baiboly

1. kaiaja ( 07/03/2012 11:08)
Faly miaraba antsika rehetra,
Ny technolojia @zao fotoana izao efa mivotra, ka ny tiako ambara sy mba angatahiko valiny @tsika rehetra. Ny baiboly @zao fotoana izao efa misy @finday ka azo atao ve ny mitondra na mamaky an'izireny any ampengonana? na koa hoe ampiasaina @fotoam-pivavahana rehetra?
répondu par niryna le 08/03/2012 05:31
2. didi10 ( 07/03/2012 13:46)
mety ra esorina ny puce = tsisy appel, tsis message
3. 2N.E ( 07/03/2012 14:37)
Manaona daholo!,Tsy mety izany satsia ny Baiboly dia milaza fa: Aza tia izao Ntontolo izao hoy izy ny zavatr' izao Ntontolo izao fa raha misy tia izany dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.Fantatra mazava fa ny finday dia izao Ntontolo izao no namorona azy, izao Ntontolo izao ihany koa no namorona hoe handao atao ao anaty finday ny Baiboly fa tsy Andriamanitra akory no nandidy hoe:ataovy ao anaty finday ny Baiboly tahaka ny handidiny hoe: Aza mijangajanga.Torohevitra avy aty amiko ny hoe rehefa handeha hivavaka isika dia ajanony ny finday fa mitondra ny tena Baiboly fa hahasoa an-tsika izany, diniho fotsiny hoe handeha haka vola any @ Banky isika dia ny photocopian' ny karapanondro no hoentina fa tsy ilay tena karapanondro mihitsy, azo antoka fa tsy hahazo vola isika na @ fomba ahoana na @ fomba ahoana!, dia toy izany koa no ataon' Andriamanitra amin-tsika ra ilay finday misy Baiboly fotsiny ihany no hoentin-tsika mivavaka aminy.
4. hery ( 07/03/2012 22:22)
lasa lavitra be zany resak'i 2N.E izany :-)

Ny baiboly tamin'ny voalohany indrindra dia tsy nosoratana tamin'ny boky taratasy tahaka io hitantsika io fa tamin'ny horonan-taratasy papyrus ary nosoratana tanana.
Nony nivoatra ny fahalalan'ny olona taty aoriana be dia nahay nanamboatra taratasy izy ary nahay nanamboatra milina fanoratana sy fanotana printy. Dia nadika tamin'ireo fitaovana ireo ny baiboly ka tonga boky. Dia iny no nampiasaina any am-piangonana. Mety nisy nametraka fanontaniana koa angamba tamin'izany hoe azo entina any am-piangonana ve ny baiboly boky sa tsy maintsy ilay horonan-taratasy ihany no azo entina. Fa ny hita aloha dia tsy misy baiboly horonan-taratasy intsony fa boky daholo sisa no any am-piangonana.

Dia inoako fa ho toa izany koa ny fivoaran'ny haitao. Ho foana tsikelikely ny boky fa lasa digital daholo, dia tsy hampiasa baiboly taratasy ihany intsony koa satria tsy azo hanaovana boky intsony ny taratasy sns. Dia hovoasolon'ny iPad sy kindle sns ny boky, dia anisany koa ny baiboly. Koa tsy hitako izay olana.


5. LazaDaddy ( 07/03/2012 22:36)
kaiaja,

Izaho manana Baiboly amin'ny endriny efatra.

1) Ny finday-ko misy Baiboly (soratra sy feo) saingy tsy ampiasaiko raha tsy amin'ny fotoana mahamety azy. Ohatra hoe eny an-tsena na anaty lamasinina be olona, satria tsy tsara ny misehoseho hoe izaho mamaky Baiboly. Tsy mahamenatra ahy ny Baiboly, saingy ezahiko tsy hanafitohina ny tokony ho voavonjy ny "fisehoana ivelany" amin'ny famakiana azy.

2) Manana "Baiboly electronic" koa aho, ampiasaiko anaovana "fikarohana fotsiny" fa tsy dia mety amiko loatra ilay izy satria kely ny soratra aminy sady tsy afaka ampitahana lahatsoratra samihafa tahaka ny boky.

3) Ny Baiboly voasoratra an-taratasy (boky) no tiako indrindra ny mampiasa azy na ao an-trano na any am-piasana na any am-piangonana. Azo asiana marika ny takelaka ary mifampitohy ny boky sy tantara ao fa tsy mitokatokana. Mampianatra ahy ny filaharan'ny boky ao koa ilay fitohizan'ny tantara (ohatra hoe ny Genesisy no fiandohana,...)

4) Ny Baiboly ato am-poko no saro-bidy indrindra ka izany no ianarako ny Baiboly mba hitahirizako azy ato am-poko. Azon'ny fanjakana mpanao didy jadona sy ny antikristy atao ny maka ny Baiboly ety an-tanako, saingy tsy ho vitany kosa ny manala ny Baiboly na Tenin'Andriamanitra velona ato am-poko.

Mahereza mianatra sy mandray ny fampianarana ao fa fahasoavana ny fahalalahana mamaky Baiboly izay voarara any amin'ny firenen-kafa.

6. kiriah ( 07/03/2012 23:51)
2N.E : Marina izany an i Hery zany , mandroso mankany amin ny fivoarana tsika , ary aza dia manao dika vilana loatra an ilay tenin Atra fa mba araho arak izay tena heviny kosa , ny zvt rehetra misy eto amin izao tontolo zao dia vitan ny zao tontolo zao sy an izao tontolo zao : iny ankanjo anaovanao iny , kiraro , bus , tram , .....sns , tsy hoe akory ra mampiasa telephone dia midika fiavonavonana na fankasitrahana an izao tontolo izao , mety ho izany ihany angamba ho an ny olona sasany , saingy Atra mahita zay ao anatin ny fo ny ts1-1 avy .
7. niryna ( 08/03/2012 05:31)

2N.E:

Manaona daholo!,Tsy mety izany satsia ny Baiboly dia milaza fa: Aza tia izao Ntontolo izao hoy izy ny zavatr' izao Ntontolo izao fa raha misy tia izany dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.Fantatra mazava fa ny finday dia izao Ntontolo izao no namorona azy, izao Ntontolo izao ihany koa no namorona hoe handao atao ao anaty finday ny Baiboly fa tsy Andriamanitra akory no nandidy hoe:ataovy ao anaty finday ny Baiboly tahaka ny handidiny hoe: Aza mijangajanga.Torohevitra avy aty amiko ny hoe rehefa handeha hivavaka isika dia ajanony ny finday fa mitondra ny tena Baiboly fa hahasoa an-tsika izany, diniho fotsiny hoe handeha haka vola any @ Banky isika dia ny photocopian' ny karapanondro no hoentina fa tsy ilay tena karapanondro mihitsy, azo antoka fa tsy hahazo vola isika na @ fomba ahoana na @ fomba ahoana!, dia toy izany koa no ataon' Andriamanitra amin-tsika ra ilay finday misy Baiboly fotsiny ihany no hoentin-tsika mivavaka aminy.
Tsy azoko,indraindray isika toa maka ilay teny ara-bakiteny.
Eny tokoa efa misy fivoarana betsaka isika ary izany no antony nahatonga antsika afaka mizara ny tenin'Atra eto.Fahasoavana lehibe nomen'Atra antsika izany.
Efa misy fomba maro tokoa izao ahafahan'ny rehetra mamaky ny baiboly ohatra ary afaka mijery izany araka ireo notenenin'ny olona eo ambony ireo.Eny misy koa Bible eletronique amin'ny tenim-pirenena maro i: kely azo atao any anaty poketra ilay izy :ary ahitana ireto santionany ireto;
izay misy ny King James izany na NIV na ireo karazany hafa
-misy mana isan'andro na devotion
- misy dictionnaire manazava ny dikanteny tsy fantatra
- ary azo hoentina hatraiza hatraiza
- ary misy fitadiavana soratra masina izay tianao koa aza ilay izy na teny mifandraika izay
tianao ho tadiavina hoe aiza ao amin'ny baiboly no misy an'io teny io
-na teny izay tianao ho fantatra
Ohatra hoe aiza ao amin'ity no ahitana ny hoe fa toa izao no notiavan'Atra ... dia tonga dia
mamoaka ny toerana misy azy izy,ao ihany koa ny concordances rehetra
Na dia izany aza aleoko lavitra ihany ny mamaky ny baiboly fa raha tsy te hitondra baiboly mavesatra any am-piangonana ny tena dia tsy maninona fa mahazo mamaky ilay Bible electronique hianao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1127