FANTATRAO V?

1. RBNIR ( 08/03/2012 08:01)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Fantantsika v ry namana fa efa nisy ny fanopoana an'Andriamanitra talohan'ny nifidianany ny firenen'i Israely?
Tamin'izany dia efa nisy ny fitandremana ireny didy izay tsy tian-tsika ireny fa noheverin-tsika foana fa natokana ho an'ny firenena Israely ihany?
Mahaliana anao v?

Samy ho tahin'ny Tompo namana isany
novalian'i Nehemiah ny 22/01/2013 12:23
2. Miharena ( 08/03/2012 14:10)
Ambarao àry RBNIR
3. didi10 ( 09/03/2012 06:18)

RBNIR:

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Fantantsika v ry namana fa efa nisy ny fanopoana an'Andriamanitra talohan'ny nifidianany ny firenen'i Israely?
Tamin'izany dia efa nisy ny fitandremana ireny didy izay tsy tian-tsika ireny fa noheverin-tsika foana fa natokana ho an'ny firenena Israely ihany?
Mahaliana anao v?

Samy ho tahin'ny Tompo namana isany

Aza itako ka hoe jereo indray ny fandaharana X amin'ny Télé Y
4. RBNIR ( 25/07/2012 14:39)
Faly miarahaba anareo indray ry namana isany,
Araho ity rohy ity zfdy.
http://forum.serasera.org/forum/message/m500fe8722d7fb
Izao no fotoana sitrak'Andriamanitra hilazana ny tohiny
Samia ho tahin'ny Tompo namana
5. RBNIR ( 01/08/2012 08:21)
Faly miarahaba anareo hatrany ry namana isany,

Tsy voalazako ao amin'ilay rohy etsy ambony (satria tsy tiako ny hanimba ny lohahevitr'ilay naman-tsika), fa kosa hotohizako eto dia ny mikasika ny biby maloto ry namana isany.
« Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy; » (Gen.7:2)
Efa taloha b anie ry namana isany no efa nampahafantarina ny olona fa misy ny biby madio sy ny tsy madio e!.
Ry namana isany, zava-miafina izany nefa sitrak'Andriamanitra ny hamongatra ny MARINA rehetra satria ilay hadio sy ho MASINA eo anatrehany avokoa ny olona rehetra.
Zava-miafina manamafy izany ry namana isany :
« Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. » (Asa.10:14)
Petera dia niaranihinana tamin'i Jesosy Tompo foana tamin'izay nalehany rehetra.
Azo antoka 100% fa samy tsy nihinana izay zava-padina na tsy madio ry zareo matoa Petera tsy nihinana talohan'ny nahitany ilay fahitana.

Tena tian'i JEsosy ianao matoa maharay ity hafatra ity.

Fampianarana tsy misy kilema no apetrak'Andriamanitra ankehitriny ry namana isany.
Toy izay efa nisy "tany am-boalohany indrindra (tamin'ny andro nisoronan'iMelkizedeka).

TENA TIANAO JESOSY! MANDRAISA FANAMPAHAKEVITRA!

Ny Tompo anie homba an-tsika rehetra,

Samia ho tahin'ny Tompo namana isany

6. RBNIR ( 08/08/2012 09:59)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Fanampiny, « fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka » (2 Pet.2:7)
« (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan'andro isan'andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny lalàna): » (2 Pet.2:8)
« dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,- » (2 Pet.2:9)
« indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan'ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra. » (2 Pet. 2:10)

Tena nitandrina ny lalàna tokoa ny olona taloha namana isany. Ary tamin'izany dia nisy ny nalahelo noho ny fandikan-dalana nataon'ny hafa.

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany

7. Nehemiah ( 22/01/2013 12:23)

Milaza an'izay ianao nefa anabavin'i Abrama ihany i Saray vadiny. Tsy fandikàna ny Lev. 18:6-9 ve izany ? Nefa olo-marina teo anatrehan'Andriamanitra i Abrama. Ka inona no avalinao @'izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1724