NAMANA AOKA HIHAINO ANATRA ISIKA

1. RBNIR ( 07/03/2012 08:56)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Mila mitandrina tsara ihany isika ry namana isany amin'ny forum tahaka itony satria sao sanatria mahavita zavatra tsy mifanaraka amin'ny Sitrapon'Andriamanitra.
Tadidio mandrakariva ilay teny ao amin'ny Mat.7:21 (izay manao ny sitrapon'Andriamanitra ihany no hovonjena).
Ireto ary misy Tenin'Andriamanitra tokony hodinihina lalina rehefa manao forum toy izao:
«Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino, » (2 Timoty 2:14)
« Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany. » (Titosy 3:9)
Misy karazana ady teny sy adihevitra tsy sitrak'Andriamanitra.

Noho ireto antony manaraka ireto ry namana no antony tsy ankasitrahany izany :

« dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala* amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, [* Gr. marary] » (1 Timoty 6:4)

Aoka ho raisin-tsika ity hafatra nataon'ny apostoly petera ity.
« fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, » (1 Petera 3:15)

Amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana hoy izy.

Mampalahelo B raha sanatria ka isika no hovoakilasy ao amin'io 1Tim.6:4 io. Isika hoy aho satria ny tenako no asiko mafy ho mangana aloha.

Samy ho tahin'ny Tompo namana isany

2. didi10 ( 07/03/2012 10:41)

RBNIR:

Tsy mazava ny tian'ny namana tenenina, inona ny ratsy, inona no tsy mety, inona no tsy tianao amin'le forum
3. RBNIR ( 07/03/2012 11:24)
didi10:

Tsy mazava ny tian'ny namana tenenina, inona ny ratsy, inona no tsy mety, inona no tsy tianao amin'le forum

Faly miarahaba namana,
Ny tsirairay no tokony hahatsapa azy namana,
- Amin'ny fahalemem-panahy marina v no hitondrantsika ny hafatra eto?
- Amin'ny fanajana koa?
- Tandremo ny tafiditra amin'ny ady teny tsy mahasoa fa mampieboebo, ka mahatonga mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy.

Ny tsirairay hoy aho no tokony handanjalanja ny hafatra ampitainy eto.

dia samy ho tahin'ny Tompo namana didi10.
4. didi10 ( 07/03/2012 13:45)
Izay ve no mahatonga anao tsy sahy mitory sao mihebohebo?
5. Miharena ( 07/03/2012 13:51)
Miarahaba ny namana indray,

Ny aditeny dia efa anisan'ny fifanakalozana ary mety hiteraka famohazana ny hafa amin'ny Forum toy itony satria aoka ho fantantsika fa ny hevitra mitosaka dia anisan'ny ahafahana mamantatra hoe misy tsy mety sa mitongilana ny fomba fijerin'y mpamosa-kevitra ary azon'y hafa ahitsy tsara.

Ny fifampitaizana mampandroso no tena ilaina amin'izao fotoana mampanjaka ny tsy fahalalàna izao noho ny fitiavan-tena na fahamenarana hizara ho an'ny hafa.

Raha misy zavatra tsy mety ataon'ny namana dia tsara ihany no miteny rehefa mahita fa tokony hanarina isika fa tsy raisintsika avy hatrany kosa hoe ady teny ilay izy. Mila fo madio no mandray teny sy mamosa-kevitra dia mazava fa mifanaja amin'izay. Indrindra moa fa mikasika ny Finoana izay fitaizam-panahin'ny tsirairay. Ary isaorana ny Mpandrindra ny nanokafana loha-hevitra toy izany satria fantatra fa betsaka ny olona no te-hiteny sy te-handalina hananany fahamatorana kokoa eo amin'ny fitaizam-panahy.
6. niryna ( 08/03/2012 05:34)

didi10:

Izay ve no mahatonga anao tsy sahy mitory sao mihebohebo?

didi10 koa tssss .hi,hi
angamba ny olana indray eto amiko dia ny mitompo teny fatratra ny fiangonany ka manao ny an'ny hafa ho tsy izy sa ahoana ?
7. pomderenette ( 16/03/2012 15:41)
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94

Ry zanako Malalako,

Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA. Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity.
I CHRISTIEN, naharay ity hafatra ity, novakiany ary nivavaka sy nangataka izy, avy eo nandika azy in-21 isa, valo andro taty aoriana dia nahazo ny Million de Dollard izy.
LAVIA, naharay ity hafatra ity, novakianay ary norovitiny. Nahita fahasahiranana isan’andro teo amin’ny fianakaviany, ary maty no niafarany.
MPIASA BIRAO, nahray ity, adinony izy io. Valo andro taty aoriana dia voaroaka tamin’y asany izy, tadidiny izany taty aoriana, ary najainy ny hafatra. Lasa mpanakarena sy anisan’ny olona malaza indrindra teto an-tany izy. Noho izany aza tsiratsiraina ity hafatra ity raha tsy te hahita fahasahiranana ianao. Nalefa tamiko ity araka ny fiangaviana tamiko dia notohizako ny fampielezana azy. Avy any VENEZUELA ny niaavian’ity hafatra ity.
Atoa BRANAIVO, naharay ity hafatra ity tamin’ny taona 1993, nanohy araka ny fangatahana taminy, sivy andro taty aoriana dia nahazo 55tapitrisa tamin’ny loterie iraisam-pirenena izy.
Atoa GETERE ihany koa, saingy nanadino ny fisian’ity hafatra ity. Indrisy voaroaka tamin’ny asany izy. Kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita ity taratasy nalefa taminy izy, dia nandika in-29. Sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsara sy ambony noho ilay teo aloha izy.
Atoa BORI naharay ny hafatra, nandika in-29 ary nanely. Sivy andro taty aoriana dia nisondro-boninahitra teo amin’ny asany izy.
MADAMA izay nahazo ny azy, dia nodorany ka may ny tranony, simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary niditra amponja ny vadiny.
Atoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsoratrany izy handika azy in-29 ary nanely izany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia vola 10 tapitrisa de dollard no azony. NOho izany, na inona na inona antony dia tokony hajaina ny hampielezana ity hafatra ity, ary adika in-29, ary alefa amin’ny olona. Afaka sivy andro dia hisy fahagagana hitranga amin’ny fiainanao.
Tsara ary ho tsara vintana ianao, ka ahita fitia avy amin’Andriamanitra sy ny olona. Tsy mila mandefa vola. Ny zavatra hiangaviako anao, aza mitahiry ity taratasy ity na dia ilay dikan-teny nataonao aza dia tokony hiala ao an-tranonao. Ity taratasy ity dia, tsy nataotao foana na dia tsy isan’ireo minmino foana aza, ka dia ezaho hitohy ity taratasy ity.
Misionera iray no nitrangan’ity hafatra sy vavaka avy any Saint Augustin. Afaka sivy andro dia ahita fahagagana lehibe ianao.
VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy, nisy aho satria nisy Andriamanitra. Tsy misy tsy azo aminy. Nomeny ahy ny aina, fitiavana, fifaliana. Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa. Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino ao amiko izy. Saingy izaho no minia tsy mandray azy. Ary mamela ahy izy amin’ny fahotako rehetra. Mihaino izay rehetra mivavaka izy saingy izaho no tsy manampaharetana. Andriamanotra ô! Manomboka izao aho dia hezaka ny hanara-dia Anao. Henoy ny fitarainako. Mitalaho Aminao aho. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay hadalovany. Nofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamaitra o ! Nahary ahy Ianao. Amen !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.395