona iray izay iraka ihany dia mazava ny fonao. Fa raha toa ianao manitrikitrika hatrany fa baiboly hafa no novakian'ny namanao izay milaza fa i Krsity no miteny ao dia tsy fantatrao akory izany ny Fanahy izay ivavahanao isanandro io sy ny tena sitrapoNY.

Toy ny fanahy maty no voarakitra ao anaty Baiboly raha toa ka tsy misy fivoarany no fahitanao azy ao ary tsy miteny aminao mandrakankehitriny IZY. Aoka tsy ny soratra averimberina vakiana no hiorenan'ny finoanao fa Fariseo ianao raha izany fa Fiainana ao AMINY sy miaraka AMINY. Gaga moa i Nikodemosy raha nilazana hoe raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny rako ianareo tsy manana fiainana. Heveriny angaha fa ara-nofo izany fanoharana izany fa tsy fiainana maha-Kristy. DIa mbola betsaka ny olona tsy miaina arak'i Kristy amin'izao fotoana izao satria mbola andevozin'ny soratra toy ny Fariseo.

Ilay Krsitianina mihitsy no voahitsakitsaka matetika rehefa tsy mahay mampianatra araka AZY.

Ka vakio ihany aloha izay nambara rehetra dia jereo ao izay tsy an'i Krsity vao miteny ianao hoe tsy izy io fa avy amin'i Miharena olona ihany.

10. didi10 ( 21/03/2012 12:13)
3e testament = coran = urantia = livre des mormons = révélation d'Ellen White = boky katesizy = filazantsara hafa

Gal 1 6-8
6 Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao hianareo hiala amin'Izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa, 7 izay tsy filazantsara akory [anankiray koa], fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy.
8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.


II TIm 1,10
10 fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalovana mandrakizay; 11 ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra [mpampianatra ny jentilisa]. 12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia matahiry ilay zavatra natolotro [ilay zavatra natolony ahy]Azy mandra-piavin'izay andro izay.
11. Miharena ( 21/03/2012 16:09)
Tsy mahasoa anao intsony Didi10 ny teny averimberina fa mila teny miasa isika. Ireo tanisainao ireo dia tsy fantatrao akory fa avy hatrany dia manakilasy izay tsy fantatrao ianao. Vakio tsara aloha vao milaza ianao fa diso ireo boky notanisainao ireo.

Na izany na tsy izany, tsy ny mahamarina na mahadiso ny boky no zava-dehibe fa ny fahalalanao fa misy ny asan'i Kristy sy Andriamanitra nahary izao rehetra izao izay lazaina ao ankoatry fombafomba. Toy izany koa ny famakianao Baiboly.

Mety htitovy isika amin"izay fa ny tsy hitovizako aminao manko izao dia marivo ny finoanao fa tsy lalim-paka. Manahy aza aho hoe manidintsidina ilay fahalalanao an'Andriamanitra fa zary miantehitra amin'ny tanisa tsy mampandroso sy mora anodinkodinanna saina ianao rehefa mamaky Soratra Masina.

Tsy fanatisma izy ity Didi10 fa fampahafantarana tsara hoe inona no zavamandalo sy ny mandrakizay. Ka rehefa mamky na inona na inona ianao momba an'Andriamanitra dia ilay mandrakizay ao resahana fa tsy izay mandalo (ireto avy ilay mandalo sao dia tsy fantatrao : Andro sy ny asa vita tao aminy. Ny mandrakizay kosa dia ny AIN'ANdriamanitra ao aminao sy izaho ary ny olon-drehetra tsy ankanavaka nanao ilay zavatra mandalo tao anati'nny fotoana mandalo). aleo atao Bold ihany sao tsy fantarao hoe inona no lazaiko eto.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1796